Ny Fiompiana Akoho Gasy

You might also like

Download as docx, pdf, or txt
Download as docx, pdf, or txt
You are on page 1of 9

NY FIOMPIANA AKOHO

GASY NOHATSARAINA
May 19, 2014

1. Nahoana no hoe « fiompiana akoho gasy nohatsaraina » ?

Formation vaccinateur villageois

Famaritana :
Natao izao « fiompiana » izao mba hahazoana vokatra bebe
kokoa sy tsaratsara no sady manarapenitra.

Tombotsoa :
– Vola tselika raha sendra misy fandaniana madinidinika
– Hatao sakafo (atody, hena)
– Hatao « boatin-drakitra ».

Vato misakana :
– aretina
– vorona sy bibidia hafa
– fiarakodia
– halatra
– tsy fifehezana tanteraka ny fiompiana akoho

Mba hampihenana ireo vato misakana sy ho fanatsarana ny


fiompiana akoho gasy dia tokony hatsaraina : ny tranony ny
sakafony ary ny fahasalamany, ny fitantanana ankapobeny.
2. Ny tranon’akoho

Asiana fanatsarana mba :


– hiarovana amin’ny fahavalo (bibidia, halatra, toetr’andro,
aretina)
– fanaraha-maso ny akoho amam-borona sy ny atody
(fahasalamana, atody, fampitomboana tanaraka)
– hanatsarana ny vokatra sy hahamora ny fanaraha-maso
– hahamora ny asa rehetra (fanangonana ny zezika , fanaraha-
maso ny zanak’akoho)
Ny rova
Malalaka tsara, azon-drivotra, mora diovina. Manana efitra
manokana :
– ny lehibe : 1 m2 / akoho 2
– reniakoho mitarika : 1 m2 / reniakoho 1 na 2
– vantony : 1 m2 / akoho 5.
Sarahina amin’ny reniny ny akohokely, hatao izany mba
hampalaky manatody ny reniakoho sy hampitombo kokoa ny
isan’ny atody vokariny.

Ny Fitaovana
Ilaina ny :
– tavim-pihinanana sy tavim-pisotroana (ivelan’ny rova)
– toerana iray « fikafokafoany » lavenona sy fasika asiana vovoka
fanafody famonoana tsingaotra sy parasy
– fanatodizany : 1 / akoho 3 – mirefy : 30cmx 30cmx 30cm
– fiteronterona

Tavim-pihinanana :
Tavim-pihinanana vita amin’ny hazo, vy fotsy na plastika.

Sokajy Refy ho an’ny akoho 25 isa


Zanany (azo atao ny mampiasa lovia talesaka be) 1m * 0,10 m *
0,03 m
vantony 1m * 0,20 m * 0,20 m
lehibe 1m * 0,20 m * 0,20 m

Tavim-pisotroana :
Mila tavim-pisotroana mahazaka rano 4 litatra / akoho 10 (10
litatra / akoho 25) – miloko marevaka miavaka amin’ny tavim-
pihinanana – ahantona kely sahaza ny akoho (mba tsy ho mora
maloto ny rano ao anatiny). Atao mielanelana 1 m eo eo sy tavim-
pisotroana sy ny tavim-pihinanana.
Tavim-pihinanana / lavalava

boribory mihantona
« Fikafokafoany » (fihelezany) :
Ilaina io mba ahafahan’ny akoho mamono ny tsingaotra sy parasy
ary ny bibikely hafa – manana refy : 30 cm x 50 cm x 25 cm. Ny
fangaro :
– lavenona :5kg
– fasika : 5 kg
– vovoka famonoana bibikely : 150 g.

Fanatodizany :
1 / reniakoho 5. Manana refy : 30 cm x 30 cm x 30 cm x 30 cm.

Fiteronterona (ho an’ny vantony sy ny lehibe) :


3 m / akoho 6 isa. Atao manara-drindrina miala 25 cm ary sahabo
antsasa-metatra miala amin’ny tany ny hahavony – atao boribory
no anamboarana azy mba hahazoan’ny tongotr’akoho mifikitra
tsara – mielanelana 30 cm ny fiteronterona 2.

Toerana hananganana ny tranon’akoho


– milamina
– tsy talaky rivotra
– maina sy azon’ny masoandro tsara
– akaiky fangalana rano
– tsy lavitry ny toera-ponenana.

Akora fanamboarana
Tafo :
Bozaka, taila, …

Tafo bozaka
Rindrina :
Hazo, volosy, biriky, tora-peta … Ao an-damosina, mitsena
rivotra, manana hahavo 1,60 m ; eo anoloana 2 – 2,80 m. tsara
raha asiana varavarankely voaharo amin’ny karakara vy (voalavo
sy saka).

tranon’akoho vita amin’ny akora eo antoerana ihany

Fanambaniny :
Tany « voatoto » tsara, misy lafika (2 cm) ; tandrovina mba tsy ho
mando ny lafika. Lafika mololo : 1,5 kg / akoho 1 / 3 herinandro.
Ny asa hatao eo anivon’ny tranon’akoho
* Manadio tranon’akoho :

– esorina tanteraka ny lafika


– avoaka ny fitaovana rehetra mba diovina amin’ny rano sy
savony
– fàfàna ny tranon’akoho
– tifirina amin’ny rano famonoana « otrik’aretina » (crésyl 4% :
tany, rindrina, fitaovana)
– kobanina amin’ny rano ny fitaovana
– andrarahana fanafody mamono bibikely ny tranon’akoho.
3. Ny sakafo
Tokony ho sakafo feno sy ampy no omena, mba ahitam-bokatra
tsara. Ny « voa madinika » no tsara indrindra nefa azo atao no
manome mangahazo, vomanga – atao anaty tavim-pihinanana
madio tsara (maraina – hariva amin’ny ora mitovy).

Ny sakafo feno
Hita ao anatin’ny sokajin-tsakafo manaraka ireto :
Sokajin-tsakafo Akoho kely Lehibe
Voa madinika (vary, katsaka,…)
Mangahazo, vomanga

Apombo (vary , katsaka)


Ahitra tanora, anana
Kankana (felika), vovo trondro, patsa

– Siran-dakozia
– vovo-taolana may
– Akoran’atody, akoran-driaka
Fotoana fanomezana 3 – 4 / andro maraina hariva
Fatrany homena 35 – 40 g / andro 100 – 130 g /andro
Azo atao tsara ny manome fanampin-tsakafo (lehibe 10 isa) :
– 1 kapaoka faika (voanjo, voanio, …)
– 1 sotro kely amin’ny CMV-akoho
– 1 sotro kely lysine
– 1 sotro kely méthionine.

Mety ihany koa ny manisy « vato » ao anaty rano fisotro (mitondra


sokay …).

Ireo vitamina ilain’ny vatana sy ireo sakafo ahitana azy ireo :


Fatrany / andro
Vitamina Asany Zanany Vantony Lehibe Ahitàna azy
A Fitomboana
taranaka 150 UI 300 UI 750 UI huile de foie de morue
B Fitomboana
kojakoja 0,10 mg 0,15 mg 0,25 mg Voa, apombo (vary, katsaka)
Ahi-maisto
C Fiodinan’ny taova 0,10 mg 0,11 mg 0,12 mg Ahi-maitso
D taolana 15 UI 25 UI 100 UI huile de foie de morue
E taranaka 0,80 mg 0,90 mg 0,90 mg Voa, menaka (vary,
katsaka)

Sakafon’ny akoho kely


– andro voalohany : tsy omena na inona na inona
– andro 2 : omena rano matimaty misy siramamy
– andro 3 : omena « sakafo akohokely ».
Azo atao no mamela ny reniakoho hitarika azy ireo; nefa tsara
kokoa ny manome fanampin-tsakafo (loha-vary, kankana, …). 20
g vary fotsy + kankana 2 / akohokely / andro (mandritra ny 3
herinandro). Atao in 3 / andro ny fanomezana azy sakafo.

Sakafon’ny vantony
Eo amin’ny faha 2 volana nahafoizany dia sarahina amin’ny
reniny ny zanany omena « sakafo voatokana » – avela hiraotra
any amin’ny manodidina akaiky (zaridaina, tanety).

Sakafon’ny reny akoho manatody


Omena « sakafo voatokana » (cf tabilao sakafo).

Rano fisotro
Sarotiny amin’ny rano fisotro ny akoho (rano madio sy ampy
tsara).
Sokajy (100 isa) Filàna isan’andro (Litatra)
Akoho kely 5 – 10
Vantony 15 – 25
Lehibe 25 – 30

4. Fitantanana fiompiana
Hanomboka hiompy akoho
– 1 lahy + 4 vantony vavy (5 – 6 volana)
– Harafitra ny tranony, atao vonona ny fitaovana ilaina rehetra
– Soloina ny reniakoho sy lahin’akoho (feno 2 taona)
– Soloina avy hatrany ny reniakoho manatody latsakay ny folo
(10) isa.
Ny fakàna taranaka
Fantenana tsara ireo izay « hangalana taranaka » : akoho lahy
manana sanga mena midorehitra tsara (ny reniakoho
fonentanentana vaventy no maro atody) tsara vatana sy tsara
volo – lahy 1 / vavy 10. Eo amin’ny faha 6 volana no manatody ny
reniakoho : 12 atody / manatody / 3 isa-taona (atody 36 isa /
taona).

Fikotrehina
Toerana madio, tsy voahelingelina somary « maizimaizina ».
Maharitra 21 andro dia foy ny atodyakoho (tsy mihoatra ny 24
andro). Esorina isan’andro ny atody mba ho azo antoka ny
fanakotrehina azy aoriana.

fomba fanakotrehana akoho

5. Fahasalamana
Fikajiana ny fahadiovana
Jereo ny tabilao fandrindrana asa eo amin’ny toeram-piompiana.
Fisorohana ny aretina
Fitsaboana raha sendra aretina sy fandraisana fepetra manokana
mifandraika amin’ny izany toy ny :
– tsy akambana amin’ny namany ny biby fiompy « vaovao »
(mandritra 15 andro)
– fanesorana kantsetsitra anatiny sy ivelany alohan’ny
fanokanana
– manao fanefitra (vaksiny) ao anatin’ny fanokanana.

• Atokana ny biby fiompy marary (lavitra ny rovan’akoho)


• potehina ny atody simba (lamokany sy voakotrika) mandritra ny
fandalovan’ny aretina
• dorana sy alevina ambany sokay ny biby fiompy maty
• manao “fanadiovana faobe” – manala vizana (5 herinandro tsy
latsaka) alohan’ny hampidirana akoho “vaovao” indray (ho an’ny
tranon’akoho io).
Endrika toerana « hanokana-monina » (quarantaine)
Fisorohana ara-medikaly :
Fanaovana vaksiny sy fanalàna kantsetsitra.

Vaksiny :
Miaro amin’ny pesta sy barika.

Fanalàna kantsetsitra :
• Ivelany : mandava taona amin’ny alalan’ny toerana «
fikafokafoany » na fihelezany.

• Anatiny : manaraka toro-marika toy izao manaraka izao :

– omena odi-kôksidiozy ny herinandro voalohany .


– afaka 45 andro, manome odi-kankana isaky ny 6 volana

Fanafody Fomba fampiasa azy Vanim-potoana Asany


Amprolium 6g levonina anaty rano 1 L omena mandritra ny 5
andro Omena ny zanak’akoho 7 andro nafoizana omena indray
mandeha

Ody kôksidiôzy

Eméricid 1g levonina anaty rano 1 L omena mandritra ny 5 andro


Néphryl 2 1g levonina anaty rano 1 L omena mandritra ny 5 andro
Flubénol 5% Jereo ny fonosana Omena ny biby mihoatra 1
volana ½ ny taonany ; in-2 / taona
Ody kankana
Polyvermyl pilina 4 levonina anaty rano omena mandritra ny 1
andro
Biaminthic 5% 1 ml afangaro rano 1 L omena 1 ml / biby

TAHIRIM-PANAMARIHINA MANOKANA HO AN’NY AKOHO


GASY

Taona iandohan’ny « fanarahana » : vavy : 6 à 7 volana ; lahy : 7


volana
Lahy lehibe lanja velona : 2460 gr (1700 gr – 4010 gr)
Vavy lehibe lanja velona : 1620 gr (600 gr – 2450 gr)
Isan’atody (isaky ny manatody) : 12
Fivoahan’ny atody (isaky ny manatody) : Atody 1 / 1,47 andro
Faharetan’ny fikotrehana (atody) : 21 andro
Taha fahafoizana : 78,6%
Sarahina amin’ny reniny ny zanany : afaka 87 andro
Taha-pahafatesana (akoho kely) : 42,3%
Fiverenan’ny fanatodizany : 126 andro
Famokarana atody : 33 / taona
Fikotrehana : 3 / taona

You might also like