Download as pdf or txt
Download as pdf or txt
You are on page 1of 102

Shia

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

TAPANY VOALOHANY (1ERE PARTIE),


Famaritana azy amin’ny fomba tsotra dia:

Ireo Mpanaradia an’I Ali Ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou.

Io no tian’ny teny hoe: (‫ )شيعة علي‬ambara raha ny teny no jerena amin’ny fomba tsy miangatra.

Raha jerena io teny io dia efa hita taratra sahady fa mitarika amin’ny Sekta na fisarahambazana ny
voambolana io. Na dia eo aza ny mahamety filazana azy amin’ny endrika arabakiteny. Tsy misy zavatra
ambadika.

Fa inona moa nahatonga io voambolana io?

Rehefa maty I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam dia mbola tsy nisy vondrona nitonotena
hoe: (‫ )شيعة علي‬izany. Fa ny mpino islam rehetra dia fantatra tamin’ny anarana hoe: Mouslim na Mpino islam.
Na Mpanaraka ny finoana islam na Mpiambany sy mpanetry tena amin’I Allah irery ihany.

Tranga voalohany izay nahitana tsirikevitra hoe: (‫ )شيعة علي‬dia taorian’I fahafatesan’I Outhman. Zany hoe: Tsy
nisy andian’olona nantsoina hoe: (‫ )شيعة علي‬nandritran’ny fitondran’ireo Khoulafah telo (Abou Bakr, Oumar sy

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Outhman) zany hoe: tao anatin’ny 24 taona taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Muhammad Salallah
‘Anlayhi wa salam.

Zany hoe: ireo Mpino islam nandritran’ny 24 taona ireo dia nitambatra vondrona iray. Tsy nisy ny atao hoe:
Sekta izany.

Inona ary no nahatonga ny fiforonan’I Shia io?

Référence:

Sheikh Ibn Taymiyyah, boky misy fanazavana io. Mizan Al i’tidal 1/5.

Mbola hitohy raha sitrak’Allah…!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha roa (2ème partie),


Hitatsika tamin’ny fanazavana voalohany teo fa tao anatin’ny 24 taona taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany
Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam dia mbola tsy nisy ny vondron’olona niantsoina hoe : Shia izany fa
mbola Mpino islam tokana tamin’izany.

Ho valiatsika amizay ny fanontaniana hoe:

Inona ary no nahatonga ny fiforonan’I Shia io?

Ny mpiatsaravelatsihy dia efa nisy nanomboka tamin’ny fifindramonina tao Madinah ary nanao ny
rehetra mba hampisarahambazana ny Mpino islam samby mpino islam.
Indrindra ireo Jiosy. De tao koa ireo Kristianina. Fa tsy nahavita zavatra goavana izy ireo
nandritran’ny 24 taona io.

Fa izy ireo dia miandry trangan-javatra kely fotsiny mba hanararaotana azy de tohizana amin’izany
ny tanjona.

Ka nataon’I Allah Ilay Avo tsy toha tonga ilay tranga nirindreo. Niketriketrika izy ireo mba
handotoana an’I Khalifah faha telo ny Mpino islam I Outhman Radhiyallah ‘Anhou. Ka vitandreo
izany.

Nahavita namory olona izy ireo mba hiezaka hanala an’I Outham Radhiyallah ‘Anhou tamin’ny
toerany.

Araka ny hadith iray hoe:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


‫ف يَ ْو َم الد َِّّار‬ َ ‫ أ َ ْش َر‬، َ‫عفَّان‬
َ َ‫عثْ َمانَ بْن‬ ُ ‫ أ َ َّن‬، ٍ‫س ْه ِّل ب ِّْن ُحنَيْف‬ َ ‫ عَ ْن أَبِّي أ ُ َما َمةَ ب ِّْن‬،ٍ‫سعِّيد‬ َ ‫ع ْن يَحْ يَى ب ِّْن‬ َ ،ٍ‫ َح َّدثَنَا َح َّمادُ بْنُ زَ ْيد‬،‫ي‬ َ ُ‫َح َّدثَنَا أَحْ َمدُ بْن‬
ُّ ِّ‫ع ْب َدة َ الضَّب‬
‫َّللا صلى هللا عليه وسلم قَا َل‬ ِّ َّ ‫َّللا أَت َ ْعلَ ُمو َن أ َ َّن َرسُو َل‬
َ َّ ‫ش ُد ُك ُم‬ ُ ‫ارتِّ َدا ٍد بَعْ َد إِّ ْسالَ ٍم "فَقَا َل أ َ ْن‬
ْ ‫ان أ َ ِّو‬
ٍ ‫ص‬ ٍ َ‫ئ ُم ْسل ٍِّم إِّالَّ بِّإِّحْ َدى ثَال‬
َ ْ‫ث ِّزنًا بَ ْع َد إِّح‬ ٍ ‫الَ يَحِّ ُّل َد ُم ْام ِّر‬
‫ق فَقُتِّ َل ِّب ِّه‬ٍ ‫َّللا صلى هللا عليه وسلم َوالَ قَت َْلتُ "أ َ ْو قَتْ ِّل نَ ْف ٍس ِّبغَي ِّْر َح‬ ِّ َّ ‫ارت َ َددْتُ ُمنْذُ بَايَ ْعتُ َرسُو َل‬ ْ َ‫َّللا َما زَ نَيْتُ فِّي َجا ِّه ِّليَّ ٍة َوال َ فِّي ِّإ ْسالَ ٍم َوال‬ ِّ َّ ‫ فَ َو‬.
‫ع ْن‬ َ َ‫سلَ َمة‬ َ ُ‫ َو َر َواهُ َح َّمادُ بْن‬. ٌ‫سن‬ ٌ ‫ َو َهذَا َحد‬. ‫َّاس‬
َ ‫ِّيث َح‬ ٍ ‫عب‬ َ ‫شةَ َواب ِّْن‬ َ ِّ‫ع ِّن اب ِّْن َم ْسعُو ٍد َوعَائ‬ َ ‫ب‬ ِّ ‫سى َوفِّي ْالبَا‬ ُ َّ ‫س الَّتِّي َح َّر َم‬
َ ‫َّللا فَبِّ َم ت َ ْقتُلُونَنِّي قَا َل أَبُو عِّي‬ َ ‫النَّ ْف‬
ُ ْ
‫ي هَذَا ال َحدِّيث مِّ ْن‬ َ ُ َ ْ
َ ‫سعِّي ٍد َهذَا ال َح ِّديثَ فَأ ْوقَفوهُ َول ْم يَ ْرفَعُوهُ َوقَ ْد ُر ِّو‬ َ ‫ع ْن ي َحْ يَى ب ِّْن‬ َ ‫غي ُْر َواحِّ ٍد‬ َّ ْ
َ ‫سعِّي ٍد القَطانُ َو‬ َ ُ‫ َو َر َوى يَحْ يَى بْن‬. ُ‫سعِّي ٍد فَ َرفَعَه‬ َ ‫يَحْ يَى ب ِّْن‬
‫ع ِّن النَّ ِّبي ِّ صلى هللا عليه وسلم َم ْرفُوعًا‬ ‫م‬ ْ ‫ث‬ ‫ع‬ ‫ن‬ْ
َ َ‫ِّ َ جْ ٍ َ ُ َ ان‬‫ع‬ ‫ه‬ ‫و‬ ‫ْر‬‫ي‬ ‫غ‬
َ

Tatitra azo avy tamin’i Umamah Bin Sahl Bin Hunaif radhiyallah ‘anhou,

Izy dia, nitantara ny zavatra niseho nandritra ny fanafihana ny tranon’i Khalifah Outhman Bin ‘Affan
radhiyallah ‘anhou,

Hoy izy hoe : i Outhman radhiyallah ‘anhou dia, nitsangana ary nijery an’ireo olona (mpanafika) sy niteny
hoe :

‘Izaho dia, mifanta amin’i Allah ! Hainareo tsara fa I Mpaminany Muhammad salallah ‘anlayhi wa salam dia,
niteny manao hoe:

Ny rà ny mpino islam dia, tsy azo alatsaka (vonoina) afa tsy amin’ny tranga telo ihany:

Ny fijangajangana ataon’ny olona manambady (vita Nikah), manaraka ny fialana ny finoana islam (Mourtad,
apostat) ary manaraka ny famonoana olona tsy amin’ny rariny (rariny: eken’ny finoana islam).

Izaho (Outhman) dia, mifanta amin’I Allah fa mbola tsary nijangajanga mihitsy na teo aloha ny finoana islam
(Jahiliya) na taorian’ny fahatongavan’ny finoana islam ary Izaho koa dia, mbola tsary niverin-dalana amin’ny
finoana islam nanomboka tamin’ny fotoana izay nanaovako Bay’iah (velirano, fifanekena) tamin’ny
Mpaminany ny Allah Salallah ‘anlayhi wa salam ary Izaho koa dia, mbola tsary namon’olona tamin’ny
fiainako. Ka noho ny inona ny antony nde hamonoanareo aho?

Référence:

Jami’a At Tirmidhi, Hadith Sahih numero: 2158. Boky faha 33 ‘Al Fitan’

‫كتاب الفتن عن رسول هللا صلى هللا عليه وسلم‬

ٍ َ‫ئ ُم ْسل ٍِّم إِّالَّ بِّإِّحْ َدى ثَال‬


‫ث‬ ٍ ‫باب َما َجا َء الَ يَحِّ ُّل َد ُم ْام ِّر‬

NB :

Nisy andian'ny olona avy any Kouffa, Basra, Egypte...sns...vitan’ireo Mpiatsaravelatsihy sy ireo
Mpikomy navory mba hanohitra an’i Outhman Radhiyallah ‘Anhou tamin’ny fitondrany.

Naharitra 30 andro mahery ny fihodidinan'izy ireo ny tranony. Ary tamin'ny andro zoma no
namonondreo azy. Nanao fifadiankanina izy tamin'io. Satria, efa nanonofy izy tamin'ny alina hoe:
Niseho taminy i Mpaminany Muhammad salallah 'anlayhi wa salam ary niteny manao hoe: Tsy mba
tianao ny hiara hisakafo 'Iftar' aminay rahampitso ariva?

De nanao fifadiankanina izy. Ary namaky Kour'any betsaka izy tamin'io andro io.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Misy lehilahy iray antsoina hoe: Roumana al yamani no nanomboka ny fikapohana azy voalohany.
De nanaraka ireo olona maro avy ivelan’ny tanana Makkah sy Madinah.

Fa i Jibla (lehilahy iray avy any Egypte) no nanapaka ny lohany.

Ka maty izy tamin'ny le 18 Dhoul Hijj taona 35 Hijri (17 Juin 656)

Zany hoe: 24 taona katroka taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam no
nitrangan’io famonoana an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou io.

Io ilay trangan-javatra niketrehin’ireo Mpiatsaravelatsihy tonga io. De nanomboka teo dia nizarazara ny
Mpino islam.

Satria maninona? Fa nahoana tsy nahavita nitambatra ny mpino islam taorian’io?

Mbola hitohy raha sitrak’Allah…!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany ?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha telo (3ème partie)


Hitantsika tsika tamin’ny fanazavana farany teo fa matin’ireo fokon’olona i Outhman Radhiyalla ‘Anhou
tamin’ny andro Zoma le 18 Dhoul Hijj taona 35 Hijri (17 Juin 656). Zany hoe : 24 taona katroka
taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam (632).

Iverenatsika kely ny tantara nahalany an’i Outhman Radhiyallah ‘Anhou ho Khalifah.

Rehefa teo ampandrina ho faty I Oumar Radhiyallah ‘Anhou (Khalifah faha roa) dia namela afatra
mahakasika ny mpandimby azy. Hoy izy hoe:

‘Safidio amin’ireto olona 6 ireto ny Mpandimby aho ao anatin’ny 3 andro. Andro faha efatra dia
tokony efa hainareo ny olona hatao ho mpandimby aho’

1-Ali ibn Abi Talib.


2-Uthman ibn Affan
3-Abdur Rahman bin Awf
4-Sa`d ibn Abi Waqqas
5-Al-Zubayr

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


6-Talhah Radhiyallah Anhoum ajma’in

I Abdur Rahman bin Awf Radhiyallah ‘Anhou dia niala ary tsy nanaika ho anisany fidiana fa nanolotena ho
mpanaramaso ny fifidianana iray amin’ireo 5 sisa tavela.

De nanomboka ny asany izy ary nanontany ireo 5. Rehefa tonga tamin’I Ali ibn Talib radhiyallah ‘anhou izy ary
nanontany hoe: iza ny olona tianao hatao Mpandimby an’I Oumar Radhiyallah ‘Anhou dia tsy naneho hevitra
izy. Zany hoe: nangina tanteraka. Rehefa nanontaniana indray I Uthman dia Ali Ibn Abi Talib no nisafidiany
handimby an’I Oumar.

Rehefa nanontany an’I Al Zubayr dia nilaza izy hoe: Na Ali na Outhman. Sa’d indray niteny hoe: Uthman.

Ka tapaka fa Uthman Radhiyallah ‘Anhou no lany. Ary I Ali Ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou dia
nanaika.

NB:

Ny zavatra azo tsoahina avy amin’io tranga io dia nisy fifankatiavana teo tamin’I Oumar sy Ali ibn
Abi Talib. Antony satria: nampidirin’I Oumar tao anatin’ireo 6 izay hitany fa tsara amin’ireo sahabah
izay mbola velona ary afaka handimby azy. Manaraka, hita koa fa I Outhman dia mankatia an’I Ali
ibn Abi Talib satria nandritran’ny fifidiana io dia I Ali ibn Abi talib no nisafidiany handimby an’I
Oumar Radhiyallah ‘anhoum.

Zany hoe:

Ireo tranga ireo dia manamafy fa nibahantoerana ny fifankatiavana tamin’ireo Sahaba indrindra ireo
Khoulafah (Abou Bakr, Oumar, Outhman ary I Ali). Ary izany dia niseho nandritra ny 24 taona
taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam.

Ho valiatsika amin’izay ny fanontaniana hoe:

Maty I Outhman tamin’io daty ambony io. De nanomboka teo dia nizarazara ny Mpino islam.

Satria maninona? Fa nahoana tsy nahavita nitambatra ny mpino islam taorian’io?

Satria nivoniana tsy amin’ny rariny I Outhman de nizara ho vondrona roa mpino islam tamin’izany:
iray havan’I Outhman izay mitaky ny famonoana ireo namono azy araka ny lalàna islamika. De tao
koa ireo nahatsapa fa misy ambadikany izao tranga izao ka aleo atsika hivondrona aloha.

Misy vondrona faha telo fa io faha telo io dia vondrona miasa amin’ny maizina. Zany vondrona misy
an’ireo Mpiatsaravelatsihy nandrehitra afo.

Mbola hitohy raha sitrak’Allah…!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany ?

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha efatra (4ème partie),

Daty : Volana Dhoul Hijjah taona 23 Hijri (Le 6 Nov 644), nanao Imam ny Soalat tamin’izany i Souhayb Ar-
Roomi, soalat fajr tamin’io, vita Soalat Fajr, i Abdur Rahman ibn ‘Awf nisalotra ‘fehiloha’ n’i Mpaminany
Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam dia nandroso teo tamin’ny Mimbar ary nantsoina daholo ireo olo
manan-kaja tamin’izany : ireo Muhajirina sy ireo Ansar : Mua’wiyyah, Umayr ibn Sa’d, Amr ibn Al ‘Ans…etc.

Taorian’ny fideran’i Abdur Rahman ibn ‘Awf an’I Allah dia niteny tahak’izao izy tamin’I Ali ibn Abi Talib
manokana hoe:

« O ry Ali, izaho dia efa nanontany ireo vahoaka ary nanontany ny hevitr’izy ireo ary izy ireo dia mahita fa i
Outhman no mendrika hitondra aminareo rehetra. Ka miangavy anao mba tsy hampiseho zavatra izay mety
hitsikeran’ny olona anao mahakasika ny safidy izay natao ity ».

Taorian’izany i Abdur Rahman ibn ‘Awf dia nanao ‘Bay’ah’ (velirano ho fanekena) an’I Outhman ho Khalifah.
De nanaraka azy i Ali ary ny vahoaka rehetra.

Zany hoe : nifanaraka tsara ireo Sahabah amin’ny resaka fitondrana. Nanaika daholo rehetra tamin’ny
fitondran’ireo Khalifah telo (Abu Bakr, Oumar sy Outhman) ary i Ali koa mbola nanaiky tsara.

Nandritra ny fitondrany dia hita taratra ny fiarahamiasa izay nisy teo tamin’izy roa. Indrindra tamin’ny
fanaovana an’I Kour’any ho Moushaf (boky) iray atao amin’ny fomba fanonona Qouraish izay ahavitana
mamaky azy amin’ny fomba maro. Mifanatra izy ireo ary mifampitsinjo.

Izay fifampitsinjoana izany dia niseho amin’ny fomba miharihary sy hitan’ny rehetra rehefa nanomboka niely
ny tetik’ireo Mpiatsaravelatsihy tamin’izany.

Tao Dhul-Marwah ireo Mpanao fietsiketsehana izay namporisihin’ireo Mpiatsaravelatsihy tamin’izany.

Nalefan’I Outhman I Ali sy ny sahaba iray mba hananatra ireo Mpanao fietsiketsehana ka nahitana
marimaritra iraisana izany. Satria nisy fitakiana no nataon’izy ireo. Ohatra Ibn ‘Amir izay nesorina tsy ho
Governor any Basra dia mila averina. Ary I Abou Moussa koa tsy mahazo esorina ho governor ny Koufah.

Tezitra ireo Mpiatsaravelatsihy satria tsy nahomby ilay tetika ka nampiharindreo ny Plan B satria Plan A efa
simba.

Inona ary izany Plan B izany?

Valiny:

Nisy teratany Egyptianina iray nitondra Cheval ary nitondra hentana nanatona ireo olona Mpanao
fietsiketsehana izay nody tamin’ny tanindreo ireo tamin’ny fomba mafy ka rehefa nahita an’izany izy ireo dia
nanakana azy de nisavaina izy. Teo no nahitana taratasy iray taminy ary nanontaniana izy hoe: fa iza marina
ianao ty? De hoy izy hoe: Izaho dia irak’I Amir Outhman. De nivakiandreo ny taratasy izany.

Gaga izy ireo satria nahita soratra hoe:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


‘Vonoy ireo olona mpanao fietsiketsehana ireo ary fantsifantsiho’.

Hita teo tamin’ny taratasy ny Caché n’I Outhman ho fanamarinana an’izany. Nefa io Caché io dia fosika. Io
ilay Plan B n’ireo mpiatsaravelatsihy tamin’izany. De io no antony lehibe nahatonga ireo olona mpanao
fietsiketsehana ireto namono an’I Outhman.

Ireo Mpanao fietsiketsehana ireo dia betsaka tamin’izy ireo no olona efa nokaramaina ary fantatr’I Ali tsara
izy tamin’izany satria, rehefa tonga izy ireo nde hamono an’I Outhman dia nametraka fanontaniana tahak’izao
izy tamin’izy ireo:

O ianareo, teratany Irakianina, tamin’ny fomba ahoana no nahaizanareo fa nisy taratasy avy tamin’I Outhman
nde hamonoana ireo andian’olona mpanao fietsiketsahana namanareo avy ao amin’ny faritra Egypte nefa
ianareo dia efa nifanalavitra be tamin’ny fotoana izay nahitana an’io taratasy io?

Tsapan’I Ali tamin’izany fa ireo Mpiatsaravelatsihy tao Madinah ihany no nanao an’ity Plan B ity satria izy
ireo dia au courant tamin’ny fivoaran’ny toedraharaha rehetra ary naniraka olona mba hanaparitaka an’ity
vaovao mahakasika an’ity taratasy ity satria, ireo mpanao fietsiketsehana dia niaraka tonga tao Madinah nde
hamono an’I Outhman.

Tsy vao samban’ireo Mpiatsaravelatsihy namorona taratasy tahak’izao ity. Efa namorona izy ireo mahakasika
an’I Aisha sy Ali tany aloha. Kanjo tsy nahomby.

Tohizantsika amin’izany ny taorian’ny fahafatesan’I Outhman.

Rehefa henon’I Ali ny fahafatesan’I Outhman dia tezitra mafy izy ary tonga de nanatona an’ireo zanany. Satria
ireo zanany dia nataony ho mpiambina azy mba tsy ho vonoin’ireo Mpanaofietsiketsehana. Ka nofelahiny
zanany Al Hassan de nilaza izy hoe: amin’ny fomba ahoana ny nahavitandreo namono an’I Outhman nefa
ianao dia teo ihany? Ary nidominy mafy teo tamin’ny tratrany ny zanany Al Housseyn ary nankahalainy ny
zanan’I Az Zoubayr satria ireo teloi reo dia anisan’ny olona nanao Garde n’I Outhman mba tsy ho vonoin’ireo
mpiatsaravelatsihy ireo.

De nampiakapeo avo izy tamin’I Allah fa izaho hoy izy dia miataka lavitra tamin’ny famonoana an’I Outhma,
O Allah!

Tahak’izany ny reaction n’I Ali rehefa naheno ny fahafatesan’I Outhman.

Rehefa nandeha ny taona dia niezaka nanova tantara ireo Mpiatsaravelatsihy ary I Abou Mikhnaf Lout ibn
Yahya (‫ )لوط ابن يحيٰ ابن سعيد ابن مِ خنَف الكوفي‬lehilahy iray loharanon’I Shia ankehitriny izay maty tamin’ny taona
157 Hijri no loharano namorona tantara fosika mahakasik’ireo Sahabah ary ny boky nisoratany no
nataon’ireo Shia ankehitriny ho loharano amin’ny tantara mahakasika ny Seerah indrindra ny zavatra niseho
teo tamin’ireo Sahabah. Sy tao Karabala. Izy dia lehilahy iray teraka tao Koufa.

Référence:

Loharano nazahoana fanazavana ireto dia ny boky mitondra lohateny hoe:

‘Tantaran’i Ali Ibn Abi Talib izay nisoratan’i Dr. Ali M. Sallabi’ – Volume I

Mbola hitohy raha sitrak’Allah…!

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany ?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha dimy (5ème parite),


Araka ny fanazavatsika farany teo hoe:

Rehefa nandeha ny taona dia niezaka nanova tantara ireo Mpiatsaravelatsihy ary I Abou Mikhnaf Lout ibn
Yahya (‫ )لوط ابن يحيٰ ابن سعيد ابن مِ خنَف الكوفي‬lehilahy iray efa loharanon’I Shia ankehitriny izay maty tamin’ny
taona 157 Hijri no loharano namorona tantara fosika mahakasik’ireo Sahabah ary ny boky nisoratany no
nataon’ireo Shia ankehitriny ho loharano amin’ny tantara mahakasika ny Seerah indrindra ny zavatra niseho
teo tamin’ireo Sahabah. Sy tao Karabala. Izy dia lehilahy iray teraka tao Koufa.

Raha jerentsika io taona 157 izay nahafatesany io dia efa niparitaka maneran’ny faritra mpino islam maro ny
lainga nafafiny. Ka nahatonga ireo Mpino islam taty aoriana niezaka nikatsaka ny Hadith izay ahitana Isnad na
rohy mpamitohy hatramin’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam.

Ka tsy diso anjara tamin’izany I Abu Abdullah Muhammad ibn Ismail al Bukhari, iza moa izy?

Izy dia, zanak’i Ismail izay efa avy mpianatr’I Imam Malik sy Mpianatr’I Hammad Ibn Zayd ary I Abdullah ibn
Mubaraka (rahimahullahum). Izy dia, teraka tamin’ny andro Zoma faha 13 ny volana Shawwal taona 194 Hijri.
Zany hoe: izy dia teraka 37 taorian’ny fahafatesan’I Abou Mikhnaf.

Ny papany dia, maty tamin’ny fahazazany. Nandritra ny fahazazany dia, efa nahavita nanao tsianjery Hadith
2 000 mihoatra izy.

Izy dia, nahavita nanoratra boky maro. Fa ny boky antsoina hoe: Sahih Bukhari no tena nalaza sy nanana ny
akony eo amin’ny fahamarinana sy loharano itovozana ny Hadith maripototra.

Ity boky nisoratany ity dia, ahitana Hadith miisa: 7 563 (miaraka amin’ny fiverimberenan’ny Isnad avy
amin’ny Mpitatitra maro samihafa) izay nomeny anarana hoe: Sahih na Marina araka ny fikarohany.

Tao anatin’ny taona 16 no nitadiavan’ireo Hadith maro be ireo ary nanoratan’ny bokiny antsoina hoe: Sahih
Bukhari. Izany dia, tany tamin’ny taona 217 Hijri. Tamin’izany izy dia, mbola 23 taona monja.

Tao tamin’ny Rawdah ao amin’ny Masdjid Nabawi (Madinah) tao no nanoratan’ireo Hadith ireo. Ary
alohak’izy manoratra Hadith iray dia, manao Ghousl sy manao Raka’a Nafil ho fangatahana amin’I Allah
amin’ny fankasitrahana ny Hadith izay nataony fikarohana sy hisoratany amin’io boky Sahih Bukhari io.

Ireo fepetra notakian’I Bukhari mba hampatonga ny Hadith iray ho maripototra dia, ireto avy:

1-Ny mpitatitra izay nazahoana ny Hadith dia, mila ho olona ‘Adl (Marina tsy mitongilana).

2-Ny mpitatitra izay nazahoana ny Hadith dia, mila olona manana tadidy tsara.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


3-Ny Hadith azo avy aminy dia, tokony ahitana rohy mpampitohy tsy tapaka avy amin’ny Sahaba sy
Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi Wa salam.

4-Tsy maintsy olona efa avy nifanena ireo olona nazahoana tatitra ireo raha tsy izany dia, tsy ekeny.

Niteny I Imam An Nawawi (rahimahoullah) manao hoe:

Ireo manampahaizana amin’ny mpino islam rehetra dia, nanaika fa ny Sahih Bukhari dia, boky izay marina
indrindra aorian’ny boky manan-kaja Kour’any.

Bukhari dia, efa avy nifanena tamin’I Mouslim Ibn al Hajjaj (Mpanoratra boky Sahih Mouslim) tao Nishapour.
Ary lasa mpianatrany I Mouslim. Ary ny boky nisoratan’I Mouslim dia, lasa boky faha roa amin’ny Boky ny
Hadith amin’ny fahamarinany. Izy dia, maty tao Khartank, Samarkand tamin’ny taona 256 Hijri.

Zay ny antony mahatonga an’ireo Shia ankehitriny dia mankahala ny Hadith hita ao amin’ny Sahih Bukhari.
Satria izy dia nahavita namotipotika ny fotokevitra sy tantara lainga maro izay nisoratan’ity Abou Mikhnaf ity.
Ka mandraka ankehitriny dia mbola navelan’I Allah eto amintsika ireo Hadith nikarohiny ireo miaraka amin’ny
Isnad nazy.

Tadidio fa Halan’ireo Shia ankehitriny koa I Outhman Radhiyallah ‘Anhou ary namoronandreo lainga maro.

Kanjo, betsaka ireo Hadith Sahih izay milaza ny hatsarany. Ka hatolotratsika anao ireo Hadith tsy tian’ny Shia
ho hainao ireo mba ahaizanao ny tena voninahitrany tamin’ny finoana islam.

Hadith Sahih,

‫سعِّي َد بْنَ زَ ْي ِّد‬ َ ،ُ‫سمِّ َع َج َّده‬َ ‫ث‬ِّ ‫اح ب ِّْن ْال َح ِّار‬ ِّ َ‫ ِّري‬،ِّ‫ع ْن َج ِّده‬ َ ،‫ي‬ ُّ ‫ص َدقَةُ بْنُ ْال ُمثَنَّى أَب ُو ْال ُمثَنَّى النَّ َخ ِّع‬َ ‫ َح َّدثَنَا‬،‫س‬ َ ُ‫سى بْنُ يُون‬ َ ‫ َح َّدثَنَا عِّي‬،‫ع َّم ٍار‬ َ ُ‫َح َّدثَنَا ِّهشَا ُم بْن‬
َ َ
‫عش ََرةٍ فقا َل‬ َ ‫عاش َِّر‬َ ‫َّللا ـ صلى هللا عليه وسلم ـ‬ ِّ َّ ‫سو ُل‬ ُ ُ
ُ ‫ع ْم ِّرو ب ِّْن نفَي ٍْل يَقو ُل َكانَ َر‬ َّ ْ
َ ‫عث َمانُ فِّي ال َجن ِّة "ب ِّْن‬ ْ َّ ْ
ُ ‫ع َم ُر فِّي ال َجن ِّة َو‬ ْ
ُ ‫أَبُو بَ ْك ٍر فِّي ال َجن ِّة َو‬
َّ
‫الرحْ َم ِّن فِّي ْال َجنَّ ِّة‬ َ ‫س ْع ٌد فِّي ْال َجنَّ ِّة َو‬
َّ ‫ع ْب ُد‬ َ ‫الزبَي ُْر فِّي ْال َجنَّ ِّة َو‬
ُّ ‫ي فِّي ْال َجنَّ ِّة َوطَ ْل َحةُ فِّي ْال َجنَّ ِّة َو‬ َ ‫ فَقِّي َل لَهُ َم ِّن التَّا ِّس ُع قَا َل أَنَا" َو‬.
ٌّ ‫ع ِّل‬

Tatitra azo avy tamin’I Sa’id ibn Zayd ibn ‘Amr ibn Noufayl,

Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam dia iray amin’ireo 10 miditra Paradisa

Niteny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

« -Abu bakr dia, miditra amin’ny Paradisa, ‘Oumar dia, miditra amin’ny Paradisa, ‘Outhman dia, miditra
amin’ny Paradisa, ‘Ali dia, miditra amin’ny Paradisa, Talha dia, miditra amin’ny Paradisa, Az Zoubair dia,
miditra amin’ny Paradisa, -Sa’id ibn Zayd dia, miditra amin’ny Paradisa ‘Abdur Rahman bin awf dia, miditra
amin’ny Paradisa”. Nisy nanontany taminy hoe: Izay ilay faha sivy? Namaly izy hoe: Izaho.

Référence:

Sounan Ibn Majah

Vol. 1, Boky 1, Hadith 133

Tatitra azo avy tamin’I Anas radhiyallah ‘anhou,

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


‫ع ْن‬ َ ،َ ‫ع ْن قَت َا َدة‬ َ ،ٌ‫سعِّيد‬ َ ‫ قَاالَ َح َّدثَنَا‬،‫س بْنُ ْالمِّ ْن َها ِّل‬ َ ُ‫ لِّي َخلِّيفَةُ َح َّدثَنَا ُم َح َّم ُد بْن‬،َ‫ َوقَال‬،ٌ‫سعِّيد‬
ُ ‫ َو َك ْه َم‬، ٍ‫س َواء‬ َ ‫ َح َّدثَنَا‬،‫ َح َّدثَنَا يَ ِّزي ُد بْنُ ُز َري ٍْع‬،ٌ‫س َّدد‬
َ ‫َح َّدثَنَا ُم‬
‫ قَا َل‬،ِّ‫ض َربَهُ بِّ ِّرجْ ِّله‬َ َ‫ ف‬،‫ف بِّ ِّه ْم‬ َ ‫عثْ َمانُ فَ َر َج‬ ُ ‫ي صلى هللا عليه وسلم إِّلَى أ ُ ُح ٍد َو َمعَهُ أَبُو بَ ْك ٍر َو‬
ُ ‫ع َم ُر َو‬ َ ‫"أَن َِّس ب ِّْن َمالِّكٍ ـ رضى هللا عنه ـ قَا َل‬
ُّ ِّ‫ص ِّع َد النَّب‬
‫ان‬ َ ‫ص ِّديقٌ أ َ ْو‬
ِّ ‫ش ِّهي َد‬ ِّ ‫ي أ َ ْو‬ َ ‫"اثْبُتْ أ ُ ُحدُ فَ َما‬.
ٌّ ‫علَيْكَ ِّإالَّ نَ ِّب‬

Niteny izy fa I Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam dia, niakatra teo tamin’ny tendrimbohitra
Ouhoud niaraka tamin’I Abu Bakr radhiyallah ‘anhou sy ‘Oumar ibn al khatwab radhiyallah ‘anhou ary I
‘Outhmaan ibn ‘affan radhiyallah ‘anhou. De nihetsika ny tendrimbohitra ‘Ouhoud izay diavindreo ka
nidominy tamin’ny tongony ilay tendrimbohitra ary niteny izy (salallah ‘anlayhi wa salam) manao hoe : ‘aoka
ianao mba tsy hietsiketsika ry Ouhoud fa eo amboninao dia, tsy misy afa tsy mpaminany iray (Muhammad) sy
As Siddiiq (Ilay marina: Abu Bakr) ary maritiora roa (‘Oumar sy Outhman radhiyallah ‘anhoma)’

Référence :

Sahih boukhari, Hadith numéro 3 686.

Boky faha 62.

ْ ‫ قَا َل‬،َ‫شة‬
‫ت‬ َ ‫ع ْن‬
َ ِ‫عائ‬ َ ،‫ِير‬ٍ ‫ان ب ِْن بَش‬ِ ‫ع ِن النُّ ْع َم‬
َ ،ِ‫الد َم ْشقِي‬ ِ َ‫ع ْن َربِيعَةَ ب ِْن يَ ِزيد‬ َ ،َ‫ضالَة‬ َ َ‫ج ْب ُن ف‬ ُ ‫ َحدَّثَنَا ْالف ََر‬،َ‫ َحدَّثَنَا أَبُو ُمعَا ِويَة‬،ٍ‫ي بْنُ ُم َح َّمد‬ُّ ‫ع ِل‬َ ‫َحدَّثَنَا‬
‫َّللا ـ صلى هللا عليه وسلم ـ‬ َِّ ‫سو ُل‬ ُ َ َ‫ر‬ ‫ل‬ ‫ا‬َ ‫ق‬" َّ
‫َّللا‬
ُ َ‫َّ َ ك‬ ‫ص‬ ‫م‬ َ ‫ق‬ ‫ِي‬
‫ذ‬ َّ ‫ل‬‫ا‬ ‫ص‬ ‫ي‬‫م‬
َ‫َ ِ َ ك‬ َ ‫ق‬ ‫ع‬ َ ‫ل‬ ْ
‫َخ‬ ‫ت‬ ْ
‫ن‬ َ ‫أ‬ َ‫ون‬ ُ ‫ق‬‫ف‬‫َا‬ ‫ن‬ ‫م‬ ْ
‫ال‬ ‫د‬ ‫ا‬
ِ ُ َ‫ْ َ َ ْ ً َ َك‬‫ر‬ َ ‫أ‬َ ‫ف‬ ‫ا‬‫م‬ ‫و‬ ‫ي‬ ‫ر‬‫م‬ َ ‫أل‬‫ا‬ ‫ا‬َ ‫ذ‬ ‫ه‬
َ َّ َّ
ُ َ‫َيا ُ َ ِ َ ك‬
‫َّللا‬ ‫ال‬‫و‬ ْ
‫ن‬ ‫إ‬ ُ
‫ن‬ ‫ا‬ ‫م‬ْ ‫ث‬‫ع‬
ُ‫"فَالَ ت َ ْخلَ ْعه‬. ‫َّللا‬ ُ ْ َ‫اس بِ َهذَا قَال‬
ِ َّ ‫ت أ ْنسِيتُهُ َو‬ َ
َ َّ‫شةَ َما َمنَعَكِ أ ْن ت ُ ْع ِلمِي الن‬ ْ
َ ِ‫ قَا َل النُّ ْع َما ُن فَقُلتُ ِلعَائ‬. ‫ت‬ ٍ ‫ يَقُو ُل ذَلِكَ ثَالَثَ َم َّرا‬.

Tatitra azo avy tamin’I Aisha Radhiyallah ‘Anha,

Niteny i Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

“O ry Outhman, raha toa ka Allah hanome anao fahefana amin’ity zavatra ity (Khilafah: fitondra
mpino islam rehetra) any andro any ary ireo Mpiatsaravelatsihy mila hanala fitafy izay
nampitafian’I Allah anao (ny maha Mpitondra Khalifah anao), aza esorina izany fitafinao izany”. De
naverimberin’I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam in-telo izany teny izany. (Niteny
ny mpanoratra Hadith iray) Nou’man niteny manao hoe: “Izaho niteny tamin’I Aisha hoe: ‘Fa
nahoana tsy mba noteneninao tamin’ny olondrehetra izany (tamin’io fotoana io)? Namaly I Aisha
manao hoe: ‘Izaho dia nataon’I Allah nanadino an’izany’ (tamin’io fotoana io).

Référence:

Sounan Ibn Majah Vol. 1, Book 1, Hadith 112

‫كتاب المقدمة‬

NB:

Ity Hadith ity dia mirakitra tsiambaratelo maro ary fahagagana tsy misy toa azy.

Nanao ahoana ary niafaran’ireo Mpiatsara velatsiny? Nanao ahoana ny niakaran’I Ali Ibn Abi Talib
Radhiyallah ‘Anhou ho Khalifah? Iza nanaika azy? Iza tsy nanaika azy? Nisy korontana ve tamin’io?

Mbola hitohy raha sitrak’Allah…!

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha eniny (6ème partie),


Hitantsika tamin’ny tapany faha dimy farany teo ireo Hadiths maro maro izay miresaka ny hatsaran’I
Outhman Radhiyallah ‘Anhou. Ary ny filazan’I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam
mahakasika ny zavatra izay hanjo azy. Manandanja tokoa ireny Hadiths ireny. Satria nahaizantsika zavatra
maro izay nafenin’ireo Shia. Ary tena tsy tiany ho hainao izy ireny satria mamotipotika ny fotokevitra
hijoroany ireny Hadith ireny. Ka ataovo tsianjery tsara mba hanoheranao ny fotokevitra ijoroan’izy ireo.

Ireo manampahaizana mpino islam (Ahloul Sounna wal Djama) dia namoaka fanambarana tahak’izao
taorian’ny fikarohana maro samihafa mahakasika ny finoana islam:

Ny olona na andian’olona milaza hoe: Ali Radhiyallah ‘Anhou dia mendrika kokoa hitondra khilafah nohon’I
Abou Bakr Radhiyallah ‘Anhou dia efa niataka ny finoana islam. Satria, tsy tahak’izany no fisehoan’ny tantara.
Ireo andian’olona ireo dia andian’olona mpamotika ny finoana islam satria mitady hampisarabazana ny
mpino islam izy ireo ary mitady hilaza fa ireo Sahabah dia tsy nahay nisafidy tamin’ny fisafidianandreo an’I
Abou Bakr Radhiyallah ‘Anhou ho Khalifah voalohany ary mpandainga izy ireo raha milaza fa mitia an’I Ali
Radhiyallah ‘Anhou amin’ny fanaovana an’izany. Tahak’ireo Kristianina milaza mitia an’I Issa ibn Mariyam
‘Anlayhi Salam ho Zanak’Allah na koa hoe: Allah mihitsy. Mieritreritra ireo andian’olona kristianina ireo fa ho
tian’I Issa ibn Mariyam Anlayhi Salam izany voninahitra tafahoatra loatra sy tsy mendrika nomendreo azy
izany kanjo, ankahalainy fatratra izany. Ireo Shia dia tahak’izany koa amin’ny resaka Ali Radhiyallah ‘Anhou.

Fa I Outhman sy Ali Radhiyallah ‘Anhoum dia mitovitovy ny fahamendrehan’izy ireo sy fahasoavandreo ka


hita taratra tamin’ny tantara ny finoana islam fa nisy andian’iroe Sahaba nankatia sy nivehitra fa I Ali no
mendrika kokoa hitondra fa tsy Outhman fa tsy nanao izany ho fotopinoana. Na dia izany aza dia hitantsika
tamin’ny fanazavana tany aloha fa nisy fifankatiavana izy ireo ary nitambatra ho iray ary tsy mba natao ho
fotopinoana mihitsy izany fitiavana ny Sahabah iray ho ambony ny Sahabah iray hafa.

Ho valiantsika amin’izany ny fanontaniana farany ireny. Zany hoe:

Nanao ahoana ny niakaran’I Ali Ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou ho Khalifah? Iza nanaika azy? Iza tsy nanaika
azy? Nisy korontana ve tamin’io? Nanao ahoana ary niafaran’ireo Mpiatsaravelatsiny?

Lasa ny 24 taona izay nitondran’ireo Khalifah telo ( Abou Bakr, Oumar ary I Outhman 632-656). Nisy
andian’olona namono an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou. Io no antsoina amin’ny tantaran’ny finoana islam
hoe:

Fitnah voalohany (‫ ) فتنة مقتل عثمان‬na Korontana lehibe voalohany tamin’ny fahafatesan’I Outhman.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Taona 35 Hijri (656 taorian’I Issa ibn Mariyam) tamin’io.

Nanao ahoana ny niakaran’I Ali Ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou ho Khalifah?

Valiny:

Nizarazara tahak’izao ny mpino islam tamin’izany:

1. Mouhajiroun sy ireo Ansar (Sahabah).


2. Ireo izay niditra finoana islam taty aoriana avy tany amin’ny faritra Egyptianina,
3. Ireo Mpino islam avy ao Koufa, Iraq.
4. Ireo avy ao Basra, Iraq.

Nisy olona anakitelo no tena nankafizin’ny maro izay mety handimby an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou:

1. Ali ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou.


2. Talhah ( ‫ )طلحة بن عبيدهللا‬radhiyallah ‘Anhou.
3. Al-Zoubayr (‫ )الزبير بن العوام بن خويلد‬radhiyallah ‘Anhou.

Tamin’ny voalohany dia nisy andian’ireo Sahabah nanatona an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou mba handray ny
fitondrana ho Khalifah faha efatra ny mpino islam. Tamin’ny voalohany izy dia nandà fa nilaza hoe: aleoko
hoy izy hitoetra ho ‘Conseiller’ na mpanolotsaina ihany ho an’I Amir izay lany eo.

Araka ny tatitra azo avy tamin’I Abou Bakr Al Khallaal izay manana Isnad hatramin’I Muhammad ibn Al
Hanafiyyah.

Niteny I Muhammad ibn Al Hanafiyyah (Muhammad ibn Ali ibn Abi Talib) manao hoe:

Nandritra ny fanafihana ny toerana ipetrahan’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou dia nisy olona iray tonga
tamin’I ‘Ali radhiyallah ‘Anhou. Niteny manao hoe: Nisy namono I Amir Al Mou’miniina vao izao. Tonga de
nitsangana avy hatrany I Ali ary nitazomiko mafy izy teo tamin’ny vaniagnany (hanche) satria natahorako
tsao de ho vonoindreo koa izy. De niteny tamiko izy hoe: Avelao nao izao, ainga anie mamanao ho very
anao (fomba fiteny mampiseho hatezerana)! Nandeha tao antranony izy. De nihidiany ny varavarana. De
nisy andian’olona maro tonga teo aminy ary nilaza taminy hoe: efa maty izy ka tokony hifidy Khalifah
vaovao isika. Ka tsy mahita olona hafa ankoatranao izahay atao Amir hitondra anay. Namaly izy hoe: Tsy
mba tianareo velively ho mpitondra aho. Aleoko ho Mpanolotsaina ihany. Tsy toy izay ho Mpitondra. Tsia
hoy ireo olona. Izahay dia tsy mahafantatra olona hafa ankoatranao izay mendrika mitondra ity fitondrana
ity. Raha mi-insiste foana ianareo amiko dia ekeko ihany izany fa ny Bay’ah (velirano) ataonareo dia tsy
maintsy atao Public (hitan’ny maro) any Mosquée.

Ka tamin’ny ampitson’ny andro nahafatesan’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou ihany (andro Asabotsy) dia
nivorivory tao tamin’ny Masjid Nabawi ireo Sahabah maro mba hamaha hainga ity olana ity.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Ny antony tsy naneken’I Ali ho fidiana tamin’izany dia satria ireo mbola tao anatin’ny toedraharaha mafana
Satria ny mpino islam amin’ny ankapobeny tamin’io dia mbola ‘sous le choc’. Ary ireo Mpioko mbola eo
mifangafangaro amin’ireo Sahabah.

Nanaiky ho Khalifah izy ary ny rehetra koa dia nanaika azy ho Mpitondra kanjo nisy andian’ireo Sahabah
nangataka azy mba handray fepetra araka ny lalàna islamika.

Rehefa tonga tamin’ny toerana maha Amir azy I Ali Radhiyallah ‘Anhou dia betsaka ny fananarana
nataon’ireo Sahabah azy. I Moughira ibn Shu'ba sy Ibn ‘Abbas Radhiyallah ‘Anhou dia nanatra azy ny mba
hieritreritra tsara alohaka handray fanapahakevitra indrindra amin’ny fanalana ireo Governora izay
notendren’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou tamin’ny fahavelomany. Satria izany dia mitarika fankahalan’olona
azy amin’ny fotoantsarotra be izao.

Nihaino tsara ny fananaran’izy ireo I Ali Radhiyallah ‘Anhou fa nandray fanapahakevitra hanala ireo
Governora ireo foana.

Andro vitsivitsy taorian’ny fandraisan’ny fitondrana dia tonga taminy I Talhah (Talha ibn Oubayd-Allah) sy
Zubayr ibn al-Awam (Abu ‘Abd Allah Zubayr ibn al-Awwam) hiresadresaka aminy ny mahakasik’ireo
Mpioko. Tsara marihina fa manodidina 10 mihoatra eo ireo tena namono sy nanapatapaka an’I Outhman
Radhiyallah ‘Anhou. Fa ireo 10 ireo dia tsy fantatra ny anarandreo rehetra satria, I Outhman tamin’io
andro zoma io dia nahatsapa fa io andro io dia andro izay ahafatesany satria nahita tamin’ny nofiny izy
tamin’ny alina izay nahitany an’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam nilaza taminy ny
mba hanapaka iftar miaraka aminy. Ka nolazainy tamin’ireo Mpiambina azy fa androany dia andro zoma
ka ndao aloha anareo manomana ny Soalat Djuma fa izaho dia tsy de maninona loatra. Ary nieritreritra
koa izy fa amin’ny andro zoma dia tsy vitan’ireo mpioko nde hanafika azy. Ka rehefa lasa ireo Sahabah dia
niditra ireo mpikomo ampolony. Ny tao ivelany dia andrivony maro. Ka tsy fantatr’ireo Sahabah tamin’ny
fomba tena exacte ireo olona 10 ireo nefa, raha hamono ireo olona arivo izay niaraka nioko tamin’izy ireo
dia hikorontana ny fiarahamonina islam. Ka nilaza izy tamin’ireo Sahabah roa ireo fa mbola tsy tokony
hiditra amin’izany aloha fa mbola sarotra ny toedraharaha. Lasa ny herinandro. Lasa ny volana. De mbola
tsy réglé ihany resaka valifaty amin’ireo olona namono an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou. Satria tsy
latsakan’ny 5 000 arivo ireo olona voatarik’ireo Mpioko ireo nitaky ny fialan’I Outhman Radhiyallah
‘Anhou tamin’ny fitondrana.

Efatra volana lasa dia mbola tsy réglé ihany ny problème niseho. Zany hoe: mbola tsy fantatra ihany iza
ireo olona ireo. Ka tsy afaka ampiharina ny valifaty amin’ny mpamono an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou.

I Talhah (Talha ibn Oubayd-Allah) sy Zoubayr ibn al-Awam (Abu ‘Abd Allah Zubayr ibn al-Awwam) dia lasa
tany Makkah. Ary tamin’izany dia tsy tao Madinah I Aisha Radhiyallah ‘Anha fa lasa tany Makkah nde
hanao Hajj.

Niainga avy tao Makkah:

1. Aisha Radhiyallah ‘Anha


2. Talhah (Talha ibn Oubayd-Allah)
3. Zoubayr ibn al-Awam (Abu ‘Abd Allah Zubayr ibn al-Awwam)

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Nde ao Basra, Iraq. Niisa 500 teo ireo Mpino islam niaraka taminy. Fa rehefa tonga tao Basra izy ireo dia
niampy ny olona mpomba azy ireo ary lasa 30 000. Ny tanjona tamin’io dia ny mba hamoriana Mpino islam
mba handray andraikitra amin’ny fitadiavana ireo olona 10 mihoatra ireo ary ny mba hitsarana azy ireo.

Tsara marihina fa I Muʿāwiyah ibn Abī Sufyān (‫ )معاوية بن أبي سفيان‬izay mbola havan’I Outhman Radhiyallah
‘Anhou notendren’I Oumar Ibn Al Khatwab Radhiyallah Anhou ho Governoran’ny faritra Sham (Syrie,
Jordanie, Palestine, etc) tamin’ny taona 639. Dia tsy nanao Bay’ah (velirano) tamin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou
satria, nametraka condition izy. Mila maty aloha ireo olona ireo zay vo izaho manaiky anao ho Mpitondra
vaovao.

Nisy ady roa lehibe taorian’ny fahalanian’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ho Khalifah faha efatra ny Mpino islam:

1-Ady antsoina hoe: Jamal (volana efatra taorian’ny fahalaniany no nitrangany taona 35 Hijri na 656), tao
Basra, Iraq.

2-Ady antsoina hoe: Sifiina ( ‫ وقعة صفين‬niseho tamin'ny volana vitsivitsy taorian'ny ady Jamal )
.)taona 657(

Tsara marihina fa:

Abdullah ibn Sabaʾ al-Ḥimyarī na Ibn Sabāʾ dia, teratany Jiosy avy tao Yemen. Izy dia jiosy niova ho mpino
islam avy aty ivelany. Nefa hita taratra taminy ny Nifaq na ny fiatsarambelatsihy. Ary nandokadoka an’I Ali
ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou izay fantatra tamin’ny anarana hoe: ‘Ghulāt’ (‫ )غالة‬zany hoe: fiderana
olona iray tafahoatra ary mampitovy azy amin’I Allah.

Ity lehilahy ity no fantatra ara-tantara nanomana ny Plan A sy Plan B nde hamonoana an’I Outhman
Radhiyallah ‘Anhou. Ny vondrona misy azy ireo dia fantatra taty aoriana tamin’ny anarana hoe: Sabaʾiyya (
‫)سبئية‬

Mbola hitohy raha sitrak’Allah…!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha fito (7ème partie),


Araka ny fanazavatsika farany dia, rehefa maty I Outhman Radhiyallah ‘Anhou. Dia, nisy andian’olona
niangavy an’I Ali Ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou mba ho Amir na Khalifah ny Mpino islam. Tamin’ny
voalohany izy tsy nanaika. Fa rehefa ni-insiste ireo andian’olona ireo dia farany izy nanaika fa nametraka
fepetra izy. Izany fepetra izany dia ny fanaovana ny Bay’ah (velirano) eo anatrehan’ny be sy ny maro (Public,

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Masdjid). Nisy tamin’ireo Sahaba dia natahotra ny hilazana izany eo ampahabemaso satria sao de ho
vonoin’ireo Mpioko ireo. Nefa, nandeha ihany izy sy ireo andian’ny Sahabah maro nanatanterak’izany.

Ny Sahabah rehetra tao Madinah dia nanaika azy daholo. Fa nisy ireo Sahabah vitsivitsy tamin’ny toeran-kafa
dia tsy nanaika azy hitondra afa tsy hoe: samborina aloha ireo andian’olona namono an’I Outhman
Radhiyallah ‘anhou. Zay vo manaika. Ireo Sahabah niteny an’izany dia ireo izay tena havan’I Outhman
Radhiyallah ‘anhou sy ireo akaiky azy.

I Muʿāwiyah ibn Abī Sufyān (‫ )معاوية بن أبي سفيان‬Radhiyallah ‘Anhou no tena malaza satria izy Governora
tamin’izany fotoana. Governora ny faritra Sham. Tsara marihina fa Mpi-Cousin izy sy I Outhman Radhiyallah
‘anhou. Zany hoe: mpihavana akaiky.

Niresahantsika teo aloha koa fa I Talhah (Talha ibn Oubayd-Allah) sy I Zoubayr ibn al-Awam (Abu ‘Abd Allah
Zubayr ibn al-Awwam) Radhiyallah ‘Anhouma dia matetika miverimberina aminy mba hanontany ny vaovao
mahakasik’ireo namono an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou. De farany I Ali ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou
dia niteny manao hoe:

Ry Rahalahiko tiako! Izaho dia tsy mba manao tsinotsinona ny fangatahanareo. Fa ahoana moa ataoko hiady
amin’ireo vahoaka izay manana fahefana izay mihoatra ny fahefana izay ananatsika?

Notantaraitsika koa fa tonga tany Makkah ireo Sahabah roa ireo ary nifanena tamin’I Aisha Radhiyallah ‘Anha
izay manao Hajj.

De niaraka izy ireo sy ireo Sahabah maro maro nde ho any Basra, Iraq. Ny antondia ndreo tany dia mizarazara
ny hevitr’ireo mpanoratra tantara islamika. Fa ny tena hita manakaiky ny marina dia mba hamoriana Mpino
islam mba handray andraikitra amin’ny fitadiavana ireo olona 10 mihoatra ireo ary ny mba hitsarana azy ireo
na hiala lavitra ny faritra Madinah sao de ho vonoin’ireo Mpioko ireo izy ireo. Ka miandry toedraharaha
mangingina zay vo miverina ao Madinah.

Tsara marihina koa fa tsika zao dia miditra amin’ny dingana ny tantara ny finoana islam izay tian’ireo Shia.
Satria manomboka eto dia betsaka ny tantara foromporona izay nataondreo. Tsy iza no nanomboka io
tantara io afa tsy I Abou Mikhnaf Lout ibn Yahya (‫ )لوط ابن يحيٰ ابن سعيد ابن مِ خنَف الكوفي‬ary betsaka tamin’ny
Manampahaizan’ny Ahloul Sounnah koa tany aloha dia very rehefa namaky ny tantara izay nisoratan’ity
olona ity. Satria ireo Manampahaizana ireo dia naka ny tantara n’ity olona ity nataondreo ho porofo ara-
tantara satria ity olona ity no tena nanoratra boky voalohany sy feno detail mba ho lasa loharano itovozan’ny
taranaka aty afara ny lainga rehetra izay afafiny. Fa Al Hamdu Lillah dia nanao fikarohana koa ireo
Manampahaizana sasany tahak’I Imam Bukhari sy Muslim sy sns…. Ka tratra ny laingany.

Nefa, ireo Shia ankehitriny dia mbola manohy ny fanaparitahana ny laingan’ity olona ity ihany. Ka lasa anao
sy izaho manana fisalasalana amin’ireo Sahabah satria izay ny tena tanjon’izy ireo. Ny mba hisarahambazana
karaha tamin’ny voalohany io koa.

Misy Hadith iray izay malaza notaterin’I Safinah(Ilay andevo afaka n’I Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa
salam) manao hoe:

‫َّللا صلى هللا عليه وسلم‬ ِّ َّ ‫ قَا َل قَا َل َرسُو ُل‬،َ‫سفِّينَة‬


َ ‫ع ْن‬
َ ، َ‫سعِّي ِّد ب ِّْن ُج ْم َهان‬ َ ‫ع ْن‬ َ ،‫ب‬ٍ ‫ش‬ َ ‫ع ِّن ْالعَ َّو ِّام ب ِّْن َح ْو‬ َ ‫ َح َّدثَن َا ُه‬،‫ع ْو ٍن‬
َ ،‫ش ْي ٌم‬ َ ‫َح َّدثَنَا‬
َ ُ‫ع ْم ُرو بْن‬
ْ َ ْ ْ ً
ُ َّ ‫سنَة ث ُ َّم يُؤْ تِّي‬
" - ‫ أ ْو ُمل َكهُ َم ْن يَشَا ُء‬- ‫َّللا ال ُملكَ َم ْن يَشَا ُء‬ ُ
َ َ‫" خِّ الَفَة النُّب َُّوةِّ ثَالَثُون‬

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Tatitra azo avy tamin’i Safinah,
Niteny i Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam manao hoe :

“Ny fitondrana Khilafah ara-mpaminany dia aharitra telopolo (30) taona, aorian’izany dia
omen’I Allah an’izay sitrany ny fitondrana na omen’I Allah izay tiany ny fitondrany”

Référence :

Sunan Abi Dawud, Hadith numéro 4647

Boky faha 42

‫كتاب السنة‬

Isnad: Hammad ibn Salamah – Abdoul Waarith ibn Sa’id – Al Awwam ibn Hawshab – Sa’id ibn Jamhaan –
Safinah.

Hadith marina io hoy I Ibn Tayymiyyah.

Misy Hadith faha roa koa izay malaza hoe:

‫َّللا‬ َ ‫ع ْن أ ُ ِّم‬
ِّ َّ ‫ قَالَتْ قَا َل َرسُو ُل‬،َ‫سلَ َمة‬ َ ،ِّ‫ع ْن أ ُ ِّمه‬ َ ،‫س ِّن‬ َ ‫ع ِّن ْال َح‬
َ ،‫ع ْو ٍن‬
َ ‫ع ِّن اب ِّْن‬ َ ‫َو َح َّدثَنَا أَبُو بَ ْك ِّر بْنُ أ َ ِّبي‬
َ ‫ َح َّدثَنَا ِّإ ْس َما ِّعي ُل بْنُ ِّإب َْراه‬،َ‫ش ْيبَة‬
َ ،‫ِّيم‬
ْ
‫ارا ال ِّفئَةُ البَا ِّغيَةُ "صلى هللا عليه وسلم‬ْ َ ‫" ت َ ْقت ُ ُل‬
ً ‫ع َّم‬

Référence :

Sahih Muslim, Hadith numéro 2916

I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

‘Mampalahelo i ‘Ammar! Izy dia ho vonoin’ny vondrona izay ao anatin’ny hadisoana. Izy dia hiantso azy
ireo hakany amin’ny Paradisa. Fa izireo kosa dia hiantso azy makany amin’ny afo be”. Ammaar niteny
manao hoe: mangataka fiarovana avy amin’I Allah aho mba hiaro aho amin’ny Fitnah.

Tsara marihina fa I Ammaar ibn Yasir Radhiyallah ‘Anhou tamin’ny fotoana izay resahitsika ity (Fitnah
voalohany) dia tao anaty ny vondronan’ireo Sahabah izay nanaika an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ho Amir ary
izy dia niantso ireo olonkafa amin’izany. Ity Hadith ity dia porofo fa ny fanarahana an’I Ali Radhiyallah
‘Anhou tamin’io fotoana io dia tena marina. Ary ny fanoherana azy dia antso mankany amin’ny afo be.

Ity Hadith ity dia voalohany porofo sy fahagagana izay manamafy tsara fa I Muhammad Salallah ‘Anlayhi
wa salam dia tena Mpaminany Marina satria nahavita nilaza mialoha ny zavatra ho avy miaraka tamin’ny
fahamarinana tanteraka (precision exacte). Zany hoe: hizara roa mpino islam. Tena nizara roa tokoa ny
Mpino islam 24 taona taorian’ny fahafatesany. Hisy Mpino islam nde hamono an’I Ammar. Tena nitranga
tokoa izany tamin’ny tamin’ny taona 657 zany hoe: 25 taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Muhammad
Salallah ‘Anlayhi wa salam.

Iza olona hafaka miteny tahak’izany afa tsy Mpaminany ihany?

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Misy Hadith iray hafa koa miteny manao hoe:

Niteny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

‘Hisy vondrona hiataka ny vahoakako amin’ny fotoanan’ny Fitnah sy fisarahambazana ary izy ireo dia
hivonoin’ny vondrona izay manakaiky indrindra ny fahamarinana’.

Manazava ireo Manampahaizana islamika hoe: ny vondrona hiataka ny vahoakan’ny Mpaminany ity dia ny
vondrona izay niseho taorian’io fisarahambazana io. Io vondrona io dia sady tsy mpomba an’I Ali
Radhiyallah ‘anhou sy tsy mpomba an’ireo mitaky ny valifaty ny fahafatesan’I Outhman Radhiyallah
‘Anhou. Zany hoe: tsy vondrona misy an’I Ali Radhiyallah anhou io ary tsy vondrona misy an’I Muʿāwiyah
ibn Abī Sufyān (‫ )معاوية بن أبي سفيان‬fa vondrona vaovao izay hazavatsika eo ihany. Ireo vondron’olona ireo
dia Mpomba an’I Ali Radhiyallah tamin’ny voalohany. Izy ireo dia foko avy ao Nahrawaan, Iraq. Ary I
Abdullah ibn Wahb al-Rasibi no sefon’izy ireo rehefa nitsoaka andaharana izy ireo. Zany hoe: Taorian’ny
ady Siffiina. Izy ireo dia tsy nanaika ny fifanarahana izay nataon’I Ali sy Muʿāwiyah Radhiyallah ‘Anhoma.
Ka nitsoaka andaharana izy ireo. Izy ireo no voalaza tamin’ny Hadith izay nolazaitsika teo aloha iny.

Ary ny vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou dia niady azy ireo. Ary izay dia milaza fa ny vondrona
misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou tamin’io fotoana io dia ny vondrona tena manakaiky ny marina.

Nanomboka teo dia efa niseho arakevitra ny voambolana antsoina hoe:

Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬. Io Shiatou ‘Anliy (‫ )شيعة علي‬io tamin’io fotoana io dia marina ary tamin’izany ny
tian’ny voambolana hoe: Shiatou ‘Anliy (‫ )شيعة علي‬dia vondrona ara-pitantanana ihany fa tsy mba nahitana
fotopinoana akory fa ny fotopinoan’ny rehetra dia mbola iray ihany. Fa ny hevitra no nizarazara
tamin’izany.

Mbola tsy nisy ny fotokevitra ny Shia ankehitriny tamin’io taona 657 io na 25 taona taorian’I Mpaminany
Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam. Na tamin’ny vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou na
tamin’ireo nitsoaka andaharana fa mbola hevitry ihany izy tamin’ireo vondrona nitsoaka andaharana ireo.

Rahafa fehezitsika amin’ny filazana tsotra ny vondrona lehibe nisy tamin’io taona io dia tahakizao:

1-Vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou na Shiatou ‘Anliy (‫ )شيعة علي‬araka ny fomba filaza fa tsy misy
fotopinoana akory tao.

2-Vondrona misy an’I Muʿāwiyah Radhiyallah ‘Anhou

3-Vondrona misy an’ireo nitsoaka andaharana izay antsoina hoe: Khawaaridj.

4- Vondrona miafina izay vondron’ireo Mpiatsaravelatsihy izay taritin’ Abdullah ibn Sabaʾ al-Ḥimyarī na
Ibn Sabāʾ dia, teratany Jiosy avy tao Yemen. Izay mpandrehitra afo sy mpamolavola Plan A sy Plan B
tamin’ny famonoana an’I Outhman Radhiyallah ‘anhou. Izy no lehiben’I Mounafikiina nalaza tamin’io.

Mahakasika an’I Muʿāwiyah Radhiyallah ‘Anhou izay governora ny Sham tamin’izany fotoana dia nisy
andian’ny sahabah nanontany azy hoe:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Fa nahoana ianao miady amin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou nefa hainao tsara fa izy dia mendrika kokoa noho
ianao mba ho Amir ny Mpino islam rehetra?

Namaly izy hoe:

“Izaho miady aminy satria ao anaty vondrona misy azy dia misy andian’ireo olona izay namono an’I
Outhman Radhiyallah ‘Anhou. Ka izaho mitaky ny fampiharana ny sazy islamika amin’ireo olona
mpamon’olona ireo. Raha vitany izany dia tsy ataoko ho olana ny hanao Bay’ah (velirano) aminy. Ka
lazainareo aminy ny mba hanolotra ireo olona ireo amiko”.

Ny zavatra azotsika tsoahina amin’io teniny io dia tsy nanda ny maha mendrika an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou
ho khalifah izy ary vonona hanao velirano aminy fa nametraka fepetra fotsiny. Io fepetra napetrakany io
dia hevitrany personnel izay nahitany porofo avy amin’ny Kour’any.

Ireo manampahaizana dia miteny zavatra maro mahakasika io hevitrany personnel io. Raha aravona ny
tenin’izy ireo dia tsy mampiala azy ho tsy mpino islam ny fametrahany fepetra hanekena an’ny maha Amir
an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou tamin’izany fa tsy tokony nataony. Satria noho ny akon’ny zavatra niseho taty
aoriana. Nefa, izy dia tsy nahafantatra mialoha ny tokony hiafaran’ny fametrahan’ny fepetra. Tsika aty
aoriana no halala azy. Izy tamin’io fotoana io dia nieritreritra fa marina ny position misy azy. Kanjo
hitatsika aty aoriana fa tsy marina ny position misy azy na dia hoe: manana porofo islamika aza izy. Satria,
samby manana porofo islamika izy roa nefa ny porofo n’I Ali Radhiyallah ‘Anhou no matanjaka ary tokony
narahiny.

Eto ireo Shia dia manisy sira tsara. Nefa tsika dia miteny hoe: Muʿāwiyah Radhiyallah ‘Anhou. Zany Allah
anie ho rady aminy. Izy dia olombelona karaha ataonao. Mety manao diso. Tsy Mpaminany koa izy. Tsy
voaharo amin’ny hadisoana.

Raha fitintsika ny toedraharaha hatr’eto dia efa vory ireo pitsopitson-javatra izay ahatonga ny vondrona
vaovao izay fantatra ankehitriny amin’ny anarana hoe : Shia. Satria ny disadisa efa tafiditra. Ireo Sahabah
samy tamin’ny heviny satria Fitnah no niseho tamin’io. Io dia tahaka ny rivo mahery. Ka samy
atsipitsipin’ny rivotra ny rehetra. Vitsy ny olona mahavita mitazona ny marina. Tsy hoe : fananiana fa
noho ny toedraharaha ka diso fijery ny maro. Tsika aty aoriana no mahay iza no tokotokony ho manakaiky
ny marina. Fa ireo tamin’izany dia samy niezaka nanao izay hitany fa mety.

Aza hadino ity hadith iray ity mba tsy ahavery anao amin’io tantara izay mampalahelo sady
mampizarazara io:

Hadith Sahih,

‫سعِّي َد‬ َ ،ُ‫سمِّ َع َج َّده‬


َ ‫ث‬ ِّ ‫اح ْب ِّن ْال َح ِّار‬
ِّ َ‫ ِّري‬،ِّ‫ع ْن َج ِّده‬ َ ،‫ي‬ ُّ ‫ص َدقَةُ بْنُ ْال ُمثَنَّى أَب ُو ْال ُمثَنَّى النَّ َخ ِّع‬َ ‫ َح َّدثَنَا‬،‫س‬ َ ُ‫سى بْنُ يُون‬ َ ‫ َح َّدثَنَا عِّي‬،‫ع َّم ٍار‬
َ ُ‫َح َّدثَنَا ِّهشَا ُم بْن‬
‫عش ََرةٍ فَقَا َل‬ َ ‫عاش َِّر‬ َ ‫َّللا ـ صلى هللا عليه وسلم ـ‬ ُ
ِّ َّ ‫ع ْم ِّرو ب ِّْن نُفَي ٍْل يَقو ُل َكانَ َرسُو ُل‬ ْ
َ ‫ع َم ُر فِّي ال َجنَّ ِّة "بْنَ زَ ْي ِّد ب ِّْن‬ ْ
ُ ‫أَبُو بَ ْك ٍر فِّي ال َجنَّ ِّة َو‬
‫الرحْ َم ِّن فِّي ْال َجنَّ ِّة‬
َّ ‫عبْ ُد‬ َ ‫س ْع ٌد فِّي ْال َجنَّ ِّة َو‬َ ‫الزبَي ُْر فِّي ْال َجنَّ ِّة َو‬ ُّ ‫ي فِّي ْال َجنَّ ِّة َوطَ ْل َحةُ فِّي ْال َجنَّ ِّة َو‬ َ ‫عثْ َمانُ فِّي ْال َجنَّ ِّة َو‬
ٌّ ‫ع ِّل‬ ُ ‫ فَقِّي َل لَهُ َم ِّن التَّا ِّس ُع " َو‬.
‫قَا َل أَنَا‬

Tatitra azo avy tamin’I Sa’id ibn Zayd ibn ‘Amr ibn Noufayl,

Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam dia iray amin’ireo 10 miditra Paradisa

Niteny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


« -Abu bakr dia, miditra amin’ny Paradisa, ‘Oumar dia, miditra amin’ny Paradisa, ‘Outhman dia,
miditra amin’ny Paradisa, ‘Ali dia, miditra amin’ny Paradisa, Talha dia, miditra amin’ny Paradisa, Az
Zoubair dia, miditra amin’ny Paradisa, -Sa’id ibn Zayd dia, miditra amin’ny Paradisa ‘Abdur Rahman
bin awf dia, miditra amin’ny Paradisa”. Nisy nanontany taminy hoe: Izay ilay faha sivy? Namaly izy
hoe: Izaho.

Référence:

Sounan Ibn Majah

Vol. 1, Boky 1, Hadith 133

Jami’ at Tirmidhi, Hadith numéro 3747 - Sunan abu Dawoud 40 : 4632

Mbola harahitsika amin’ny manaraka ny ady Sifina sy Jamal amin’ny antsipiriany.

Mbola hitohy raha sitrak’Allah…!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha valo (8ème partie),


Maty I Yazid ibn Abi Soufyan, rahalahin’I Mou’awiyyah tamin’ny taona 639. Notendren’I Oumar Ibn Al
Khatwab Radhiyallah ‘Anhou ho Governor any Sham I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou. Mba hisolo
rahalahiny izay vao maty.

Miteny I Allah Ilay Avo tsy toha manao hoe:


ْ َ َ َ َّ ْ َ ٰ َ َ َ ٰ َّ َ ْ َ َّ ُ َ َ ٰ َ ْ ُ ْ َ َ َ ُ َ ْ ْ َ َ َ َ ُ َ ْ َ ُ ْ َ َ ُ َ َ ْ َ ْ ُ ْ َ ََ َ َ
‫اءت‬ ‫اّلل ۚ ف ِإن ف‬
ِ ‫ان ِمن المؤ ِم ِنني اقتتلوا فأص ِلحوا بينهما ۖ ف ِإن بغت ِإحداهما لَع اْلخرى فقاتِلوا ال ِِت تب ِِغ حَّت ت ِِفء ِإَل أم ِر‬
ِ ‫و ِإن طائِفت‬
َ ‫ب ال ْ ُم ْقسط‬
‫ني‬ َ َّ ‫فَأَ ْصل ُحوا بَيْنَ ُه َما بالْ َع ْدل َوأَقْس ُطوا ۖ إ َّن‬
ُّ ‫اّلل ُُي‬
ِ ِ ِ ِ ِ ِ ِ ِ

َ ُ َ ْ ُ ْ ُ َّ َ َ َ َّ ُ َّ َ ْ ُ ْ َ َ َ َ ْ َ ُ ْ َ َ ٌ َ ْ َ ُ ْ ُ ْ َ َّ
‫َحون‬ ‫ِإنما المؤ ِمنون ِإخوة فأص ِلحوا بني أخويكم ۚ واتقوا اّلل لعلكم تر‬

“Fa raha miady ny andaniny roa amin’ireo mpino, dia ataovinareo ny


fampihavanana azy ireo. Raha mikomy ny andaniny amin’izy ireo hanohitra ny
ankilany, dia aoka ianareo hiady amin’ilay mikomy mandra-panarahany ny
didin’i Allah. Ary rehefa manatanteraka izany izy, dia ampihavano amim-

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


pahamarinana izy ireo, ary aoka ianareo hanao ny rariny fa tena tia ireo
mpanao ny rariny Allah. Tena marina fa ireo mpino dia mpirahalahy. Ka aoka
hanorina tsara ny fifandraisana eo amin’ireo rahalahinareo ianareo, ary
matahora an’i Allah ianareo, angamba hahazo ny famindram- pò ianareo”

Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any Sourate Al Houjourat 49 ayat 9-10

Nb:

Ity ayat ity dia miresaka ny fampihavanana ny vondron’ny mpino islam izay mivakivavy. Zany hoe: samby
mpino islam nefa samby miziriziry amin’ny heviny. Nefa ireo hevitra ireo dia samby mety. Ka inona no atao?

Ity Ayat ity dia niasa tanteraka tamin’ny ady antsoina hoe: Jamal (rameva).

Tonga tao Basra, Iraq I Aisha Radhiyallah ‘Anha miaraka amin’ireo Sahabah sy ireo Mpino islam maro. Araka
ny voalaza ara tantara dia efa mahatratra 30 000 ireo mpino islam nanotrona sy nizara alahelo tamin’ny
fahafatesan’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou ary mitaky ny valifaty ka hanamborana ireo olona izay tena
namono an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou ireo.

Rehefa tonga tao Basra, Iraq I Aisha Radhiyallah ‘Anha sy ireo sahabah maro dia niezaka niresaka tamin’ny
Governora ao antoerana antsoina hoe: “Outhman ibn Hounayf” mba hitady vahaolana amin’ny fanamborana
ireo olona ireo. De nanontany ity Governora ity hoe: Fa maninona ianao tonga aty? De namaly I Aisha
Radhiyallah ‘Anha manao hoe: Noho ny haratsiana goavana izay tsy takonana nataon’ireo andian’olona avy
amin’ny toerana maro samihafa tonga nandeha namono an’ny Amir Outhman ibn ‘Affan Radhiyallah ‘Anhou.
Noho ny haratsiana maro samihafa izay antaon’izy ireo tao Madinah. Noho ny famonoandreo olona hafa
ankoatr’azy tao. Noho ny fandikan’izy ireo ny fahamasinan’ny volana tamin’izany. Ka mendrika an’ireo
andian’olona ireo ny hatezeran’I Allah ka tokony hampiharina amin’izy ireo ny lalanan’I Allah. Ka tonga izaho
nde hampilaza amin’ireo Mpino islam aty ny mahakasika ny zavatra niseho tany. Mba ahaizan’izy ireo ny tena
zava misy marina any sy ny mba ahaizan’izy ireo handray andraikitra.

De namaky an’ity Ayat ity I Aisha Radhiyallah ‘Anha tamin’izany:

ْ َ ْ ُ َ َ َّ َ َ ََْْ ََ
َ ْ َ َ ‫ك ابْت َغ‬ َ َْ َ ْ َ ْ َ ْ َ َ َ َ َ َ ْ َ َّ ْ ُ ْ َّ ِّ َ َ ْ َ َّ
‫اّلل ف َس ْوف نؤ ِتي ِه أج ًرا‬
ِ ‫ات‬ ِ ‫اء مرض‬ ِ ِ َّ‫وف أ ْو ِإصَل ٍح بني انل‬
ِ ‫اس ۚ ومن يفعل ذٰل‬ ٍ ‫ْي ِمن َّن َواهم ِإَّل من أم َر ِبصدق ٍة أو مع ُر‬
ٍ ‫َّل خْي ِِف ك ِث‬
‫يما‬ً ‫َعظ‬
ِ

“Tsy ahitana tombontsoa ny ankamaroan’ny korana mangingina )resadresaka miafina( ataon’izy


ireo, afa-tsy izay mandidy amin’ny fanaovana Soadakat (fanomezana), na manao asa soa, na
manao fampihavanana ny samy olombelona. Ary izay manao izany noho ny fitadiavana ny
fankasitrahan’i Allah; dia homenay azy ny valisoa lehibe”

Référence:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Ny boky manan-kaja Kour’any Sourate An Nissa 4 ayat 114

Ka ity izany no nohentin’I Aisha Radhiyallah ‘Anha ho antony lehibe nahatongavany tao Basra, Iraq.

Tsy arakaraka ny fanaratsiana izay ataon’ireo Shia azy. Hainao tsara izao ny antony. Mba ahafahanao miaro
azy amin’ny fanaratsiana maro samihafa izay miely. Izay ny antony nahazahoany olona maro izay miisa
manodidina 30 000 tamin’izany tonga tao Basra, Iraq.

Tsara marihina fa ity Governora ity dia napetrak’I Ai Radhiyallah Anhou ka tsy nahavita nanapakevitra izy fa
miandry an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou hoy izy fa tsy afaka manao na inona na inona aloha izaho.

Araka ny tatitra hita ao amin’I bokin’I Ibn Hibban dia nanoratra taratasy amin’ny Governora n’I Ali
Radhiyallah ‘Anhou izay tao Koufah, Iraq tamin’izany fotoana (Abou Moussa Al Asha’ari) koa I Aisha
Radhiyallah ‘Anha. Taratasy izay ahitana resaka mitovitovy amin’io koa.

De nafarin’ny Governora n’I Basra ho tonga ao Basra I Ali Radhiyallah ‘Anhou. Tamin’izany fotoana izany dia
teo andalana hitodidoha ho an’ny Sham I Ali Radhiyallah ‘Anhou sy ireo miaramila nazy nde hiatrika an’I
Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou sy ireo miaramilany. Ka niverindalana izy ka nitodidoha ho ao Basra, Iraq
aloha de nandefa an’I Al Qa’aqa’a ibn ‘Amr nde hanontany azy ny anton-diany tao Basra, Iraq.

Zavatra anakiray izay nanamarika zavadehibe tamin’I Aisha Radhiyallah ‘Anha rehefa izy nitodidoha ho an’I
Basra dia ny fivoavoan’ny alika tao tamin’ny toerana iray antsoina hoe: “Haw’ab”. Hoy I Mpaminany Salallah
‘Anlayhi wa salam tamin’ny andro iray teo anoloan’ireo vadiny hoe:

Asa mba ahoana ny toedraharaha ahazo an’iray aminareo izay aheno ny fivovoan’ny alikan’ny Haw’ab izay
hivovoa amin’izy ireo (eo ampandehanana)’ – Référence: Hadith Sahih arak’I Sheikh Al Albani. Tatitra azo avy
tamin’I Qa’ys ibn Haazim (Référence: Al Hakim).

Ity Hadith ity dia tsapan’I Aisha Radhiyallah ‘Anha rehefa izy naheno feon’ny alika teo andalana ka nanontany
an’ireo namany izy hoe: inona ny anaran’ty toerana ity? De namaly izy ireo hoe: ‘Haw’ab’ no anarany.

De rehefa naheno an’izany teny izany izy dia nanomboka natahotra sy niasa loha ary nieritreritra fa tsy
tokony nivoaka ary hanao dia tahak’izao aho. Ka nilaza izy hoe: Nde hiverina izaho. De namaly azy I Zoubayr
Radhiyallah ‘Anhou hoe: Nde hiverina ve ianao? Nefa, mety avy aminao no hampitambaran’I Allah ireo
Mpino islam izay mizarazara ankehitriny.

Eto dia tena passage tian’ireo Shia. Satria misy tokony hinanandreo tsara. Betsaka ny fanaratsiana ataon’izy
ireo rehefa tonga eto. Ao ny milaza hoe: tokony hijanona ao antrano foana izy arak any ayat 33 sourate Al
Ahzab. Novalin’I Ibn Taymiyyah hoe: De tsy mahazo mivoaka manao Hajj zany vehivavy fa hijanona ao
antrano ihany? Mbola hamaly ireo Shia hoe: Non, mahazo ka fa anga ity Hajj? Hitatsika fa efa niova ilay
hevitra naroson’izy ireo teo. Teo aloha dia tsy mety mivoaka ao antrano ny vehivavy araka ny fazahoan’ny
Shia ny ayat teo aloha. Zao indray mahazo raha toa ka Hajj. De mbola mipetraka ihany ny fanontaniana hoe:
Ary raha miaraka amin’ny vadiny mandeha manao Djihad izy? Na koa manao Mpitsabo ireo maratra anady
araka zavatra niseho tamin’ireo ady maro samihafa niatrehan’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi
wa salam?

Fehiny: Ireo Shia dia mahita zavatra resahina foana. Zany hoe: azo ampiharina amin’ny lalitra izay mahita bay.
Esorinao mbola avy fo. Ary rehefa misy zavatra maimbo maimbo dia efa eo amin’ny manodidina izy ireo nde

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


ihina iny zavatra iny. Ary tena hoanindreo marina ilay izy. Ny tanjona dia ny mba hampisalasala anao
amin’ireo Sahabah de farany mba hanampy azy ireo nde haniratsira azy ireo.

Nandritra ny telo andro dia, nivezivezy nanao tatitra tamin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou I Al Qa’aqa’a ibn ‘Amr. Ka
farany dia nahita marimaritra iraisana izy ireo.

Ka tamin’io fifanarahana io dia: Ho esorina ao anaty vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ireo vondrona
Saba’I (Mpanaraka an’I Abdoullah ibn Saba) sy ireo fantatra tamin’ny fanohanandreo an’io vondrona io.

Ireo olona ireo dia andrivony. Ho esorina amin’ny vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou.

Tamin’io alina io dia natory ampilaminana tsara ireo Mpino islam fa ireo Saba’i sy ireo Mpanohana azy ireo
dia tsy tafandry. Satria, tonga ilay fotoana izay natahorandreo izay hanamborana azy ireo. Ka tamin’io alina io
ihany no nivorian’izy ireo ka nikonokonoandreo ny tetika mba handravana an’ilay fifanarahana izay tapaka
tamin’izany.

Référence:

Al Bidayah wal Nihayah, boky nisoratan’i Sheikh Ibn Taymiyyah nazahoana azy.

Ny Tetika tamin’izany dia misy andian’ireo olona Saba’i sy ireo Mpanohana azy ireo izay miisa 2000 no
nanomboka an’ny fanafihana. Nizara vondrona roa izy ireo. 1000 nanafika ny miaramila ny Sahabah tao
amin’ny vondrona misy an’I Aisha Radhiyallah ‘Anha. 1000 nanafika ny vondrona misy azy ireo izay misy an’I
Ali Radhiyallah ‘Anhou.

Raikitra ny ady satria samby nieritreritra ny rehetra fa namadika ny vondrona iray. Naharitra tapakandro na
andro iray manontolo io ady io ary tamin’izany dia nirotsaka ny ranomason’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ary
niteny tamin’ny zanany Al Hassan Radhiyallah ‘Anhou izy hoe: Tokony mba naty aho 20 taona talohan’ity
tranga ity.

Zany hoe: nanenina koa I Ali Radhiyallah ‘Anhou. Satria, mpino islam samby mpino islam no mifamono.

Ity no ady voalohany antsoina hoe: Guerre civil tamin’ny tantaran’ny finoana islam. Teo aloha dia niady
tamin’ireo Kouffars ihany ny Mpino islam. Fa tamin’iray ity dia mpino islam samby mpino islam mifamono.

Araka tatitra hita ao amin’ny bokin’I Tabari dia 10 000 mpino islam maty tamin’io foana io.

Nisy fatin’olona roa no teny niavaka tamin’io fotoana io.

Izany dia fatin’I Talha sy I Zoubayr Radhiyallah ‘Anhouma.

Misy Hadith iray milaza hoe:

Tatitra azo avy tamin’I Ali ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou.

Niteny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam tamin’ireo Sahabah nazy hoe:

‘Talhah dia olona maty shahid mbola mandeha ambony tany’.

Haitsika tsara fa I Talhah dia nanao Bay’ah (velirano tamin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou) ary niaradia tamin’I Aisha
Radhiyallah ‘Anha nitodidoha tany Basra.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


I Talhah Radhiyallah anhou tamin’io fotoana io dia nahatsapa fa nisy fitaka tamin’io ady io ka nampitsahatra
ny Mpino islam izy mba hanatsahatra ny ady.

Ka rehefa izy mitaingina ny soavaly mandeha eny amin’ny Champ de bataille mba hilaza amin’ireo mpino
islam hampitsahatra ny ady dia nisy Zanatsipika (fleche) tonga tamin’ny feny ka nanapaka Artère (lalandraha
lehibe iray) nazy. Nitobaka ny rà nivoaka avy tao. Tsy fantatra izy no nandefa Flèche fa ny feo ahelin’ireo Shia
dia milaza fa I Marwan no nandefa azy. Nefa, amin’ny tena marina dia tsy fantatra mihitsy iza no nandefa ilay
fleche.

Taorian’io dia I Ali Radhiyallah ‘Anhou nanatonga ny vata mangatsika n’I Talhah Radhiyallah anhou ary
nitazominy. Ka niteny izy hoe: Amin’I Allah izaho no mitaraina. Niriako mafy ny nahafatesako tany aloha mba
tsy hiatrika an’izao tranga mahazo anao izao.

Misy Hadith iray hafa koa milaza hoe:

‘Ny olona namono an’I Zoubayr (Radhiyallah anhou) dia miditra any amin’ny afo be’.

Ny tranga niseho mahakasika an’I Zoubayr Radhiyallah anhou dia niala teo tamin’ny Champ de bataille izy
taorian’ny firesahany tamin’I Ali Radhiyallah anhou noho ny filazan’I Ali Radhiyallah anhou taminy hoe:
Tadidinao ve fa navy nisy fotoana I Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam nilaza tamitsika hoe: ianao
amin’ny andro iray dia mbola ho iray amin’ireo vondrona izay miady amiko.

Namaly I Zoubayr Radhiyallah anhou hoe: Zao zay vo tadidiko ity Hadith ity. Ka nanapakevitra izy ny hiala ny
Champ de bataille.

Nisy iray tamin’ireo Saba’i (Mpanaraka an’I Abdoullah ibn Sabah) nahita azy niala ny Champ de bataille
nanaraka azy ka rehefa tonga ny alina tany amin’ny toerana lavitra tanana tany dia nanao Soalat Tahajoud I
Zoubayr Radhiyallah anhou ka rehefa hitan’ity olona ity izy fa variana amin’I Soalat dia nifirainy tamin’ny
antsy izy. Teo anaty Soalat Tahajoud.

Misy Hadith iray miteny hoe:

‘Ambarao an’ny olona namono an’ny Zanak’I Saffiyah (Zoubayr Radhiyallah anhou) fa izy dia hampidirina ao
anaty afo be’.

Nisy tamin’ireo Sahabah dia tsy mba nandray anjara tamin’ny ady izay niseho teo tamin’ny vondro ny mpino
islam roa nisy tamin’izany.

Ohatra:

1-Abdoullah ibn Oumar

2-Muhammad ibn Maslamah

3-Sa’d ibn Abi Waqqaas

….etc…

Nandefa afatra i Ali Radhiyallah anhou fa tsy maintsy atsahatra ny ady. Ireo izay milefa dia tsy azo vonoina
ireo ny fanan’ireo Mpino islam dia tsy azo atao Ghanimah (Butin, remby).

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Bilan:

Ady antsoina hoe: Jamal (Rameva) izay niseho tamin’ny Taona 656 tao Basra, Iraq dia nahitana ireo mpino
islam avy tamin’ny vondrona misy an’I Ali (Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬:

20 000 miaramila mpino islam sy ireo Saba’i (mpomba an’I Abdoullah Ibn Sabah) izay mbola tsy fantatra.
Tamin’ny vondra misy an’I Aisha Radhiyallah ‘Anha indray :
30 000 miaramila.
Ireo maty tamin’ny vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou dia:
Entre 500 - 10 000
Tamin’ny vondrona misy an’I Aisha Radhiyallah ‘Anha indray dia:
Entre 2 500 - 13 000
Ireo Sahaba nalaza niaradia tamin’I Aisha Radhiyallah ‘Anha tamin’izany dia:

Talhah Radhiyallah ‘Anhou


Muhammad ibn Talha Radhiyallah ‘Anhou
Zubayr ibn al-Awam Radhiyallah ‘Anhou
Kaab ibn Sour Radhiyallah ‘Anhou
Abd Allah ibn al-Zoubayr Radhiyallah ‘Anhou

…etc…

Tamin’io ady Jamal (Rameva) io ihany dia:

Qadi Kaab ibn Sour avy ao Basra nametraka boky manan-kaja Kour’any teo tamin’ny lohany. Ary naniraka an’I
Aisha Radhiyallah ‘Anha hiakatra eny ambony ramevany mba hiteny amin’ireo Mpino islam izay mifamono ny
mba hanatsahatr’izany.

Nisy nitifitra azy avy tamin’ny vondrona misy Ali Radhiyallah ‘Anhou.

Mbola hitohy raha sitrak’Allah…!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha sivy (9ème partie),


Miteny I Allah Ilay Avo tsy toha manao hoe:
َ َ ُ ُ َ َْ َ ْ ً ْ َ َّ ُ َ َ ٰ َ َ َ ِّ ِّ ٌ َ َ َ ْ ُ ْ ِّ ً ْ َ ُ ُ َ َ ٰ َ َ ْ َ ِّ ٌ ْ َ ْ َ ْ َ َ ُ َ َ َّ َ ُّ َ َ
‫ْيا ِِّمن ُه َّن ۖ َوَّل تل ِم ُزوا أنف َسك ْم َوَّل تنَابَ ُزوا‬ ‫اَّلين آمنوا َّل يسخر قوم ِمن قومٍ عَس أن يكونوا خْيا ِمنهم وَّل نِساء ِمن ن ِسا ٍء عَس أن يكن خ‬
ِ ‫يا أيها‬
َ ُ
َّ ُ َ َ َ ْ ُ َ ْ َّ َ َ ْ َ ْ َ ُ ُ ُْ ُ ْ َ ْ َْ َ ْ
‫ب فأول ٰـئِك ه ُم الظال ِ ُمون‬ ‫ان ۚ ومن لم يت‬ َ
ِ ‫اْليم‬ِ ‫اب ۖ بِئس ِاَّلسم الفسوق بعد‬
ِ ‫بِاْللق‬

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


“O ianareo izay mino! Aoka ny andian’ny vahoaka amin’ny andaniny anankiray mba tsy haneso ny
andaniny ankilany: angamba mety ho mendrika kokoa izy ireny noho izy ireo. Ary aoka ireo vehivavy
tsy haneso ireo vehivavy hafa, angamba mety ho mendrika kokoa izy ireny noho izy ireo. Ary aza
mifanendrikendrika ianareo, ary aza mifanome anaram-bositra, tena ratsy tokoa ny fahavetavetana
raha efa manam-pinoana, ary na iza na iza tsy mibebaka… dia izy ireny no olona mpanao ny tsy
rariny”

Référence:

Ny Boky manan-kaja Kour’any Sourate Al Houjourat 49 ayat 11

Ity ayat iray ity dia anisan’ireo Ayat izay nohentin’I Ali Radhiyallah ‘anhou nananatra ireo Mpino islam
tamin’izany fotoana tamin’ny feo maro samihafa izay niparitaka.

Rehefa tampitra ny ady Jamal (taona 656) dia betsaka ny feo niparitaka ary nahelin’ny Mponina mahakasika
an’I Aisha Radhiyallah ‘Anha. Ny tena nalaza tamin’izany dia ny filazana fa noho ny fivoahan’I Aisha
Radhiyallah ‘Anha taty Basra, Iraq no nahatonga izao faty olona maro be izao. Ka rehefa henon’I Ali
Radhiyallah ‘Anhou izany feo izany dia namoaka didy izy.

Nilaza I Ali Radhiyallah ‘Anhou manao hoe:

‘Na iza na iza miteny ratsy mahakasika an’ny Renin’ny Mpino islam Aisha Radhiyallah ‘Anha dia ho kapohina
kobay zato misesisesy (100 fois)’.

Ka betsaka tamin’ireo Mpino islam teo ambany fitantanan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou no voakapoka tamin’ny
kobay tamin’izany noho ny fitenenana ratsy an’I Aisha Radhiyallah ‘Anha tamin’izany.

Tsara marihina fa tamin’izany dia mbola tsy fanaratsiana mafy be tahaka ny hitantsika ankehitriny io fa juste
hoe: nanome tsiny azy fotsiny ireo Mpino islam sasany tao Basra noho ny fivoahany. Ka nahatonga ny
fisian’ny vondron’ireo Sahabah maro ary niafara tamin’ny faty olona. Izany fanehoankevitra izany dia efa
nankahalain’I Ali Radhiyallah ‘Anhou fatratra. Ka namoaka lalàna tandrify izany izy tamin’izany ho fiarovana
an’I Aisha Radhiyallah ‘Anha.

Ireo Shia ankehitriny dia tsy nampahafantarina io tantara io ary tena afenin’ireo Oulama ndreo io tantara io
satria raha hain’olona io tranga io dia voabaraka izy ireo. Satria izy ireo no tena nampandainga an’I Ali
Radhiyallah ‘Anhou tamin’ny fankahalana an’I Aisha Radhiyallah ‘Anha. Nefa, nifanohitra tamin’izany ny
tranga niseho. Ka tezitra ireo Shia raha mahita anao mahay an’ity Tantara ity. Al Hamdu Lillah nomen’I Allah
Ilay Avo tsy toha hasoavana anao ka nahay an’izany tranga izany ka tantarao amin’ny Mpino islam
manodidina anao mba ahaizandreo miaro ny voninahitr’I Ali Radhiyallah ‘Anhou amin’ny lainga nafafin’ireo
Shia ary koa mba hiaro ny voninahitra ny Renitsika I Aisha Radhiyallah ‘anha.

Tsy vitan’izany ihany fa rehefa vita ny ady dia nalefan’I Ali Radhiyallah ‘anhou nody I Aisha Radhiyallah ‘anha
miaraka tamin’ireo vehivavy mpino islam tao Basra miisa 40 niaradia taminy ho fanomezamboninahitra azy.

Niteny I Aisha Radhiyallah ‘Anha mahakasika ny feo naparitak’olona mahakasika azy hoe:

‘Tsy misy fankahalana ny eo amiko sy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou. Fa ny zavatra misy aminay dia tsy
fitoviankevitra sy raharaha ara-pianakaviana ihany. Ary izaho dia mino sy mahatoky tsara fa I Ali Radhiyallah
‘Anhou dia olona tsara sy olona mpanao tsara’.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Rehefa naheno teny izany I Ali Radhiyallah ‘Anhou (Allah anie ho rady aminy) dia namaly hoe:

‘Marina tokoa ny zavatra nolazain’I Aisha Radhiyallah ‘Anha (Allah anie ho rady aminy) ary I Izy dia vadin’ny
Mpaminantsika teto antany sy any ankoatra’ – Ity filazana ity dia Moutawatir (‫ ) ُمت َواتِّر‬Zany hoe:
nampitan’ireo olona betsaka sy marina ary tsy ahitana fisalasalana ny momba azy. Afa tsy ireo Shia ihany no
misalasala momba azy.

Hita taratra tamin’ny fiainan’I Aisha Radhiyallah ‘Anha taty aoriana fa nanenina mafy izy tamin’ny fivoahany
izay nitondra ireo Mpino islam maro tao Basra, Iraq. Satria, noho ny vokadratsy naterak’izany.

Ity dia manamarika fa tsy tanjon’I Aisha Radhiyallah ‘Anha ny nde hamono ireo mpino islam ireo na koa hoe:
nde hiady amin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou. Ka rehefa hitany ny vokany dia nanenina mafy izy ary nitomany im-
betsaka.

NB:

Tsika izao dia avy nanaraka ny fanazavana ny tantara izay niandohan’ny fiforonan’ny vondrona Shia
ankehitriny. Nanomboka nahazo vahana ilay fotokevitra izay nde hamoronana ny fotopinoan’ireo Shia.

Tsara marihina fa I Abdullah ibn Sabah dia olona tena nisy marina fa ireo Shia dia namorona vandy
mahakasik’azy. Araka ny tantara dia hita ao amin’ny bokin’I Sayf ibn 'Oumar at-Tamiimi ny tantara
mahakasika azy. Ibn ‘Asakir (Maty tamin’ny taona 571 Hijri) koa dia mbola nitantara mahakasika io olona
antsoina hoe: Abdullah ibn Sabah io ary Tarikh At-Tabaari koa.

Ibn Taymiyyah (maty tamin’ny taona 728 Hijri) nanazava tsara fa ny fotokevitr’ireo Shia dia niainga avy
tamin’ity Lehilahy Jiosy avy ao Yemen ity.

Ad Dhababi sy Ibn Hajar (maty tamin’ny taona 852 Hijri) koa dia mbola nanamafy fa tena Mpitarik’ireo
Mpiatsaravelatsihy tokoa I Abdullah ibn Sabah. Ireo Mpomba azy dia niantsoina hoe: Saba’i (Mpanaraka an’I
Ibn Sabah). Ary nidoran’I Ali Radhiyallah ‘Anhou velona sasany tamin’izy ireo satria, nilaza azy ho Allah.

Araka tantara dia tao Egypte izy nanomboka namorona lainga mahakasika ny fitondran’I Outhman
Radhiyallah ‘Anhou. Satria ireo Mpino islam ao Egypte dia tsy niaraka niaina tamin’ny Mpaminany
Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam ary toerana iray izay lavitra Madinah koa ny tanana Egypte. Zany
hoe: mora ny mamafy lainga mba hiparitahany haingana. Ary tena niparitaka ny lainga. Ka nahatonga ny
fisarahambazana teo tamin’ny Mpino islam tamin’izany.

Io fisarambazana io dia niharihary taorian'ny ady antsoina hoe: Jamal io. Satria, nahomby ny
tetik'ireo Mpiatsaravelatsihy.
Niady antrano ny Mpino islam tamin'ny fomba nibaribary voalohany.

Harahinao amin’ny manaraka ny Ady antsoina hoe: Siffiine. Izay tian’ireo Shia miresaka azy satria tao no
namaharandreo amin’ny fotopinoandreo sy ny fankahalandreo an’ireo Sahabah.

Mbola hitohy raha sitrak’Allah….!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha folo (10ème partie),


Ny ady antsoina hoe: Siffiin ( ‫)وقعة صفين‬
Ny ady antsoina hoe:

“Siffiin”

Dia niseho tamin’ny taona 37 Hijiri zany hoe: volana Jolay Taona 657 (fanisana kristianina) tao
Siffin(anaran’ny toerana iray tao Raqqah, Sham (Syrie).

Ny antony nahatonga ny ady arak any fikarohan’ireo Manampahaizana islamo dia:

Voalohany ny fanendren’I Ali Radhiyallah ‘anhou olona olona vaovao hisolo an’I Mou’awiyyah Radhiyallah
‘Anhou izay efa Governora tao hatry ela. Ka nisafidy an’I Abdoullah Ibn ‘Oumar Radhiyallah ‘anhouma I Ali
Radhiyallah ‘anhou fa I Abdoullah Ibn ‘Oumar Radhiyallah ‘anhouma dia nandà satria tsy tia fitondrana izy ary
nanana fanajana sy fitiavana be an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou izy no sady hitany ho sarotra aminy ny
hisolotoerana azy. Niezaka nandresilahatra azy I Ali Radhiyallah ‘anhou fa tsy nanaika ka tamin’ny farany dia
lasa nifindra tao Makkah izy mba hialana izany andraikitra lehibe nomena azy izany. Hitany goavana tokoa
izany sady amin’ny fotoana ny Fitnah (Disadisa sy fisarahambazana lehibe).

Ka nisoloin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou an’I Sahl ibn Hanif Radhiyallah ‘Anhou izy. Ka nalefa tany Sham izy mba
hisolotoerana an’I Mou’awiyah Radhiyallah ‘Anhou.

Mbola tsy tonga tany ilay olona voatendry vaovao dia izao no niseho tao Sham:

Oumm Habibah bint Abi Soufyan Radhiyallah ‘Anhouma dia nangataka tamin’ny fianakaviana akaiky
indrindra an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou mba ahazo ny lamba izay feno ràn’I Outhman Radhiyallah
‘Anhou. Nalefandreo taminy izany lamba feno rà izany niaraka tamin’ny tapan’ny volombavany izay
nesorin’ireo Mpioko sy Mpamono an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou. Taorian’ny fahazahoan’I Oumm
Habibah Radhiyallah ‘Anha izany dia niantso an’I Nou’maan ibn Bashir Radhiyallah ‘Anhou izy mba handefa
izany any amin’I Moua’waiyyah Radhiyallah ‘anhou. Tamin’izany hita tao hatramin’ny ratsantanan’I Nailah
bint Al Faraafisah al Kalbiyyah Radhiyallah ‘Anha. Izay vadin’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou izay voatapaka
tanana nandritran’ny fiarovan’ny vadiny tamin’izany.

Rehefa tonga tao antoerana I Nou’man Radhiyallah ‘Anhou dia nasain’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou
mba hiakatra eo ambony Mimbar ary hitantara ny zavatra niseho tao Madinah ka nahatonga ny fahafatesan’I
Amir Outhman Radhiyallah ‘Anhou. De naseho teo anatrehan’ny be sy ny maro ny lamba feno ràn’I Outhman
Radhiyallah ‘anhou sy tapany volombavany ary ny ratsantanan’ny vadiny. Nitomany ireo Mpino islam nihaino
azy ary tezitra mafy ka mitaky ny valifaty amin’ireo namono an’I Outhman Radhiyallah ‘anhou.

Ka nanao vava ny ankabetsahan’ny mpino islam tao Sham manao hoe:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


‘Tsy hanao firaisana ara-nofo amin’ny vadinay izahay afa tsy hoe: voasambotra ary voasazy ireo namono an’I
Outhman Radhiyallah ‘Anhou.

Nanome sosokevitra sahabah iray antsoina hoe: Shourahbil ibn As Samat Al Kindi Radhiyallah ‘Anhou manao
hoe:

‘Ry Mou’awiyyah, Outhman dia avy khalifah tsika. Ka raha vitanao ny mitady ireo olona namono azy dia
ataovy izany fa raha toa ka tsy vitanao dia aoka ianao mba hiala amin’ny toerana misy anao’

Vao tonga tamin’ny faritra Sham fotsiny izy (Tao Wadi al Qoura) dia nosamborin’ireo Mpino Islam mpomba
an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou ary nolazaindreo taminy hoe:

‘Raha toa ka I Outhman Radhiyallah ‘Anhou no nandefa anao aty Sham dia tonga soa. Fa raha toa ka olon-
kafa dia miverena hainga ianao’.

Satria, hoy izy ireo tamin’izany dia mbola vao maty I Outhman Radhiyallah ‘anhou Ilay Khalifah (Mpitondra
ny Mpino islam) tamin’izany ary ny lambany feno rà sy ny tapaka sombin’ny tanan’ny vadiny I Na’ilah dia
tonga tamin’izy ireo. Ny fo mbola mafana tamin’izany ary ireo Mpioko namono an’I Outhman Radhiyallah
‘Anhou dia mbola tsy maty. Fa mbola mirenireny ao anaty miaramilan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou. Andian’olona
maro izy ireo. Tsy fantatra ny tena namono azy fa ao anatin’ny andian’olona andrivony maro ny ahiahiana
misy an’ireo olona tena namono azy ireo. Ka sarotra tamin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou koa ny hanambotra izy
ireo. Sao de ahazo ny tsy izy. Lasa mamonomono mpino islam fahatany eo. Tonga taminay hoy izy ireo fa ireo
Mpioko ireo dia lasa manjaka ao Madinah ary ny foko Banou Oumayyah dia nilefa any Makkah.

Niverina I Sahl ibn Hounayf Radhiyallah ‘Anhou. Tsy nahavita naka fitondrana ho Goverora ny Sham.

Ka ireo zavatra rehetra ireo no nahatonga an’I Mou'awiyyah Radhiyallah ‘anhou sy ireo mpomba azy niziriziry
tamin’ny Ayat ny Kour’any izay milaza hoe:

‫ورا‬
ً ًۭ ‫ص‬ َ َٰ ‫ظلُو ًًۭما فَقَ ْد َجعَ ْلن َا ل َِّولِّيِّ ِّهۦ س ُْل‬
ُ ‫ط ًۭنًا فَ َال يُس ِّْرف فِّى ٱ ْلقَتْ ِّل ۖ إِّنَّهُۥ كَانَ َمن‬ ْ ‫ق ۗ َو َمن قُتِّ َل َم‬
ِّ ‫ّلل إِّ َّال بِّٱ ْل َح‬
ُ َّ ‫س ٱلَّتِّى َح َّر َم ٱ‬ ۟ ُ‫َو َال ت َ ْقتُل‬
َ ‫وا ٱلنَّ ْف‬

“Ary aza mamono ny aina izay nofadian’ Allah ianareo, raha tsy amim-pahamarinana. Ka na iza na
iza novonoina tsy ara-drariny, dia homenay fahefana ny havany, ka aoka izy tsy hihoa-pampana
amin’ny famonoana, satria izy dia efa nampiana )amin’ny alalan’ny lalàna ka tokony hitandrina
tsara) izy”

Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any Sourate Al Isra 17 ayat 33.

Ka nanao lahateny I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou ary nilaza tamin’izy ireo fa I Outhman Radhiyallah
‘Anhou dia nivonoina tamin’ny fomba mahatsiravina ary tamin’ny volana masina ary izy dia lehibetsika. Ka tsy
avelatsika ho very maina ny rà nazy ka ho valiatsika.

Hita mazava tsara fa I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou dia tsy niady ny fitondrana tamin’I Ali Radhiyallah
‘Anhou fa nitaky ny fampiharana sazy tamin'ireo namono an'i Outhman Radhiyallah 'Anhou ihany.

Niteny I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou hoe:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


‘Izahay dia tsy hanao velirano amin’ny olona izay mampialokaloka ireo namono an’I Outhman Radhiyallah
‘Anhou (sady havanay izy no mpino islam no Amir koa)’.

‘Mbola niteny ihany koa izy hoe: Raha manao velirano amin’I Ali Radhiyallah ‘anhou izahay amin’izao fotoana
izao dia matiantoka no sady araraotin’ireo mpioko ny fahalemenay ka hanao ny tsirariny mihoampampana
izy ireo’

Naverimberina ity ayat ity:

“…..

‫ورا‬
ً ًۭ ‫ص‬ َ َٰ ‫ظلُو ًًۭما فَقَ ْد َجعَ ْلنَا ل َِّولِّيِّ ِّهۦ س ُْل‬
ُ ‫ط ًۭنًا فَ َال يُس ِّْرف فِّى ٱ ْلقَتْ ِّل ۖ إِّنَّهُۥ كَانَ َمن‬ ْ ‫َو َمن قُتِّ َل َم‬

“……Ka na iza na iza novonoina tsy ara-drariny, dia homenay fahefana ny havany, ka aoka izy tsy
hihoa-pampana amin’ny famonoana, satria izy dia efa nampiana )amin’ny alalan’ny lalàna ka tokony
hitandrina tsara) izy”

Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any Sourate Al Isra 17 ayat 33.

Raha fitinina ny tranganjavatra niseho dia izao:

I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou nieritreritra fa tokony valifaty no atao aloha. Zay vo manao velirano amin’I
Ali Radhiyallah ‘Anhou. Zany hoe: izy tsy niady fitondrana. Fa izy nitaky valifaty aloha. Zao vo izy manaika an’I
Ali Radhiyallah ‘Anhou ho Amir. Fantany tsara fa I Ali Radhiyallah ‘anhou dia mendrika kokoa mihoatra azy
hitondra ny Mpino islam. Satria efa fantan’ny rehetra fa nisy olona 6 notendren’I Oumar Radhiyallah ‘Anhou
tamin’izy ho faty. Ary I Ali Radhiyallah ‘Anhou dia iray amin’ireo olona enina ireo.

Eto dia ireo manampahaizana mpino islam Sounni dia milaza mazava tsara fa diso ny fieritreretan’I
Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou tamin’ny tsy fanaovana velirano tamin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ho Amir. Fa
izany kosa dia tsy manala azy tsy ho Sahabah intsony na koa hoe: tsy ho mpino islam intsony.

Manamafy koa ireo Manampahaizana hoe: ny voninahitran’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou dia tsy mitovy
amin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou. Nefa izy ireo dia samby sahabah. Na dia hoe: I Ali Radhiyallah ‘Anhou
manamboninahitra ko koa raha ampiharina amin’I Mou’awiyah Radhiyallah ‘Anhou.

Eto dia tian’ireo Shia ilay tantara. Satria mety agnasifahagna sira sy sakay kely. Ka tsy tara ireo Shia miteny
aminao hoe: jereo raha nataon’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou? Olona Sahabah zany karaha io? Ali
Radhiyallah ‘Anhou tsy kehiny hitondra? Izy mila manao valifaty fo?

Valiny:

Fitnah (disadisa, fisarambazana) tamin’io. Maro zavatra niseho ary izy no niatrika ny trangajavatra
tamin’izany. Anao tsy niatrika. Zay no hitany fa mety. Tsy nanana finiavana ratsy izy fa nanana finiavana tsara
arak’ireo tantara ireo. Tahaka ny tranga niseho tamin’I Aisha Radhiyallah ‘anha tamin’ny ady Jamal koa io.

Mbola miteny ireo Shia hoe: ka izy ange tokony mba naka lesona tamin’ny ady Jamal iny eh.

Valiny:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Eny, mety naka lesona izy ary nahafantatra ny tranga niseho tao ka nahatonga ny faty olona maro be
nataon’ireo Mpioko tao anaty vondrona misy Ali Radhiyallah ‘Anhou. Zay ny heviny tamin’izany. Allah mitsara
azy arakaraka izay tranga niseho sy ny finiavany.

Ny marina fotsiny hoe: tokony nanao velirano izy. Tsika aty aoriana no mahay an’izany. Satria tsika efa nahita
ny vokany.

Tamin’izany dia nandefa taratasy tamin’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou I Ali Radhiyallah ‘Anhou fa tsy
novaliany. De nandefa iraka I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou tamin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ho valin’ireo
taratasy maro nalefany:

‘Izaho hoy ilay iraka dia avy amin’ny faritra izay misy olona izay tsy mila na inona na inona afa tsy ny valifaty
n’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou ampiharina amin’ireo izay namono azy’

‘Namaly azy I Ali Radhiyallah ‘Anhou fa izaho hoy izy dia tsy anisan’ireo nanao an’izany’.

Hitan’ireo Mpioko izay tao anaty vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ilay irak’I Mou’awiyyah
Radhiyallah ‘Anhou ka saika nivonoindreo koa fa kely sisa de tafatsoka velona izy.

Taorian’izany dia nanapakevitra I Ali Radhiyallah ‘Anhou hiady an’ny vondrona mpino islam misy an’I
Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou izay tsy nanaika hanao velirano taminy.

Nanome sosokevitra azy ny zanany Hassan Radhiyallah ‘Anhou hoe:

‘O ry Papa, aza mandeha miady anao fa famonoana mpino islam ihany no hiseho amin’izany ady izany sady
hampisarabazana be be ko koa atsika izany’

Tsy nanaika I Ali Radhiyallah ‘anhou fa niroso hatrany.

Question:

1-Iza olona voalohany nanoratra tantara mahakasika ny ady niseho tamin’ny Fitnah (fisarahambazana)
voalohany tamin’ny tantaran’ny finoana islam?

Valiny: Ireo Shia. Ary I Abou Mikhnaf Lout ibn Yahya (‫ )لوط ابن يحيٰ ابن سعيد ابن مِ خنَف الكوفي‬izay maty tamin’ny
taona 157 Hijri (774 fanisana Kristianina) no loharano namorona tantara fosika mahakasik’ireo Sahabah ary
ny boky nisoratany no nataon’ireo Shia ankehitriny ho loharano amin’ny tantara mahakasika ny Sirah
(tantaran’ny Mpaminany) indrindra ny zavatra niseho teo tamin’ireo Sahabah. Sy tao Karabala. Izy dia
lehilahy iray teraka tao Koufa.

Niisa 20 mahery ny boky nisoratany tamin’izany.

• Kitab Al-Saqifa
• Kitab Al-Ridda
• Kitab Al-Shura
• Kitab Al-Jamal
• Kitab Al-Siffin
• Kitab Maqtal Al-Hasan
• Kitab Maqtal Al-Husayn
• Sirat Al-Hussayn

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


• Kitab Khutba Al-Zahra
• Kitab Akhbar Al-Mukhtar
• Futuh Al Sham

Ka reo boky reo dia nataon’ireo Shia ho loharano itovozona ny fotopinoandreo. Ka


nampianarina ireo Shia namandreo ireo boky ireo mba hanan’izy ireo lolompo amin’ireo
Sahabah sy ireo Mpino islam rehetra manaraka azy ireo.

Zany hoe: tao anaty 100 taorian’ny tranga niseho tao Basra sy Siffin, Sham. Dia tsy nataon’ireo
Mpino islam laharampahamehana ny hitantara ny disadisa nisy tamin’ireo Sahabah (Mpiaradia
tamin’ny Mpaminany) sy ireo Tabi’ina (ireo Mpandimby reo Sahabah). Fa navelandreo izany
satria Fitnah (disadisa, fisarahambazana) no niseho tamin’izany ka aleo avela any. Ny
olombelona dia mifamela. Sady ny finoana islam dia efa feno. Fa tsy ireo ady sy disadisa niseho
ireo (25 taona taty aoriana) no atao ho fotopinoana sy handaniana andro. Tsy neken’ireo Shia
izany fa aleo ho soratana mihitsy ary asiatsiaka antsiary nazy sy sakay. Amizay mafampana
tsara. De izy zao henotsika hatr’izao ny sira sy sakay nataon’ireo Shia. De mbola
ampitomboindreo foana io sira sy sakay io amizay ho maro maro olona very sy hankahala ireo
Sahabah ireo.

Ny ohatra azo ampiharina ireo dia tahaka ny olona mahita mpivady miady antrano de nitantara
olana misy amin’ireo mpivady. Fotoana fohy aorian’io olana io dia nifanaraka ireo Mpivady. De
izy nanaparitaka olana niseho tao dia mbola tsy afa po fa mbola mila aparitaka foana mba
hanaratsiana ireo mpivady roa ireo. Ka nahay niely ny resaka hatramin’ny olona maro resilahatra
fa olona ratsy ny iray amin’ireto mpivady ireto ka gaga ireto mpivady ireto amin’ny farany.
Izahay ange efa milamina eh. De tsy mino tsony ny olona satria ny lainga nafafy dia efa nasiana
sira sy sakay.

Io raha fehezina amin’ny teny fohifohy ny fotopinoandreo. Na dia hoe: nifamela ireto mpivady
ireto dia mbola miziriziry foana izy hoe: tena ratsy tokoa ny vadinao ka saraho.

Mbola hitohy raha sitrak’Allah….!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha araiky amby folo (11ème partie),


Ny ady antsoina hoe: Siffiin ( ‫ – )وقعة صفين‬na (‫)معركة صفين‬
Tohiny…

Ady izay niseho tamin’ny taona 36 - 37 Hijiri zany hoe: volana Jolay Taona 657 (fanisana kristianina) tao Siffin
(anaran’ny toerana iray tao Raqqah, Sham (Syrie). Volana Dhoul Hijj, Mouharram ary Safar no nisehoan’ity
ady ity. Zany hoe: herinandro maro maro ny faharetany. Nizara roa lehibe: nisy fotoana nanaovana
fifampiraharahana ary nisy fotoana nisehoana ny fifandonana amin’ny vondrona roa samby mpino islam.

Fanamarihana:

Tsika izao dia miditra amin’ny tapany tantara izay tena mampalahelo ary ny pitsopitson’ny tantara dia sarotra
faritana ‘avec precision’ fa hiezaka hamintina araka izay vita isika.

Hadith Sahih,

‫َّللا صلى هللا عليه وسلم‬ ِّ َّ ‫ع ْن أ َ ِّبي ه َُري َْرة َ ـ رضى هللا عنه ـ قَا َل قَا َل َرسُو ُل‬ ِّ ‫ع ِّن األَع َْر‬
َ ،‫ج‬ ِّ ‫ َح َّدثَنَا أَبُو‬،ُ‫س ْفيَان‬
َ ،‫الزنَا ِّد‬ ُ ‫ َح َّدثَنَا‬،‫ي‬ َ ‫الَ " َح َّدثَنَا‬
ٌّ ‫ع ِّل‬
ِّ ‫عةُ َحتَّى ت َ ْقتَتِّ َل فِّئَت‬
ٌ ‫َان َدع َْوا ُه َما َواحِّ َدة‬ َ ‫"تَقُو ُم السَّا‬

Tatitra azo avy tamin’i Abou Houraira Radhiyallah ‘anhou,

Niteny i Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

‘Tsy ho tonga ny andro farany afa tsy hoe hisy vondrona roa lehibe hiady, ny antson’izy ireo dia iray
ihany’

Référence :

Sahih Bukhari, Hadith numéro 6 935.

Boky faha 88.

Sy Sahih Muslim.

NB:

Ity Hadith ity dia ahitana fahagagana goavana. Satria niseho io tranga io tamin’ny ady tao Siffiin, Sham. Zany
hoe: 25 taona taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam. Izany dia porofo
tsy azo lavina fa tena Mpaminany marina I Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam. Satria niseho tokoa ny
zavatra izay nampanantenainy hiseho alohan’ny andro farany. Manaraka, ity hadith ity koa milaza mazava
tsara fa samy mpino islam ireo ao anaty vondrona roa ireo na dia izy ireo miady sy mifamonofaty. Tsy
mampiala izy ireo ao anaty ny finoana islam izany satria ny tanjon’izy ireo dia iray ihany. Fa ny fomba hentina
hanatanteraka ny tanjona no tsy mitovy ka lasa niady izy roa. Zany hoe: vondrona misy an’I Ali Radhiyallah
‘anhou sy an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou. Nefa, tsy eken’ny shia ity hadith ity ary ity tranga niseho ity
hoy izy ireo dia mahatonga fa I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou ho tsy mpino islam tsony satria nahasahy
niady tamin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou izay Khalifah tamin’izany.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Hadith Sahih,

.‫سعِّي ٍد فَا ْس َمعَا مِّ ْن َحدِّيثِّ ِّه‬ َ ‫َّللا ائْتِّيَا أَبَا‬ َ ‫ قَا َل لَهُ َو ِّلعَلِّي ِّ ب ِّْن‬،‫َّاس‬
ِّ َّ ‫ع ْب ِّد‬ َ َ‫ أ َ َّن ابْن‬،َ‫ع ْن ِّع ْك ِّر َمة‬
ٍ ‫عب‬ َ ،ٌ‫ َح َّدثَنَا خَا ِّلد‬،‫ب‬ِّ ‫ع ْب ُد ْال َو َّها‬
َ ‫ أ َ ْخبَ َرنَا‬،‫سى‬ َ ‫َح َّدثَنَا إِّب َْراهِّي ُم بْنُ ُمو‬
‫ فَ َم َّر‬،‫ار يَ ْنقُ ُل لَبِّنَتَي ِّْن لَبِّنَتَي ِّْن‬
ٌ ‫ع َّم‬َ َ‫ َوكَان‬،ً‫س فَقَا َل ُكنَّا نَ ْنقُ ُل لَبِّنَ ْال َمس ِّْج ِّد لَبِّنَةً لَبِّنَة‬ َ َ‫ فَلَ َّما َرآن َا َجا َء فَاحْ تَبَى َو َجل‬،ِّ‫فَأَت َ ْينَاهُ َوه َُو َوأ َ ُخوهُ فِّي َحائِّطٍ لَ ُه َما يَ ْس ِّقيَانِّه‬
‫ار َوقَا َل‬ ْ ْ
َ َ‫ع ْن َرأ ِّس ِّه الغُب‬ َ ‫س َح‬ َ ‫ي صلى هللا عليه وسلم َو َم‬ َ ِّ َّ ‫ار يَ ْدعُوهُ ْم إِّلَى‬
ُّ ِّ‫َّللا َوي َ ْدعُونَهُ إِّلى النَّ ِّار "بِّ ِّه النَّب‬ َ ،ُ‫ ت َ ْقتُلُهُ ْال ِّفئَةُ ْالبَا ِّغيَة‬،‫ع َّم ٍار‬
ٌ ‫ع َّم‬ َ ‫" َو ْي َح‬.

I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

‘….Mampalahelo I ‘Ammar, Allah anie hamela helokao! Izy dia “ُ‫ ”ت َ ْقتُلُهُ ْال ِّفئَةُ ْالبَا ِّغيَة‬ho vonoin’ny vondrona izay
nanao hadisoana. Izy dia hiantso azy ireo hakany amin’ny Paradisa. Fa izireo kosa dia hiantso azy makany
amin’ny afo be”.

Ammaar niteny manao hoe:

“Mangataka fiarovana avy amin’I Allah aho mba hiaro aho amin’ny Fitnah”.

Référence :

Sahih Bukhari, Hadith numéro 2812

‫كتاب الجهاد والسير‬

NB :

Ny fanazavan’ireo Sahabah hoe : “ُ‫ ”ت َ ْقتُلُهُ ْال ِّفئَةُ ْالبَا ِّغيَة‬ho vonoin’ny vondrona izay nanao hadisoana. Dia ny tsy
fanaovan’i Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou velirano tamin’I Ali Radhiyallah ‘anhou. Izay tsy tokony nataony
tamin’izany. Ka diso izy tamin’izany. Ka ny vondrona misy azy no nantsoin’ity hadith ity hoe: nanao
hadisoana. Tsy nanaraka baiko. Maditra.

Tsara marihina fa I Ammaar ibn Yasir Radhiyallah ‘Anhou tamin’ny fotoana izay resahitsika ity (Fitnah
voalohany) dia tao anaty ny vondronan’ireo Sahabah izay nanaika an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ho Amir ary izy
dia niantso ireo olonkafa amin’izany. Ity Hadith ity dia porofo fa ny fanarahana an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou
tamin’io fotoana io dia tena marina. Ary ny fanoherana azy dia antso mankany amin’ny afo be.

Ity Hadith ity dia voalohany porofo sy fahagagana izay manamafy tsara fa I Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa
salam dia tena Mpaminany Marina satria nahavita nilaza mialoha ny zavatra ho avy miaraka tamin’ny
fahamarinana tanteraka (precision exacte) 25 taona taty aoriana dia niseho ilay izy. Zany hoe: hizara roa
mpino islam. Tena nizara roa tokoa ny Mpino islam 25 taona taorian’ny fahafatesany. Hisy Mpino islam nde
hamono an’I Ammar. Tena nitranga tokoa izany tamin’ny tamin’ny taona 657 zany hoe: 25 taorian’ny
fahafatesan’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam.

Ny zavatra hita talohaka ny ady Siffiin dia nifampiraharaha im-betsaka ireo vondrona roa tamin’izany ary
nandritra ny andro maro. Voalaza ara-tantara fa raha atambatambatra ny andro nanaovana an’izany dia
miisa 100 andro mihoatra. Fivezivezena eo amin’ny irak’ireo vondrona roa ireo:

Ali Radhiyallah ‘Anhou dia nandefa:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


1. Bashir bin Amr bin Mahz Ansari,
2. Saeed bin Qais Hamdani,
3. Shis bin Rabi’i

Abou ad-Darda sy Abou Oumamah dia sahabah roa izay tsy niatrika ady fa niezaka nitady marimaritra iraisana
eo amin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou sy I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou fa tsy nahavita. Samby niziriziry
tamin’ny heviny izy roa.

Herinandro voalohany ny volana Dhoul Hijjah dia niisa 20 mihoatra ny ady mandinidinika niseho teo tamin’ny
Ali sy Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhouma.

Tonga ny volana Safar taona 37 Hijri.

Andro alarobia no nilazan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou fa hifanandrina ny vondro misy azy amin’ny vondrona
misy an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhouma. Nampilaza an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou aloha izy.
Mba hanomanany na hanekeny azy.

Tahak’izao ny vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou:

✓ Ali Radhiyallah ‘Anhou.


✓ -Abdoullah ibn Abbas Radhiyallah ‘Anhou.
✓ -Ammar ibn Yaasir Radhiyallah ‘Anhou
✓ -Muhammad ibn Hanafiyyah Radhiyallah ‘Anhou
✓ -Hisham ibn ‘Outbah Radhiyallah ‘Anhou

Tahak’izao ny vondrona misy an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou:

✓ -Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou,


✓ -Amr ibn Al ‘Ans Radhiyallah ‘Anhou,
✓ -Dhoul Kilaa Al Himyari
✓ -Habib ibn Maslamah al Fihri.
✓ -Al Makhariq ibn as Sabah Al Kilaa’i.

Ny zavatra mahagaga niseho tamin’ireo vondrona roa ireo nandritra ny ady dia izao:

✓ Rehefa tonga ny fotoana fanaovana ny Salat dia ajanona kely ny ady.


✓ Ny maty rehetra dia anaovana salat fa samby amin’ny vondrona misy azy.
✓ Ny olona milefa tsy hiady dia tsy vonoina.
✓ Tsy nisy ny Ghanimah (remby, butin de guerre)

Tamin’ny fotoana iray sendra I Ali Radhiyallah ‘Anhou avy nanao Salat mayt dia nisy nanontany azy hoe:

‘Ahoana ny mahakasika ny maty tsika sy matindreo’?

Namaly izy hoe:

‘Raha noho n’I Allah no nanaovan’ny ady dia miditra paradisa izy. Na mpino islam avy aty amin’ny
vondrona misy atsika na mpino islam any amin’ny vondrona misy azy’

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Mandritra ny atoandro dia miady ireo vondrona roa ireo. Rehefa tonga ny ariva dia mitsahatra. Tamin’ny
alina iray I Ali Radhiyallah ‘Anhou nandeha teo tamin’ny kianja ny ady tamin’ny alina ary nanao Doua
tahak’izao:

‘O Allah, avelao ny heloka vitako sy vitan’izy ireo’

Andro voalohany dia nibahantoerana ny vondrona misy an’I Mou’awiyyah radhiyallah ‘Anhou.

Andro faha roa dia namaly mafy ny vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou. Saika hilefa I
Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou.

Tamin’izany andro izany dia i Ammar ibn Yassir Radhiyallah ‘anhouma dia efa 90 taona mihoatra. Nefa,
mbola nandray anjara tamin’ny ady ihany ary mbola nahavita niady tsara.

Nisy Mpino islam iray teo akaikin’I Ammar Radhiyallah ‘anhou niteny hoe:

‘Tena marina fa ireo vahoakan’ny Sham (vondrona misy Mou’awiyyah) dia lasa Kouffars’.

Namaly azy I Ammar Radhiyallah ‘Anhou manao hoe:

‘Tsia, fa izy ireo dia tsy nikomy amitsika ka tsy nanaraka atsika ary izany no mahatonga atsika miady azy
ireo fa tompo izay ivavahatsika dia iray ihany ary Mpaminany tsika dia iray ihany ary ny Qiblah tsika koa
dia iray ihany’.

Izy tamin’izany dia nanentana ny vondrona misy azy ka nahavitan’izy ireo nanakana ny vondrona misy
an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou tsy handresy.

Tamin’izany fotoana izay izy dia nahatsapa fa tonga ny andro farany hiainany teto an-tany. Ka tadidiny
ny hafatra napetrak’I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam taminy izay manao hoe:

‘Ny zavatra hisotroanao farany eto an-tany Ry Ammar dia ny ronono’.

Ka nangataka ronono izy tamin’izany de nomena ronono de niverina tany amin’ny kianja ny ady ka maty
izy tamin’io. Nivonoin’ny vondrona misy an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou.

Ny miaramila namono azy dia I Abou Al Ghaadiyah al Juhani.

Niteny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

‘Ny olona izay mamono an’I Ammaar sy ny olona izay maka fitaovampiadiany ho Ghanimah dia miditra
amin’ny afo be’.

Arak’ity hadith ity dia miditra afo be I Abou Al Ghaadiyah noho ny famonoany an’I Ammar Radhiyallah
‘Anhou.

Rehefa maty I Ammaar Radhiyallah ‘Anhou dia niaraka nanao Salat azy ny vondrona roa tonta. Zavatra
mahagaga izany nefa niseho.

Taorian’izany dia niady ireo vondrona roa ireo nandritra ny telo andro sy telo alina tsy ankijanona.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Hatramin’ny fotoana nahalanian’ny fleche ka nampiasa sabatra ka tapatapaka ny sabatra. Ka niafara
tamin’ny ady totohondry tamin’ny sasakalina ny andro faha telo. Niady totohondry hatramin’ny maraina
ka samy reraka ny marainana. Tonga andro Zoma. Sasany teo ampanaovana Salat mbola niady ihany.

Samy nahatsapa ny vondrona roa fa ela loatra ny ady ary samy reraka daholo ka hiroso indray mandeha
amin’ny fifanelanana tsika hoy izy ireo. Sady betsaka loatra ny matitsika. Raha mbola miady foana tsika
rahampitso dia mety ho lany tamingana tsika arabo ary ho mora amin’ireo Kouffars nde haka ireo
zanakatsika sy vaditsika ho babo anady.

I Ash’ath ibn Qays no niteny ary nilaza an’izao tamin’ireo mpino islam tamin’izany ka henon’I
Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou izany de nodidiany ireo miaramilany mba haka ny Moushaf atao eo
amin’ny tendron’ny sabatra ary aseho eny ambony ho marika ny fitsaharan’ny ady sy mba
hifanakalozankevitra.

Rehefa nahita an’izao ireo Saba’i (vondrona mpanakorontana sy nanomboka ny Fitnah) dia tezitra sy tsy
nanaika ary nanomboka nankaratsy an’I vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou sy an’I Mou’awiyyah
Radhiyallah ‘Anhou. Naratsian’izy reo koa I Amr Ibn Al Ans Radhiyallah ‘Anhou satria izy iray tamin’ireo
mpibaiko ny vondrona misy an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou.

Betsaka tamin’ireo boky tany aloha tahaka ny boky nisoratan’I at Tabari, Ibn Al Athir…etc dia ahitana
tantara forona maro manaratsy an’ireo Sahabah ireo. Satria ny loharano nazahoana azy ireo dia avy
tamin’ny Shia (Abou Mikhnaf Lout ibn Yahya (‫ )لوط ابن يحيٰ ابن سعيد ابن مِ خنَف الكوفي‬izay nanoratra ny
tantara voalohany mahakasika ny Fitnah (fisarahambazana) tamin’izany. Ka betsaka ny olona very rehefa
mamaky ireo tantara ireo. Tabari efa nanambara fa ny tantara malaza no resahiko na marina izany na
diso. Zany hoe: tsy niezaka nanamarina ireo tantara ireo izy fa juste nanangona tantara henony
tamin’izany.

Eto dia tian’ireo Shia ny maka an’I Tabari ho loharano mba hakana ny fo ny Mpino islam sounni. Ary
betsaka no very tratran’izy ireo. Zao izy mazava tsara aminao.

Iray tamin’ireo ayat nohentin’ireo avy tamin’ny vondrona misy an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou
mba hanombohana ny fifanakalozankevitra dia ity:

َ ْ ُ ْ ٌ َ ٰ َّ َ َ َ َّ ُ ْ ُ َ ْ َ َ ُ ْ َ َّ
‫يق ِِّمن ُه ْم َوهم ُّمع ِر ُضون‬ َ َ َ ْ َ ْ ُ َ‫ين أُوتُوا نَصيبًا ِّم َن الْكت‬ َّ َ َ ْ َ َ
َ ‫اَّل‬
‫اّلل ِِلحكم بينهم ثم يتوَّل ف ِر‬ ِ ‫اب يدعون إِ َٰل ِكت‬
ِ ‫اب‬ ِ ِ ِ ِ ِ ‫ألم ت َر إَِل‬

“Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny Boky? Antsoina izy ireo mankany amin’ny bokin’i
Allah mba hitsara azy ireo; avy eo dia miamboho ny andiany amin’izy ireo ka mitodi-damosina”

Référence:
Ny boky manan-kaja Kour’any Sourate Al Imran 3 ayat 23.

De nanaika avy hatrany I Ali Radhiyallah ‘Anhou.


De rehefa nahita iny ireo vondrona Mpioko tao anaty vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou dia niteny
manao hoe:
‘Ry Amir, tsy aleonao ve hitohizantsika ihany ny ady mandrapahatonga ny fotoana izay itiavan’I Allah azy?’
Nisy nampahatsiahy ny Soul Houdaybiyah (fifanarahana tao Houdaybiyah) nataon’ny Mpaminany
Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam mba ho fanamarihana fa mety ny mifampiraharaha na dia amin’ireo

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Kouffars azy. Ka amin’ny fomba ahoana ny tsy azahoatsika ny hifampiraharaha amin’ireo mpino islam karaha
atsika?

Nanaika I Ali Radhiyallah ‘Anhou. Ka niroso tamin’ny fifampiraharahana tamin’I Mou’awiyyah Radhiyallah
‘anhou. Tanjona tamin’izany dia ny hitsaharan’ny ady aloha. De nitady marimaritra hiraisana.

Fanamarihana:

Fa nahoana tsika mpino islam tsy manaratsy an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou?

Valiny:

Satria,
Izy dia Sahabah.
Izy dia iray tamin’ireo olona izay nisafidian’ny Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam hanoratra kour’any.
Izy koa dia mbola valilahin’ny Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam (anadahin’I Oumm Habibah Bint Abi
Soufyan).
Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam koa nanao Dua ho azy ao amin’ny bokin’ny hadith nisoratan’I
Ahmad: ‘O Allah, ataovy olona mahitsy izy ary mitarika olona amin’ny fahitsiana koa’.

Mbola nanao Dua hafa koa I Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam mahakasika ny vondron’ny
mpino islam izay nde hanao Djihad amin’ny toerana iray. Ka tafiditra ao anatiny izy sy anabaviny izay mbola
vadin’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam ihany. Ary amin’io Doua io dia nilaza mazava
tsara I Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam fa ho voavela heloka amin’ny andro farany ireo Mpino islam
izay tafiditra ao anatin’io vondrona io (sahih bukhari).
…etc.

Raha jerena amin’ny lafin’ny miaramila ny ady antsoina hoe: Siffiin tao Sham dia:

80 0000 ireo Mpino islam voahofana amin’ny ady teo ambany fitantanan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou
tamin’izany.

70 sahabah nandray anjara tamin’I Ghazwat Badr no anisan’ireo 80 000 miaramila ireo.

400 ansars (Mpampiantrano) sy muhajrouna (mpifindra monina) no tao anaty ireo 80 000 miaramila ireo.

120 000 ireo Mpino islam voahofana amin’ny ady teo ambany fitantanan’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou
tamin’izany.

Ny vokatra nateraka ny ady tamin’ireo vondrona ny mpino islam roa ireo dia:

25 000 no maty tamin’ny vondrona mpino islam misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou.

40 000 na 45 000 no maty tamin’ny vondrona mpino islam misy an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Rehefa tsapan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou fa betsaka ireo mpino islam maty avy aminy sy avy amin’I
Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou dia:

Niantso an’I Moua’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou tamin’ny combat singulier I Ali Radhiyallah ‘Anhou ary niteny
hoe:

‘Izay mandresy aminay dia no lasa Khalifah eken’ny rehetra’.

Nanda I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou.

Taorian’izany dia tampitra ny ady. Nifanaika ny roa tonta hifampiraharaha.

Teraka nanomboka teo ny vondrona iray vaovao antsoina hoe: Khawaridj (Ireo izay nitsoaka andaharana)
zany hoe: tsy nanaika ny fitondran’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ary tsy manaika an’I Mou’awiyyah koa ho ao
anaty ny fahamarinana. Izy ireo dia vondrona Saba’i (Mpanaraka an’I Abdoullah ibn Sabah) izay efa
nazavaitsika ireny. Ireo andian’olona izay namono an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou. Rehefa hitandreo fa
hilamina ny fifampiraharahana dia naleondreo nisintaka ary namorona vondrona iray miavaka tsara.

Harahinao amin’ny tapany manaraka ny tohin’ny tantara raha sitrak’Allah…!

Mbola hitohy raha sitrak’Allah….!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha roa amby folo (12ème partie),


Tamin’ny farany teo atsika niresaka mahakasika ny fahavitan’ny ady ary ny firosoan’I Ali Ibn Abi Talib
Radhiyallah ‘Anhou sy I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou tamin’ny fifanarahana.

Samby nanaika ny roa tonta fa hifandamina fa betsaka loatra ny aina nafoy. Ary mety ho rava tanteraka ny
foko arabo raha toa ka hitohizana foana ny ady. Ary hanararaotra ireo Kouffars.

Ary tena saika hanararaotra mihitsy ireo Romana tamin’izany fa nandefasan’I Mou’awiyyah Radhiyallah
‘Anhou fandrahonana hoe:

‘Raha manafika ny faritra mpino islam ianareo dia hataonay hazalambo anareo eto antany ary tena tsy hisy
toerana azo ipetraranareo eto an-tany fa andromo de ho hitanareo eo’ – Référence: Ibn Taymiyyah.

Mahakasika ny fifanarahana dia tahak’izao:

1-Nisoratana tamin’ny taratasy ilay fifanarahana.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


َّ َ ْ َّ َّ ‫ ) ِمْسِب‬Bismillahi rahmani rahiim
2-Ahitana soratra hoe: ( ِ ‫اّلل الرَح ٰـ ِن الر ِح‬
‫يم‬ ِ

3-Ity dia fifanarahana eo amin’i Ali ibn Abi Talib sy i Mou’awiyyah ibn Abi Soufyan (Radhiyallah
‘anhoum)

4-Ali dia misolotena ireo olon’Iraq rehetra ary i Mou’awiyyah dia misolo tena ny olon’ny Sham
(syrie) rehetra.

5-Izahay dia nifanaika amin’ny fampiharana ny fitsaran’i Allah Ilay Avo tsy toha ao amin’ny
Kour’any izahay dia hanaraka ny voalaza ao manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny
farany. Izany no hevidehibe ny fifanarahanay.

6-Ali sy ireo Mpomba azy dia manaika an’i Abdoullah ibn Qays hanao mpanelanelana ny
vondrona misy azy. Ary i Moua’wiyyah dia manaika an’i Amr ibn Al ‘Ans ho mpanelanelana avy
amin’ny vondrona misy azy.

….sns…

Tsara marihina fa teo I Hassan sy Houssein tamin’io fotoana io Abdoullah ibn ‘abbas sy
Abdoullah ibn Ja’afar ibn Abi Talib…etc. Ary niaraka nanaika daholo ny rehetra afa tsy ireo
vondron’olona izay nantsoina hoe: Khawaaridj (ireo izay nivoaka andaharana).

Tamin’ny fifanarahana ity dia nahitan’ireo Shia hirika hanatsofohana ny lainga.

Anisan’izany ny fanaratsiana an’I Amr Ibn Al ‘Ans Radhiyallah ‘Anhou. Satria izy dia efa haitsika
mpandamina avy amin’ny vondrona misy an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou.

Ka ireo Manampahaizana islam dia mampitandrina ny mpino islam fa maro ireo tantara forona
nataon’ireo Shia mba hanaratsiana an’I Mou’awiyyah sy ireo mpomba azy.

Vita ilay fifanarahana dia nitsipaka ireo vondron’olona avy tamin’ny vondrona misy an’I Ali Ibn
Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou. Ireo izay ahihiana namono an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou.

Iray tamin’ireo antony nitsipandreo an’ny vondrona misy an’I Ali sy Mou’awiyyah dia ny
fanendrena olombelona handray fanapahankevitra mahakasika ny bokin’I Allah.

Niteny izy ireo hoe:

‘Tsy misy lalàna ekena afa tsy lalanan’I Allah ihany’.

Hadith,

Tatitra azo avy tamin’I Ibn Awfa,

Niteny I Mpaminany salallah anlayhi wa salam manao hoe:

‘Ireo Khawaaridj (nitsoaka andaharana) dia, alikan’ny afo be’.

Hadith,

Tatitra azo avy tamin’I Abou Sa’id Al Khoudri Radhiyallah,

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Niteny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

‘Hisy vondrona iray izay hivoaka ivelan’ny islam mandritra ny fisarahambazanan’ny Mpino islam, ary izy ireo
dia ho vonoin’ny vondrona izay tena manakaiky ny marina’

Fanazavana:

Ny fisarahambazana voalaza eto dia izay iseho tamin’I Ali sy Mou’awiyyah radhiyallah ‘anhouma. Araka ity
hadith ity dia samy mpino islam ireo vondrona roa ireo. Ary izy ireo dia niezaka nanaraka ny marina fa ny iray
tamin’izy ireo no tena manakaiky ny marina mihoatra ny iray.

Fahagaga tsy misy toa azy ity Hadith ity satria tena niseho tokoa ireo tranganjavatra nolazain’I Mpaminany
Salallah ‘Anlayhi wa salam ireo 25 taona taty aoriana.

Rava tanteraka ny Argument hentin’ireo Shia milaza hoe: ireo vahoaka ny Sham (syrie) tamin’io fotoana io
dia lasa Kafir (tsy mpino islam tsony). Ny ady niseho dia tsy nanala azy ireo tao anaty ny finoana islam. Na dia
hoe: tsy tsara aza ilay izy.

Ny vondrona nisy an’I Ali Radhiyallah ‘anhou no tena nanakaiky ny fahamarinana ary ny vondrona nisy an’I
Mou’awiyyah dia nanao hadisoana fa na dia izany aza dia mety ahazo tombotsoa ihany izy ireo raha toa ka
hadisoana tsy nahy ilay izy. Fa noho ny tsy fahazahoana ny voalazan’ny kour’any. Satria ny Mpitsara na
Mpitondra miezaka mampihatra ny fitsarana iray arak any fahazahoan’ny boky manan-kaja kour’any dia
ahazo valisoa roar aha marina ny nataony. Ary ahazo valisoa iray raha toa ka diso ny fitsarana nataony. Noho
ny hezaka izay nataony.

Hadith,

َّ َّ ُ ْ َ َ َ ْ َ ََ َ َ َ َ ْ َ َ ُ ُ َ َ َ َّ َ َ َ ْ َ ُ ُ ْ َ َ َّ َ ُ َ َ َ َ َ َّ َ
‫ س ِمعت انل ِِب صىل اهلل عليه وسلم‬،‫ س ِمع أبا بكرة‬،‫ ع ِن اْلس ِن‬،‫ حدثنا أبو موَس‬،‫ حدثنا ابن عيينة‬،‫حدثنا صدقة‬
َ ْ َ ‫اّلل أَ ْن ي ُ ْصل َح به ب‬
‫ني‬
ُ ُ َ َ ً َّ َ ْ َ َ ً َّ َ
َ َّ ‫ َولَ َع َّل‬،‫ول " ابِْن َه َذا َسيِّ ٌد‬‫ق‬ ‫ي‬ ‫و‬ ، ‫ة‬‫ر‬ ‫م‬ ‫ه‬ ‫ِل‬ ‫إ‬‫و‬ ‫ة‬‫ر‬ ‫م‬ ‫اس‬ َّ ‫ َينْ ُظ ُر إ ََل‬،‫جنْب ِه‬
‫انل‬
ْ َ َْ ْ ََ
َ ‫اْل َ َس ُن إ ََل‬‫َب و‬
ِِ ِ ِ ِ ِ ِ ِ ِ ِ ِ ‫لَع ال ِمن‬
" ‫ني‬َ ‫فئَتَ ْني م َن ال ْ ُم ْسلم‬
ِِ ِ ِ ِ

Tatitra azo avy tamin’I Abou Bakr Radhiyallah ‘anhou,

Tamin’ny andro iray tamin’ny fahaveloman’ny Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam dia nanao Khoutbah
mpaminany ary tonga I Al Hassan ary niteny I Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam manao hoe:

‘Ity zanako iray ity dia Mpitondra ary angamba Allah hampitambatra ny vondron’ny mpino islam roa avy
aminy’.

Référence:

Sahih al-Bukhari, hadith numéro 3746

Boky faha 62

‫كتاب فضائل أصحاب انلىب صىل اهلل عليه وسلم‬

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Fanazavana:

Ity hadith ity koa dia mbola manazava fa samy mpino islam ny vondrona misy an’I Mou’awiyyah sy Ali
Radhiyallah ‘Anhouma.

Faminaniana goavana ity. Satria mbola hitatsika tsy hoe: ny tantara niseho taorian’ny fahafatesan’I Ali
Radhiyallah ‘Anhou. Nanao ahoana I Al Hassan Radhiyallah ‘Anhou tamin’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou?

Iray amin’ireo boky nanova ny tantara dia Al Imaamah was Siyaasah izay nisoratan’I Ibn Qoutaybah ity boky
ity dia tsy nisoratan’olona io fa natao ho nisoratany. Mba hilazana fa Sounni no nanoratra azy. Zany ireo Shia
ihany no namorona io boky io fa nisoratandreo tamin’ny anaran’ny Manampahaizana Sounni.

Iray amin’ireo boky nanova ny tantara koa ny Nahj Al Balaaghah. Ity boky ity dia nisoratana efa 350 taona
taorian’ny fahafatesan’I Ali Ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou. Ary tsy ahitana Isnad ny zavatra resahiny ao. I
Sharif ar Radiy no voalazan’ireo shia nanoratra azy io. Io boky io dia ahitana fanaratsiana an’ireo Khoulafah
(Abou Bakr, Oumar,…etc). Namorona teny maro sy hadith izy ireo izay lazaindreo fa avy tamin’I Ali
Radhiyallah ‘Anhou.

Ibn Taymiyyah, Adh Dhahabi, Ibn Hajjar …Etc dia nilaza fa tena boky niforonina io boky io.

Hiverenatsika mahakasik’ireo Khawaaridj.

Inona marina moa ny atao hoe : Khawaaridj?

Io teny io dia, avy teny arabo hoe: ‘Kharadja’ zany hoe: Mivoaka, Miala ao anatiny, Mivoaka
any ivelany.

Io anarana io dia, nivoaka ampahabemaso ho anaran’ny vondrona iray nandritran’ny Fitna


voalohany tamin’ny tantaran’ny finoana islam.

Taona 656: Maty I Outhman radhiyallah ‘anhou, nivonoina tamin’ny fomba mahatsiravina.
Nivonoin’ireo olona (nantsoina ho Khawaaridj taty aoriana) avy tao Egypte sy tao Basra, Iraq
ary avy tamin’ny toerana maro samihafa izy. Izy ireo dia, mankahala ny Khilafah ny ‘Outhman
radhiyallah ‘anhou. Taty aoriana izy ireo dia, nanohana an’I Ali radhiyallah ‘anhou. De rehefa
tonga ny tsy fifankazahoana teo tamin’I Ali sy Mou’awiyya dia, tsy nanaika ny fihavanana izay
nikasain’izy roa tonta izy ireo. Ka teo no niharihary ny filazana hoe: ‘Khawaaridj’ zany hoe: ireo
andian’ny mpino islam nivoaka andaharana, nivoaka tsy ho anisan’ny vondrona mpanohana ny
Khalifah izay nankasitrahin’olona tamin’izany.

Ireo Khawaaridj dia manana finoana tahak’izao:

1-Izy ireo dia tsy manaika ny fifanelanelanana eo amin’ny samby mpino.

2- Izy ireo dia mino fa ny olona rehetra manao fahotana goavana ankoatran’ny Shirk (fampifangaroana an’I
Allah) dia efa niala ao anaty finoana islam. Hiditra afo be sy hitoetra ao mandrakizay.

3-Izy ireo koa dia mino fa ny olona rehefa dia afaka manao Khalifah fa tsy voatery avy amin’ny foko Kour’aish
ihany.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Raha jerena ny famaritan’ireo Oulama mahakasika ny teny hoe: Khawaaridj dia ny vondron’olona izay
mikomy amin’ny Mpitondra izay neken’ny rehetra hitondra. Na Khalifah na Imam.

Nilaza ireo Manampahaizana islam fa ny fomba fisainana Khawaaridj dia nisy efa tany tamin’ny
fahaveloman’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam.

Nisy fotoana I Ali ibn Abi talib radhiyallah ‘Anhou nandefa volamena avy tany Yemen tamin’ny Mpaminany
Salallah ‘Anlayhi wa salam ary nisy Mpiatsaravelatsihy iray tamin’izany nitsipaka ny fizaran’ny Mpaminany
Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam izany volamena izany. I Dhoul Khouwaysirah no anarany. Nitsikerainy
ny fomba firazan’ny Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam ilay volamena. De rehefa naheno an’izany I
Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam dia niteny manao hoe:

‘Moa ve tsy atokisanao ny fizarako nefa Ilay nahary anao mahatoky aho ka nandefa boky manan-kaja
Kour’any tamiko?’

Niteny ity olona ity hoe:

O ry Mpaminany, mba matahora an’I Allah ianao!

Namaly I Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam hoe:

‘Hozona ho anao! Iza koa matahotra an’I Allah mihoatra aho eto ambony tany?’

Hoy I Khalid tamin’ny mpaminany hoe: avelao fa ho tapahako ny lohany?

De namaly I Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam hoe: mbola manao Salat izy. Avelao foana. De namaly I
Khalid hoe:

Misy amin’ireo manao salat ange mifanohitra ny zavatra resahiny sy ataony eh.

Namaly I Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam hoe:

Izaho dia tsy nalefa nde hamantatra ny ao ampon’ny olona tsirairay. De nijeren’ny Mpaminany Salallah
‘Anlayhi wa salam tsara ilay olona rehefa izy nandeha ary nilaza izy hoe: avy amin’ny taranak’ity olona ity no
hisy andian’olona izay mamaky kour’any tsara fa tsy tonga eo amin’ny tendandreo akory izany kour’any
izany….etc.

Lava be ilay hadith.

Amin’ny hadith hafa dia tahak’izao ny voalaza:

Hadith,
،‫ق َويَقْ َر ُءونَ ْالق ُ ْرآنَ الَ يُ َجا ِو ُز ت ََراقِيَ ُه ْم‬
ِ ‫َاس مِ ْن قِبَ ِل ْال َم ْش ِر‬
ٌ ‫جن‬ ُ ‫ع ِن النَّبِي ِ صلى هللا عليه وسلم َقا َل " يَ ْخ ُر‬ َ ‫سعِي ٍد ْال ُخد ِْري ِ ـ رضى هللا عنه ـ‬ َ ‫ع ْن أَبِي‬َ
َ َّ ُ
" ‫ أ ْو قَا َل‬." ُ‫ قَا َل " سِي َماهُ ُم التحْ ِليق‬.‫ قِي َل َما سِي َماهُ ْم‬." ‫س ْه ُم إِلى فوقِ ِه‬ َ َّ ُ
َّ ‫ ث َّم الَ يَعُودُونَ فِي ِه َحتى يَعُودَ ال‬،ِ‫الر ِميَّة‬ ِ ‫يَ ْم ُرقُونَ مِ نَ ال ِد‬
َّ ‫ين َك َما يَ ْم ُرقُ ال‬
َّ َ‫س ْه ُم مِ ن‬
ُ‫"التَّ ْسبِيد‬
.
Tatitra azo avy tamin’i Abou Sa’id Al Khoudri radhiyallah ‘Anhou,
Niteny I Mpaminany Malalantsika I Muhammad Salallah ‘Anlayhi Wa Salam manao hoe:
‘Hipoitra avy ao atsinanana (Atsinanan’ny Madinah dia faritra Najd sy Khorassan) andian’olona izay
hamaky Kour’any nefa, izany famakiandreo izany dia, tsy ho tonga afa tsy eo amin’ny tendandreo ihany ary
izy ireo dia, miala finoana islam karaha ataon’ny zanatsipika (flèche) izay mivoaka ny tsipika (Arc) ary izy
ireo dia, tsy hiverina (amin’ny finoana islam) tsony afa tsy hoe ny zanatsipika (fleche) dia, hiverina amin’ny

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


ivon’ny tsipika (Arc). De nanontany olona hoe: Inona ny famantarana ireo andian’ny olona ireo? Namaly I
Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi Wa salam manao hoe: Ny famantarana azy ireo dia, izy ireo
manana fahazarana mikiky volombava sy ny mikiky loha (lalandava)’.

Niteny I Ibn Al Jawzi mahakasika an’ity Hadith ity hoe:

Ny olona Khawaridj voalohany dia ity lehilahy iray antsoina hoe: Dhoul Khouwaysirah At Tamiimi

Tamin’ny fahaveloman’ireo Sahabah dia misy anarana hafa koa niantsoana azy ireo:

Harourriyy (ireo avy ao Haroura: anaran’ny tanana).

Tamin’ny fahaveloman’ny Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam dia nanondro faritra Iraq izy tamin’izany ary
nilaza hoe: avy amin’ny faritra ao no ivoahan’reo andian’olona izay mamaky kour’any nefa tsy mba tonga eo
amin’ny tendandreo akory izany. Zany hoe: tsy ampiharin’izy ireo ny ao anatiny.

Iray amin’ny famantarana azy ireo koa dia ny mikiky volo. Ka sola loha ny ankabetsahan’izy ireo.

Iray amin’ny famantarana azy ireo koa dia ny izy ireo mamono ny mpino islam fa mamela ireo Jiosy sy
Kristianina.

Nilaza I Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam amin’ny hadith iray koa fa raha mbola velona izy amin’ny
fotoana ipoiran’ireo olona ireo dia mba hamono azy ireo tahaka ny famonoana niseho tamin’ny vahoaka ny
‘Ad sy Thamoud. Ary ahazo tombotsoa izay mamono azy ireo.

Tatitra azo avy tamin’i Ali ibn Abi Twalib radhiyallah ‘anhou fa izy dia, naheno an’i Mpaminany Salallah
‘anlayhi wa salam

‘Hisy andian’ny olona hivoaka alohaka ny andro farany, izy ireo dia, manana nify mbola voaniry (mbola
tanora), manana revy ny gadra (manonofy antoandro, manonofo zavatra tsy possible). Izy ireo dia,
miresaka zavatra tsara (maha resilahatra ny tenin’izy ireo). Nefa, ny ‘Iman’ (finoana ) dia, tsy mba
tafidina ny tendan’izy ireo (resaka fotsiny ny ataon’izy ireo fa tsy misy asa). Izy ireo dia, miala finoana
tahaka ny fialan’ny zanatsipika (fleche) amin’ny tsipika (Arc) Raha ianao mahita ireo andian’ny olona ireo
amin’izany fotoana dia, vonoy izy ireo. Satria, ny famonoana azy ireo dia, azahoanao hatsarana amin’ny
andro farany’

Référence :

Sahih Boukhari Vol 9. Boky faha 84 hadith numero 64

Sahih Mouslim hadith numéro : 2319

NB :

Niteny i ‘Yasir Qadhi tamin’ny fampianaran’ny tantaran’ny Sahaba – Ny fahafatesan’i Ali ibn abi talib –
8ème partie manao hoe :

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


‘Ireo Khawaaridj ankehitriny dia, manonofy atoandro. Ary izy ireo hono nde hamorona Khilafah ao Iraq
sy Syrie, zay le revy revy n’izy ireo. Tsy misy zavatra haindreo mahakasika ny zavatra mandala
ankehitriny sy ny rafitra efa misy hitantanana ny tontolo ankehitriny. Tsy misy zavatra haindreo
mahakasika ny fitondrana ny firenena. Ho hitantsika eo fa hirafitra amin’ny rindrina izy ireo’.

Zany hoe:

Ireo firenena Arabo izay mpiakama amin’ireo Kouffars dia, mandray ity hadith ity ataon’izy ireo ho
porofo azo amonoana ireo Mudjahidina ankehitriny. Zany hoe: ni-deformer-n’izy ireo tanteraka ny
Hadith ny Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam.

Porofon’izy ireo fa ity hadith ity dia, mifanandrify amin’ireo Mudjahidina ankehitriny dia ny hoe:

- Ireo Mudjahidina ireo dia, mbola zaza ka tsy mahay ny finoana islam, ataondreo sary hadino fa ny
ankabetsahan’ny sahabah dia mbola tanora. Ary ny fampiharana Shari’ah no majaka amin’ny faritra
fehezin’izy ireo.
- Ireo Mudjahidina ireo dia, tsy manana ‘Oulama’ na olondehibe mananatra azy ireo sy mpomba azy ireo.
Mody sary jamba izy ireo amin’ny fandefasana amponjo ireo Oulama izay manaika azy ireo.
- Ireo Mudjahidina ireo dia, mahay miresaka nefa, tsy manana ‘Iman’ tena izy. De aiza zany le tena Imam
tena izy? Atoroy anay?

Tany aloha koa dia betsaka ireo Mpino islam mpomba Djihad nataon’ireo Mpanjaka sy mpomba azy ireo ho
Khawaaridj. I Salahou Ad Din Al ayyoubi koa mbola anisan’izany. Zany hoe: rehefa tsy tianao ilay olona de
hendrikendrehanao ho Khawaaridj de anao zany inona? Le tena vrai mpino islam?

Iverenatsika ilay tantara tsika.

Rehefa vita ny ady tao Siffiin, Sham dia nitodidoha ho ao Kouffa, Iraq I Ali Radhiyallah ‘Anhou. Ka talohaka
nahatongavan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou tao Kouffa dia nitsoaka andaharana ireto olona ireto.

Rehefa nitomba tombanana ny isan’izy ireo dia manodidina 10 000 ka hatramin’ny 14 000 olona avy tamin’ny
vondrona miaramila misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou.

Izy ireo dia nitsipaka an’I Ali sy Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhouma fa nilaza fa nanao velirano tamin’I Allah.

Tao Ash Shoura no toerana nipetrahan’izy ireo. Tamin’ny voalohany dia tsy tonga de niadivan’I Ali
Radhiyallah ‘anhou izy ireo fa nandefa an’I Ibn Abbas aloha izy mba hiaraka hanao adihevitra amin’iz ireo.

Mbola hitohy raha sitrak’Allah…!

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha Telo amby folo (13ème partie),

Raha fitipitinitsika ny efa vita tsika tamin’ny tapany roa farany farany izay dia ny fahavitan’ny ady Siffin de
manaraka ny firosoana tamin’ny fifanarahana ary farany ny fisehoan’ny vondrona vaovao, izay vondrona faha
telo. Zany hoe: vondrona Khawaaridj (ireo izay nitsoaka andaharana). Ho any Kouffa, Iraq I Ali Radhiyallah
‘Anhou. Ka talohaka nahatongavan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou tao Kouffa dia nitsoaka andaharana ireto olona
ireto.

Rehefa nitomba tombanana ny isan’izy ireo dia manodidina 10 000 ka hatramin’ny 14 000 olona avy tamin’ny
vondrona miaramila misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou.

Izy ireo dia nitsipaka an’I Ali sy Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhouma fa nilaza fa nanao velirano tamin’I Allah.
Zany hoe: tsy manaika fitsaran’ireo Sahabah izay nisafidiana hatao ho Mpanelanelana eo amin’ny vondrona
misy an’I Ali sy Mou’awiyyah Radhiyahou ‘Anhouma.

Tao Ash Shoura no toerana nipetrahan’izy ireo. Tamin’ny voalohany dia tsy tonga de niadivan’I Ali
Radhiyallah ‘anhou izy ireo fa nandefa an’I Ibn Abbas aloha izy mba hiaraka hanao adihevitra amin’iz ireo.

Teo atsika nijanona.

Rehefa nde ao Ash Shoura I Ibn ‘Abbas Radhiyallah ‘anhou dia nitafy lamba tsara, lamba avy Yemen. Sady I
Ibn ‘Abbas koa dia olona tsara tarehy sady manintona koa. Niteny ireo Khawaaridj tamin’izany hoe:

‘Tonga soa ianao ry Ibn ‘Abbas, fa inona ity lamba tsara be ataonao ity?’

Namaly I Ibn ‘Abbas manao hoe:

‘Fa nahoana ianareo mitsikera aho? Nefa, I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam dia nitafy
lamba tsara’

De namaky ayat iray ity izy tamin’izy ireo:

َ ْ ُ ِّ َ ُ َ َ َ َ َ ْ َ ْ َ ً َ َ َ ْ ُّ َ ْ ُ َ َ َّ ‫ِه ل‬ ْ ُ ْ ِّ َ َ‫الطيِّب‬ ْ َ َّ َّ َ َ َ َّ َ ْ َ ْ ُ
َّ ‫خ َر َج لعبَاده َو‬
ِ ‫َّلين آمنوا ِِف اْلَيا ِة ادلنيا خالِصة يوم ال ِقيام ِة كذٰلِك نف ِصل اْلي‬
‫ات‬ ِ ِ َ ِ ‫الرز ِق ۚ قل‬
ِ ‫ن‬‫م‬ِ ‫ات‬
ِ ِ ِ ِ ِ ِ ‫اّلل ال ِِت أ‬
ِ ‫قل من حرم ِزينة‬
َ َْ َ َ
‫ِلق ْومٍ يعل ُمون‬

“Teneno hoe: “Iza no nandrara ny haingo )fitafiana( avy amin’i Allah, izay navoakany ho an’ireo
mpanompony, sy ireo tsara amin’ny anjara sakafo?” Teneno hoe: “Izy ireo dia ho an’ireo izay nino
eto amin’ny fiainana ambonin’ny tany, ary ho azy ireo manokana amin’ny andro Fitsanganana
amin’ny maty”. Tahaka izany no hanazavanay amin’ny antsipiriany ireo fanambarana ho an’ireo
vahoaka manam-pahalalàna”

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any Sourate Al A’araf 7 ayat 32.

De navelandreo mahakasika iny de nanontany azy mahakasika ny anton-diany tao amindreo ireo Khawaaridj.

De namaly izy hoe:

Izaho dia tonga eto aminareo avy tamin’ireo Sahabah n’I Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam, ireo
Mouharijouna sy ireo Ansar ary avy amin’ny Cousin-n’I Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam, ireo izay
naharay ny fidinan’ny Kour’any mivantana ary mahafantatra ny fanazavana izany mihoatra anareo. Tsy mba
misy na dia iray amin’izy ireo no ato anaty vondrona misy anareo ity. Ka izaho dia tonga aty mba hitondra ny
resakizy ireo aminareo ary hitondra ny resakanareo any amindreo.

De nihaino izy ireo ary nanontany azy ireo aho hoe:

Inona ny olana misy aminareo mahakasika Ireo Sahabah ny Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam sy cousin
nazy?

Namaly izy ireo hoe:

Miisa telo ny olana hitanay,

1-Voalohany amin’izany dia navelany ho an’ny olombelona ny fitsarana fa tsy napetrakany tamin’I Allah nefa
ny boky manan-kaja Kour’any dia miteny manao hoe:

َّ َّ ُ ْ ُ ْ
‫ّلل‬
ِ ِ ‫ِإ ِن اْلكم ِإَّل‬
“…tsy an’iza ny fitsarana afa-tsy an’i Allah…”

Référence:

Ny boky manan-kaja kour’any sourate Al An’aam 6 ayat 57.

Ka inona indray no hidiran’olombelona amin’ny fitsarana sy fitantanana?

De inona ary ny manaraka hoy I Ibn ‘Abbas?

2-Niadivany I Mou’awiyyah nefa, tsy naka Ghanimah )butin( izy taorian’ny ady izy. Tsy nisy olona
natao Babo. Raha toa ka Kafir ireo vondrona misy an’I Mou’awiyyah dia tokony nalaitsika ho
Ghanimah ny fananan’izy ireo ary natao babo izy ireo sy andevo.

Eny. De inona ary ny fahatelo hoy I Ibn ‘Abbas?

3-Nofafany anarany ho Amir al Mou’minina tamin’ny taratasy fifanarahana. Zany hoe: raha tsy lehibe
ny Mpino zany izy dia lehibe ny Kouffars.

De namaly I Ibn ‘Abbas hoe: Zay foana ny olana anananareo amin’ireo Sahabah sa mbola misy
hafa koa?

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


De namaly izy ireo hoe: Eny.

Raha maka ayat sy hadith ho porofo hentiko amin’ny fanazavana omeko anareo sy hamaliako ny
fanontanianareo dia ho afa-po anareo ary tsy hitokana tahak’izao intsony?

De namaly izy ireo hoe: Eny.

Ka niroso tamin’ny famaliana tsirairay ireo olana teloi reo I Ibn ‘Abbas nanao hoe:

1-Mahakasika ny famelana olombelona hanao fitsarana. Hovakiako aminareo ny andininy izay


manome fahefana ny olombelona hampihatra ny lalàna amin’ny zavatra kely izay mitentina ¼ ny
vola dirham )Dirham iray dia eo amin’ny vola 3 grammes eo, de ¼ n’io(.

Tsy hitanareo ve ao anaty Kour’any miteny hoe:


ْ َ ُ ْ َ ُ َْ َ َ ُ ْ ٌ َ َ َ ً ِّ َ َ ُّ ُ َُ َ َ َّ ‫آمنُوا ََّل َت ْقتُلُوا‬ َّ َ ُّ َ َ
‫اء ِِّمثل َما قتَل ِم َن انلَّ َع ِم ُيك ُم ِب ِه ذ َوا َعد ٍل ِِّمنك ْم هديًا‬‫الصيْ َد َوأنتُ ْم ُح ُر ٌم ۚ َو َمن قتَله ِمنكم متع ِمدا فجز‬ َ ‫ين‬
َ ‫اَّل‬
ِ ‫ي ا أي ه ا‬
ُ ٌ َ ُ َّ َ ُ ْ ُ َّ ُ َ َ َ َ َ ْ َ َ َ َ َ َّ َ ُ َّ َ َ َْ َ َ ُ ِّ ً َ َ َ ُ ْ َ ْ َ َ َ َ ُ َ َ ٌ َ َّ َ ْ َ َ ْ َ ْ َ َ
‫يز ذو‬ ‫اما ِِلَذوق َو َبال أم ِرهِ عفا اّلل عما سلف ۚ ومن َعد فينت ِقم اّلل ِمنه واّلل ع ِز‬ ‫با ِلغ الكعب ِة أو كفارة طعام مسا ِكني أو عدل ذٰلِك ِصي‬
َ
ٍ‫ان ِتقام‬

“O ianareo izay nino! Aza mamono biby fihaza ianareo raha mbola ao anatin’ny Ihram (A). Ary izay
mamono izany aminareo antsitra-po dia manolo mitovy amin’ izay biby novonoiny izy, ka hitsara
izany ny olona roa azo antoka (mijoro amin’ny fahamarinana) avy aminareo, ho fanatitra amin’ny
Ka’aba (B), na fanonerana dia ny fampihinanana sakafo ireo mahantra, na ny fifehezana mifandanja
amin’izany, mba hanadramany ny voka-dratsin’ny asa izay nataony. Nandefitra Allah amin’ny izay
efa lasa, ary izay mamerina dia hosazian’ Allah. Ary Allah dia Mahery sy Tompon’ny fanasaziana”

A: Ihram: Fady tandremana mandritra ny fivahinianana masina )Haj sy Omra( izay manomboka amin’ny fikasana
hatramin’ny farany.

B: Ka’aba: trano masin’i Allah any Makka

Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any sourate Al Maidah 5 ayat 95.

Ity ayat ity dia mahakasika ny fanomezandalana avy amin’I Allah nomeny olombelona mba hitsara, moa ve ny
fitsarana mba hampitambatra vondron’olona roa samihafa sy ny mba hampitsaharana ny fifamonoana misy
amin’izy ireo tsy misy dikany mihoatra ny fitsarana mahakasika biby ‘Bitro’ (Lapin)?

Mahakasika ny Mpivady roa, Allah dia niteny hoe:

ً ‫اّلل ََك َن َعل‬


ً ‫يما َخب‬ َ َّ ‫اّلل بَيْنَ ُه َما إ َّن‬ َ ‫ك ًما ِّم ْن أَ ْهل َها إن يُر‬
ُ َّ ‫يدا إ ْص ََل ًحا يُ َوفِّق‬ َ َ َ ْ َ ْ ِّ ً َ َ ُ َ ْ َ َ ْ َ َ َ ْ ُ ْ ْ َ
‫ْيا‬ ِ ِ ِ ِ ِ ِ ِ ِ ِ ِ ‫و ِإن ِخفتم ِشقاق بي ِن ِهما فابعثوا حكما ِمن أه ِل ِه وح‬

“Ary raha matahotra ny tsy fifanarahana eo amin’izy roa mivady ianareo, dia mandefasa mpitsara
iray avy amin’ny fianakavian’ny lahy sy mpitsara iray koa avy amin’ny fianakavian’ny vavy ianareo.
Raha mila fifandaminana izy roa dia harenin’i Allah ny momba azy roa. Tena marina fa Allah dia
Mahalala sy Mahafantatra ny zava-drehetra”

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any sourate Nissa 4 ayat 35.

Izaho miangavy anareo amin’ny anaran’I Allah, valio ity: moa ve tsy ny fampiharana fitsarana amin’ny
fampitambarana vondron’olona no manan-danja ko koa noho ny fampihavanana ny mpivady roa?

Namaly izy ireo hoe: Eny, marina ny voalazanao izany.

2- Farany mahakasika ny ady izay tsy nanaovana Ghanimah (butin):

Moa ve ianareo sahy hanao mamanareo Aisha Radhiyallah ‘anha ho Ghanimah (butin) ka handevozinareo?
De raha sahinareo izany de sahy hanao firaisana aminy koa ve anareo tahaka ny fanaovanareo firaisana
amin’ireo babo anady nazonareo tany aloha? Raha sahinareo izany dia lasa Kouffars anareo satria I Allah efa
niteny manao hoe:

َ َّ َ َ ‫ني َوال ْ ُم‬


َ ‫اّلل م َن ال ْ ُم ْؤمن‬
َّ َ‫اْل ْر َحامِ َب ْع ُض ُه ْم أَ ْو َ َّٰل ببَ ْعض ِف كت‬
َ ْ ُ ُ َ ْ ُ ُ َ َّ ُ ُ ُ َ ْ َ َ ْ ُ َ ْ َ ْ ُ ْ َ ْ َ َّ
‫ين ِإَّل أن‬ ‫اج ِر‬
ِ ‫ه‬ ِ ِ ِ ِ ‫اب‬ ِ ِ ٍ ُّ ‫انل‬
‫ِب أو َّٰل ِبالمؤ ِم ِنني ِمن أنف ِس ِهم ۖ وأزواجه أمهاتهم وأولو‬
ِ ِ ِ
ً‫ك ِف الْكتَاب َم ْس ُطورا‬ َ َ َ َ ً ُ ْ َّ ُ َ ْ َ ٰ َ ُ َ ْ َ
ِ ِ ِ ِ ‫تفعلوا إَِل أو ِِلائِكم معروفا ۚ َكن ذٰل‬

“Ny mpaminany no manana zo ambony kokoa amin’ireo mpino mihoatra amin’ny tenan’izy ireo; ary
ireo vadiny )Aisha, …etc( dia renin’izy ireo, ireo rohim-pihavanana mamatotra ny andaniny sy ny
ankilany dia manana zo kokoa araky ny bokin’i Allah, noho ny rohy mampitambatra ireo mpino )avy
ao Medina) sy ireo mpino mpifindra-monina (avy ao Makka), afa tsy hoe nanao didim-panana
manokana )sadakat( ianareo ho an’ireo rahalahinareo )amin’ny finoana(. Izany dia voarakitra ao
anatin’ny boky”
Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any sourate Al Ahzab 33 ayat 6.

Voavaly ve ny fanontanianareo roa teo?

Namaly izy ireo hoe:

Eny.

3-Farany mahakasika ny tsy fametrahana anarana sy voninahitra n’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ho Amir al
Mou’mina, anga hadinonareo fa tamin’ny Soulh Houdaybiyah (fifanarahana tao Houdaybiyah) dia, tsy
neken’ireo Kouffars ny filazana hoe Muhammad dia Mpaminan’I Allah ka nolazainy tamin’I Ali Radhiyallah
‘Anho hoe: fafao ny teny hoe: Mpaminan’I Allah de soloy Muhammad ibn Abdillah. De nisoloina izany.

Ali ve ho ambony mihoatra an’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam ka tsy azo alana mihitsy
ny titre nazy ho Amir izany?

Tsia, Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam dia manana voninahitra mihoatra an’I Ali Radhiyallah ‘anhou
nefa nifafana ny titre nazy tamin’izany.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Voavaliko daholo ve ny fanontanianareo rehetra?

Namaly ireo Khawaaridj hoe: Eny.

Taorian’izany dia niverina tamin’ny vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ny 2 000 tamin’izy ireo. Fa ny
sisa tavela dia nanampitsofina ka niziriziry de tsy nanaika.

Nb:

Nahitatsika lesona maro tamin’ny adihevitra nifanaovan’izy ireo tamin’I Ibn ‘Abbas Radhiyallah ‘Anhou teo.

Iray amin’izany dia ny fisafidiana olona manampahaizana sy manana trakefa amin’izany. I Ali Radhiyallah
‘Anhou dia nisafidy Cousin nazy noho ny fahaizany Kour’any sy ny Tafsir. Izay manambara amitsika fa rehefa
mamaky kour’any anao dia mila mahay dikany sy fanazavan’reo sahabah satria izy ireo no niatrika izany.

Manaraka ny fikatsahana ny marimaritra iraisana.

Manaraka ny fahazahoana ny lista n’ireo fangatahan’ny olona izay manana olana aminao.

Ny fakana confirmation avy amin’ny olona miadihevitra aminao raha toa ka voavaly ny fanontaniany.

Ny famaliana point par point ireo fangatahany.

Fanajana ny hevitr’ireo olona mifanohitra aminao.

Taorian’izany dia ireo vondron’olona resilahatra ireo dia tonga tao Kouffah, Iraq taorian’ny fandehanan’I Ali
en personne nitsidika azy ireo tao.

De nilamindaminana ny toedraharaha. Ireo Khawaaridj naheno feo fa diso fanantenana I Ali Radhiyallah
‘Anhou tamin’ny fifanarahana natao tamin’I Mou’awiyyah. De naparitak’ireo Khawwaridj ilay feo henondreo
iny. De olondrehetra naheno azy ka rehefa tonga ny andro zouma taorian’io dia nanao Khoutbah I Ali
Radhiyallah ‘Anhou mahakasik’izany de nanazava ny situation nisy izy. De nisy olona iray tamin’ireo mpihaino
no nitsangana ary niteny manao hoe:

َّ َّ ُ ْ ُ ْ
‫ّلل‬
ِ ِ ‫ِإ ِن اْلكم ِإَّل‬
“…tsy an’iza ny fitsarana afa-tsy an’i Allah…”

Référence:

Ny boky manan-kaja kour’any sourate Al An’aam 6 ayat 57.

Taorian’izany dia nisy olona hafa koa nitsangana ary namerina io teny io. De nihamaro ireo olona ireo
nitsangana mandritra ny Khoutbah de tsy nitsahatra nanambara an’ireo olona ireo izy mba hipetraka ary
ihaino tsara. De namaly izy hoe: Eny marina io teny io. Nefa, ny tanjonareo ao ambadikany no ratsy. Izaho dia
miandry fotoana izay hamelan’I Allah aho ny fampiharana ny lalanany aminareo.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


De tsy nitsahatra ireo olona ireo nitabataba ny Khoutbah nataony.

Taorian’izany dia nanome sosokevitra telo izy tamin’izy ireo:

1-Mahazo manao Soalat ato ianareo.

2-Hifampizarainay aminareo ny Ghanimah miaraka azotsika amin’ny ady.

3-Izahay dia tsy hiady anareo afa tsy hoe: anareo no manomboka azy.

Fehiny:

Tamin’izany fotoana dia mbola noheverina ho ao anaty finoana islam ireo Khawaaridj.

Tamin’ny andro iray dia niantso ireo vondrona mpino islam maro izy indrindra ireo Hafiz de nilaza izy hoe:
mitondra Moushaf (boky misy Kour’any) anareo de nalainy ireo Moushaf ireo ary niteny tamin’ny Moushaf
izy ary nikapohiny mafy ny Moushaf hoe:

‘O ry Moushaf, mitenena amin’ny olombelona ianao’. De niteny ireo Mpino islam tonga teo hoe: O ry Amir,
amin’ny fomba ahoana no ahafahanao hanontany zavatra io? Io nge taratasy sy ranomainty (encre) ihany eh.

Ireo namanareo ireo izay nikomy ireo dia eto anoloanay ny bokin’I Allah ary ny bokin’I Allah dia miteny
manao hoe:

ً ‫اّلل ََك َن َعل‬


ً ‫يما َخب‬
‫ْيا‬ ُ َّ ‫يدا إ ْص ََل ًحا يُ َوفِّق‬
َ َّ ‫اّلل بَيْنَ ُه َما إ َّن‬ َ ُ َ ْ َ ْ ِّ ً َ َ َ ْ َ ْ ِّ ً َ َ ُ َ ْ َ َ ْ َ َ َ ْ ُ ْ ْ َ
ِ ِ ِ ِِ ِ ‫و ِإن ِخفتم ِشقاق بي ِن ِهما فابعثوا حكما ِمن أه ِل ِه وحكما ِمن أه ِلها إِن ي ِر‬

“Ary raha matahotra ny tsy fifanarahana eo amin’izy roa mivady ianareo, dia mandefasa mpitsara
iray avy amin’ny fianakavian’ny lahy sy mpitsara iray koa avy amin’ny fianakavian’ny vavy ianareo.
Raha mila fifandaminana izy roa dia harenin’i Allah ny momba azy roa. Tena marina fa Allah dia
Mahalala sy Mahafantatra ny zava-drehetra”

Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any sourate Nissa 4 ayat 35.

Ny Oummah (vahoaka) n’I Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam no manandanja indrindra mihoatra ny
voninahitr’ny mpivady roa. Nefa nolazaina fa olombelona no nomena fahefana hanao fanelanelana amin’izy
roa rehefa misy disadisa.

Zany hoe: naverin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ny voalazan’I Ibn ‘Abbas Radhiyallah ‘anhou tany Shoura.

Nandeha tany Nahrawan izy ireo ary nanomboka fanafihana mitsitokatokana ka naka fananan’ireo Mpino
islam izy mpomba an’I Ali ho Amir. Nolazaindreo fa Kouffars I Ali Radhiyallah ‘Anhou syireo mpino islam
manaraka an’I Ali. Ka azo atao Ghanimah ny fananandreo. De namono mpino islam maro izy ireo ary rehefa
henon’I Ali Radhiyallah ‘Anhou izany dia nolazainy hoe: omeo anay ny olona izay nanao an’izany. De
hampiharina aminy ny lalanan’I Allah.

De namaly izy ireo hoe: Izahay rehetra dia namono azy ireo.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Ka tapakevitra I Ali Radhiyallah ‘Anhou fa tonga ilay fotoana.

Ny ady tao Nahrawan na ( ‫معركة النهروان‬, Ma'rakat an-Nahrawān) tao Iraq.

Volana Muharram, taona 38 Hijri (659 fanisana Kristianina):

Nahay nihena ireo vondrona misy an’ireo Khawaaridj ary niafara tamin’ny 4 000 na ambanin’izany aza. Nefa
teo aloha izy ireo dia maherin’ny 10 000. Teo amoron’ny reniranon’ny Nahrawan, Iraq no nisehoan’ny ady.

Tsapan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou tamin’io fotoana io fa ireto olona ireto no Khawaaridj izay nampitandremin’I
Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam hoe:

Nilaza I Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam amin’ny hadith iray fa raha mbola velona izy amin’ny fotoana
ipoiran’ireo olona ireo dia mba hamono azy ireo tahaka ny famonoana niseho tamin’ny vahoaka ny ‘Ad sy
Thamoud. Ary ahazo tombotsoa izay mamono azy ireo.

Tatitra azo avy tamin’i Ali ibn Abi Twalib radhiyallah ‘anhou fa izy dia, naheno an’i Mpaminany Salallah
‘anlayhi wa salam

‘Hisy andian’ny olona hivoaka alohaka ny andro farany, izy ireo dia, manana nify mbola voaniry (mbola
tanora), manana revy ny gadra (manonofy antoandro, manonofo zavatra tsy possible). Izy ireo dia,
miresaka zavatra tsara (maha resilahatra ny tenin’izy ireo). Nefa, ny ‘Iman’ (finoana ) dia, tsy mba
tafidina ny tendan’izy ireo (resaka fotsiny ny ataon’izy ireo fa tsy misy asa). Izy ireo dia, miala finoana
tahaka ny fialan’ny zanatsipika (fleche) amin’ny tsipika (Arc) Raha ianao mahita ireo andian’ny olona ireo
amin’izany fotoana dia, vonoy izy ireo. Satria, ny famonoana azy ireo dia, azahoanao hatsarana amin’ny
andro farany’

Référence :

Sahih Boukhari Vol 9. Boky faha 84 hadith numero 64

Sahih Mouslim hadith numéro : 2319

Nolazainy Ali Radhiyallah ‘Anhou hoe:

Izaho dia voadidy hiady an’ireo Mpioko sy nivoaka finoana islam, ireto tafavory ireto ireo Mpioko sy nivoaka
finoana islam’.

Na dia izany aza dia mbola nandefa an’I Al Bara Ibn ‘Aazib Radhiyallah anhou izy mba hiantso azy ireo
hiverina amin’ny hevitr’izy ireo. Tao anatin’ny 3 andro dia nandamoka ilay izy.

Tsy nitsahatra niheno ny vondrona misy ireo Khawaaridj ka niafara tamin’ny 1 000 sisa.

Ireo miaramila arivo ireo no niady tamin’ny vondrona misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou.

Raikitra ny ady:

Hoy ireo Khawaaridj hoe:

‘tonga ilay andro andehanatsika amin’ny Paradisa,

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


َّ َّ ُ ْ ُ ْ
‫ّلل‬
ِ ِ ‫ِإ ِن اْلكم ِإَّل‬
“…tsy an’iza ny fitsarana afa-tsy an’i Allah…”

Ireo Mpitarika tafik’ireo Khawaaridj dia:

1-Abdullah ibn Wahb al-Rasibi, 2-Abdullah ibn Ibad, 3- Harqous bin Zouhair sy i Abdullah bin Shajara

Tsy naharitra ela ny ady. Tamin’ny andro faha 9 ny volana Safar taona 38 Hijri. No nisehoan’ny ady tena ady
ary 12 ihany farany maro ireo Mpino islam mpomba an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou no maty tamin’izany fa
sisan’izay dia ireo Khawaaridj no maty sasany manodidina 10 teo ihany no tafilefa ny champ de bataille.

Rehefa vita ny ady dia nanontany ireo miaramilany I Ali Radhiyallah ‘Anhou manao hoe:

Tadiavinareo olona iray antsoina hoe: Dhoul Thadyah (Ilay kilema)

Nitadiavina ity olona ity de farany hita izy tao anatin’ireo maty de nohentina teo amin’I Ali Radhiyallah
‘Anhou. De nilaza izy hoe: Allah Akbar! Nilaza ny marina I Allah ary nampita ny marina I Muhammad Salallah
‘Anlayhi wa salam de nanao fiankohofana ho marika ny fisaorana an’I Allah izy.

Harahinao amin’ny manaraka ny fomba nahafatesan’I Ali radhiyallah ‘Anhou.

Mbola hitohy raha sitrak’Allah…!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha efatra amby folo (14ème partie),

Raha fitintsika ny fanazavana tamin’ny farany teo dia ny resaka ady tao Nahrawan na ( ‫معركة النهروان‬,
Ma'rakat an-Nahrawān) tao Iraq. Volana Muharram, taona 38 Hijri (659 fanisana Kristianina).

Resy ireo Khawaaridj ary ny sisa tsy maty tamin’izy ireo dia nandeha nandositra.

Tsika izao hiditra amin’ny fomba nahafaty an’I Ali Ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou izay Khalifah (Mpitarika
Mpino islam rehetra faha efatra) tamin’izany.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Nanao ahoana ny nahafatesany? Iza olona namono azy? Inona ny antony namonoan’ny olona azy?

Aloha hidiratsika amin’izany dia hiverenatsika kely ny mahakasika ireo Khawaaridj.

Izy ireo dia olona hita aty ivelany tena mahay mamaky Kour’any ary manaja ny lalanan’ny Kour’any ary
mahavita manao fanompoana maro: fifihezana, kiyamoul layl, …etc. Rehefa nahita azy ireo ireo Sahabah
tamin’izany dia somary gaga ary nahatsapa ny fihoaran’izy ireo fefin’ny finoana islam. Satria izy ireo dia
nanao tanao zavatra izay ivelan’ny finoana islam amin’ny fahasarotana.

Zany hoe: nolazain’izy ireo fa ireo izay manao fahotana goavana ankoatran’ny Shirk dia efa niala ao anaty
finoana islam. Satria Mpino islam rehetra dia nampiharindreo tamin’ny Iman sy Taqwa izay nanandreo. Ary
ny mpino islam tsy manaraka ny fomba fieritreretandreo izy hita fa efa tsy ao anaty finoana islam intsony dia
nolazaindreo fa Tsy mpino islam tsony ary halal ny mandatsaka ny rà n’izy ireo. Ary halal koa ny mamono ny
zanak’ireo olona ireo.

Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam dia efa nilaza hoe:

‘Ny olona izay mampihatra ny finoana islam amin’ny fomba hentitra loatra dia, meloka ary voahozona’

Naverin’ny Mpaminany in-telo ity teny ity.

Zany hoe: rehefa mampihatra lalàna ny finoana islam dia tokony ho lanjalanjaina ny fampiharana azy. Ny tsy
fampiharana azy koa tsy mety. Fa tokony hijery fomba iray sady tsy atao henjana loatra ary tsy mora loatra fa
jerena ny eo anivonivo mba hitadiavana ny tongalafatra na dia tsy azo aza izany tongalatra izany. Ny
fikatsahana izany no tena tsara.

Olana iray hita tamin’ireo Khawaaridj koa dia ny tsy fahaizandreo ny Qour’any sy ny Sounnah. Izy ireo dia
maka maka ayaat ary azavaindreo amin’ny fomba izay itiavandreo azy. Tsy mba maka reference izy ireo
amin’ireo Sahabah nefa tamin’izany dia mbola velona ireo Sahabah. Fa tsy niraharahindreo. Lasa ny
fahaizandreo teny Arabo foana no nitondrandreo azy.

Izy ireo dia rehefa manao Nikah ohatra dia ataondreo izany na dia hoe mandritra ny ‘Iddah (fepotoana
fiandrasana aorian’ny Twalaq na fisarahana). Tsy mba nojerendreo akory ny fomba nanatanterahan’ireo
Sahabah izany.

Olana iray dia efa nolazaitsika teo fa izy ireo dia tsy manaika ny fanelanelanan’ny olombelona raha misy
disadisa. Fa miandry Allah izy ireo mba hamaha izany olana izany. Nefa, Allah efa nanome alalana ny
olombelona hanao fifanelanelanana eo amin’ny samy olombelona.

Ary tena ni-insiste izy ireo tamin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou fa ianao hoy izy ireo taminy dia efa Kafir ka
manaova Tawbah aloha anao de zay vo ekenay ho Mpino islam.

Tahak’izany ny mahakasika ireo Khawaaridj.

Hidirantsika amin’izay ny tena votoatin’ny resaka tsika amin’ity tapany faha 14 ity.

Misy hadith iray dia milaza ny fahafatesan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou,

Niteny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam hoe:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


‘Ny olona tena ratsy indrindra tamin’ny vahoaka teo aloha dia ireo izay namono ny ramevan’ny Allah ary ny
olona tena ratsy indrindra amin’ny vahoaka farany dia ny olona izay nde hanatsatoka antsy anao’

Référence:

Ahmad Ibn Hambal

NB:

Tamin’izany dia nitondroin’I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam tsara ny toerana hisian’izany
tsatokantsy izany ka teo tamin’ny tratrany izany.

Taona araiky (39 Hijri) taoriann’ny faharesen’ireo Khawaaridj tao Nahrawand, Iraq dia tafavory ireo sisa tsy
maty tamindreo tao Makkah nandritra ny fotoanan’ny Hajj.

Ka teo ambanin’ny Ka’aba teo izy ireo nanao velirano fa nde hamono ireo olona anakitelo izay hitandreo fa
mpanakorontana tamin’izany:

1. Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou.


2. ‘Amr ibn Al ‘ans Radhiyallah ‘Anhou.
3. Ary I Ali ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou.

Nilaza izy ireo tamin’io fa amin’ny taona ho avy io amin’ny volana Ramadhan dia nde hivonoitsika ireo olona
Kouffars telo ireo.

Nisafidy volana Ramadhan izy ireo satria amin’io dia tsy harakan’olona ny hisahana ny fandriampahalemana
tahaka ny mahazatra. Sady maro be koa ny olona mivezivezy ao anaty Masdjid.

Telo tamin’izy ireo dia nanao velirano fa hanatanterak’izany ary nilaza izy ireo fa izy ireo dia nivarotra ny
vatan’izy ireo ho an’I Allah.

1. Al Hajjaj At Tamiimi (Al Barq) no nanapakevitra nde hamono an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou.
2. ‘Amr ibn Abi Bakr At Tamiimi no nanapakevitra nde hamono an’I ‘Amr ibn Al ‘Ans Radhiyallah ‘Anhou.
3. Ary I Abd-al-Rahman ibn Mouljim no nanapakevitra nde hamono an’I Ali ibn Abi Talib Radhiyallah
‘Anhou.

Mahakasika indrindra an’I Abd-al-Rahman ibn Mouljim dia:

Tsy olona vahiny tamin’ny mason’I Ali akory izy fa tena olona fantany. Izy dia olona iray izay tonga tao
Madinah taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam ary nianatra Kour’any
tamin’I Mou’adh ibn Jabal Radhiyallah ‘Anhou ary lasa mpampianatra Kour’any mihitsy izy taty aoriana. Ary
tonga tao Egypte nampianatra Kour’any koa. Ary niaradia tamin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou tao tamin’ny ady
Siffiin. Fa rehefa tonga ny fifanarahana tamin’I Ali sy Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou dia nanaraka an’ireo
Khawaardj izy.

Rehefa tonga ny volana Ramadhan,

Al Hajjaj At Tamiimi dia tonga nde hamono an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou miaraka tamin’ny antsy
feno poizina. Ireo Mpiandry an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou dia kinga ary nazondreo izy nefa nahavoa
fatan’I Mou’awiyyah kely ihany ilay antsy sy poizina. Fa nahafaty azy.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Mahakasika an’I ‘Amr ibn Abi Bakr dia rehefa tonga nde hamono an’I ‘Amr ibn Al Ans izy dia nataon’I Allah
Ilay avo tsy toha narary I ‘Amr Ibn Al ‘ans tamin’io ka olon-kafa no nivoaka nde hitarika ny Soalat. Ka
noheveriny fa izy ilay olona nivoaka io de nivonoiny.

Ary mahakasika an’I Abd-al-Rahman ibn Mouljim dia tonga tao Kouffa, Iraq izy de nahita an’I Ali Radhiyallah
‘Anhou nde hanao Imam tamin’ny Soalat Fadjr taminy faha 19 ny volana Ramadhan taona 40 Hijri (29 Janvier
taona 661 fanisana Kristianina) de tonga de niantoraka taminy izy niaraka tamin’ilay antsy ka nitsindrona azy.
Tsara marihina fa ny antsy nazy dia feno poizina tamin’io.

Ary ity antsy ity dia nividiany tamin’ny vola 1 000 dirham ary nandoa 1 000 dirham hafa koa izy nanisy poizina
taminy. Tsy vitan’izany fa ity antsy ity dia à double trenchant zany hoe: lelany roa samy manapaka. Tahaka ny
sabatra ireny.

Ary niteny ity ayat ity:

َّ َّ ُ ْ ُ ْ
‫ّلل‬
ِ ِ ‫ِإ ِن اْلكم ِإَّل‬
“…tsy an’iza ny fitsarana afa-tsy an’i Allah…”

Tsy ho anao ary tsy ho an’ireo namanao ireo fa ho an’I Allah irery ihany.

Telo andro taorian’io izy maty (21èm jour du Ramadhan taona 40 Hijri) Feno 63 taona teo I Ali Radhiyallah
‘Anhou tamin’izy maty. Maraina ny andro tamin’io. Nitondra tao anaty efatra taona sy sivy volana ary telo
andro izy.

Talohaka nahafatesan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou dia nilaza izy hoe: samborinareo izy ary vonoinareo izy raha
toa ka maty amin’ity tsatokantsy ity aho ary aza mamono olonkafa ankoatrany amin’ireo vondrona misy azy
noho ny fahafatesako ary aza zimbazimbaina ny fatinazy fa raha tsy maty aho dia izaho no mahay ny sazy
omena azy.

Taorian’izany dia tonga ny dokotera ary nilaza hoe:

Tsy misy azoko atao anao fa ambelao ny hafatrao.

De niantso an’I Hassan sy Houssein ary Muhammad Ibn Hanafiyah izy ho fananarana.

Betsaka ireo fananarana ireo ny voalohany tamin’izany dia ny fahatahorana an’I Allah.

Rehefa maty I Ali Radhiyallah ‘Anhou dia noraisin’I Hassan Radhiyallah ‘anhou I Abd-al-Rahman ibn Mouljim
ary nde ho tapahana loha. Niteny izy tamin’I Hassan Radhiyallah ‘Anhou hoe:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


‘Avelao aho nde hamono an’I Mou’awiyyah ho anao fa izaho dia efa nanao vava tamin’I Allah fa tsy maintsy
hamono papanao sy izy ary rehefa vitako izany dia miverina eto aminao aho ary anao mahay zay zavatra
tianao atao amiko’

Tsia. Hoy I Hassan Radhiyallah ‘Anhou fa tsy avelako hitsoaka anao afa tsy hoe: mahita afo ny Jahannam
aloha anao.

De notapahana ny lohany.

Mbola hitohy raha sitrak’Allah…!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha dimy amby folo (15ème partie),

Hitatsika tamin’ny fanazavana farany teo ny fahafatesan’I Ali ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou. Sy ny
fahafatesan’I Abd-al-Rahman ibn Mouljim izay olona namono azy.

Hiverenatsika kely ny tranga niseho talohan’ny fahafatesan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou.

Rehefa voatsatoka antsy izy dia nantsoina ireo Dokotera maro tao manodidina. Ary iray tamin’izany dia
Dokotera tena mahay antsoina hoe: Athir ibn ‘Amr As Soukouni. Izy izay efa Dokotera personnel n’I Kisra
(Mpanjaka Perse).

Rehefa tonga teo ity Dokotera ity dia naniraka namono ondry iray izy ary naka lalandra maventy tamin’izany
ondry izany izy ka nampidiriny tamin’ny ferin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou ary nitsofin’izany lalandra nazo
tamin’ny ondry iny de nitsoahiny avy tamin’ny ferin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou. De tsikaritrany fa nisy rano fotsy
fotsy nivoaka avy tao. Izay ranon’ny hatidoha. De tonga de fa hain’ity Dokotera ity fa tsy maintsy ho faty I Ali
Radhiyallah ‘Anhou tsy ho ela. De nilaza izy hoe: apetraho ny hafatranao fa tsy vitanay ny mitazona anao fa
tsy maintsy ho faty aorian’ny fotoana fohy ianao.

Tamin’izany fotoana izany dia niditra tao antrano misy an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou I Joundoub ibn Abdoullah
ary nanontany an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou hoe: O Amir, raha toa ka maty anao, ainga anie tsy ho faty izao
anao, moa ve hanao Bay’ah (velirano) amin’I Al Hassan (zanakanao) izahay?

Namaly I Ali Radhiyallah ‘Anhou hoe:

‘Tsy tereko hanao an’izan ianareo ary tsy sakanako koa fa anjaranareo no misafidy izay tianareo’.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Taorian’izany I Ali Radhiyallah ‘anhou dia niantso ireo zanany: al Hassan sy Al houssein ary niteny nanao hoe:

‘Mananatra anareo aho mba hatahotra an’I Allah lalandava ary ny mba tsy hiraharaha ny hatsarana eto
amin’ny Dounia ity na dia eo ampelatananareo aza ireo hatsarana ireo. Aza mitomany amin’ny zavatra izay
very avy amin’ny fanananao. Mitenena ny marina lalandava ianareo. Mampisehoa indrafo amin’ireo
kamboty, manampia ireo fadiranovana sy traboina. Miezaha mafy amin’ny fahazahoana ny Paradisa. Aoka
ianareo hitsangana ho fahavalon’ireo mpanao ny ratsy. Ary hanampy ireo nanaovana ny tsirariny. Manaraha
ny voasoratra ao anaty Kour’an ary aza mba miraharaha ny tsikeran’olombelona amin’izany fanarahanao ny
boky kour’any izany. De taorian’izany izy nitodika tamin’I Muhammad ibn Al Hanafiyyah ary niteny hoe:
Henonao tsar any hanatra nomeko ireo zokinao roa ireo. Eny hoy izy. Araho koa ireny hafatra henonao ireny
ary hajao tsara ireo zokinao roa ireo fa manana zo aminao iz ireo.

Nitohizany ny hanatra ho azy ireo: Ataovy tsara ny Woudhou nareo. Ataovy tsara koa ny Soalat nareo.
Mamoaha Zakah koa anareo. Mahaiza mandefitra koa ianareo. Fehezo tsara ny hatezeranareo. Hajao ny
fianakavianareo. Mahareto amin’ireo olona bado. Mitadiava fahalalana hatrany ianareo. Hamarino tsara
aloha ny zavatra alohaka ny hamoahanareo ny didy. Vakio lalandava ny boky manan-kaja Kour’any ary aoka
ianareo mba ho lasa mpifanolobodirindrina tsara amin’ny olona akaiky anareo. Aza mitsahatra miantso
amin’ny tsara ary manakana ny ratsy sy ny fitondrana tena ratsy.

Rehefa hiala aina izy dia nanao namerina ny Shahadatayn ary niteny hoe:

Izy (Allah) no nandefa ilay Irakany niaraka tamin’ny tari-dàlana sy ny “Diny” na finoana marina, mba
hampandreseny azy manoloana ny finoana rehetra, na dia mankahala an’izany aza ireo “Moushrikouna” na
mpampitambatra (mpanompo sampy)” Référence : Sourate At tawba 9 ayaat 33

De maraina ny faha 21 Ramadhan taona 40 Hijri iz maty.

Ny taona nitondrasany dia:

18 Dhoul Hijjah taona 35 Hijri ka hatramin’ny faha 21 Ramadhan taona 40.

Zany hoe:

Efatra (4 ans) taona sy sivy volana (9 mois) ary telo andro (3jours).

Ireo olona nanasa ny fatiny dia:

Al Hassan Radhiyallah ‘Anhou.

Al Houssein Radhiyallah ‘Anhou.

Sy Abdoullah ibn Ja’afar Radhiyallah ‘anhou.

Al Hassan no nitarika ny Soalatoul Mayt nazy.

Toerana nandevenana azy dia maro ny resaka mahakasika azy io. Fa ny tena manakaiky ny marina rehefa
nojerena izy rehetra dia izy milevina ao Koufah, Iraq eo amin’ny Jaridaina ny Palais ny Governora tamin’izany.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Tsy marina ny filazana fa ao Najaf ny toerana nandevenana azy. Foromporona nataon’ireo Shia tamin’ny
andro ny Banou Bouwayh nandritra ny Khilafah ‘Ambassiyah izany. Efa taty taorian’ny 300 taona Hijri no
namoronandreo an’io.

Rehefa henon’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou fa maty I Ali Radhiyallah ‘Anhou dia nitomany imbetsaka
izy.

Fanazavana ny teny hoe:

Ny Shia (‫)شيعة‬

Ity teny ity dia manana dikany maro amin’ireo ao anatin’ny vondrona Shia. Ary niova arakaraka ny
fitombosan’ny fotopinoandreo nandritra ny tantara lava.

Tsara marihina fa ny fotopinoan’ireo Shia dia niovaova ary tsy mitsahatra miovaova arakaraka ny fivoaran’ny
tantara izay niseho tamin’izany.

Ny vondrona Shia tany aloha dia tsy tahaka ny vondrona Shia taty afara. Ny fotopinoana dia tsy mitovy. Fa
niova arakakaraka ny fivoaran’ny tantara niseho.

Tamin’ny voalohany dia olona iray antsoina hoe: Shia satria izy nisafidy an’I Ali Radhiyallah ‘anhou ho
mendrika atao Amir mihoatran’I Outhman Radhiyallah ‘anhou. Ka raha tamin’ny vanipotoana io no resahina
dia ny atao hoe: Shia dia ireo vondron’olona mankatia an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou mihoatra n’I Outhman ho
Khalifah.

Zany hoe: vondron’olona ireo dia samy mitia ireo Sahabah roa ireo fa ‘préférence’ ihany no nisy tamin’izy
ireo.

Iverenatsika kely ny tantara

Rehefa teo ampandrina ho faty I Oumar Radhiyallah ‘Anhou (Khalifah faha roa taona 23 Hijri na
taona 644) dia namela afatra mahakasika ny mpandimby azy. Hoy izy hoe:

‘Safidio amin’ireto olona 6 ireto ny Mpandimby aho ao anatin’ny 3 andro. Andro faha efatra dia
tokony efa hainareo ny olona hatao ho mpandimby aho’

1-Ali ibn Abi Talib.

2-Uthman ibn Affan

3-Abdur Rahman bin Awf

4-Sa`d ibn Abi Waqqas

5-Al-Zubayr

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


6-Talhah Radhiyallah Anhoum ajma’in

Taorian’io dia I Ali sy Outhman Radhiyallah ‘Anhouma no tena nalaza ary nisafidian’ny maro. Ka nizara roa
lehibe ny mpino islam raha arakevitra nandritran’ireo alina telo ireo.

Teo no nipoiran’ny Shiatou ‘Anliy (‫ )شيعة علي‬voalohany. Na hoe: Ireo Mpomba an’I Ali hitondra ho Khalifah
faha efatra.

Raha reo Shia reo dia Mpino islam izy ireo. Satria mbola tsy nihoapefy izy ireo tamin’izany fa juste hevitra no
nitsiry tamin’izy ireo tamin’io satria nisy safidy tamin’io. Ka nalalaka izy ireo tamin’izany safidy izany nandritra
ny telo andro. De lany I Outhman Radhiyallah ‘Anhou taorian’io.

Ireo Shia voalohany ireo dia nino sy nanaika tsara fa I Abou Bakr sy Oumar dia Khoulafah aradalana izy ireo
ary Sahabah ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam ary miditra paradisa koa.

Reo Shia ireo dia mbola ao anaty ny finoana islam. Tsy karaha Shia taty aoriana.

Shouraykh ibn Abdoullah dia voalaza fa Shia tamin’izany ary tsy nanaika ny famaritana hoe: Ny Shia dia tsy
manaika ny Khilafah n’I Abou Bakr sy Oumar Radhiyallah ‘Anhou. Tsy neken’izany famaritana Shia
tahak’izany.

Ny fiovana nisy tamin’ny fotopinoan’ny Shia voalohany,

Nitatitra I Ibn Battah fa niteny taminy ny Sheykh nazy Abou Al ‘Abbaas ibn Masrouq niteny I Shahr ibn
‘Atiyyah tamin’I Abou Ishaaq as Soubay’i hoe:

‘Tamin’izaho niala tao Kouffah, Iraq dia tsy nisy olona na dia iray aza tamin’ny vondrona Shia tao nanana
ahiahy fa tsy mendrika ho Khalifah I Abou Bakr sy Oumar na koa hoe: olondratsy izy ireo roa ireo. Fa izao
indray izaho niverina eto. Lasa niova tanteraka ny fomba fijerin’izy ireo. Tena tsy fantatro intsony ny zavatra
avoakan’ny vavandreo izany’.

I Abou Ishaaq as Soubay’i ity dia lehilahy mpino islam iray izay teraka nandritra ny Khilafah ny Outhman
Taona 32 hijri (653) ary maty tamin’ny taona 127 Hijri. Nandritra ny Khilafah ny Ali Radhiyallah ‘Anhou dia
mbola zaza kely izy tamin’izany.

Nitantara izy fa tamin’izany dia mbola tadidiny ny Papany mitondra azy tao Masdjid ary mihaino an’I Ali
Radhiyallah ‘Anhou manao Khoutbah.

Zany hoe: Ny fotopinoana n’I Shia izay hitatsika ankehitriny izay miteny hoe:

« Izahay dia mino fa tsy maintsy miataka tanteraka amin’ireo sary sikotra roa (Abu bakr, Omar,
Othman ary Mu’awiyah). Tsy possible aminay mihitsy ny mino an’i Allah sy ny irakany ary ireo Imams
raha tsy miataka azy ireo »

Référence : Haqqul Yaqeen 2 : 519

Dua Sanami Quresh,

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


« Ô Allah, hozogno ireo sampy roa ny Quraish (Abu Bakr sy Omar)……. Izy ireo nanova ny bokinao
(Kour’any)……… Ekeo ity du’a ity Ô Allah (averina in-efatra)»

Référence :
• Misbah Kafami Page 552
• Bihar ul Anwaar vol 82/85 page 260

Loharanondreo, tatitra azo avy tamin’i Abdullah bin Abbas, izy naheno an’i Ali r.a, nanao an’io Du’a (
‘Dua-e-Sanam-e-Quraish’ ) ary azahoandreo valisoa koa ny fanatanterahana izany. Ohatra :

• 100 Hajj sy Umra miaraka amin’ny Mpaminany Muhammad Salallah anlayhi wa salam.
• 1000 volana ny fifihezana
• 1000 flèches nahafaty kafir tamin’ny ady ny Badr sy Ouhud

Référence

• Mustadrak al-Wasa’il, v4, p405, Hadith N° 5021 –


• Bihar al-Anwar, v82/85, p260, Hadith N° 5
• Misbah al Kafami (page 552)
• Bihar ul Anwaar ( Vol 82, Page 260).

Rehefa Ali Radhiyallah ‘Anha nanao Qounoot (fangatahana) dia, nanao an’io Dou’a io.

Ireo manampahaizandreo milaza sy manaika an’io Du’a io ho marina ary nataon’i Ali sy nampianariny
fianakaviany (vadiny, zanany, ….) dia :

1. Al-Kaf’ami
2. Al-Kashani
3. Al-Nouri Al-Tubrisi
4. Asadallah Al-Haeiri
5. Murtada Hussain
6. Mandhoor Hussain
7. Al-Karkey
8. Al-damad Al-Hussaini
9. Al-Majlisi
10. Al-Tasaturi
11. Abu Al-Hassan Al-Amily
12. Abdullah Shubbar
13. Al-Haeiri
14. Mirza Habeeballah
15. sy maro hafa tsy voatanisa eto

Hatramin’ny Ayatollahs ndreo manamafy an’izany ankehitriny indrindra i Ayatollah Khomeini :


1. Ayatollah Sayyed Muhsin Hakeem Al-Tabtiba’ei
2. Ayatollah Sayyed Abu Al-Qasim Al-Kho’ei
3. Ayatollah Sayyed Rouhallah Khomenie
4. Ayatollah Sayyed Mahmoud Al-Shamroudi
5. Ayatollah Sayyed Muhamed Kazim Shari’atmdar
6. Ayatollah Sayyed Ali Al-Naqi Al-Naqari

Référence :

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


• Tuhfat Al-Owam Maqbool

Sombiny ihany io hitatsika io fa mbola maro izy ireo. Mbola hitanao miandalana eo insh’Allah.

Niteny I Layth ibn Abi Soulaym manao hoe:

‘Izaho dia nifanena tamin’ny vondrona Shia voalohany ary tsary hitako nilaza izy ireo fa misy Sahabah hafa
ambony mihoatra an’I Abou Bakr sy Oumar Radhiyallah ‘Anhouma’.

Taty aoriana dia niova sy nahay nivoatra ny vondrona ny Shia ary nizarazara maro izy ireo. Na iza na iza te
hanaratsy finoana islam dia mialokaloka ao ambadika ny vondrona Shia izy. Teo no nanomboka ny anarana
hoe: Rawafidh, satria tsy mendrika antsoina hoe Shi’atou ‘Ali intsony izy ireo.

Shia tamin’izany fotoana dia mifanalavitra tanteraka amin’ny Shia ankehitriny.

Taorian’izany dia tonga koa ireo vondrona Shia izay mpanaratsy an’I Outhman, Az Zoubayr, Talhah sy I
Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhoum adjma’in. Fa reo vondrona ireo indray mbola tsy nahasahy nilaza fa Kafir
ireo olona voatanisa ambony ireo.

Ny dikan’ny teny hoe: Rafd dia ny hoe: Manda na Mandao Manary, tsy manaika ho,…Etc.

Ireo Shia Rawafidh dia ireo Shia izay milaza fa manaraka an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou nefa mankahala sy
miteny ratsy ary milaza fa Kouffars ireo Khalifah roa: Abou Bakr sy Oumar Radhiyallah ‘Anhou.

Izay mifanohitra tamin’ireo Shia tamin’ny voalohany izay nankatia an’ireo Khalifah roa ireo ary nandray azy
ireo ho Khalifah tamin’izany.

Ireo Shia Rawafidh ireo dia tsy vitany hoe: milaza fa Kouffars ireo Khalifah roa ireo fa ny olona rehetra mino
sy mandray an’ireo Khalifah roa ireo ho Mpino islam sy Amir mpitondra Mpino islam tamin’izany dia ho
Kouffars koa.

Zany hoe: ianao sy izaho amin’izy ireo dia tsy mpino islam fa Kouffars. Inona ny antony? Satria ianao sy izaho
mino an’ity Hadith ity:

Hadith Sahih,

‫سعِّي َد‬ َ ،ُ‫سمِّ َع َج َّده‬


َ ‫ث‬ ِّ ‫ ِّريَاحِّ ب ِّْن ْال َح ِّار‬،ِّ‫ع ْن َج ِّده‬ َ ،‫ي‬ ُّ ‫ص َدقَةُ بْنُ ْال ُمثَنَّى أَب ُو ْال ُمثَنَّى النَّ َخ ِّع‬َ ‫ َح َّدثَنَا‬،‫س‬ َ ُ‫سى بْنُ يُون‬ َ ‫ َح َّدثَنَا عِّي‬،‫ع َّم ٍار‬
َ ُ‫َح َّدثَنَا ِّهشَا ُم بْن‬
‫عش ََرةٍ فَقَا َل‬ َ ‫عاش َِّر‬ َ ‫َّللا ـ صلى هللا عليه وسلم ـ‬ ِّ َّ ‫ع ْم ِّرو ب ِّْن نُفَي ٍْل يَقُو ُل َكانَ َرسُو ُل‬ َ ‫ع َم ُر فِّي ْال َجنَّ ِّة "بْنَ زَ ْي ِّد ب ِّْن‬ ُ ‫أَبُو بَ ْك ٍر فِّي ْال َجنَّ ِّة َو‬
‫عبْ ُد ال َّرحْ َم ِّن فِّي ْال َجنَّ ِّة‬
َ ‫س ْع ٌد فِّي ْال َجنَّ ِّة َو‬َ ‫الزبَي ُْر فِّي ْال َجنَّ ِّة َو‬ ُّ ‫ي فِّي ْال َجنَّ ِّة َوطَ ْل َحةُ فِّي ْال َجنَّ ِّة َو‬ َ ‫عثْ َمانُ فِّي ا ْل َجنَّ ِّة َو‬
ٌّ ‫ع ِّل‬ ُ ‫ فَقِّي َل لَهُ َم ِّن التَّا ِّس ُع " َو‬.
َ‫قَا َل أنَا‬

Tatitra azo avy tamin’I Sa’id ibn Zayd ibn ‘Amr ibn Noufayl,

Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam dia iray amin’ireo 10 miditra Paradisa

Niteny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

« -Abu bakr dia, miditra amin’ny Paradisa, ‘Oumar dia, miditra amin’ny Paradisa, ‘Outhman dia,
miditra amin’ny Paradisa, ‘Ali dia, miditra amin’ny Paradisa, Talha dia, miditra amin’ny Paradisa, Az

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Zoubair dia, miditra amin’ny Paradisa, -Sa’id ibn Zayd dia, miditra amin’ny Paradisa ‘Abdur Rahman
bin awf dia, miditra amin’ny Paradisa”. Nisy nanontany taminy hoe: Izay ilay faha sivy? Namaly izy
hoe: Izaho.

Référence:

Sounan Ibn Majah

Vol. 1, Boky 1, Hadith 133

• Jami’ at Tirmidhi, Hadith numéro 3747


• Sunan abu Dawoud 40 : 4632
• Ibn Majah

Tsy vitan’izany foana fa mbola mino an’ity hadith ity koa atsika:

Hadith Sahih,

Tatitra azo avy tamin’i Ibn Mas’oud radhiyallah ‘anhou fa izy dia, naheno an’Ilay malalantsika I
Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam niteny manao hoe:

ُ ‫ يُ َحد‬،‫َّللا بْنَ أَبِّي ْال ُهذَي ِّْل‬


‫ِّث‬ ِّ َّ ‫ع ْب َد‬ َ ،ُ‫ش ْعبَة‬
َ ‫ ب ِّْن َر َجاءٍ قَا َل‬،َ‫ع ْن إِّ ْس َماعِّيل‬
َ ُ‫سمِّ ْعت‬ ُّ ‫ش ٍار ْالعَ ْب ِّد‬
ُ ‫ َح َّدثَنَا‬،‫ َح َّدثَنَا ُم َح َّمدُ بْنُ َج ْعف ٍَر‬،‫ي‬ َّ َ‫َح َّدثَنَا ُم َح َّم ُد بْنُ ب‬
‫ع ِّن النَّبِّي ِّ صلى هللا عليه وسلم أَنَّهُ قَا َل‬ َ ‫ِّث‬ُ ‫َّللا بْنَ َم ْسعُو ٍد يُ َحد‬
ِّ َّ ،َ‫ع ْبد‬ َ ‫ قَا َل‬،‫ص‬
َ ُ‫سمِّ ْعت‬ ِّ ‫حْو‬ َ َ ‫ع ْن أَبِّي األ‬ َ

" ً‫صاحِّ بَ ُك ْم َخلِّيال‬


َ ‫ع َّز َو َج َّل‬ َ ‫" لَ ْو ُك ْنتُ ُمتَّخِّ ذًا َخلِّيالً الَت َّ َخ ْذتُ أَبَا بَ ْك ٍر َخلِّيالً َولَ ِّكنَّهُ أَخِّ ي َو‬
ُ َّ َ‫صاحِّ ِّبي َوقَ ِّد ات َّ َخذ‬
َ ‫َّللا‬

“Raha toa ka mba naka Khalil (sakaiza tsy foiko, namana akaiky indrindra) izaho de mba naka an’I
Abou bakr (radhiyallah ‘anhou) izaho fa izy (Abu Bakr) dia, efa rahalahiko sy mpiaradia amiko
(amin’ny finoana islam) ary I Allah Ilay Avo tsy toha sy manan-kaja dia efa naka ilay mpiaradia
aminareo (Muhammad) ho Khalil”

Référence :

Sahih Muslim, Hadith numéro 2383

Boky faha 44

‫ق رضى هللا عنه‬ ِّ ‫ضائ ِِّّل أَبِّي بَ ْك ٍر‬


ِّ ‫الصدِّي‬ َ َ‫باب مِّ ْن ف‬

‫كتاب فضائل الصحابة رضى هللا تعالى عنهم‬

Tsy vitan’izany fa mbola nino an’ity Hadith ity koa atsika.

Hadith Sahih,

‫سعِّي ٍد ْال ُخد ِّْري ِّ ـ‬َ ‫ع ْن أَبِّي‬َ ،ٍ‫سعِّيد‬ َ ‫ع ْن بُس ِّْر ب ِّْن‬ َ ،‫سا ِّل ٌم أَبُو النَّض ِّْر‬ َ ‫ َح َّدثَنَا أَبُو‬،ٍ‫َّللا بْنُ ُم َح َّمد‬
َ ‫ قَا َل َح َّدثَنِّي‬،‫ َح َّدثَنَا فُلَ ْي ٌح‬،‫عامِّ ٍر‬ َ ‫َح َّدثَنِّي‬
ِّ َّ ‫ع ْب ُد‬
‫َار ذَلِّكَ ْالعَبْ ُد َما‬ ْ َ ‫ع ْبدًا بَيْنَ ال ُّد ْنيَا َوبَيْنَ َما ِّع ْن َدهُ ف‬
َ ‫اخت‬ َ َّ ‫اس َوقَا َل " ِّإ َّن‬
َ ‫َّللا َخي ََّر‬ َ َّ‫َّللا صلى هللا عليه وسلم الن‬ ِّ َّ ‫ب َرسُو ُل‬ َ ‫ط‬َ ‫رضى هللا عنه ـ قَا َل َخ‬

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


‫َّللا صلى هللا عليه‬ ِّ َّ ‫ فَ َكانَ َرسُو ُل‬.‫ع ْب ٍد ُخيِّ َر‬ َ ‫ع ْن‬ َ ‫َّللا صلى هللا عليه وسلم‬ ِّ َّ ‫ فَعَ ِّج ْبنَا ِّلبُكَائِّ ِّه أ َ ْن ي ُْخبِّ َر َرسُو ُل‬،‫ قَا َل فَبَكَى أَبُو بَ ْك ٍر‬." ‫َّللا‬ ِّ َّ ‫ِّع ْن َد‬
‫ َولَ ْو‬،‫ى فِّي صُحْ بَ ِّت ِّه َو َما ِّل ِّه أَبَا بَ ْك ٍر‬ََّ ‫عل‬
َ ِّ‫اس‬ َّ ‫ن‬‫ال‬ ‫ن‬ ‫م‬ َ ‫أ‬ ‫ن‬
ِّ َ ِّ‫ِّ م‬ْ ‫ن‬َّ ‫إ‬ " ‫وسلم‬ ‫عليه‬ ‫هللا‬ ‫صلى‬ ِّ
‫َّللا‬
َّ ُ
‫ل‬ ‫ُو‬‫س‬ ‫ر‬َ َ ‫ل‬ ‫ا‬َ ‫ق‬َ ‫ف‬ ،‫َا‬ ‫ن‬ ‫م‬ َ ‫ل‬ ‫ع‬
َ ْ ٍ ََ ‫أ‬ ‫ر‬‫ك‬ْ ‫ب‬ ‫ُو‬ ‫ب‬َ ‫أ‬ َ
َ‫وسلم ه َُو ُ ُ َ ان‬
‫ك‬ ‫و‬ ‫َّر‬ ‫ي‬ ‫خ‬َ ‫م‬ ْ
‫ال‬
‫ ِّإالَّ باب أَبِّي بَ ْك ٍر‬،َّ‫سد‬ ُ َّ ‫ الَ يَ ْبقَيَ َّن فِّي ْال َمس ِّْجد ِّباب ِّإال‬،ُ ‫اإل ْسال َ ِّم َو َم َو َّدتُه‬ ُ
ِّ ُ ‫ َولَك ِّْن أ ُخ َّوة‬،‫غي َْر َربِّي الَت َّ َخ ْذتُ أَبَا بَ ْك ٍر‬ َ ً‫" ُك ْنتُ ُمتَّخِّ ذًا َخ ِّليال‬

Tatitra azo avy tamin’I Abou Sa’id Al Khoudri,

Niteny tamin’ireo vahoakany I Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

“Allah dia nanome alalana ny andevony hisafidy ity Dounia ity na izay any aminy (any amin’I Allah:
paradisa). Ny andevo dia nisafidy izay any aminy (Paradisa)”. Nitomany I Abou Bakr (rehefa naheno
an’izany teny izany) ary izahay dia gaga be nahita azy nitomany mahakasika ny resaka nataon’ny
Mpaminany (Salallah ‘Anlayhi wa salam) hoe: ‘…nanome alalana ny andevony hisafidy (iray amin’ireo
zavatra roa ireo) I Allah’. (Fantatray Taty aoriana) Fa I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa
salam no andevo lazainy eto, ary I Abou Bakr no tena nahatakatr’izany taminay rehetra. Nanampy
teny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

“Ny olona tena nanampy aho betsaka teo tamin’ny finamanany sy tamin’ny ara-bola dia I Abou Bakr.
Raha toa ka mba naka ‘Khalil’ (Namana akaiky indrindra sy tiana indrindra) ankoatran’ny Tompoko
aho dia mba naka an’I Abou Bakr (ho Khalil), nefa, ny eo aminay roa dia ny firahalahiana Islamika
(ara-pinoana). Ny varavarana rehetra miditra ato amin’ny Masdjid dia akatony daholo afa tsy ny
varavaran’I Abou Bakr ihany”.

Référence :

Sahih Bukhari, Hadith numéro 3654

Boky faha 62, hadith 6

‫كتاب فضائل أصحاب النبى صلى هللا عليه وسلم‬

Satria, nahoana?

Satria izy ireo dia efa namorona ny fotopinoana vaovao tahaka ny hoe:

« Na iza na iza misafidy Imam (Mpitondra, Mpitantana, Mpitarika,..etc) iray ankoatran’i Ali ary
manatara ny Khilafah-ny (fitondrany) dia lasa Moushrik (Mpanompo sampy) izy »

Référence :

Al Kafi, Vol. 10, p55

NB : Boky n’ireo Shia nisoratan’i Thiqat Al-Islam Mouhammad Ibn Yacoub Al-Koulaini (izao
maty tamin’ny taona 328 Hijri).

Fa maninona izy ireo antsoina hoe : Rawafidh ?

Mbola hitanao amin’ny tohin’ny tantara izany.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Mbola hitohy raha sitrak’Allah…..!

Fampahatsiahivana insh’Allah,

Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬

Inona moa izany?

Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha enina amby folo (16ème partie),

Raha fitinitsiaka ny fanazavana nataotsika farany dia niresadresaka mahakasika ny fomba nahafaty an’I Ali
ibn Abi talib Radhiyallah ‘Anhou tsika ary ny niresaka koa momba ny finoan’ireo Shia ao anaty bokindreo sy
ny fitsipahandreo ireo Hadith Sahih avy amin’ireo Sahabah ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa
salam.

Tsika izao nde hiditra amin’ny tohin’ny tantara izay mihompana tanteraka amin’ny vanimpotoana taorian’I Ali
ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou.

Inona ny zavatra niseho rehefa maty izy?

De inona ny nanatonga ny filazana hoe: Shia Rawafidh?

De farany mahakasika an’I Hassan ibn Ali Radhiyallah Anhouma.

Fa alohak’izao dia iverenatsika mahakasika an’Ilay niandohan’ny Shia voalohany. Tsy iza izany afa tsy I

Abdullah ibn Sabaʾ al-Ḥimyarī na Ibn Sabāʾ dia, teratany Jiosy avy tao Sana’a, ao Yemen. Izy dia jiosy niova ho
mpino islam avy aty ivelany. Nefa hita taratra taminy ny Nifaq na ny fiatsarambelatsihy. Ary nandokadoka
an’I Ali ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou izay fantatra tamin’ny anarana hoe: ‘Ghulāt’ (‫ )غالة‬zany hoe: fiderana
olona iray tafahoatra ary mampitovy azy amin’I Allah.

Ity lehilahy ity no fantatra ara-tantara nanomana ny Plan A sy Plan B nde hamonoana an’I Outhman
Radhiyallah ‘Anhou. Ny vondrona misy azy ireo dia fantatra taty aoriana tamin’ny anarana hoe: Sabaʾiyya (
‫)سبئية‬

Io vondrona voalohany niandohan’ny Shia. Raha jerena ny fotoana nanaovany sary niditra tao anaty finoana
islam dia nandritran’ny fitondran’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou (taona 644 – 656 fanisana Kristianina).

Izy dia tahaka an’ny Paoly amin’ny finoana Kristianina. Satria, nanana fotopinoana vaovao izy mahakasika
ireo fianakavian’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam ary nitety toerana maro
nanaparitak’izany finoanany izany.

Izy dia zanaka vehivavy mainty iray tao Yemen ary izy koa dia mainty hoditra.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Araka ny voalazan’I Tabari dia, i Abdullah ibn Saba dia nitety faritra maro tahaka ny faritra Hijaz (Arabia),
Basra sy Koufah, Iraq. Tao Sham koa izy. De niroasin’olona tao Sham izy de lasa tany Egypte.

Anisan’ny finoana naparitakany tamin’izany dia ny fiverenan’I Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam karaha
Issa ibn Mariyam Anlayhi Salam.

Anisan’ny iray tamin’ny fampianarany dia ny filazana fa I Ali Radhiyallah ‘Anhou no Mpandova Mpaminany
ary tokony hifototra amin’izany ny fotopinoatsika hoy izy. Satria, tsy azo heritreretina mihitsy hoe:
Mpaminany farany lasa nefa tsy mba mametraka olona handimby azy izany.

Nilaza izy hoe:

Tsy rariny ny ataon’I Outhman Radhiyallah ‘anhou io. Tsy mendrika azy mihitsy ny hitondra fa I Ali
Radhiyallah ‘Anhou no tokony eo amin’ny toerany.

Ka nilaza tamin’ny mpianany izy hoe: aparitaho amin’ny manodidina izany vaovao izany fa olona rehetra dia
tokon ahay an’izany. De nanaparitaka ireo mpianany tahaka ny nataon’I Paoly tao antiokia (Baiboly, asan’ny
apostoly 11:26).

Nanomboka teo ny nipoiran’ny Shia ho fotokevitra ka lasa fotopinoana. Nahay niparitaka ilay fotokevitra ha
hatramin’ny famonoandreo an’I Outhman Radhiyallah ‘Anhou (tamin'ny le 18 Dhoul Hijj taona 35 Hijri na
17 Juin 656 ) izay efa nitantaraitsika tamin’ny tapany faha roa (2ème partie) iny.

Hatramin’ny fotoana nahenoan’I Ali ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou an’ilay fotokevitra naparitak’izy ireo.

Rehefa naheno an’izany izy dia tena nanizingizina fa lainga izany fotokevitra izany ary nitoheriny mafy izany.

Araka ny tatitra iray azo avy tamin’I Ibn ‘Asakir nazony avy tamin’I ‘Ammaar ad Douhani, izay niteny hoe:
Izaho dia naheno avy tamin’I Abou At Toufayl izy niteny hoe:

‘Izaho dia nahita an’I Mousayyab ibn Lajabah nisarisarika an’I Ibn Saba’ ary nitondra azy teo anoloan’I Ali
Radhiyallah ‘anhou sendra izy teo tamin’ny Mimbar….”

Ity Hadith iray ity dia manambara fa I Ali Radhiyallah ‘anhou dia nifanena tamin’I Ibn Saba ary nahay tsara ny
fotokevitrany mahakasika an’I Ali Radhiyallah ‘anhou.

Tamin’izany I Ibn Saba dia nilaza fa I Ali Radhiyallah ‘Anhou dia solotenan’I Allah eto antany ary zanahary eto
an-tany.

Rehefa henon’I Ali Radhiyallah ‘Anhou izy niteny an’izany dia noraisiny izy ary nidorany velona izy sy ireo
mpanaradia azy. Talohan’ny fandoroana azy dia nasaina nanao Tawba (fibebahana izy ireo) fa tsy nanao. Ka
maty I Ibn Saba tamin’ny fitondran’I Ali Radhiyallah ‘anhou. Fa ny fotokevitrany dia tsy maty tamin’izany fa
niparitaka hatramin’izao izay hitatsika amin’ireo vondrona Shia ankehitriny.

Référence:

Al Malti.

Hadith Sahih,

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Tatitra azo avy tamin’i Ikrima radhiyallah ‘anhou,

‫َّاس فَقَا َل ل َ ْو ُك ْنتُ أَنَا‬


ٍ ‫عب‬ َ َ‫ فَبَلَ َغ ابْن‬،‫ أ َ َّن عَ ِّليًّا ـ رضى هللا عنه ـ َح َّرقَ قَ ْو ًما‬،َ‫ع ْن ِّع ْك ِّر َمة‬ َ ‫ع ْن أَي‬
َ ،‫ُّوب‬ َ ، ُ‫س ْفيَان‬
ُ ‫ َح َّدثَن َا‬،ِّ‫َّللا‬
َّ ‫عبْ ِّد‬َ ُ‫ي بْن‬ َ ‫َح َّدثَنَا‬
ُّ ‫ع ِّل‬
ُ‫ي صلى هللا عليه وسلم " َم ْن بَ َّد َل دِّينَه‬ ْ َ
ُّ ِّ‫ َولقَت َلت ُ ُه ْم َك َما قَا َل النَّب‬." ‫َّللا‬ ِّ ‫ي صلى هللا عليه وسلم قَا َل " الَ تُعَ ِّذبُوا بِّعَذَا‬
ِّ َّ ‫ب‬ َّ ِّ‫ أل َّن النَّب‬،‫لَ ْم أ ُ َح ِّرق ُه ْم‬
َ ْ
" ُ‫فَا ْقتُلُوه‬.

‘Ali dia, nandoro andian’olona ary izany vaovao izany tonga tamin’i Ibn ‘Abbas, ary niteny i Ibn ‘Abbas
nanao hoe : Raha tamin’ny toerany izaho dia, tsy nidoroako ireo olona ireo satria, mpaminany
salallah ‘anlayhi wa salam dia, niteny nanao hoe : ‘Aza manasazy n’iza n’iza ianao amin’ny sazin’i
Allah (afo). Tsy misy fisalasalana fa nivonoiko ireo andian’olona ireo satria, mpaminany salallah
‘anlayhi wa salam efa niteny hoe : ‘N’iza n’iza (mpino islam) miova finoana dia, vonoy izy’

Référence :

َّ ‫ب‬
ِ‫َّللا‬ ُ َّ‫باب الَ يُ َعذ‬
ِ ‫ب ِب َعذَا‬

Sahih Boukhari, Hadith numéro : 3017.

Kitabou Djihad 56, numéro 226.

Araka ny fanazavan’I Al Malti sy Abu Taahir al Moukhlis sy Abdoullah ibn Shouraykh al ‘Aamiri dia ireo
vondrona misy an’I Ibn Saba no voalazan’ny Bukhari eto. Hita ao amin’ny fanazavan’I Ibn Hajar mahakasika
ny Hadith ity.

Araka hitatsika tamin’ity Hadith ity dia tsy pour fandorona olona velona I Ibn Abbas Radhiyallah ‘Anhou fa I
Ali Radhiyallah ‘Anhou dia nanao an’izany noho ireo olona ireo dia nanao azy ho Zanahary mihitsy, ka anisany
zavatra farany ratsy indrindrina aminy izany ary ratsy koa amin’ny finoana islam ary tsy vitan’izany fa olona
ireo dia mpitarika olona maro nandritran’ny fitondrany ary tsy vitan’izany fa vondron’olona ireo dia
naniratsiara an’I Abou Bakr sy Oumar Radhiyallah ‘Anhouma. Ka tsy zakany fa nidoroany velona mihitsy I
Abdoullah ibn Sabah sy ireo namany. Reo zany ireo Shia voalohany sady nivonoin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou en
personne.

Ny karazan’ny Shia nisy tamin’ny fitondran’I Ali Radhiyallah ‘Anhou dia nizara roa lehibe: Voalohany ireo izay
nilaza fa Allah mihitsy I Ali Radhiyallah ‘Anhou ary nanaratsy ireo Sahabah. Ary I Ibn Saba sy ireo akamany no
nanana izany fotokevitra izany ka nidorony izy ireo tamin’ny farany. Tao Kindah dia nanao Soudjoud taminy
mihitsy ny izy ireo.

De ny faha roa dia ireo izay manaratsy Sahabah sy manome voninahitra an’I Ali ho lehibe mihoatra ireo
Sahabah rehetra fa izy ireo tsy nilaza fa Ali Radhiyallah ‘anhou dia Allah. Reo farany ireto voasazy fa tsy
nivoniana.

Maro tamin’izy ireo dia nohentina teo imason’ny vahoaka mpino islam mba hikapohina. Ary nikapohina izy
ireo tahaka ny olona mpandainga rehetra.

Ka tamin’izany no nilazan’I Ali Radhiyallah ‘Anhou hoe:

Hadith Sahih,

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


ِّ َّ ‫ يَقُو ُل َخي ُْر الن‬،‫سمِّ ْعتُ عَ ِّليًّا‬
‫اس بَعْ َد‬ َ ‫ قَا َل‬،َ‫سلَ َمة‬ َ ‫ع ْن‬
ِّ َّ ‫ع ْب ِّد‬
َ ‫َّللا ب ِّْن‬ َ ،ُ‫ش ْعبَة‬
َ ‫ع ْن‬
َ ،َ ‫ع ْم ِّرو ب ِّْن ُم َّرة‬ ُ ‫ َح َّدث َنَا‬،‫ َح َّدثَن َا َوكِّي ٌع‬،ٍ‫ي بْنُ ُم َح َّمد‬ َ ‫َح َّدثَنَا‬
ُّ ‫ع ِّل‬
‫ع َم ُر‬ُ ‫اس بَ ْع َد أ َ ِّبي بَ ْك ٍر‬
ِّ َّ‫َّللا ـ صلى هللا عليه وسلم ـ أَبُو بَ ْك ٍر َو َخي ُْر الن‬ ِّ َّ ‫ُول‬
ِّ ‫َرس‬

Tatitra azo avy tamin’I ‘Abdoullah Ibn Salimah radhiyallah ‘anhou,

Izy dia, naheno an’I Ali ibn Abi Talib radhiyallah ‘anhou niteny nanao hoe:

‘Ny olona tena tsara indrindra aorian’ny Irak’Allah (Muhammad) dia, I Abou Bakr ary ny olona tena
tsara manaraka an’I Abou Bakr dia, I Omar’

Référence :

Sounan Ibn Majah, hadith numéro 106, Hadith Sahih.

Vol. 1, Boky 1, ‫كتاب المقدمة‬

NB :

Tahaka ny manelina pilina mafaiky ireny ireo Shia ankehitriny raha mahita an’ity Hadith iray ity. Tsy
tafanelindrora. Tafikapokapoka. Tsy nampoizindreo loatra Hadith karaha ity. Surtout Ali (radhiyallah
‘anhou) mihitsy no nivolagna izy.

Sheikh Sa’di al Haashimi dia nanoratra boky be iray mahakasika ny fiforonan’ny Shia.

Raha fintinina ny boky nisoratany io dia mitantara ny fivoaran’ny fotopinoan’ireo Shia. Nilaza izy fa
tsy tonga de niseho indray mandeha izany fotopinoandreo izany fa nivoatra tsikelikely hatramin’ny
fahatongavany ho fotopinoana raikitra.

Izany fotopinoandreo izany dia nihamafy rehefa niseho ny ady tao Siffin sy tao Karabala.
Nararaotin’ireo olona mpomba an’I Ibn Sabah ireo ilay ‘Fitnah’ (fisarahambazana, ady antrano,…etc)
niseho. Ary nialokaloka tao ambadika ny fitiavana an’ireo Ahloul bayt (fianakaviana akaiky ny
Mpaminany) izy ireo mba hanafenana ilay tetidratsindreo.

Anisan’ny forona izay nampidirin’I Ibn Saba dia mbola hita ao amin’ny bokin’ireo Shia antsoina hoe:
Al Kaafi izay milaza hoe:

‘Ny Maha imam voalohany an’I Ali dia efa nisoratan’I Allah tamin’ny bokin’ireo Mpaminany rehetra
tonga teto an-tany. Tsy mba nandefa mpaminany I Allah afa tsy hoe: nolazainy taminy fa I Ali dia
Imam voalohany’

Ny Shia tena izy dia ireo izay mankatia an’ny fianakavian’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa
salam ary tsy manaratsy an’ireo Sahabah ary tsy manavakavaka ireo fianakavian’ny Mpaminany.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Vitsy tokoa raha toa misy izy ireo ankehitriny fa amin’ny ankapobeny dia tsy hita intsony ireo vondrona
mitonotena ho Shia manana finoana tahak’izany.

Araka ny fanazavatsika ny mahakasika ny teny hoe: Rawafidh tamin’ny farany teo hoe:

Rafd dia ny hoe: Manda na Mandao Manary, tsy manaika ho,…Etc.

Ireo Shia Rawafidh dia ireo Shia izay milaza fa manaraka an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou nefa mankahala sy
miteny ratsy ary milaza fa Kouffars ireo Khalifah roa: Abou Bakr sy Oumar Radhiyallah ‘Anhou.

Na iza na iza mankatia an’I Abou Bakr Radhiyallah ‘anhou dia antsoindreo Shia ho ‘Naasibi’

Inona ny antony nanomezana an’io anarany io azy ireo?

Nomena anarana io izy ireo rehefa izy ireo tsy nankasitraka an’I Zayd ibn Ali ibn Houssein ibn Ali ibn Abi Talib
(Zafin’I Houssein teraka tamin’ny taona 695 fanisana Kristianina) ary nanda azy sy nandao azy tamin’ny
taona 121 Hijri. Tsy vitan’izany koa I Zayd ibn Ali dia nankatia an’ireo Khalifah roa (Abu Bakr sy Oumar) ary
nanome lanja azy ireo mihoatra an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou. Rehefa nitarika fitokonana ary fakana fahefana
tao koufah, Iraq I Zayd ibn Ali dia maro tamin’ireo mpomba azy naniratsira an’ireo Sahabah ka nanariny de
tezitra ireo mpomba azy ka niataka azy. Reo no nantsoiny ho: Rawafidh voalohany. Teo no nipoinan’io
anarana io.

Référence:

Ar Razi sy Ibn Taymiyyah.

Halan’ireo Shia ankehitriny no antsoina hoe : Shia Rawafidh izany. Satria Zafiafin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou
antsoina hoe: Zayd ibn Ali no niantso azy ireo tahak’izany. Ka matahotra atao tsy ho Vrai Shia reo de
mankahala io anarana io. Nefa, raha jerena ny fotopinoandreo dia tena reo mihitsy ilay izy.

Al-Ḥasan ibn Alī ibn Abī Ṭālib ( ‫)الحسن ابن علي ابن أبي طالب‬

Dia teraka tamin’ny taona Volana Ramadhan taona 3 Hijri na 624 fanisana Kristianina.

Zanak’I Ali ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou sy Fatima bint Muhammad Radhiyallah ‘Anha.

Hadith,

Tatitra azo avy tamin’I Abou Bakr Radhiyallah ‘anhou,

‫ قَا َل‬،َ ‫ع ْن أَبِي بَ ْك َرة‬ َ ،‫س ِن‬ َ ‫ع ِن ْال َح‬


َ ِ‫ع ْب ِد ْال َملِك‬ ُ َ‫ع ْب ِد َّللاَّ ِ َحدَّثَنَا األ َ ْشع‬
َ ‫ ه َُو ا ْب ُن‬،‫ث‬ َ ‫ ُم َح َّمد ُ ْب ُن‬،‫ي‬
ُّ ‫ار‬
ِ ‫ص‬ َ ‫ َحدَّثَنَا األ َ ْن‬،‫ار‬
ٍ ‫ش‬َّ َ‫َحدَّثَنَا ُم َح َّمد ُ ْب ُن ب‬
‫َّللا صلى هللا عليه وسلم ْالمِ ْنبَ َر فَقَا َل‬ ِ َّ ‫ص ِعدَ َرسُو ُل‬ َ ‫علَى يَدَ ْي ِه فِئَتَي ِْن‬
َ " ‫عظِ ي َمتَي ِْن‬ َّ ‫ص ِل ُح‬
َ ُ‫َّللا‬ َ ‫ِيث " ِإ َّن ا ْبنِي َهذَا‬
ْ ُ‫سيِد ٌ ي‬ ٌ ‫ قَا َل َهذَا َحد‬.
. ٍ ‫علِي‬ َ َ‫سنَ بْن‬ ْ
َ ‫ يَ ْعنِي ال َح‬. ‫صحِ ي ٌح‬ ٌ
َ ‫سن‬ َ ‫َح‬

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Tamin’ny andro iray tamin’ny fahaveloman’ny Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa salam dia nanao Khoutbah
mpaminany ary tonga I Al Hassan ary niteny I Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam manao hoe:

‘Ity zanako iray ity dia Mpitondra ary angamba Allah hampitambatra ny vondron’ny mpino islam roa avy
aminy’.

Référence :

Tirmidhi, Hadith Sahih, numéro 3773

Fanazavana:

Ity hadith ity dia manazava fa samy mpino islam ny vondrona misy an’I Mou’awiyyah sy Ali Radhiyallah
‘Anhouma.

Faminaniana goavana ity. Satria ho tantaraina aminao izao nanao ahoana I Al Hassan Radhiyallah ‘Anhou
tamin’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou? Inona ny tranga niseho.

Iverenatsika ny tantarany:

Rehefa teraka I Al Hassan izay zanak’I Ali sy Fatima (Radhiyallah ‘Anhoum) voalohany dia namono ondry I
Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam ho an’ny zafiny. Izay hitatsika fa marika ny fitiavany azy
ireo sy ny Sounnah izay ho tanterahitsika rehefa terabao.

Al ‘aqîqa: dia Sounna (asa izay amporisihina ny fanatanterahana azy). Ho an’ny zaza lahy dia ondry roa no
tapahana ary ho an’ny zaza vavy dia ondry iray ihany. Ny fanapahana izany dia atao eo amin’ny andro faha
fito niterahany ary amin’io andro io dia tsara raha toa ka tapahana ny volon’ilay zaza ary atao Soadaqah na
fiantrana ny vola sahala amin’ny vesatran’ny volo notapahana tamin’ilay zaza (ohatra: 3 grammes). Ary tsara
raha amin’io andro io no ametahana ny anaran’ilay zaza. Ny anarana izay tena tian’Allah dia “Abdoullah sy
Abdourrahmane” (Mpanompo Allah sy mpanompo an’Ilay be fiantrana). Tsara ny mampahatsiahy isika fa
tena fady tanteraka ny manome anarana izay mitarika ny fieritreretana amin’ny fampikambana Allah amin’ny
zavaboahary, tahaka hoe: Abdou-Naby ( Mpanompo ny Mpaminany) na koa Abdourrassoul (Mpanompo
Hiraka).

Ka nantsoina ho: Hassan ilay zava vao teraka tamin’io.

Rehefa maty I Ali Radhiyallah ‘Anhou araka ny nolazaintsika tamin’ny firazarany tany aloha dia tsy nanendry
mpandimby azy ary tsy nanakana ireo mpino islam hanondro izay olona tiandreo koa.

Rehefa maty I Ali Radhiyallah ‘Anhou dia nivory ireo mpino islam tao Koufah, Iraq ary nanendry an’I Al Hassan
ho mpandimby azy. Nisafidiana I Al Hassan karaha tamin’ny fifidianana an’I Abu Bakr Radhiyallah ‘Anhou fa
tsy notendren’I Ali Radhiyallah ‘Anhou velively araka ny filazan’ireo Shia ankehitriny. Rehefa vita ny
fifidianana azy dia nanao Khoutbah izy tao tamin’ny Masdjid lehiben’ny Koufah, Iraq (al-Masjid al-Mou‘azzam
bil-Kufah).

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Rehefa naheno an’izany I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou dia tsy nanaika ary nifandefa taratasy izy roa
hatramin’ny fotoana izay tsy voavaha ara-taratasy tsony ny olana fa efa hiafara amin’ny ady.

Nandefa miaramila I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou nalefa tao Iraq ary nanomana miaramila koa I Al Hassa
Radhiyallah ‘Anhou nalefa tao Al Madaa’in miandry an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou. Ireo Khawaaridj
tamin’izany dia mbola teo ary naheno an’izany dia nanatevindaharana tamin’ny miaramilany koa.

Rehefa tonga tao Maskin I Al Hassan Radhiyallah ‘Anhou dia nanao Khoutbah izy ary nasehony tamin’ny
Khoutbah nazy fa tsy te hiady izy satria nahatadidy ny ady teo tamin’ny papany sy I Mou’awiyyah Radhiyallah
‘anhou tao Siffin. Feno 38 taona izy tamin’izany.

Rehefa nahatsapa an’izany ireo Khawaaridj dia nilaza hoe: Lasa kafir koa anao karaha papanao. De
notafihindreo ny toerana misy an’I Al Hassan Radhiyallah ‘Anhou. Iray tamin’ireo Khawaaridj antsoina hoe: Al
Jarrah ibn Sinan dia nametraka velapandrika ho an’I Hassan Radhiyallah ‘anhou ary naratra I Hassan
tamin’izany.

Taorian’izany dia tsy nitsahatra nangataka fifampiraharahana I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou mba hamela
azy hitondra de tamin’ny farany dia neken’I Hassan Radhiyallah ‘Anhou ary nandefa an’I ‘Amr ibn Salima al-
Hamdani al-Arhabl sy I Muhammad ibn al-Ash'ath mba ho solotenany tamin’ny fifampiraharahana.

Taorian’izany dia natao ho fanambarana ho henon’ny Mpino islam rehetra fa I Hassan Radhiyallah ‘Anhou dia
nametrapialana ary nanome ny fahefana ho an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou mba tsy hisian’ny ady
antrano eo amin’ny samby mpino islam.

Zany hoe: I Hassan Radhiyallah ‘Anhou dia nino tsy ampihambahambana fa Mpino islam I Mou’awiyyah
Radhiyallah ‘anhou fa eo amin’ny fomba fitantanana no tsy itovizankevitra sy tamin’ny tantara niseho
tamin’ny Papany tao Siffin sy tamin’ny tokony atao mba hamaliana faty an’ireo namono an’I Outhman
Radhiyallah ‘Anhou. Ny Mpino islam rehetra dia tsy voatery hitovy hevitra daholo amin’ny resaka
fitantanana. Ka nandefitra izy na dia hitany fa ninazy no marina.

Raha jerena ny halavampotoana nitondrasan’I Hassan Radhiyallah ‘Anhou dia enim-bolana ihany izany de
namindra fahefana tamin’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou izy. Taona 661 tamin’izany. Ary taorian’izany dia
tsy niditra raharahapitondrana mihitsy izy.

I Hassan Radhiyallah ‘Anhou dia nanambady maro: I Khawla bint Manzour ibn Zabban. Nanambady an’I
Hafsah bint Abdoul Rahman ibn Abi Bakr koa izy tao Madinah. Nanambady an’ny Zanak’I Talhah koa izy. Ary
mbola nanambady an’ny Zanak’I Souhayl ibn Amr koa.

Maty I Hassan Radhiyallah anhou tamin’ny taona 670 (fanisana Kristianina).

Araka tantara dia maty avy tamin’ny alalan’ny fanomezana ny poizina izy. Ireo Shia miteny fa I Mou’awiyyah
Radhiyallah ‘anhou no nanome vadiny antsoina hoe: Ja’da bint al Ash’at poizina mba hamonoana an’I Al
Hassan Radhiyallah ‘Anhou. Tabari manazava fa tsy nanonona an’ny anaran’olona nanome poizina azy I
Hassan Radhiyallah ‘Anhou fa foromporon’ireo Shia ilay izy. Ho fanaratsiana an’I Mou’awiyyah Radhiyallah
‘Anhou.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Ho tohizantsika ny tantara amin’ny manaraka mahakasika an’I Houssayn Radhiyallah ‘Anhou sy ny zavatra
niseho tao Karbala raha sitrak’Allah.

Mbola hitohy raha sitrak’Allah….!

Fampahatsiahivana insh’Allah,
Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬
Inona moa izany?
Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Tapany faha fito amby folo (17ème partie),

Houssein ibn Ali Radhiyallah ‘anhouma sy ny zavatra niseho tao Karbala.

Tapany voalohany,

Ny fahasoavany:

Niteny I Abdoullah ibn Amr ibn Al Ans manao hoe:

‘Ity lehilahy ity (Houssein) dia lehilahy izay tena tian’ny olona eto an-tany (amizao) sy tian’ireo
vahoakan’ny lanitra’.

Nb:

Tamin’ny fotoana izay namoahany teny io dia efa maty ireo Sahabah maro tany alohany. Ary efa
nipoitra ny fisarahambazana teo tamin’ny mpino islam.

Houssein ibn Ali Radhiyallah ‘anhouma dia, teraka tao Madinah tamin’ny volana Sha’ban taona
faha 4 Hijri. Teraka taona iray taorian’ny Hassan Radhiyallah ‘anhou izy.

Niaina tao Madinah izy hatramin’ny fotoana izay nahazahoan’I Ali ibn Abi Talib Radhiyallah
‘anhou fitondrana tamin’ny taona 656 (fanisana kristianina).

Rehefa lasa Khalifah I Ali Radhiyallah ‘anhou tamin’io taona io dia nifindra monina niaraka
taminy I Houssein Radhiyallah ‘anhou ka nipetraka tao Koufah, Iraq.

Houssein Radhiyallah ‘anhou dia vavolombelona tamin’ny Ady Jamal sy Siffin, izy sy
rahalahiny Hassan Radhiyallah ‘anhouma dia samy teo daholo.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Rehefa maty I Ali Radhiyallah ‘anhou tamin’ny taona 40 Hijri na taona 661 (fanisana
Kristianina) dia tonga tamin’I Hassan Radhiyallah ‘anhou ny olona tao Koufah, Iraq nanao
velirano taminy.

Tamin’io fotoana io koa dia nisy andian’ny mpino islam no nanao velirano tamin’I Mou’awiyah
Radhiyallah ‘anhou tao Sham (Syrie).

Sambany tamin’ny tantaran’ny finoana islam no nisy Khoulafah (Mpitondra) roa izay samy
nanaovan’ny olona velirano hitondra azy ireo.

Saika niteraka ady goavana io fitondran’ny Khoulafah roa niaraka nitondra io fa tamin’ny farany
dia nametrapialana I Hassan Radhiyallah ‘anhou enimbolana taty aoriana tamin’ny taona 661
ihany. Ary nomena an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou ny fitondrana.

Taorian’io dia niverina tao Madinah I Hassan sy Houssein Radhiyallah ‘anhouma. Ary nipetraka
tao.

Tamin’ny volana Rabi’ al Awwal taona 50 Hijri na taona 670 (fanisana Kristianina) maty I
Hassan Radhiyallah ‘anhou. Mbola nijanona tao Madinah ihany I Houssein Radhiyallah ‘anhou
taorian’io.

Rehefa maty I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou tamin’ny volana Rajab taona 60 Hijri na taona
680 (fanisana Kristianina) dia nitondra I Yazid ibn Mou’awiyyah.

Talohak' I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou maty dia efa nanao fanambarana izy fa zanany
Yazid no mpandimby azy.

Ahoul Sounnah dia manaiky fa Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou dia Sahabah. Ary tsy
mametraka fisalasalana amin’izany. Ary maty tao anaty finoana islam izy. Ny fanapahankevitra
noraisiny mba hanendry ny zanany dia safidy izay tsikerainy maro. Voalohany ireo Shia
manaraka misy amin’ny Ahloul Sounnah koa mitsikera azy. Lava be ny fanazavana
mahakasik’izany.

Fehiny:

Tsika tsy afaka misalasala amin’ny Niyah n’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou tamin’ny
fanendreny ny zanany. Fa ny mety atao dia ny mamakafaka ny zavatra niseho. Nanana hevitrany
manokana izy tamin’izany. Anisan’izany ny fahatahorany iverenana amin’ny ady tao Jamal sy
Siffin satria, ireo andian’olona namono an’I Outhman Radhiyallah ‘anhou dia mbola tsy tratra
ary mbola mialokaloka tao tamin’ny vondrona Mpino islam sasany. Tao koa ireo vondrona
vaovao Khawaaridj sady tsy manaiky azy sy tsy nanaiky an’I Ali Radhiyallah ‘anhou.
Nahatsikaritra izy fa raha omena olon-kafa ny fitondrana amin’izao dia mitohy ny ady antrano
izay nisy. Izy Présent tamin’io fotoana io. Tsika tsy Présent ka sarotra amitsika ny ahay ny tena
zava nisy marina.

Fa nahoana tsy nomena an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ny fitondrana?

Mpino islam ahloul sounnah manaiky fa Houssein Radhiyallah ‘anhou dia anisan’iray amin’ireo
Ahloul Bayt ary mendrika hitondra. Ary misafidy azy ho manana voninahitra mihoatra an’I

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Abou Soufyan sy Mou’awiyyah ary Yazid. Ary mba naniry fa tokony izy no nitondra. Nefa, tsy
izay ny zavatra niseho.

Isika aty aoriana dia mahalala ny zavatra niseho. Satria tsika namaky tantara ka nahay zavatra
niseho taorian'io.

Taorian’ny filazany fa Zanany Yazid no mitondra aoriany dia maro tamin’ny faritra izay misy
mpino islam tamin’izany no nanaiky fa vitsy ireo faritra tsy nanaiky an’izany. Anisan’ireo faritra
tsy nanaiky izany fanapahankevitrany izany dia ny tao Makkah sy Madinah. Tao Makkah ohatra
I Abdoullah ibn Zoubayr radhiyallah ‘anhou. Tao Madinah dia ireo Ahloul Bayt zany hoe:
Houssein Radhiyallah ‘anhou sy ny fianakaviany. Izy ireo dia nanana heritreritra fa izy ireo no
manana zo hitondra mihoatra an’ny zanan’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou: Yazid.

Ary marina izany. Manana zo tokoa i Houssein Radhiyallah 'anhou hitondra tamin'izany. Nefa,
tsy izay no zavatra niseho.

Mbola tsy nisy zavatra niseho taorian’izany. Zany hoe: mbola tsy nisy ady ary I Mou’awiyyah
Radhiyallah ‘anhou koa tsy nanery azy ireo hanaiky an’izany.

Tamin’ny volana Rajab taona 60 Hijria maty I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou. Iray
amin’ireto olona telo ireto no nantenain’ny olona tsy mpomba an’I Mou’awiyyah Radhiyallah
‘anhou hanohitra ny fanendreny an’ny zanany Yazid ho mpandimby azy:

1-Abdoullah ibn ‘Oumar Radhiyallah ‘anhou izay farany antitra indrindra tamin’izany.

2-Abdoullah ibn Zoubayr Radhiyallah ‘anhouma

3-Houssein ibn Ali Radhiyallah ‘anhouma

Ny fitondran’I Yazid ibn Mou’awiyyah:

Yazid dia teraka tamin’ny taona 26 Hijri na 647 fanisana Kristianina. Anarany feno dia Yazīd
ibn Mu‘awiya ibn Abī Sufyān.

Izy dia tsy anatin’ireo Sahabah satria, Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam dia maty tamin’ny
taona 11 Hijri (632) nefa I Yazid dia teraka tamin’ny taona 26 Hijri (647). Zany hoe: izy dia
teraka 15 taona taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam. Fa Papany
(Mou’awiyyah) sy dadilahy (Abou Soufyan) radhiyallah ‘anhouma dia Sahabah. Zany hoe:
nanaiky ny finoana islam ary naty tao anaty finoana islam ary nifanena tamin’ny Mpaminany
Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam.

Tsara marihina fa Papany sy dadilahiny dia manana tantara izay ratsy ary nisian’ny famonoana
olona maro zany hoe: tamin’ny papany araka ny efa nitantaraitsika dia nisy ny ady roa lehibe
izay namoizana ny ain’ny mpino islam maro (ady Jamal sy Siffin). Ary dadilahy dia nalaza
tamin’ny fanenjehana ny mpino islam tamin’ny fahaveloman’ny Mpaminany Muhammad
Salallah ‘anlayhi wa salam. Ohatra: ady tao Badr sy Ouhoud ary Khandaq izay namoizana mpino
islam maro. Ary dadilahiny no lohany tamin’ireo mpitarika Mpikomy tamin’izany.
Fa rehefa niditra finoana islam dia Allah mamafa ny fahotana vita rehetra tany aloha. Nefa, na
dia izany aza dia mbola tsy tian'ny maro foana reo. Shia no lohalaharana tsy mitia azy ireo. Ao
koa ireo Sounni sasany. Fa mazava be tenin'i Allah sy ny irakany:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Miteny i Allah Ilay Avo tsy toha manao hoe:

ٌ ُ‫غف‬
‫ور َّرحِ ي ٌم‬ َ ُ ‫َّللا‬ ِ ‫ت َو َما فِي ْاأل َ ْر‬
ُ ‫ض ۚ يَ ْغف ُِر ِل َمن يَشَا ُء َويُعَ ِذ‬
َّ ‫ب َمن يَشَا ُء ۚ َو‬ ِ ‫اوا‬
َ ‫س َم‬ ِ َّ ِ ‫َو‬
َّ ‫ّلِل َما فِي ال‬

« Ary ho an’i Allah ny any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, mamela heloka ho an’izay sitrany
Izy, ary manasazy izay sitrany koa Izy. Ary i Allah dia be famelan-keloka sy be fiantrana”

Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any Sourate Al Imran 3 ayat 129.

Hadith Sahih,

‫َّللا صلى هللا عليه وسلم‬ ِ َّ ‫س ِم َع َرسُو َل‬ َ ،ُ‫ي أ َ ْخ َب َرهُ أَنَّه‬ َّ ‫سعِي ٍد ْال ُخد ِْر‬
َ ‫ أ َ ْخ َب َرهُ أ َ َّن أَبَا‬،‫ار‬
ٍ ‫س‬ َ َ‫طا َء بْنَ ي‬َ ‫ع‬َ ‫ أ َ َّن‬،‫قَا َل َما ِلكٌ أَ ْخبَ َرنِي زَ ْيد ُ ْب ُن أ َ ْسلَ َم‬
َ َ َ ْ
‫سنَة بِعَش ِر أ ْمثا ِل َها إإِلى‬ُ ْ
َ ‫ ال َح‬،‫اص‬ ُ ‫ص‬ ْ َ َ َ َ
َ ‫ َوكانَ بَ ْعد َ ذلِكَ ال ِق‬،‫سيِئ َ ٍة كانَ زَ لف َها‬ َ َّ‫ل‬
َ ‫عنهُ ك‬ ُ ْ َّ ‫يَقُو ُل " إِذَا أ َ ْسلَ َم ْالعَ ْبد ُ فَ َحسُنَ إِ ْسال ُمهُ يُكَف ُِر‬
َ ُ‫َّللا‬ َ
‫ع ْن َها‬ َّ َ‫اوز‬
َ ُ‫َّللا‬ َ ْ
َ ‫ َوالسَّيِئَة ُ بِمِث ِل َها ِإالَّ أ ْن يَت َ َج‬، ٍ‫ضعْف‬ ِ ‫س ْب ِعمِائ َ ِة‬ َ "
Tatitra azo avy tamin’I Abou Sa’id Al Khoudri Radhiyallah ‘Anhou,

Niteny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:


‘Raha miditra anatin’ny finoana islam antsitrapo ny olona iray dia ho fafan’I Allah daholo ny
fahotany rehetra tany aloha ary aorian’izany dia miverina tsy misy fahotana izy (lasa tahaka ny
Zaza vao teraka) ary manomboka eo dia hatombo folo avo heny (10 fois) ka hatramin’ny
fitonjato (700 fois) avo heny ny asa soa iray vitany. Ary ny asa ratsy iray vitany dia ho tsaraina
ho iray ihany izany na fafan’I Allah (raha sitrak’Allah)’

Référence :
Sahih Bukhari, Hadith numéro 41, boky faha roa.
ِ‫باب ُحس ِْن إِ ْسالَ ِم ْال َم ْرء‬

Rehefa niditra finoana islam izy ireo dia voafafa ny heloka vitan’izy ireo taloha ary nanao
Tawbah (fifonana) koa izy ireo ary niova tsikelikely sy nanampy mpino islam tamin’ny lafiny
maro indrindra tamin’ny ady sy ny fanaparitahana ny finoana islam tamin’ny faritra ivelan’ny
faritra arabo.

Tamin’ny fotoana niainan’I Houssein Radhiyallah ‘anhou sy Yazid dia maro ireo disadisa izay
niainan’izy ireo. Zany hoe fotoana sarotra. Ka maha tonga fanakianana maro aty aoriana.

Ny zavatra tsikatra tamin’I Hassan Radhiyallah ‘anhou nanao fifanarahana tamin’I Mou’awiyyah
Radhiyallah ‘anhou dia nitsipak’izany I Houssein Radhiyallah ‘anhou fa nampanginin’I Hassan
Radhiyallah ‘anhou izy. De nangina. Noho ny fanajany an’ny Zokiny.

Iray amin’ireo hasoavana nazon’ireo Sahabah maro ary tafiditra tao anatiny koa I Yazid na dia
hoe tsy Sahabah aza izy ny tenin’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam manao
hoe:

‫ور لَ ُه ْم‬ َ ‫أ َ َّو ُل َجي ٍْش م ِْن أ ُ َّمتِي َي ْغ ُزونَ َمدِينَةَ قَ ْي‬
ٌ ُ‫ص َر َم ْغف‬

“Ny miaramila voalohany avy amin’ny vahoakako izay nde hanafika ny tananan’I Caesar dia ho
voavela heloka”

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Référence : Sahih al-Bukhari, Hadith numéro 2924

Maro ireo Sahabah nandray anjara tamin’io.

Ohatra:

Abu Ayyoub Al Ansari Radhiyallah ‘anhou maty tamin’ny taona 674 tao Constantinople,
Istambul, Turquie sy Umm Haram bint Milhan ary I Yazid (Allah anie hamela heloka azy).

Eny, azo atao ny mangataka famelankelo ho azy satria izy dia tafiditra ao anatin’io Hadith io. Na
dia maro resaka ataon’ireo Shia mahakasika azy. Ary io Hadith io dia manazava tsara fa izy dia
ahazo izany famelankeloka izany.

Ny antsipirian'ny zavatra niseho talohaka ny tranga niseho tao Karbala.

Nahazo baiko avy tamin’I Yazid ny Governor any Madinah fa tokony hanao velirano
ampahabemaso ireo vahoaka mpino islam ao Madinah amin’I Yazid. Ho fanekena ny fitondrany
sy ny maha Khalifah azy.

Ka nantsoin’ity Governora ity I Houssein Radhiyallah ‘anhou ary nambarany azy ny baiko
nazony.

Ka rahampitso hoy izy tamin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou dia tongava ianao eo imasom-
bahoaka fa hanao velirano amin’I Yazid tsika rehetra indrindra ianao.

Tsy nanaiky I Houssein Radhiyallah ‘anhou. Niezaka nandresilahatra ihany ilay Governora ny
Madinah de niteny I Houssein Radhiyallah anhou hoe: omeo fotoana kely aloha aho handinika
tsara. De nomen’ilay governora fotoana izy.
Rehefa niverina tao antranony izy dia nilaza tamin’ireo fianakaviany hoe:

Amboaro hentantsika fa nde hifindramonina izao de izao tsika. De nitodidoha tany Makkah izy.
Satria, ao Makkah dia tsy mitovy ao Madinah. Fa mba azo hiainana tsara. Tsy ahitana teritery
karaha ao Madinah.

Niparitaka ny feo fa lasa nandositra I Houssein Radhiyallah ‘anhou. Fa tsy mba nanao velirano
amin’I Yazid izy.
Rehefa nandeha izany feo izany ka tonga tao Koufah, Iraq. Faly be ireo vahoaka Mpino islam tao
antoerana. Satria, hoy izy ireo hoe: tonga izao ny fotoana hanehoantsika ny tsy hafaliantsika ary
handraisantsika ny fitondrana. Tamin’io fotoana io dia volana Ramadan taona 60 Hijria.

Ka nanomboka nandefa taratasy sy iraka izy ireo mba hihaona amin’I Houssein Radhiyallah
‘anhou fa izy ireo dia faly ary miaradia aminy ka tongava aty aminay fa izahay dia vonona
handray anao hataonay Mpitondra anay. Raha nojerena ireo taratasy ireo dia mihoatran’ny 60
tonga aminy. Milaza ny hafaliandreo sy faniriandreo mba ho tongavany ao Koufah, Iraq.
Nisy tamin’ireo taratasy ireo milaza hoe: raha tsy tonga aty ianao dia tsy hanao Salat Djouma
mihitsy izahay. Miandry anao tonga zay vo izahay manao Salat Djouma. Tianay anao no hitarika
anay amin’ny Salat Djouma.

Tamin’izany fotoana dia Governora ny tanana no Imam sy Khatwib amin’ny Salat Djouma. Ka
ho fanehoana fa tsy tianay tsony ity Governora ity dia tsy hanao Salat Djouma miaraka aminy

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


mihitsy izahay fa ataonay ho Salat Dhouhr foana ninay mandrapahatongavanao aty aminay hoy
izy ireo tamin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou.

Inona ny maha zavadehibe ny tanana ny Koufah, Iraq.


Io tanana io dia tanana nifindran’I Ali Radhiyallah ‘anhou taorian’ny disadisa nisy teo aminy sy
Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou amin’ny resaka famonoana ireo olona namono an’I Outhman
Radhiyallah ‘anhou.

Ka nifindra tao izy tamin’ny Taona 37 Hijria. Ka nanomboka teo dia ireo vahoaka ny Koufah,
Iraq dia malaza amin’ny fitiavana an’ireo Ahloul Bayt.

Taorian’ireo taratasy maro be ireo izay milaza ny fahavonosan’ireo vahoaka tao Koufah, Iraq
handray azy dia nandefa an’ny Cousin-ny izy ‘Mouslim ibn ‘Aqil’ mba hanamarina ireo afatra
amin’ny taratasy nazony ireo.
De lasa I Mouslim ibn ‘Aqil ka tonga tao Koufah, Iraq izy tamin’ny volana Dhoul Qa’adah taona
60 hijria.
Tamin’izany dia faly be ny olona nandray azy rehefa tonga tao izy ary maro ny olona tonga
manodidina 12 000 araka ny fitantaran’I Tabari. Ary izy reo dia tonga de nanao velirano tamin’I
Mouslim ibn Aqil fa manaiky an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ho Amir na Khalifah ary
vonona hiady amin’ny miaramilan’i Yazid.

Taorian’izany dia nanoratra I Mouslim ibn Aqil tamin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou manao
hoe:

“Ny mpino islam rehetra ato Koufah, Iraq dia mpomba anao avokoa ka rehefa azonao ity taratasy
ity dia tongava avy hatrany fa aza mangataka andro intsony”

Tamin’izany fotoana izany dia Yazid tao Damas, Sham. Ka henony izany feo izany. Rehefa
henony ny feo fa misy andian’ny mpino islam ao Koufah, Iraq mila haka fahefana dia nisafidy
olona izay tena fatrapanazy sy malaza amin’ny fanasaziana izy mba hampandry ny tanana. Tsy
iza izany afa tsy I ‘Ubaydillah ibn Ziyad’. Ity olona ity dia olona nalaza tamin’ny fampijaliana
olona ary ny zavadehibe aminy dia ny fahavitan’ny iraka nomena azy. Ary tsy milefitra izy na
koa mitady marimaritra iraisana izany.

Ka nalefany tao Koufah, Iraq I Ibn Ziyad sy ireo mpanolotsainany miisa eo amin’ny 17 teo. Ny
tanjona tamin’izany dia ny hijery akaiky ny zava miseho ary hamongotra izany avy hatrany. Izy
dia mbola tanora mbola 28 taona ary tonga de nisolo toerana an’ny governora tao Koufah, Iraq
izy.
Tamin’ny volana Dhoul Qa’adah io ihany izy dia efa tonga tao Koufah, Iraq. Rehefa tonga tao
izy dia nanatona an’I Governora ary nanome azy ny taratasy milaza ny fandroasana azy tsy ho
governora intsony. Ary manendry an’I Ibn Ziyad ho governora vaovao.

Tamin’ny fahatongavany dia maro no voafitaka fa nieritreritra fa Houssein Radhiyallah ‘anhou


io olona tonga io. Ka nanomboka nandokadoka azy ireo vahoaka manao hoe:

‘As Salam Anlayka ya ibn Rassoulillah’

‘Marhaban, tonga soa ianao ry zanaka Mpaminany. Izahay dia faly tamin’ny fahatongavanao.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Ibn Ziyad dia nangina foana fa nihaino resak’izy ireo. De nisy olona iray tamin’ireo namany no
nilaza tamin’ny olona fa tsy Houssein Radhiyallah ‘anhou io fa Ibn Ziyad Izay Governora nareo
vaovao.

Tsapan’Ibn Ziyad fa marina ilay feo niparitaka. Tena vonona hikomy amin’I Yazid marina ireto
vahoaka ireto. De namory ireo namany izy ka niteny ny iray tamin’izy ireo hoe: ity misy saka
feno vola ndao anao miseho vahoaka ary lazao amin’izy ireo fa ianao dia mpandeha avy any
lavitra izay vonona hanaradia an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ka omeo an’ny lehiben’izy ireo
antanana ity vola ity. Zany hoe omena an’I Mouslim ibn ‘Aqil.

Ka lasa ity Mpitsikilo n’I Ibn Ziyad ity nde hitady an’I Mouslilm ibn ‘Aqil ka tonga tao tamin’ny
tranon’I Hani ibn ‘Ourwa, ity olona ity dia olona manan-kaja tao antoerana izay milaza fa
mpomba an’I Yazid nefa amin’ny tena marina izy dia mpomba an’I Houssein Radhiyallah
‘anhou. Harakan’ity Mpitsikilo ity ny toetran’I Hani ibn ‘Ourwa.

Ka nilaza I Hani ibn ‘Ourwa fa omeo aho ilay vola fa izaho no hanome ity vola ity amin’ny
lehibe tsika. De nomeny ilay vola. De taorian’io dia lasa niverina tamin’I Ibn Ziyad izy ary
nilaza fa namadika atsika I Hani ibn ‘Ourwa. Izy no lehiben’ny Mpioko ato Koufah, Iraq.

Ka nantsoin’I Ibn Ziyad I Hani ibn ‘Ourwa de nolazainy taminy hoe: avoahy I Mouslim ibn ‘aqil
de havelako ny ratsy vitanao.
De tsy nilaza ny marina izy de nikapohin’I Ibn Ziyad ary nandefa feo fa voasambotra I Hani ibn
‘Ourwa. Rehefa henon’I Mouslim ibn ‘Aqil ilay feo dia nandefa afatra izy tamin’ireo izay nanao
velirano taminy amin’ny anaran’I Houssein Radhiyallah ‘anhou mba ho tonga ary vonona
hanohana azy ary hiady.

4 000 tamin’ireo nantsoina dia tonga. De niaradia nandeha teo tamin’ny lapa izay misy an’I Ibn
Ziyad izy ireo. Rehefa hitany Ibn Ziyad izy ireo dia nanao hevitra izy mba hampisarahambazana
ireo izay tonga teo ka hatramin’ny fotoana nahatongavan’ny ireo 4 000 ireo niparitaka afa tsy 70
ihany sisa tamin’io andro io ihany. Zany hoe : nitambazany vola sy harena maro samihafa ireo
vahoaka ny Koufah, iraq.

Rehefa tonga ny Salat Maghrib dia 30 sisa tavela. Rehefa tonga ny Salat Insha tamin’io andro io
ihany dia 10 sisa tavela tamin’ireo 4 000 tamin’ny voalohany iny.

Rehefa vita ny salat insha dia niaraka izy sy ireo namany 10 ireo nandeha tamin’ny Banou Kinda
izay tena fatrapanohana ny Ahloul Bayt. Mandrapahatongavany tany dia nanjavona ireo olona 10
ireo. Lasa nitsoaka daholo.

I Mouslim ibn ‘Aqil irery ihany no sisa tavela tamin’ny andro alina ary tsy nisy nampiantrano
azy sy nanome azy sakafo. Nirenireny izy. Rehefa izy nahatsapa fa tena noana sy nangetaheta dia
nanatonga trano iray izy ka nandodoana ary nilaza hoe: izaho dia mpangataka mitady sakafo sy
rano sotroina. Sendra nisy vehivavy iray antitra tao antrano ka nivoaka ilay vehivavy ary nanome
sakafo azy. De nilaza izy hoe: Izaho dia Mouslim ibn ‘Aqil moa ve afaka ampianao izaho?
Namaly ilay vehivavy hoe: midira antrano ianao fa hiarovako. Taorian’izany dia tsikaritran’ny
zanany lahy fa misy vahiny izy ireo ary nanontany izy de namaly an’ny zanany izy hoe: izy dia
Mouslim ibn ‘aqil ka aza atoro olona fa izy miafina ato antranotsika ato.

Tamin’zany fotoana dia Ibn Ziyad efa nandefa feo fa izay manome renseignement mahakasika
azy dia omena valisoa lehibe. Tsy zakan’ilay zanan’ny vehivavy nampiantrano an’I Mouslim ibn

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


‘aqil ilay valisoa ka nisafidy hamoaka tsiambaratelo izy ary nilaza fa ato misy azy. De tonga ireo
miaramilan’I Ibn Ziyad nde hanambotra an’I Mouslim ibn ‘Aqil.

I Abdurahm ibn Muhammad ibn Al Ash’af no lehiben’io vondrona miaramila nanambotra azy
io. Nilazainy taminy hoe: Zay zavatra ataonareo izaho tsy maninona fa zavatra iray ihany no
takiako. Ampitao amin’I Houssein hoe: miverena any Makkah izy fa ny vahoakan’ny Koufah,
Iraq dia namadika azy. Nanaiky I Abdurahm ibn Muhammad ibn Al Ash’af.
Rehefa tonga tamin’I Ibn Ziyad izy dia nikapokapohindreo ary tamin’ny farany dia nalatsak’izy
ireo avy teny ambon’ny trano.
Talohak’izy ho faty dia nanao Dhikr sy nanao Dua hoe:
‘O Allah, ianao dia vavolombelona aminay sy amin’ireo Shia (vondrona) nay izay namadika
anay’.

Tamin’io dia andro ny Arafah ary I Houssein Radhiyallah ‘anhou dia efa andalana handeha ao
Kufah, Iraq. Houssein Radhiyallah ‘anhou tsy au courant tamin’ny zavatra mandalo ao Koufah,
Iraq. Fa nanankina tanteraka tamin’i Allah Ilay Avo tsy toha ny lahatrany....

Houssein ibn Ali Radhiyallah ‘anhouma sy ny zavatra niseho tao Karbala.

Tapany voalohany,

Ny fahasoavany:

Niteny I Abdoullah ibn Amr ibn Al Ans manao hoe:

‘Ity lehilahy ity (Houssein) dia lehilahy izay tena tian’ny olona eto an-tany (amizay) sy tian’ireo
vahoakan’ny lanitra’.

Tamin’ny fotoana izay namoahany teny io dia efa maty ireo Sahabah maro tany alohany. Ary efa
nipoitra ny fisarahambazana teo tamin’ny mpino islam.

Houssein ibn Ali Radhiyallah ‘anhouma dia, teraka tao Madinah tamin’ny volana Sha’ban taona faha 4
Hijri. Teraka taona iray taorian’ny Hassan Radhiyallah ‘anhou izy.

Niaina tao Madinah izy hatramin’ny fotoana izay nahazahoan’I Ali ibn Abi Talib Radhiyallah ‘anhou
fitondrana tamin’ny taona 656 (fanisana kristianina).

Rehefa lasa Khalifah I Ali Radhiyallah ‘anhou tamin’io taona io dia nifindra monina niaraka taminy I
Houssein Radhiyallah ‘anhou ka nipetraka tao Koufah, Iraq.

Houssein Radhiyallah ‘anhou dia vavolombelona tamin’ny Ady Jamal sy Siffin, izy sy rahalahiny
Hassan Radhiyallah ‘anhouma dia samy teo daholo.

Rehefa maty I Ali Radhiyallah ‘anhou tamin’ny taona 40 Hijri na taona 661 (fanisana Kristianina) dia
tonga tamin’I Hassan Radhiyallah ‘anhou ny olona tao Koufah, Iraq nanao velirano taminy.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Tamin’io fotoana io koa dia nisy andian’ny mpino islam no nanao velirano tamin’I Mou’awiyah
Radhiyallah ‘anhou tao Sham (Syrie).

Sambany tamin’ny tantaran’ny finoana islam no nisy Khoulafah (Mpitondra) roa izay samy
nanaovan’ny olona velirano hitondra azy ireo.

Saika niteraka ady goavana io fitondran’ny Khoulafah roa niaraka nitondra io fa tamin’ny farany dia
nametrapialana I Hassan Radhiyallah ‘anhou enimbolana taty aoriana tamin’ny taona 661 ihany. Ary
nomena an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou ny fitondrana.

Taorian’io dia niverina tao Madinah I Hassan sy Houssein Radhiyallah ‘anhouma. Ary nipetraka tao.

Tamin’ny volana Rabi’ al Awwal taona 50 Hijri na taona 670 (fanisana Kristianina) maty I Hassan
Radhiyallah ‘anhou. Mbola nijanona tao Madinah ihany I Houssein Radhiyallah ‘anhou taorian’io.

Rehefa maty I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou tamin’ny volana Rajab taona 60 Hijri na taona 680
(fanisana Kristianina) dia nitondra I Yazid ibn Mou’awiyyah.

Talohaka I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou maty dia efa nanao fanambarana izy fa zanany Yazid no
mpandimby azy.

Ahoul Sounnah dia manaiky fa Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou dia Sahabah. Ary tsy mametraka
fisalasalana amin’izany. Ary maty tao anaty finoana islam izy. Ny fanapahankevitra noraisiny mba
hanendry ny zanany dia safidy izay tsikerainy maro. Voalohany ireo Shia manaraka misy amin’ny
Ahloul Sounnah koa mitsikera azy. Lava be ny fanazavana mahakasik’izany.

Fehiny:

Tsika afaka misalasala amin’ny Niyah n’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou tamin’ny fanendrena ny
zanany. Fa ny mety atao dia ny mamakafaka ny zavatra niseho. Nanana hevitrany manokana izy
tamin’izany. Anisan’izany ny fahatahorany iverenana amin’ny ady tao Jamal sy Siffin satria, ireo
andian’olona namono an’I Outhman Radhiyallah ‘anhou dia mbola tsy tratra ary mbola mialokaloka
tao tamin’ny vondrona Mpino islam sasany. Tao koa ireo vondrona vaovao Khawaaridj sady tsy
manaiky azy sy tsy nanaiky an’I Ali Radhiyallah ‘anhou. Nahatsikaritra izy fa raha omena olon-kafa ny
fitondrana amin’izao dia mitohy ny ady antrano izay nisy. Izy Présent tamin’io fotoana io. Tsika tsy
Présent ka sarotra amitsika ny ahay ny tena zava nisy marina.

Fa nahoana tsy nomena an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ny fitondrana?

Mpino islam ahloul sounnah manaiky fa Houssein Radhiyallah ‘anhou dia anisan’iray amin’ireo Ahloul
Bayt ary mendrika hitondra. Ary misafidy azy ho manana voninahitra mihoatra an’I Abou Soufyan sy
Mou’awiyyah ary Yazid. Ary mba naniry fa tokony izy no nitondra. Nefa, tsy izay ny zavatra niseho.

Taorian’ny filazany fa Zanany Yazid no mitondra aoriany dia maro tamin’ny faritra izay misy mpino
islam tamin’izany no nanaiky fa vitsy ireo faritra tsy nanaiky an’izany. Anisan’ireo faritra tsy nanaiky
izany fanapahankevitrany izany di any tao Makkah sy Madinah. Tao Makkah ohatra I Abdoullah ibn
Zoubayr radhiyallah ‘anhou. Tao Madinah dia ireo Ahloul Bayt zany hoe: Houssein Radhiyallah ‘anhou
sy ny fianakaviany. Izy ireo dia nanana heritreritra fa izy ireo no manana zo hitondra mihoatra an’ny

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


zanany Yazid. Mbola tsy nisy zavatra niseho taorian’izany. Zany hoe: mbola nisy ady ary I
Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou koa tsy nanery azy ireo hanaiky an’izany.

Tamin’ny volana Rajab taona 60 Hijria maty I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘Anhou dia iray amin’ireto
olona telo ireto no nantenain’ny olona tsy mpomba an’I Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou hanohitra
ny fanendreny an’ny zanany Yazid ho mpandimby azy:

1-Abdoullah ibn ‘Oumar Radhiyallah ‘anhou izay farany antitra indrindra tamin’izany.

2-Abdoullah ibn Zoubayr Radhiyallah ‘anhouma

3-Houssein ibn Ali Radhiyallah ‘anhouma

Taorian’io dia nifindramonina tao Koufah, Iraq I Houssein Radhiyallah ‘anhou.

Ny fitondran’I Yazid ibn Mou’awiyyah:

Yazid dia teraka tamin’ny taona 26 Hijri na 647 fanisana Kristianina. Anarany feno dia Yazīd ibn
Mu‘awiya ibn Abī Sufyān.

Izy dia tsy anatin’ireo Sahabah satria, Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam dia maty tamin’ny taona
11 Hijri (632) nefa I Yazid dia teraka tamin’ny taona 26 Hijri (647). Zany hoe: izy dia teraka 15
taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam. Fa Papany (Mou’awiyyah) sy
dadilahy (Abou Soufyan) radhiyallah ‘anhouma dia Sahabah. Zany hoe: nanaiky ny finoana islam ary
naty tao anaty finoana islam ary nifanena tamin’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa
salam.

Tsara marihina fa Papany sy dadilahiny dia manana tantara izay ratsy ary nisian’ny famonoana olona
maro zany hoe: tamin’ny papany araka ny efa nitantaraitsika dia nisy ny ady roa lehibe izay
namoizana ny ain’ny mpino islam maro (ady Jamal sy Siffin). Ary dadilahy dia nalaza tamin’ny
fanenjehana ny mpino islam tamin’ny fahaveloman’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa
salam. Ohatra: ady tao Badr sy Ouhoud ary Khandaq izay namoizana mpino islam maro. Ary
dadilahiny no lohany tamin’ireo mpitarika Mpikomy tamin’izany.

Fa rehefa niditra finoana islam dia Allah mamafa ny fahotana vita rehetra tany aloha.

Miteny i Allah Ilay Avo tsy toha manao hoe:

ٌ ‫اّلِل َغ ُف‬
ُ ‫َ أ ُ َ َ َ ُ َ ُ َ ِّ ُ َ َ َ ُ َ ه‬ َ‫أ‬ َ ‫ه‬
َ ‫الس َم‬ َ ‫ه‬
ٌ ‫ور هرح‬
‫َيم‬ ‫ات َوما َِف اْل أر َض ۚ يغفَر ل َمن يشاء ويع َذب من يشاء ۚ و‬
َ ‫او‬ ‫َو َّلِلَ ما َِف‬

« Ary ho an’i Allah ny any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, mamela heloka ho an’izay
sitrany Izy, ary manasazy izay sitrany koa Izy. Ary i Allah dia be famelan-keloka sy be
fiantrana”

Référence:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Ny boky manan-kaja Kour’any Sourate Al Imran 3 ayat 129.

Hadith Sahih,

‫َّللا صلى هللا عليه وسلم يَقُو ُل‬ ِّ َّ ‫سمِّ َع َرسُو َل‬ َّ ‫سعِّي ٍد الْ ُخد ِّْر‬
َ ،ُ‫ي أ َ ْخبَ َرهُ أَنَّه‬ َ ‫ أ َ ْخبَ َرهُ أ َ َّن أَبَا‬،‫س ٍار‬ َ َ‫ أ َ َّن ع‬،‫قَا َل َما ِّلكٌ أ َ ْخبَ َرنِّي زَ ْي ُد بْنُ أ َ ْسلَ َم‬
َ َ‫طا َء بْنَ ي‬
َ ‫سنَةُ بِّعَ ْش ِّر أ َ ْمثَا ِّل َها إِّلَى‬
" ‫س ْبعِّمِّ ائ َ ِّة‬ َ ‫ ْال َح‬،‫اص‬ ُ ‫ص‬ َ ‫ َو َكانَ بَ ْع َد ذَلِّكَ ْال ِّق‬،‫سيِّئ َ ٍة َكانَ زَ لَفَ َها‬ َ ‫ع ْنهُ ُك َّل‬ ُ َّ ‫إِّذَا أ َ ْسلَ َم ْالعَ ْب ُد فَ َحسُنَ إِّ ْسالَ ُمهُ يُكَف ُِّر‬
َ ‫َّللا‬
‫ع ْن َها‬
َ ‫َّللا‬
ُ َّ َ‫اوز‬َ ‫ َوالس َِّّيئَةُ ِّبمِّ ثْ ِّل َها ِّإالَّ أ َ ْن يَت َ َج‬، ٍ‫"ضعْف‬ِّ

Tatitra azo avy tamin’I Abou Sa’id Al Khoudri Radhiyallah ‘Anhou,

Niteny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam manao hoe:

‘Raha miditra anatin’ny finoana islam antsitrapo ny olona iray dia ho fafan’I Allah daholo ny fahotany
rehetra tany aloha ary aorian’izany dia miverina tsy misy fahotana izy (lasa tahaka ny Zaza vao
teraka) ary manomboka eo dia hatombo folo avo heny (10 fois) ka hatramin’ny fitonjato (700 fois)
avo heny ny asa soa iray vitany. Ary ny asa ratsy iray vitany dia ho tsaraina ho iray ihany izany na
fafan’I Allah (raha sitrak’Allah)’

Référence :
Sahih Bukhari, Hadith numéro 41, boky faha roa.
ِ‫سال َ ِم ا ْل َم ْرء‬
ْ ِ‫باب ُحس ِْن إ‬

Rehefa niditra finoana islam izy ireo dia voafafa ny heloka vitan’izy ireo taloha ary nanao Tawbah
(fifonana) koa izy ireo ary niova tsikelikely sy nanampy mpino islam tamin’ny lafiny maro indrindra
tamin’ny ady sy ny fanaparitahana ny finoana islam tamin’ny faritra ivelan’ny faritra arabo.

Tamin’ny fotoana niainan’I Houssein Radhiyallah ‘anhou sy Yazid dia maro ireo disadisa izay
niainan’izy ireo. Zany hoe fotoana sarotra.

Ny zavatra tsikatra tamin’I Hassan Radhiyallah ‘anhou nanao fifanarahana tamin’I Mou’awiyyah
Radhiyallah ‘anhou dia nitsipak’izany I Houssein Radhiyallah ‘anhou fa nampanginin’I Hassan
Radhiyallah ‘anhou izy. De nangina. Noho ny fanajany an’ny Zokiny.

Maty izy tamin’ny voana Rabi ul-Awwal taona 64 Hijri na taona 683 fanisana kristianina.

Fahafatesany:

Maty I Houssein ibn Ali Radhiyallah ‘anhouma tamin’ny volana Muharram taona faha 61 Hijri na
taona 680 (fanisana Kristianina). 55 taona izy tamin’io fotoana io.

Iray amin’ireo hasoavana nazon’ireo Sahabah maro ary tafiditra tao anatiny koa I Yazid na dia hoe tsy
Sahabah aza izy ny tenin’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam manao hoe:

" ‫ور لَ ُه ْم‬ َ ‫" أ َ َّو ُل َجي ٍْش مِّ ْن أ ُ َّمتِّي يَ ْغ ُزونَ َمدِّينَةَ قَ ْي‬
ٌ ُ‫ص َر َم ْغف‬

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


“Ny miaramila voalohany avy amin’ny vahoakako izay nde hanafika ny tananan’I Caesar dia ho
voavela heloka”

Référence :

Sahih al-Bukhari, Hadith numéro 2924

Maro ireo Sahabah nandray anjara tamin’io. Ohatra:

Abu Ayyoub Al Ansari Radhiyallah ‘anhou maty tamin’ny taona 674 tao Constantinople, Istambul,
Turquie sy Umm Haram bint Milhan ary I Yazid (Allah anie hamela heloka azy).

Eny, azo atao ny mangataka famelankelo ho azy satria izy dia tafiditra ao anatin’io Hadith io. Na dia
maro resaka ataon’ireo Shia mahakasika azy. Ary io Hadith io dia manazava tsara fa izy dia ahazo
izany famelankeloka izany.

Hiditra amin’ny tantara niseho tao Karabala amizay tsika izao.

Taorian’io dia nifindramonina tao Koufah, Iraq I Houssein Radhiyallah ‘anhou.

Fa talohak’izany inona ny zavatra niseho nahatonga azy hifindra monina?

Nahazo baiko avy tamin’I Yazid ny Governor any Madinah fa tokony hanao velirano ampahabemaso
ireo vahoaka mpino islam ao Madinah amin’I Yazid. Ho fanekena ny fitondrany sy ny maha Khalifah
azy.

Ka nantsoin’ity Governora ity I Houssein Radhiyallah ‘anhou ary nambarany azy ny baiko nazony.

Ka rahampitso hoy izy tamin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou dia tongava ianao eo imasom-bahoaka fa
hanao velirano amin’I Yazid tsika rehetra indrindra ianao.

Tsy nanaiky I Houssein Radhiyallah ‘anhou. Niezaka nandresilahatra ihany ilay Governora ny Madinah
de niteny I Houssein Radhiyallah anhou hoe: omeo fotoana kely aloha aho handinika tsara. De
nomen’ilay governora fotoana izy.

Rehefa niverina tao antranony izy dia nilaza tamin’ireo fianakaviany hoe:

Amboaro hentantsika fa nde hifindramonina izao de izao tsika. De nitodidoha tany Makkah izy. Satria,
ao Makkah dia tsy mitovy ao Madinah. Fa mba azo hiainana tsara. Tsy ahitana teritery karaha ao
Madinah.

Niparitaka ny feo fa lasa nandositra I Houssein Radhiyallah ‘anhou. Fa tsy mba nanao velirano amin’I
Yazid izy.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Rehefa nandeha izany feo izany ka tonga tao Koufah, Iraq. Faly be ireo vahoaka Mpino islam tao
antoerana. Satria, hoy izy ireo hoe: tonga izao ny fotoana hanehoantsika ny tsy hafaliantsika ary
handraisantsika ny fitondrana. Tamin’io fotoana io dia volana Ramadan taona 60 Hijria.

Ka nanomboka nandefa taratasy sy iraka izy ireo mba hihaona amin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou fa
izy ireo dia faly ary miaradia aminy ka tongava aty aminay fa izahay dia vonona handray anao
hataonay Mpitondra anay. Raha nojerena ireo taratasy ireo dia mihoatran’ny 60 tonga aminy. Milaza
ny hafaliandreo sy faniriandreo mba ho tongavany ao Koufah, Iraq.

Nisy tamin’ireo taratasy ireo milaza hoe: raha tsy tonga aty ianao dia tsy hanao Salat Djouma mihitsy
izahay. Miandry anao tonga zay vo izahay manao Salat Djouma. Tianay anao no hitarika anay amin’ny
Salat Djouma.

Tamin’izany fotoana dia Governora ny tanana no Imam sy Khatwib amin’ny Salat Djouma. Ka ho
fanehoana fa tsy tianay tsony ity Governora ity dia tsy hanao Salat Djouma miaraka aminy mihitsy
izahay fa ataonay ho Salat Dhouhr foana ninanay mandrapahatongavanao aty aminay hoy izy ireo
tamin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou.

Inona ny maha zavadehibe ny tanana ny Koufah, Iraq.

Io tanana io dia tanana nifindran’I Ali Radhiyallah ‘anhou taorian’ny disadisa nisy teo aminy sy
Mou’awiyyah Radhiyallah ‘anhou amin’ny resaka famonoana ireo olona namono an’I Outhman
Radhiyallah ‘anhou.

Ka nifindra tao izy tamin’ny Taona 37 Hijria. Ka nanomboka teo dia ireo vahoaka ny Koufah, Iraq dia
malaza amin’ny fitiavana an’ireo Ahloul Bayt.

Taorian’ireo taratasy maro be ireo izay milaza ny fahavonosan’ireo vahoaka tao Koufah, Iraq handray
azy dia nandefa an’ny Cousin-ny izy ‘Mouslim ibn ‘Aqil’ mba hanamarina ireo afatra amin’ny taratasy
nazony ireo.

De lasa I Mouslim ibn ‘Aqil ka tonga tao Koufah, Iraq izy tamin’ny volana Dhoul Qa’adah taona 60
hijria.

Tamin’izany dia faly be ny olona nandray azy rehefa tonga tao izy ary maro ny olona tonga
manodidina 12 000 araka ny fitantaran’I Tabari. Ary izy reo dia tonga de nanao velirano tamin’I
Mouslim ibn Aqil fa manaiky an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ho Amir na Khalifah ary vonona hiady
amin’ny miaramilan’i Yazid.

Taorian’izany dia nanoratra I Mouslim ibn Aqil tamin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou manao hoe:

“Ny mpino islam rehetra ato Koufah, Iraq dia mpomba anao avokoa ka rehefa azonao ity taratasy ity
dia tongava avy hatrany fa aza mangataka andro intsony”

Tamin’izany fotoana izany dia Yazid tao Damas, Sham. Ka henony izany feo izany. Rehefa henony ny
feo fa misy andian’ny mpino islam ao Koufah, Iraq mila haka fahefana dia nisafidy olona izay tena
fatrapanazy sy malaza amin’ny fanasaziana izy mba hampandry ny tanana. Tsy iza izany afa tsy I
‘Ubaydillah ibn Ziyad’. Ity olona ity dia olona nalaza tamin’ny fampijaliana olona ary ny zavadehibe

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


aminy dia ny fahavitan’ny iraka nomena azy. Ary tsy milefitra izy na koa mitady marimaritra iraisana
izany.

Ka nalefany tao Koufah, Iraq I Ibn Ziyad sy ireo mpanolotsainany miisa eo amin’ny 17 teo. Ny tanjona
tamin’izany dia ny hijery akaiky ny zava miseho ary hamongotra izany avy hatrany. Izy dia mbola
tanora mbola 28 taona ary tonga de nisolo toerana an’ny governora tao Koufah, Iraq izy.

Tamin’ny volana Dhoul Qa’adah io ihany izy dia efa tonga tao Koufah, Iraq. Rehefa tonga tao izy dia
nanatona an’I Governora ary nanome azy ny taratasy milaza ny fandroasana azy tsy ho governora
intsony. Ary manendry an’I Ibn Ziyad ho governora vaovao.

Tamin’ny fahatongavany dia maro no voafitaka fa nieritreritra fa Houssein Radhiyallah ‘anhou io


olona tonga io. Ka nanomboka nandokadoka azy ireo vahoaka manao hoe:

‘As Salam Anlayka ya ibn Rassoulillah’

‘Marhaban, tonga soa ianao ry zanaka Mpaminany. Izahay dia faly tamin’ny fahatongavanao.

Ibn Ziyad dia nangina foana fa nihaino resak’izy ireo. De nisy olona iray tamin’ireo namany no nilaza
tamin’ny olona fa tsy Houssein Radhiyallah ‘anhou io fa Ibn Ziyad Izay Governora nareo vaovao.

Tsapan’Ibn Ziyad fa marina ilay feo niparitaka. Tena vonona hikomy amin’I Yazid marina ireto
vahoaka ireto. De namory ireo namany izy ka niteny tamin’izy iray tamin’izy ireo hoe: ity misy saka
feno vola ndao anao miseho vahoaka ary lazao amin’izy ireo fa ianao dia mpandeha avy any lavitra
izay vonona hanaradia an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ka omeo an’ny lehiben’izy ireo ity vola ity
antanana. Zany hoe omena an’I Mouslim ibn ‘Aqil.

Ka lasa ity Mpitsikilo n’I Ibn Ziyad ity nde hitady an’I Mouslilm ibn ‘Aqil ka tonga tao tamin’ny tranon’I
Hani ibn ‘Ourwa, ity olona ity dia olona manan-kaja tao antoerana izay milaza fa mpomba an’I Yazid
nefa amin’ny tena marina izy dia mpomba an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou. Harakan’ity Mpitsikilo
ity ny toetran’I Hani ibn ‘Ourwa.

Ka nilaza I Hani ibn ‘Ourwa fa omeo aho ilay vola fa izaho no hanome ity vola ity amin’ny lehibe tsika.
De nomeny ilay vola. De taorian’io dia lasa niverina tamin’I Ibn Ziyad izy ary nilaza fa namadika atsika
I Hani ibn ‘Ourwa. Izy no lehiben’ny Mpioko ato Koufah, Iraq.

Ka nantsoin’I Ibn Ziyad I Hani ibn ‘Ourwa de nolazainy taminy hoe: avoahy I Mouslim ibn ‘aqil de
havelako ny ratsy vitanao.

De tsy nilaza ny marina izy de nikapohin’I Ibn Ziyad ary nandefa feo fa voasambotra I Hani ibn
‘Ourwa. Rehefa henon’I Mouslim ibn ‘Aqil ilay feo dia nandefa afatra izy tamin’ireo izay nanao
velirano taminy amin’ny anaran’I Houssein Radhiyallah ‘anhou mba ho tonga ary vonona hanohana
azy ary hiady.

4 000 tamin’ireo nantsoina dia tonga. De niaradia nandeha teo tamin’ny lapa izay misy an’I Ibn Ziyad
izy ireo. Rehefa hitany Ibn Ziyad izy ireo dia nanao hevitra izy mba hampisarahambazana ireo izay
tonga teo ka hatramin’ny fotoana nahatongavan’ny ireo 4 000 ireo niparitaka afa tsy 70 ihany sisa
tamin’io andro io ihany.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Rehefa tonga ny Salat Maghrib dia 30 sisa tavela. Rehefa tonga ny Salat Insha tamin’io andro io ihany
dia 10 sisa tavela tamin’ireo 4 000 tamin’ny voalohany iny.

Rehefa vita ny salat insha dia niaraka izy sy ireo namany 10 ireo nandeha tamin’ny Banou Kinda izay
tena fatrapanohana ny Ahloul Bayt. Mandrapahatongavany tany dia nanjavona ireo olona 10 ireo.
Lasa nitsoaka daholo.

I Mouslim ibn ‘Aqil irery ihany no sisa tavela tamin’ny andro alina ary tsy nisy nampiantrano azy sy
nanome azy sakafo. Nirenireny izy. Rehefa izy nahatsapa fa tena noana sy nangetaheta dia
nanatonga trano iray izy ka nandodoana ary nilaza hoe: izaho dia mpangataka mitady sakafo sy rano
sotroina. Sendra nisy vehivavy iray antitra tao antrano ka nivoaka ilay vehivavy ary nanome sakafo
azy. De nilaza izy hoe: Izaho dia Mouslim ibn ‘Aqil moa ve afaka ampianao izaho?

Namaly ilay vehivavy hoe: midira antrano ianao fa hiarovako. Taorian’izany dia tsikaritran’ny zanany
lahy fa misy vahiny izy ireo ary nanontany izy de namaly an’ny zanany izy hoe: izy dia Mouslim ibn
‘aqil ka aza atoro olona fa izy miafina ato antranotsika ato.

Tamin’zany fotoana dia Ibn Ziyad efa nandefa feo fa izay manome renseignement mahakasika azy dia
omena valisoa lehibe. Tsy zakan’ilay zanan’ny vehivavy nampiantrano an’I Mouslim ibn ‘aqil ilay
valisoa ka nisafidy hamoaka tsiambaratelo izy ary nilaza fa ato misy azy. De tonga ireo miaramilan’I
Ibn Ziyad nde hanambotra an’I Mouslim ibn ‘Aqil.

I Abdurahm ibn Muhammad ibn Al Ash’as no lehiben’io vondrona miaramila nanambotra azy io.
Nilazainy taminy hoe: Zay zavatra ataonareo izaho tsy maninona fa zavatra iray ihany no takiako.
Ampitao amin’I Houssein hoe: miverena any Makkah izy fa ny vahoakan’ny Koufah, Iraq dia namadika
azy. Nanaiky I Abdurahm ibn Muhammad ibn Al Ash’af.

Rehefa tonga tamin’I Ibn Ziyad izy dia nikapokapohindreo ary tamin’ny farany dia nalatsak’izy ireo
avy teny ambon’ny trano.

Talohak’izy ho faty dia nanao Dhikr sy nanao Dua hoe:

‘O Allah, ianao dia vavolombelona aminay sy amin’ireo Shia (vondrona) nay izay namadika anay’.

Tamin’io dia andro ny Arafah ary I Houssein Radhiyallah ‘anhou dia efa andalana handeha ao Kufah,
Iraq. Houssein Radhiyallah ‘anhou tsy au courant tamin’ny zavatra mandalo ao Koufah, Iraq. Fa
nanankina tanteraka tamin’i Allah Ilay Avo tsy toha ny lahatrany.

Mbola hitohy raha sitrak’Allah….!

Fampahatsiahivana insh’Allah,
Ny Shia (‫ )شيعة‬na hoe: Shiatou ‘Anliy (‫)شيعة علي‬
Inona moa izany?
Fanazavana fohifohy milaza amin’ny ankapobeny ny mahakasika ny Shia.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Tapany faha valo amby folo (18ème partie),

Houssein ibn Ali Radhiyallah ‘anhouma sy ny zavatra niseho tao Karbala.

Tapany faha roa,

Voasambotra I Mouslim ibn ‘Aqil (‫ )مسلم بن عقيل الهاشمي‬ary nivonoina tamin’ny faha 9 ny volana Dhoul
Hijjah taona 60 Hijria (taona 680 fanisana kristianina). Nivonoin’I Ibn Ziyad.

Talohak’izy ho faty dia nanao Dhikr sy nanao Dua hoe:

‘O Allah, ianao dia vavolombelona aminay sy amin’ireo Shia (vondrona) nay izay namadika anay’.

Ireo vahoaka namadika azy tamin’io fotoana io navorin’I Ibn Ziyad ary mibanjina ny zavatra miseho. Zany
hoe: mijery azy sy ny olona izay nampiantrano azy nivonoina (Hani ibn Ourwah).

Tamin’io dia andro ny Arafah faha 9 ny volana Dhoul Hijjah taona 60 Hijria (taona 680 fanisana
kristianina) ary I Houssein Radhiyallah ‘anhou dia efa andalana handeha ao Kufah, Iraq. Houssein
Radhiyallah ‘anhou tsy au courant (tsy mahafantatra) tamin’ny zavatra mandalo ao Koufah, Iraq. Fa
nanankina tanteraka tamin’i Allah Ilay Avo tsy toha ny lahatrany. Satria nahatoky ny taratasy nalefan’I
Cousin –nazy Mouslim ibn ‘Aqil (‫)مسلم بن عقيل الهاشمي‬. Satria tamin’izany dia ny dia farany haingana
indrindra avy ao Kufah, Iraq mandeha Makkah dia roa herinandro sy tapany. Zany hoe: antsasabolana
(18jours).

Talohak’I Houssein Radhiyallah ‘anhou handao Makkah dia nanao fanambarana izy fa hitodidoha hoany
Koufah, Iraq izy. Rehefa henon’ireo Sahabah izay mbola velona tamin’io dia nanarindreo izy fa tsy
tokony handeha any izy. Ny fandehanao any hoy izy ireo dia tsy tsara. Hitondra haratsiana sy
fikorontanana ary mety hiafara amin’ny fahafatesana aza.

‘Abdoullah ibn ‘Abbas Radhiyallah ‘anhou

Abdoullah ibn ‘Oumar Radhiyallah ‘anhou

Jabir ibn ‘Abdillah Radhiyallah ‘anhou.

Abou Sa’id Al Khoudri Radhiyallah ‘anhou.

Ireo Sahabah rehetra ireo dia nahita zavatra nandalo tao Siffin sy Jamal ary mbola mahatadidy azy tsara
ka nanakana an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou handeha ao Koufah, Iraq.

Namaly Houssein Radhiyallah ‘anhou hoe: Jerenareo ireto taratasy maro be ireto izay mangataka ny
fahatongavako any.

Namaly azy I Jabir Radhiyallah ‘anhou hoe:

‘Ry Houssein, anga efa hadinonao fa ireo vahoaka ireo ange efa avy namadika Papanao?’

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Mbola namaly ihany I Houssein Radhiyallah ‘anhou fa amizao hoy izy dia efa hafa ny toedraharaha ka izy
ireo efa niova.

Tamin’ny andro faha 8 ny Dhoul Hijjah taona 60 hijria izy niala tao Makkah. Zany hoe: andro iray tsy
hamonoana an’I Cousin –nazy Mouslim ibn ‘Aqil (‫)مسلم بن عقيل الهاشمي‬

Eto dia manambara mazava tsara fa I Houssein Radhiyallah ‘anhou dia tsy mahalala ny zava miafina.
Mifanohitra amin’ny finoan’ireo Shia mahakasika ny Imam ndreo 12 izay mahalala ny zava miafina hoy
izy ireo. Satria, raha tena nahalala marina ny zavatra niseho tao izy dia, tsy nandeha tao Koufah, Iraq
satria efa famonoantena izany. Na koa raha tena nahalala marina izy dia nandainga zany izy tamin’ireo
Sahabah sy Ahloul Bayt maro nandrara azy tsy handeha any. Na koa tokony efa nampilaza tamin’ireo
Sahabah izy fa ny Cousin –nazy Mouslim ibn ‘Aqil (‫ )مسلم بن عقيل الهاشمي‬dia efa tratra ao ka ho vonoina
rahampitso ka ndao isika nde hanafika an’I Ibn Ziyad. Ary ny fananarana nataon’ireo Sahabah azy dia
manambara fa izy dia olombelona ihany karaha anao. Zany hoe: mila ampahatsiahivina fa misy indray
manadino zavatra niseho na koa tsy mandray izany ho lesona.

Rehefa niala Makkah izy dia nateriterin’ an’I Muhammad ibn Hanafiyah I Houssein radhiyallah ‘anhou sy
ireo zanak’I Hassan radhiyallah ‘anhou ary ny fianakaviany maro maro. Nitondra zanak’I Cousin –nazy
Mouslim ibn ‘Aqil (‫ )مسلم بن عقيل الهاشمي‬koa izy hanaraka azy. Nitondra an’ny zanak’I Abdoullah ibn Ja’far
Radhiyallah ‘anhou koa izy sy ireo zafiny.

Raha atambatra ireo olona rehetra niaraka aminy dia tsy latsaka 70. Misy milaza 72 misy koa milaza
hatramin’ny 150 maximum. Fianakaviany ny ankabetsahany. Zany hoe: ireo avy amin’ny Ahloul Bayt.

Muhammad ibn Hanafiyah izay mbola rahalahiny dia tsy niaraka taminy fa nanatra azy mba hiova
hevitra ary tsy handeha any. Fa I Houssein Radhiyallah ‘anhou dia tsy nanaiky fa handeha foana.

‘Abdoullah ibn ‘Abbas Radhiyallah ‘anhou tamin’ny fotoana io dia tao Madinah. Rehefa naheno izy fa
hiala ao Makkah I Houssein Radhiyallah ‘anhou ka hitodidoha any Koufah, Iraq dia nivoaka tananan’ny
Madinah izy ka nanakana an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou tamin’ny lalana mba tsy handehanany any
Koufah, Iraq. Fa I Houssein Radhiyallah dia niteny hoe:

“Aleoko toeran-kafa no hisian’ny ady tsy toy izay ao Makkah”

Zany hoe: raha toa ka hiafa amin’ny ady zavatra ity dia aleo amin’ny toeran-kafa no hisian’izany fa tsy
ato Makkah.

Ibn ‘Oumar Radhiyallah ‘anhouma koa nanakana azy tamin’ny lalana.

Ary nanatra azy tamin’ny hadith iray ary nilaza izy hoe: Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam dia
nisafidy Akhira raha nomena safidy izy amin’ny dounia sy akhira ka ianao dia mbola taranaka
Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam ihany. Raha anao hanenjika ny fitondrana dia dounia izany fa
Allah dia nanalavitra anareo taranakany amin’ny fitondrana fa nisafidy ho anareo ny Akhira.

Fa tsy nanaiky I Houssein Radhiyallah ‘anhou fa nandeha ihany. Niala maina ny rehetra nanatra ary ny
zavatra niseho dia efa lahatra ahazo azy koa. Allah Ilay Avo tsy toha efa nandahatr’izany ho azy.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Rehefa izy hiditra ny tananan’ny Iraq dia nandefa iraka izy mba hilaza mialoha fa izy dia efa hoavy. Moa
ve ianareo vonona handray azy amizay.

Ibn Ziyad dia ao Kufah, Iraq. Miandry an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ho tonga. Ny olona rehetra
miditra ao Koufah, Iraq dia arahiny maso daholo. Zany hoe: feno mpitsikolonazy maneran’ny
vavahadin’ny tanana rehetra.

Houssein Radhiyallah ‘anhou mbola tsy mahafantatra fa Ibn Ziyad efa tonga ao. Mbola tsy hainy koa fa I
Cousin –nazy Mouslim ibn ‘Aqil (‫ )مسلم بن عقيل الهاشمي‬dia efa maty. Nivonoin’I Ibn Ziyad.

Tratran’ireo miaramilan’I Ibn Ziyad ny iraka nalefany ary tonga de nivonoindreo.

Tsy niverina ilay iraka. Gaga izy de nandefa iraka faha roa.

Tratran’ireo miaramilan’I Ibn Ziyad ny iraka nalefany faha roa ary tonga de nivonoindreo koa.

Rehefa izy nivonoindreo dia nohentindreo tamin’ny toerana avo talohak’izy matindreo dia nahavita
namoaka feo izy hoe: Mivonosa ianareo vahoakan’ny Kufah, fa Houssein Radhiyallah ‘anhou dia efa ao
ambadika ao. De maty izy.

Taorian’io kely zany hoe: efa ao Iraq izy ary efa manakaiky ny tananan’ny Kufah. Tonga taminy ny afatr’I
Cousin –nazy Mouslim ibn ‘Aqil (‫ )مسلم بن عقيل الهاشمي‬izay nampitany tamin’i Abdurahm ibn Muhammad
ibn Al Ash’as. De ity farany nandefa iraka nanazava ny zavatra rehetra miseho ao Kufah.

Teo zay vo nazava tamin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ny zavatra rehetra fa tena voafitak’ireo Shia izy.
Namadikazy ireo Shia. Namadikan’I Cousin –nazy Mouslim ibn ‘Aqil (‫ )مسلم بن عقيل الهاشمي‬ireo Shia. Zany
hoe: ireo izay milaza fa mankatia ireo Ahloul Bayt. Niantso an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou izy ireo mba
ho Imam na Khalifah ndreo nefa, rehefa nandefa havany sy namany akaiky izy dia nivadika tamin’ny teny
nomena izy ireo navelandreo maty ary nibanjin-dreo I Cousin –nazy Mouslim ibn ‘Aqil ( ‫مسلم بن عقيل‬
‫ )الهاشمي‬zao koa Houssein efa ambavahady ny tanana miandry tour nazy.

Nazony ny afatran’I Cousin –nazy Mouslim ibn ‘Aqil (‫ )مسلم بن عقيل الهاشمي‬hoe: Milefasa anao fa nivadika
taminao ireo Shia ato. Milefasa malaky fa hovonendreo anao.

Kivikivy I Houssein Radhiyallah ‘anhou naheno ilay vaovao satria, anisan’ireo nohentiny nanarak’azy di
any zanan’I Cousin –nazy Mouslim ibn ‘Aqil (‫)مسلم بن عقيل الهاشمي‬. Malahelo izy hitantara amin’ireo zanany
ireo fa papanareo dia maty ary nivoniana tamin’ny fomba ratsy imasombahoaka ary ireo vahoaka
niantso atsika dia nibamjina tsara. Tena mahatsiravina maheno an’ilay tantara fa tahak’izany ny zavatra
niseho.

Rehefa notantaraina tamin’ireo zanan’I Cousin –nazy Mouslim ibn ‘Aqil (‫ )مسلم بن عقيل الهاشمي‬izany dia
nilaza izy ireo fa tsy hiverindalana atsika fa hanao valifaty an’ny papanay. Vonona hijoro izahay.

Nitsanga ny iray tamin’izy ireo ary niteny manao hoe:

Ianao ry Houssein dia tsy tahak’I Mouslim ibn ‘Aqil (‫ )مسلم بن عقيل الهاشمي‬amin’ireo vahoakan’I Koufah.
Rehefa mahita anao izy ireo dia mitsangana avy hatrany ary miaradia aminao.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Rehefa naheno an’izany izy dia nandroso hiditra an-tanana. Ary nanambara ireo namany hoe: izay te
hiverindalana dia mahazo mandeha fa izay te hanaraka aho dia mandrosoa miaraka amiko. Nisy
nandeha nitsoka matahotra maty. Fa ireo tena akaiky azy sy ireo Ahloul bayt no nijanona.

Nihena ny isan’izy ireo. Zany hoe: nidina ho 70 na 72 teo.

Rehefa henon’I Ibn Ziyad fa hiditra antanana I Houssein Radhiyallah ‘anhou dia niantso miaramila teo
tamin’ny manodidina izy ka nahazo miaramila manodidina 4 000 eo hiatrika an’I Houssein Radhiyallah
‘anhou sy ireo mpiaradia taminy. Ireo miaramila ireo dia tsy vonona nde hiady an’I Houssein Radhiyallah
‘anhou fa nisamborina ary nomena baiko hanao an’izany. Saika handeha hanao Djihad tamin’ireo foko
hafa izy ireo ka nosakanan’I Ibn Ziyad.

Ka teo tamin’ny lemaka Karbala no nifanenan’ireo miaramila 4 000 ireo an’I Houssein Radhiyallah
‘anhou sy ireo mpiaradia taminy. Toeana Karbala io dia toerana iray tena efa manakaiky an’ny tanana
Koufah. Tamin’io fotoana io dia faha 3 ny volana Mouharram, taona faha 61 Hijra (volana October taona
680 fanisana Kristianina).

‘Oumar ibn Sa’d ibn Waqqas no lohan’io miaramila 4 000 izay nalain’I Ibn Ziyad io.

Nandefa iraka I ‘Oumar ibn Sa’d ibn Waqqas tamin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou hoe:

Inona ny anton-dianareo ato Kufah?

Namaly I Houssein Radhiyallah ‘anhou hoe:

Tonga aho satria, ny vahoakan’ny Koufah, no nanasa aho ho tonga.

Ireto avy ireo taratasin’izy ireo tonga taminy. Tsy tonga tonga hoazy aho fa izy ireo no niantso aho ka
tonga aho namaly antsondreo.

De nasehony azy ireo ireo taratasy ireo. Izy ireo tsy mitia fitondrana ankehitriny ary izaho namaly
antsondreo.

Raha toa ka tsy avelanareo handeha any izaho dia avelao ary aho hiverina. Raha izay no tianareo.

De nandefa hafatra tamin’I Ibn Ziyad I ‘Oumar ibn Sa’d mahakasika ny zavatra niseho.

De namaly I Ibn Ziyad hoe:

Mila manao velirano amiko izy amin’ny anaran’I Yazid. Nanararaotra I Ibn Ziyad tamin’ny fahefana
nomena azy. Izy irery ihany no nandidy. Satria, I Yazid dia tany Damas izay lavitra Kufah. Tadidio fa
tamin’ny faha 3 ny volana Muharram izy nahazo afatra avy tamin’I Oumar ibn Sa’d io. Tsy possible
tafanoratra amin’I Yazid tsony izy ary Yazid tsy possible tafamaly tsony mandrapifatesan’I Houssein
Radiyallah ‘anhou izay hiseho andro vitsy aorian’io. Izay mbola hitantaraitsika avy eo.

Ahloul Sounnah dia milaza fa tsy I Yazid no tomponandraikitra tamin’ny famonoana an’I Houssein
Radhiyallah ‘anhou fa I Ibn Ziyad.

Hatr’eto koa dia mbola tsy tonga amin’ny baiko hoe: vonoy I Houssein Radhiyallah ‘anhou fa mila manao
velirano. Izay manazava fa tsy ny famonoana an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou no iraka nomen’I Yazid
azy.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Ny zavatra nitsindriny Ibn Ziyad tamin’I ‘Oumar ibn Sa’id izay lehiben’ireo miaramila 4 000 ireo dia ny
fanerena an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou hanao velirano.

Rehefa henon’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ny valiny avy tamin’I Ibn Ziyad izay nolazain’I ‘Oumar ibn
Sa’d de namaly I Houssein Radhiyallah ‘anhou hoe:

Omeko safidy telo ary I Ibn Ziyad

Voalohany, omeo alalana aho hiverina any Makkah.

Faha roa, raha to aka tsy tianareo izany, hentinareo any amin’I Yazid izaho izao de any izahay
mifanazava. Satria, mifankafantatra tsara izy sy Yazid ary efa avy niaraka nanao ady masina tany aloha.

Faha telo, raha toa ka tsy tianareo izany dia alefasonareo sesitany ary aho any amin’ny faritra lavitra
any.

Faly be I Oumar ibn Sa’id ka tonga tany amin’I Ibn Ziyad ary nanazava an’izany.

Ibn Ziyad namaly hoe:

Tsisy ekeko ireo safidy nomeny telo ireo. Fa omeko safidy roa indray izy.

Voalohany, asaivo tonga aty izy manao velirano.

Koa tsy tiany izany dia, mivonosa amin’ny ady ary izy.

De nampiarahiny niaraka tamin’I Oumar ibn Sa’id, lehilahy iray izay miaramila natahorana sy mahavita
miady I “Shimr bin Thiljoshan”. Satria tsapan’I Ibn Ziyad fa tsy ahavita raha I ‘Oumar ibn Sa’id satria,
mitady marimaritra iraisana indray.

Nampiarahin’I Ibn Zayd taminy I “Shimr bin Thiljoshan” mba hanaramaso azy tsara amin’ny safidy roa
izay nomeny an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou.

Rehefa tonga teo tamin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou izy ireo, ny andro tamin’izany dia efa faha 9 ny
volana Mouharram. Zany hoe: teo anelanelan’ny faha 3 sy faha 9 ny volana ny Mouharram dia
fitadiavana marimaritra iraisana foana.

Rehefa tonga teo izy ireo dia nilaza tamin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou hoe:

Na ianao manao velirano amin’I Ibn Ziyad na rahampitso atsika miady.

Taorian’izany dia nisy tamin’ireo miaramila 4 000 ireo nanohana an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou satria,
nahatsapa fa tsy rariny loatra ny zavatra miseho.

Satria, izy ireo tsy tonga nde hamono an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou fa noterena hanakana azy ary
nahatsapa izy ireo hiafara amin’ny famonoana azy ilay toedraharaha.

Ny vahoakan’ny Koufah tamin’io dia au courant tamin’ny zavatra niseho. Fa tsy tonga nanampy azy.

De namaly I Houssein Radhiyallah ‘anhou fa tsy mba hilefitra amin’ny fanaovana velirano amin’I Ibn
Ziyad izany fa vonona hiatrika ny mangidy. Na dia hiafara amin’ny fahafatesana aza izany.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Ka tamin’ny marainan’ny faha 10 ny volana Mouharram taona 61 Hijria no niseho ny famonoana tao
Karbala.

Misy Hadith iray miresaka ny fahafatesan’I Houssein Radhiyallah ‘anhou.

Hadith

‫ط َه َرتِّ ِّه فَلَ َّما‬ْ ِّ‫ب م‬


َ ِّ‫صاح‬ َ َ‫ع ْنهُ َو َكان‬ َ ‫َّللا‬ُ َّ ‫ي‬ َ ‫ض‬ ِّ ‫علِّي ٍ َر‬ َ ‫ار َم َع‬ َ ‫س‬ َ ُ‫ع ْن أَبِّي ِّه أَنَّه‬ َ ٍ ‫َّللا ب ِّْن نُ َجي‬
ِّ َّ ‫ع ْب ِّد‬ َ ‫ع ْن‬ َ ٍ‫ش َرحْ بِّي ُل بْنُ ُمد ِّْرك‬ ُ ‫عبَ ْي ٍد َح َّدثَنَا‬ُ ُ‫َح َّدثَنَا ُم َح َّم ُد بْن‬
ُ‫ت قُ ْلتُ َو َماذَا قَا َل قَا َل َدخ َْلت‬ ِّ ‫َّللا ِّبش َِّط ْالفُ َرا‬ َ ‫ص ِّب ْر أَبَا‬
ِّ َّ ‫ع ْب ِّد‬ ِّ َّ ‫ع ْب ِّد‬
ْ ‫َّللا ا‬ َ ‫ص ِّب ْر أَبَا‬ ْ ‫ع ْنهُ ا‬َ ‫َّللا‬ ُ َّ ‫ي‬ َ ‫ض‬ ِّ ‫ي َر‬ َ ‫صفِّينَ فَنَا َدى‬
ٌّ ‫ع ِّل‬ ِّ ‫ط ِّل ٌق إِّلَى‬ َ ْ‫َحاذَى نِّين ََوى َوه َُو ُمن‬
‫ام مِّ ْن ِّع ْندِّي ِّجب ِّْري ُل‬ َ َ‫ان قَا َل بَلْ ق‬ ِّ ‫ض‬ َ ‫ع ْينَ ْيكَ تَفِّي‬ ْ
َ ُ‫ضبَكَ أ َحدٌ َما شَأن‬ َ َ
َ ‫َّللا أ ْغ‬ِّ َّ ‫ي‬ ْ
َّ ِّ‫ان قُلتُ يَا نَب‬ ِّ ‫ض‬َ ‫ع ْينَاهُ تَفِّي‬ َّ
َ ‫سل َم ذَاتَ يَ ْو ٍم َو‬ َ ‫علَ ْي ِّه َو‬ ُ َّ ‫صلَّى‬
َ ‫َّللا‬ َ ِّ ‫علَى النَّبِّي‬ َ
َ
‫ب فأ ْعطانِّي َها‬ َ َ ُ ْ ً
ٍ ‫ضة مِّ ن ت َرا‬ َ
َ ‫ض ق ْب‬ َ َ َ ْ ُ َ ُ ْ ُ ْ َ َ
َ َ‫ت قا َل فقا َل َهلْ لكَ إِّلى أن أ ِّشمَّكَ مِّ ن ت ْربَتِّ ِّه قا َل قلتُ نَعَ ْم ف َم َّد ي َ َدهُ فقب‬ َ َ َ َ ُ ْ ْ
ِّ ‫سيْنَ يُقت َ ُل بِّش َِّط الف َرا‬ ْ َ َ
َ ‫قَ ْب ُل ف َح َّدثنِّي أن ال ُح‬
َّ َ
)‫ (مسند أحمد بن حنبل‬.‫ضت َا‬ َ ‫ي أ َ ْن فَا‬ َ ْ‫فَلَ ْم أ َ ْم ِّلك‬
َّ َ‫ع ْين‬

Tatitra azo avy tamin’I Abdoullah ibn Nujayy, henony avy tamin’ny papany,

Niaraka nanao dia tamin’I Ali (radhiyallah ‘anhou) izy ary izy dia zatra mitondra miaraka aminy ny rano
nanadiovana. Rehefa tonga teo akaikin’ny Naynawah (Iraq) tamin’izy ireo handeha ao Siffin, niteny I Ali
Radhiyallah ‘anhou hoe:

‘mahareta, o ry Abou Abdillah (Houssein), mahareta ianao eo amin’ny moron’ny Euphrate.

Niteny I Nujayy hoe:

Inona anga izany?

Niteny I Ali Radhiyallah ‘anhou hoe:

Izaho dia niditra tao antranon’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam tamin’ny andro
iray tamin’izany dia nirotsaka ny ranomasony, de niteny aho hoe:

“Fa maninona masonao feno rano maso miraraka avy aminy?”

Namaly izy hoe:

“Tonga tamiko I Jibril Anlayhi salam ary nilaza izy hoe:

Ny vahoakanao dia mbola hamono an’I Houssein eny amin’ny sisin’ny renirano Euphrate (Iraq).

Moa ve tianao aho hampiseho aminao ny sombin’izany tany izany de ho henonao ny fofony?

Eny hoy I Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam. De navavatran’i Jibril Anlayhi salam ny tanany iray
nanakatr’izany sombitany izany ary nomeny aho avy eo ny tapan’ilay tany hifatesany ka nalahelo aho ary
latsadranomaso”

Référence:

• Ahmad ibn Hanbal, Hadith numéro 613, Vol.1


• Silsilat al Ahaadith, Sheikh Muhammad Nasirouddin Al Albani, Vol.3 P.159, hadith numéro
1171.
• Tabarani.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Rehefa tonga ny ady dia niaro azy ireo ireo mpiaradia taminy. Ary I Houssein Radhiyallah ‘anhou koa dia
niady ary nahafaty miaramila maro. Maro tamin’ireo miaramila ireo no tsy nahasahy niady tamin’I
Houssein Radhiyallah ‘anhou fa I “Shimr bin Thiljoshan” izay nahazo baiko avy tamin’I Ibn Ziyad no
nitondra ireo miaramilany ary nanohitra an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou.

Rehefa nandeha ny ady ary tena nafana tokoa dia I “Sinan ibn Anas” no nahasy nanapaka ny lohan’I
Houssein Radhiyallah ‘anhou.

I “Shimr bin Thiljoshan” sy “Sinan ibn Anas” no niaraka namono azy ary nanapaka ny lohany ary nitondra
ny lohan’I Houssein Radhiyallah ‘anhou tamin’I Ibn Ziyad.

Maty I Houssein ibn Ali Radhiyallah ‘anhouma tamin’ny faha 10 ny volana Muharram taona
faha 61 Hijri na taona 680 (fanisana Kristianina). 55 taona izy tamin’io fotoana io.

Rehefa tonga tamin’I Ibn Ziyad ny lohan’I Houssein Radhiyallah ‘anhou dia naka tapakazo izy ary
nitondrotondroiny tamin’ny molotran’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ary niteny zavatra maro izy ho
fanaratsiana azy.

Anas ibn Malik Radhiyallah ‘anhou tamin’io teo ary nahita izany zavatra izany. Efa antitra be izy
tamin’izany ary nilaza izy hoe: izaho dia mifanta amin’I Allah fa izaho dia nahita an’I Mpaminany
Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam nanoroka io molotro io. Ary I Houssein Radhiyallah ‘anhou no
tena mitovy tanteraka amin’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam amin’ny lafiny maro.

Niisa 15 tamin’ireo maty tao Karbala dia Ahloul Bayt avokoa.

Ali Zayn al ‘abdidina izay zanak’I Houssein Radhiyallah ‘anhou teo tamin’io fa tsy maty satria izy dia
narary tamin’io ka niaraka tamin’ireo vehivavy.

Efatra taona taorian’io. Zany hoe tamin’ny taona 65 Hijria, ireo izay milaza azy ireo hoe: Shiatou ‘Anliy ( ‫شيعة‬
‫ )علي‬dia nahatsapaka alahelo izy ireo ary nanenina tamin’ny zavatra izay nataondreo an’I Cousin –n’I
Houssein Radhiyallah ‘anhou Mouslim ibn ‘Aqil sy tamin’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ary tamin’ireo Ahloul
Bayt izay maty tao Karbala. Ka nisy vondrona iray avy tamin’izy ireo no nipoitra. Io vondrona io no miantso
anarandreo ho ‘At Tawaboun’ (ireo izay nifona) izy ireo dia nanao voady fa hamalifaty an’I Houssein
Radhiyallah ‘anhou ary vonona nde hanenjika an’I Ibn Ziyad rehefa tonga teo Karabala izy ireo dia nitomany
ary naneho alahelo.

Nanomboka teo no nipoitra ny fandehanana tao Karbala voalohany. Tamin’izany izy mbola tsy obligatoire fa
fahatsapan-tena. Ary tsy ireo milaza ho Shia rehetra no resilahatra tamin’izany afa tsy io vondrona ‘At-
Tawaboun’ ireo ihany.

Teo koa nipoitra ny fikapohana ny tratra sy vatana izay nataon’ireo Shia. Satria, nalahelo izy ireo tamin’ny
famitahandreo an’I Houssein Radhiyallah ‘anhou ka mifona. Fa tsy hanao tsony.

Nanomboka teo no teraka ny fotopinoana iray n’ireo Shia mahakasika ny Karbala. Lasa tafiditra ao anaty
finoana ny Karbala. Ny vondrona iray tao anatin’ny vondrona Shia izay namitaka an’I Houssein Radhiyallah
‘anhou antsoina hoe: ‘At Tawaboun’ (ireo izay nifona) no namorona azy.
Talohak’io dia, nitoetra tamin’ny sehatra Politika (fitantana ara-panjakana) foana ny resaka hoe: Shia. Zany
hoe: izahay dia manohana an’I Ali Radhiyallah ‘anhou sy ny fianakaviany.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Talohak’io dia: Oummayyad sy Ahloul Bayt no nifandona ara-politika. Mbola tsy tafahorina ny ratsamangaika
ny fotopinoanan’ny Shia ankehitriny. Fa taorian’ny fahafatesan’I Houssein Radhiyallah ‘anhou indrindra
tamin’io taona 65 hijria io dia lasa tafiditra ao anaty finoana ilay izy.
Tsy nisy ny fanaratsiana ireo Koulafah tamin’izany fa taorian’ity dia nanomboka ny fanaratsiana azy ireo.

Iray amin’ireo boky nanova ny tantara ny Nahj Al Balaaghah. Ity boky ity dia nisoratana efa 350 taona
taorian’ny fahafatesan’I Ali Ibn Abi Talib Radhiyallah ‘Anhou. Ary tsy ahitana Isnad ny zavatra resahiny ao. I
Sharif ar Radiy no voalazan’ireo shia nanoratra azy io. Io boky io dia ahitana fanaratsiana an’ireo Khoulafah
(Abou Bakr, Oumar,…etc). Namorona teny maro sy hadith izy ireo izay lazaindreo fa avy tamin’I Ali
Radhiyallah ‘Anhou.

Tamin’ny taona 122 Hijria, tao Koufah, Iraq dia niverina indray mandeha ny tantara nahazo an’I Houssein
Radhiyallah ‘anhou tamin’iray tamin’ireo zafiny. Tsy iza izany fa I Zayd ibn Ali ibn Houssein ibn Ali ibn Abi
Talib Radhiyallah ‘anhoum ajma’in.

Mitovy tanteraka ny zavatra niseho fa ny tsy mampitovy azy dia efa lasa nivoatra ny vondrona Shia tamin’io.
Efa manaratsy an’ireo Khoulafah (Abou Bakr, Oumar sy Outhman).

Rehefa izy nantsoindreo ho tonga ao dia nametrahandreo fanontaniana izy hoe:

Moa ve ianao manaratsy an’I Abou Bakr sy Oumar?

Namaly izy hoe:

Izy ireo dia Wazir (vizir, minisitra) ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam.

Tezitra izy ireo ka nitsipahandreo ny Imam ndreo.

Ary nanomboka teo no nazahoan’ireo Shia ankehitriny anarana hoe: Rafidha

Rafd dia ny hoe: Manda na Mandao Manary, tsy manaika ho,…Etc.

Ireo Shia Rawafidh dia ireo Shia izay milaza fa manaraka an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou nefa mankahala sy
miteny ratsy ary milaza fa Kouffars ireo Khalifah roa: Abou Bakr sy Oumar Radhiyallah ‘Anhou.

Na iza na iza mankatia an’I Abou Bakr Radhiyallah ‘anhou dia antsoindreo Shia ho ‘Naasibi’

Inona ny antony nanomezana an’io anarany io azy ireo?

Nomena anarana io izy ireo rehefa izy ireo tsy nankasitraka an’I Zayd ibn Ali ibn Houssein ibn Ali ibn Abi Talib
(Zafin’I Houssein teraka tamin’ny taona 695 fanisana Kristianina) ary nanda azy sy nandao azy tamin’ny
taona 121 - 122 Hijri. Tsy vitan’izany koa I Zayd ibn Ali dia nankatia an’ireo Khalifah roa (Abu Bakr sy Oumar)
ary nanome lanja azy ireo mihoatra an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou. Rehefa nitarika fitokonana ary fakana
fahefana tao koufah, Iraq I Zayd ibn Ali dia maro tamin’ireo mpomba azy naniratsira an’ireo Sahabah ka
nanariny de tezitra ireo mpomba azy ka niataka azy. Reo no nantsoiny ho: Rawafidh voalohany. Teo no
nipoinan’io anarana io.

Référence:

Ar Razi sy Ibn Taymiyyah.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Halan’ireo Shia ankehitriny no antsoina hoe : Shia Rawafidh izany. Satria Zafiafin’I Ali Radhiyallah ‘Anhou
antsoina hoe: Zayd ibn Ali no niantso azy ireo tahak’izany. Ka matahotra atao tsy ho Vrai Shia reo de
mankahala io anarana io. Nefa, raha jerena ny fotopinoandreo dia tena reo mihitsy ilay izy.

Tamin’izany fotoana indray dia i Yusuf ibn Umar al-Thaqafi no teo tamin’ny toeran’I Ibn Ziyad ary niafara
tamin’ny famonoana an’I Zayd ibn Ali ibn Houssein Radhiyallah ‘anhou.

Nanomboka teo dia teraka indray ny Shia Zaydi. Zany hoe: Shia tsy miombokevitra amin’ny fanaratsiana
an’ireo Khoulafah (Abou Bakr, Oumar sy Outhman).

Référence:

Bokin’ny Shia mitantara an’ity tantara ity voalohany dia i Abou Mikhnaf (maty tamin’ny 157 hijria).
Loharano voalon’ny boky nisoratany dia very fa ny mpianatrany antsoina hoe: Hisham Ibn Al-Kalbi (maty
tamin’ny taona 204 hijria) no nanoratra azy. Maro ireo foromporona nataondreo tao anatin’izany boky
izany. Rehefa nandinika ny Oulama taty afara dia nanazava ireo foromporona ireo.

Raha jerena ny bokin’ny tantara dia miisa dimy ireo boky ireo no nitantara an’ity tantara ity tany taloha:

1. “Maqtal al-Husayn” nisoratan’I Abou Mikhnaf (mpanoratra Shia)


2. “Maqtal al-Husayn” nisoratan’I Ibn Sa'd al-Baghdadi, (Mpanoratra Sounni),
3. “Maqtal al-Husayn” nisoratan’I Al-Baladhuri, (Mpanoratra Sunni)
4. “Maqtal al-Husayn” nisoratan’I Abū Ḥanīfa Dīnawarī,
5. ary “Maqtal al-Husayn” nisoratan’I Ahmad ibn A'zham

Ny fotopinoan’ireo Shia,

Miteny i Allah Ilay Avo tsy toha manao hoe :


َ ْ َّ َ َ ِّ َّ
‫اْل ْسَل ُم‬
ِ ‫اّلل‬
ِ ‫ِإن ا ِدلين ِعند‬

“Tena marina fa ny finoana eo anatrehan’i Allah dia ny Islam”

Référence :

Ny boky manan-kaja Kour’any Sourate Al Imran 3 ayat 19.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Manaiky an’io daholo ny Mpino islam rehetra afa tsy ireo Mpiatsaravelatsihy ihany.

Fanontaniana mipetraka hoe:

Inona avy ny fototra iorenan’ny finoana Islam?

Mamaly ny Ahloul Sounnah manao hoe:

Tatitra azo avy tamin’I Ibn Oumar Radhiyallah ‘Anhou,

ِّ َّ ‫ع َم َر ـ رضى هللا عنهما ـ قَا َل قَا َل َرسُو ُل‬


‫َّللا صلى هللا‬ َ ،ٍ‫ع ْن ِّع ْك ِّر َمةَ ب ِّْن خَا ِّلد‬
ُ ‫ع ِّن اب ِّْن‬ َ ،َ‫س ْفيَان‬ُ ‫ظلَةُ بْنُ أ َ ِّبي‬ َ ‫ قَا َل أ َ ْخبَ َرنَا َح ْن‬،‫سى‬
َ ‫َّللا بْنُ ُمو‬ ُ ‫َح َّدثَنَا‬
ِّ َّ ‫عبَ ْي ُد‬
‫ضا َن "عليه وسلم‬ َ ‫ص ْو ِّم َر َم‬
َ ‫ َو‬،‫ج‬ ْ َّ ِّ‫ َوإِّيتَاء‬،ِّ‫صالَة‬
ِّ ‫ َوال َح‬،ِّ‫الزكَاة‬ َّ ‫ َوإِّقَ ِّام ال‬،ِّ‫َّللا‬ َ
َّ ‫َّللا َوأ َّن ُم َح َّمدًا َرسُو ُل‬ َّ َ
ُ َّ ‫ش َها َدةِّ أ ْن الَ إِّلَهَ إِّال‬
َ ‫اإل ْسال َ ُم عَلَى خ َْم ٍس‬
ِّ ‫ِّي‬ َ ‫" بُن‬.

“Ny finoana Islam dia miorina amin’ny andry dimy: Ny fijorona vavolom-belona fa tsy misy Zanahary
(mendrika tompoina) afa tsy Allah ary Mouhammad dia Irak’Allah, ny fanatanterahana ny fivavahana dimy
isan-andro, ny famoahana Zakât, ny fivahinianana any amin’ny Trano masina ary ny fifadiankanina
mandritran’ny volana Ramadan”.

Référence:

Sahih Bukhari, Hadith numéro 8, Boky faha roa, Hadith 1.

Mamaly ireo Shia hoe: Non, tsy ekenay io fa ny fototra iorenan’ny finoana islam dia:

1-Ny Tawhid (Ny finoana Islam dia miorina amin’ny andry dimy: Ny fijorona vavolom-belona fa tsy misy
Zanahary (mendrika tompoina) afa tsy Allah ary Mouhammad dia Irak’Allah)

2-‘Adalat (Ny Fahamarinana)

3-Noubouwat (Faminaniana)

4-Imamat (Fanendren’I Allah ireo Imaam ohatra: Ali, Hassan, Houssein,…etc)

5-Qaiyamat (Ny andro farany, na finoana ny andro farany).

Référence:

Fanazavana azo avy tamin’ireo Manampahaizana Shia, ohatra Sheykh Sadouq, I’tiqadat Al Imamiah, Page 83.

NB:

Tena, tsy raharahindreo ny tenin’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam izay hita ao amin’ny
Sahih Bukhari, Sahih Muslim, Tirmidhi, Ibn Majah, Nasai,…etc

Fa namorona fotopinoana ho an’ny finoana islam izy ireo.

Mazava aminao fa ireo Shia dia Sekta satria na amin’ny fotopinoana dia efa tsy ekendreo fa reo efa namorona
fotopinoandreo manokana amin’ny islam izay tiandreo.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Inona ny fepetra mahatonga asa soa ny mpino islam ho eken’I Allah hoy ireo Shia?

Valiny:

“Izay tsy manaiky ny fitondran’ilay lehiben’ny Mpino (Ali radhiyallah ‘anhou) dia, ho zavapoana ny asa soa
vitany rehetra”

Référence:

• Tafseer Ql-Qummi p. 344 (Surat Ibrahim);


• Tafseer Noor Ath-Thaqalain 2/533 Hadeeth 46 (Surat Ibrahim)
• Bihaar Al-Anwaar 27/166.

Nb:

Izany hoe: raha toa ka tsy nekenao fa Ali Radhiyallah ‘anhou no Mpitondra voalohany aorian’ny
Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam dia lasa zavapoana ny asa soa vitanao rehetra hoy ireo
Shia.

Nifafan’ireo Shia tanteraka ny 24 taona izay tsy nitondran’I Ali Radhiyallah ‘anhou. De terendreo handa ny
fitondran’I Abou Bakr, Oumar sy Outhman radhiyallah ‘anhoum ianao.

Rehefa maty I Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam hoy ireo Shia dia tonga de Ali
radhiyallah ‘anhou no nitondra.

Anareo ve manary jery sa ahoana? Sa nianjahan’ny masantoko? Izany ve eken’ny saina ? Tantara tao
anaty 24 taona mila gommer-nareo? De terenareo hino sy hanaraka izahay?

Iray amin’ny finoan’ireo Shia dia ny hoe: boky kour’any manan-kaja eo ampelatanatsika izao dia tsy
feno fa nisy nangalana. I Abou Bakr sy Oumar ary Outhman no nanala ayaat maro avy tao anaty
kour’any.

Porofo n’izany teny izany dia hita ao amin’ny boky nisoratan’ny Manampahaizandreo:

Ohatra:

1) Muhammad bin Al-Hasan As-Saffaar (maty tamin’ny taona 290 Hijria)

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Niteny izy ao anaty bokiny.

Fa Niteny I Abou Ja’far manao hoe: “Raha bokin’I Allah no resahitsika dia nanaovandreo hosoka izany
(nisy nanesorandreo) ary ny Ka’abah dia nipotihindreo ary ireo Ahloul Bayt dia nivonindreo ary ny
fitokisana nomen’I Allah azy ireo dia nitsipahandreo”

Référence:

Basaa’ir Ad-Darajaat vol. 2 page 296 Resadresadresaka faha 3 (fanazavana tenin’ny Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa
salam hoe: Misy zavatra lehibe roa no avelako aminareo: Kour’any sy ireo ahloul Bayt
Hita ao amin’ny boky mitondra lohateny hoe: ‘Fasl Al-Khitaab fii Tahriif Kitaab Rabb Al-Arbaab, pages 26
(Fampidirana faha telo)

Ny finoana miafina izay tsy tian’ireo Shia ho hainao mahakasika ny finoandreo,

Iray amin’ny finoan’ireo Shia dia ny hoe: boky kour’any manan-kaja eo ampelatanatsika izao
dia tsy feno fa nisy nangalana. I Abou Bakr sy Oumar ary Outhman no nanala ayaat maro avy
tao anaty kour’any.

Porofo n’izany teny izany dia hita ao amin’ny boky nisoratan’ny Manampahaizandreo, ny
hadith maro niforomporonindreo,

Ohatra:

Miteny i Allah Ilay avo tsy toha manao hoe:

َ ُ‫ِي َولَ ْم ن َِجدْ لَه‬


‫ع ْز ًما‬ َ ‫ع ِهدْنَا إِلَ ٰى آدَ َم مِن قَ ْب ُل فَنَس‬
َ ْ‫َولَقَد‬

« Ary tena efa nandidy an’i Adama Izahay teo aloha, saingy nanadino izy; ary tsy nahita
fanapahan-kevitra hentitra tao aminy Izahay »

Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any sourate Taha 20 ayat 115

Tafsir marina mahakasika io ayat io dia ny hoe:

Ny filazan’I Allah hoe:


‫ع ِهدْنَا ِإلَ ٰى آدَ َم‬
َ ْ‫َولَقَد‬

“…Ary tena efa nandidy an’i Adama Izahay teo aloha…”

Dia hita amin’ny ayat manaraka hoe:

‫عد ٌُّو لَّكَ َولِزَ ْو ِجكَ فَ َال ي ُْخ ِر َجنَّكُ َما مِنَ ْال َجنَّ ِة فَت َ ْش َق ٰى‬
َ ‫فَقُ ْلنَا يَا آدَ ُم ِإ َّن َه ٰـذَا‬

Dia niteny Izahay hoe: “O Ry Adama, tena marina fa fahavalo ho anao sy ho an’ny vadinao
tokoa izy. Koa aoka tsy havoakany avy ao amin’ny paradisa ianareo, fa ho lasa ory ianareo”

Ary hita amin’ny Sourate maro ao anaty Kour’any ohatra:

َّ ‫ش َج َرة َ فَتَكُونَا مِنَ ال‬


َ‫ظالِمِين‬ َّ ‫ْث ِشئْت ُ َما َو َال ت َ ْق َر َبا َه ٰـ ِذ ِه ال‬ َ ‫َوقُ ْلنَا َيا آدَ ُم ا ْسكُ ْن أَنتَ َوزَ ْوجُكَ ْال َجنَّةَ َوكُ َال ِم ْن َها َر‬
ُ ‫غدًا َحي‬

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Ary niteny Izahay hoe: "O Ry Adama, mipetraha ianao sy ny vadinao ao amin’ny Paradisa,
ary mihinàna izay ao aminy an-kalalahana amin’izay tianareo roa, ary aza manatona an’io
hazo io, fa ho lasa anisan’ireo mpanao ny tsy rariny ianareo roa.

Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any sourate Al Baqarah 2 ayat 35


Nefa, raha mamadibadika ny Hadith ny Shia atsika dia mahita tahak’izao:

Hadith niforomporonindreo,

Al Housayn ibn Mouhammad dia nitatitra avy tamin’I Mou’alla ibn Muhammad avy tamin’I
Ja’far ibn Mouhammad ibn ‘Oubayd Allah avy amin’ny Mouhammad ibn ‘Isa al Qoummi,
avy amin’I Mouhammad ibn Soulayman, avy amin’I Abdoullah bin Sinaan fa nianiana
tamin’ny anaran’I Allah I Abou Abdoullah fa tahak’izao ny ayat (voalohany) nidina (teo
amin’ny toeran’io ayat io) tamin’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam:

“Ary tena efa nandidy an’i Adama Izahay teo aloha mahakasika an’I Muhammad, Ali,
Fatimah, Al Hassan, Al Houssein ary ireo Imams fa hadinony (Adama)”

Référence:

Ousool Al-Kaafi,vol. 1 p. 314

Na

Hadith numéro 1 100, Toko faha 108, Hadith numéro 23.

‫يل فِي ْال َواليَ ِة‬


ِ ‫َف مِنَ الت َّ ْن ِز‬
ٌ ‫بَابٌ فِي ِه نُكَتٌ َو نُت‬

Fanazavana fohifohy avy amin’ny boky manan-kaja Kour’any mahakasika ny ‘Walayah’


(Fitondrana ara-pinoana avy amin’I Allah)

Boky nisoratan’i Muhammad ibn Ya'qoub al-Kulayni (izay maty tamin’ny taona 329 Hijria na
941 (fanisana kristianina).

Zany hoe:

Namorona hadith mihitsy ireo Shia ary ataondreo avy tamin’ireo Imam izay lazaindreo fa
tiandreo ary tsy manao diso fa ny boky manan-kaja kour’any ankehitriny dia efa niova.

Ohatra:

io Sourate Taha 20 ayat 115 io dia nahitana anarana ireto tamin’ny voalohany:

Muhammad (Salallah ‘anlayhi wa salam),


Ali,
Fatimah
sy Al Hassan
ary Al Houssein (Radhiyallah ‘anhoum).

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Io no finoana ao ampondreo ao fa tsy tiandreo ho hainao. Mody sary miteny hoe: Kour’any io
feno. Nefa, en meme temps reo manalikalika an’I Abou Bakr Radhiyallah ‘anhou sy Oumar
Radhiyallah ‘anhou ary Outhman Radhiyallah ‘anhou. Sahindreo mihitsy miteny fa olona
Kaafirs reo. Nefa, ireo no nampita sy nanao ny Kour’any ho Moushaf ary nanaparitakazy.
Al Hamdou Lillah, miharihary tsara aminao izao ny Nifaq (fiatsaram-belatsihy) n’ireo Shia
amin’izao.

Raha ao anaty vondrona io anao dia miala malaky fa tsao tratran’ny fahafatesana ao anao fa
maty kopindra eh. Manaova Tawbah haingana insh’Allah. Allah hamela heloka anao
insh’Allah.

Iray amin’ny finoandreo koa dia ny finoana ny Imam ndreo ho mahalala ny zavadrehetra:

“Marina tokoa fa fantatro ny ao anaty lanitra rehetra sy ao anaty tany. Fantatro ny ao anaty Paradisa
sy ny ao anaty afo be ary fantatro koa ny zavadrehetra nisy sy ny zavatra rehetra misy (ankehitriny)
ary ny mbola hisy (amin’ny ho avy)”

Référence:

• Bihaar Al-Anwaar 26/111 resadresaka faha 8.

Ireo Shia dia faly sy ravo ary manao fety lehibe ho fitsingerenana ny fahafatesan’I Oumar Ibn Al
Khatwab Radhiyallah ‘anhou.

Satria, hoy izy ireo hoe: Oumar ibn Al Khatwab Radhiyallah ‘anhou dia Kafir sy fahavalon’ny finoana
Islam.

Tena namorondainga ireo shia raha nilaza hoe:

Niteny I Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam tamin’i Hassan sy Houssein (Radhiyallah
‘anhoum) hoe:

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


“Izany dia andro izay nakan’I Allah ny fanahin’ny fahavalony sy fahavalon’ny dadilahinareo
(Muhammad). Izany dia andro izay nanakanan’I Allah ny fahefan’ireo izay mankahala anareo sy ireo
izay mpanohana azy ireo…. Izany dia andro izay hanalan’I Allah baraka ireo izay nandrobaka
fitondrana tamin’ireo fianakavian’ny Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam…. Ho afabaraka ireo izay
mitarika olona avy amin’ny marina ka makany amin’ny fahaverezana, nanova ny Kour’any sy
Sounnah izy ireo. …Allah dia niteny hoe:

Nirahiko Ireo Kiraam kaatibin (ireo anjely mpandray antsoratra ny asan’olombelona) mba tsy
hanoratra ny asan’olombelona mandritran’ny telo andro (taorian’ny fahafatesan’I Oumar Radhiyallah
‘anhou) ary tsy hisoratako ny fahotana ataon’olona amin’izany. O ry Muhammad, izany andro izany
dia andro fety. Ka mianiana aho fa na iza na iza mifety miaraka amin’ny fianakaviany amin’izany
andro izany dia hampitomboiko ny harenany sy halavam-piainany. Sady avotako amin’ny afo be izy,
ary ho raisiko ny asa soany rehetra ary ho fafako ny fahotana vitany”

Référence :

• Al-Anwaar An-Nu’maaniyyah 1/108-111.

Boky nisoratan’i « Ni'matullah al-Jazaa'irii » manampahaizana Shia malaza. Niteny Imam Abou
Hanifah (Rahimahullah):

“Izay olona mbola misalasala (taoriany nanazavana aminy ny porofo rehetra) amin'ny maha
Kafir ireo Shia, dia izy koa Kafir mitovy amin'izy ireo”

Niteny Imam Ahmad Ibn Hambal (Rahimahullah):,

“Ny Shi'ah Raafidwa dia tsy misy ifandraisany amin'ny finoana islamo”

Niteny Imam As-Shaafi'i(Rahimahullah):

“Izaho tsy mbola nahita iray amin'ireo olon'ny sitrapo mandainga kokoa mihoatra ireo Shi'ah
Raafidwa”

“Mikatsaha fahalalana avy amin’ny olona tsy ankanavaka ianao afa tsy avy amin’ireo Shia
ihany satria izy ireo dia mpamorona Hadith”

Référence: Minhaj As Sunnah An Nabawiyyah 1/38-39

Niteny Imam Maalik (Rahimahullah),

“Izay miteny ratsy ireo Swahaabah ny mpaminany dia tsy misy anjara-toerany amin'ny
finoana islamo”

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


“Aza mba maka Hadith avy amin’ireo Shia mihitsy ianao fa izy ireo dia mpandainga amin’ny Hadith”

Référence:

Minhaaj as Sunnah, 1/37.

Niteny I Imam Ibn Al Mubaarak (ʿAbd Allāh ibn al-Mubārak) teraka tamin’ny taona 118
Hijria hoe:

“Ny finoana dia alaina avy amin’ireo mpandalina ny Hadith sy ireo izay nahavita fianarana
amin’izany ary ny lainga dia azo avy amin’ireo Shia”

Niteny I Abu Zur’ah ar Razi manao hoe:

“Raha mahita olona iray ianao maniratsira iray amin’ireo Sahabah, fantaro fa io olona io dia
efa tsy mpino islam intsony”

Niteny I Ibn Hazm Al Andalousi manao hoe:

“Ireo Shia dia tsy mpino islam”

Ireo Shia Rawaafidh,

Ny fiovana nisy tamin’ny fotopinoan’ny Shia voalohany,


Nitatitra I Ibn Battah fa niteny taminy ny Sheykh nazy Abou Al ‘Abbaas ibn Masrouq niteny I
Shahr ibn ‘Atiyyah tamin’I Abou Ishaaq as Soubay’i hoe:

‘Tamin’izaho niala tao Kouffah, Iraq dia tsy nisy olona na dia iray aza tamin’ny vondrona
Shia tao nanana ahiahy fa tsy mendrika ho Khalifah I Abou Bakr sy Oumar na koa hoe:
olondratsy izy ireo roa ireo. Fa izao indray izaho niverina eto. Lasa niova tanteraka ny fomba
fijerin’izy ireo. Tena tsy fantatro intsony ny zavatra avoakan’ny vavandreo izany’.
I Abou Ishaaq as Soubay’i ity dia lehilahy mpino islam iray izay teraka nandritra ny Khilafah
ny Outhman Taona 32 hijri (653) ary maty tamin’ny taona 127 Hijri. Nandritra ny Khilafah
ny Ali Radhiyallah ‘Anhou dia mbola zaza kely izy tamin’izany.
Nitantara izy fa tamin’izany dia mbola tadidiny ny Papany mitondra azy tao Masdjid ary
mihaino an’I Ali Radhiyallah ‘Anhou manao Khoutbah.

Zany hoe: Ny fotopinoana n’I Shia izay hitatsika ankehitriny izay miteny hoe:

« Izahay dia mino fa tsy maintsy miataka tanteraka amin’ireo sary sikotra roa (Abu bakr,
Omar, Othman ary Mu’awiyah). Tsy possible aminay mihitsy ny mino an’i Allah sy ny
irakany ary ireo Imams raha tsy miataka azy ireo »

Référence : Haqqul Yaqeen 2 : 519

NB:

Raha ao anaty vondrona io anao dia miala malaky fa tsao tratran’ny fahafatesana ao anao fa maty
kopindra eh. Manaova Tawbah haingana insh’Allah. Allah hamela heloka anao insh’Allah.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92


Dera sy voninahitra anie ho an’I Allah nanome atsika hery sy tanjaka nahavita
nanao ny famintinana ny tantara niforonan’ny Shia. Mino izaho fa mahay mitantara
tsara anao izao mahakasika ny fomba fiforonan’ny Shia. Ary ho sarotra amin’ireo
Shia ny hamitaka anao amin’ny resaka tantara ny Shia. Nomena anao am-po madio
ny tantara noho ny antony fitiavana anao noho ny foton’I Allah irery ihany.

﴾١٢٧﴿ ‫س ِمي ُع ْال َع ِلي ُم‬ َ َ‫َر َّبنَا تَقَب َّْل ِمنَّا ۖ ِإنَّ َك أ‬
َّ ‫نت ال‬
Rabbanaa Taqabbal Minnaa Innaka Antas Sami’oul ‘anliim

« Tomponay O ! Mba raiso asa vitanay. Amin’ny tena marina Ianao dia, Mpaheno indrindra ary
Mpahay indrindra »

Référence:

Ny boky manan-kaja Kour’any Sourate Al Baqara 2 ayat 127.

Ainga anie mba ho iray amin’ireo asa soa tsika amin’ny andro farany ny fampitana sy
fahazahoana an’ity tantara ity.
Aza hadino ny mangataka Dua tsara hoan’izay nahavita namoy fotoana maro tamin’ny fandikana
azy ka nahatonga anao hahazo azy tsara ankehitriny.

Nisoratan’i Mr. ACRAM Contact : 032 04 036 92

You might also like