Download as pdf or txt
Download as pdf or txt
You are on page 1of 88

Notontosain’i

Dr. A.L. sy Joyce Gill

Gill Ministries
www.gillministries.com
NY VONINAHITRA
LESONA 1 – MANKANESA AO AMIN’NY VONINAHITRA 7
INONA NO VONINAHITRA?
HERY SY VONINAHITRA
ANDRIAMANITRY NY VONINAHITRA
VOAFORONA HO VONINAHITRA

LESONA 2 – FISARAHANA HO AMIN’NY VONINAHITRA 20


FANOMBOHANA FAMANTARANA VAOVAO
SAFIDY TOKONY HO ATAO
NY TARANAK’I JAKOBA

LESONA 3– ENTERING INTO THE GLORY 32


NY KIANJA IVELANY
NY TOERANA MASINA
NY TOERANA MASINA INDRINDRA
ALITARA VOLAMENA HO AN’NY DINTI-KAZO MANITRA
MIDITRA AMIN’NY VONINAHITRA
MITOMBO HATRANY HATRANY IZANY

LESONA 4 – HERY AHAFAHANA MANKAMIN’NY VONINAHITRA 47


ALOKY NY FAHAMAIZINANA
NY TOMPON’NY HERY MANAFAKA
NY FIANKOHOFANA DIA MANOKATRA NY LANITRA

LESONA 5 – FISEHOAN’NY VONINAHITRA 61


MIDITRA AO AMIN’NY TONTOLON’NY FANAHY
FISEHOAN’NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA

LESONA 6 – FANAMBARANA NY FIANGONAN’NY VONINAHITRA 73


FAHALALANA NY VONINAHITRA
NY ZAVA-MIAFINA – FIANGONAN’NY VONINAHITRA
NY TOERANA MIAFIN’NY AVO INDRINDRA
ILAY FIANGONANA BE VONINAHITRA
REHEFA MAMENO NY TANY NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA
Lesona 1
Mankanesa Ao Amin’ny Voninahitra
Vao haingana tanatin’ny taona maromaro, dia niaina
fihetsehan’ny Fanahin’Andriamanitra izahay. Ny Fanahy
Masina dia namerina ny fahamarinana tao am-piangonana
vao tsy ela amina fatra mihalehibe hatrany hatrany. Nisy
vanim-potoana fanavaozana sy fifohazam-panahy. Betsaka,
ireo izay efa tsy afa-po tamin’ny fiangonana mahazatra
fotsiny, no tonga tamina fanambarana vaovao sy
fifandraisana amin’ny mahaolona an’i Jesosy Kristy.
Tanatin’ireo hetsika vao haingana ireo, dia betsaka np
nandray ny batisan’ny Fanahy Masina, no nofenoina ny
hery avy any ambony, ary nanomboka nampiasa ny
fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina. Betsaka no
nianatra ny fomba fihaino ny feon’Andriamanitra ary
nanomboka naminany. Tamin’ireo hetsik’Andriamanitra
ireo dia betsaka no nanomboka nahatsapa fanasitranana sy
fahagagana tsy takatry ny saina amin’ny fiainany
andavanandrp sy ny asa fanompoany.
Na izany aza, dia mino izahay fa mbola misy mihoatra
hatrany. Mino izahay fa raha misy teny ahafahana
mamaritra ny hetsik’Andriamanitra izay hidirantsika
ankehitriny, dia ny teny hoe “voninahitra.” Ny tanjon’ity
fianarana ity dia ny mba hahatonga antsika tsirairay ho
amin’ny fahalalana feno dia feno sy fahatakarana ny
voninahitr’Andriamanitra. Mba ho hitantsika ny fiainana
am-pifaliana ny tontolon’ny voninahitra izay mahagaga sy
manova fiainana. Rehefa milatsaka amintsika ny
voninahitr’Andriamanitra, dia maro no hahita sy hahatsapa
miaraka amintsika ny fanatrehan’Andriamanitra mahagaga
amin’ny fanehoany ny Tenany ho Andriamanitry ny
Voninahitra.
Faminaniana Momba Ny Voninahitra
­ Nataon’I Hagay
Hagay mpaminany dia nahita ny famerenana ny
voninahitr’Andriamanitra. Ho lehibe lavitra noho ny teo
aloha izany.
Hagay 2:1b, 3, 7, 9 … no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i
Hagay mpaminany nanao hœ…
Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin'ny
voninahiny taloha ? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao?
Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity? ary
hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin'ny
firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro.

7
Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany
aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitœrana ity no
hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
­ Nataon’Isaia
Isaia mpaminany dia nahare ny anjely nifamaly nanao hoe
ny tany dia efa feno ny voninahitry ny Tompo.
Isaia 6:1-3 Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako
ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady
manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly. Nisy
serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny
roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa
nanidinany. Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hœ: Masina,
masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny
tany rehetra.
­ Nataon’I Habakoka
Habakoka mpaminany dia naminany ny fiavian’ny
fahalalana ny voninahitry ny Tompo. Dia ny
voninahitr’Andriamanitra dia efa eto. Ny fahalalana sy ny
fahatakarana izany voninahitra izay ho avy izany.
Habakoka 2:14 Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i
Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
INONA NY VONINAHITRA?
Andriamanitra dia Andriamanitry ny Voninahitra. Ny
Fanahy Masina no Fanahin’ny Voninahitra, ary Jesosy,
Mpanjakan’ny Voninahitra, no fisehoan’izany voninahitra
izany. Ka dia zava-dehibe no hahafantarana ny atao hoe
voninahitra; sy ny fahafahantsika mamaritra izany.
Fanatrehan’Andriamanitra
Ny voninahitra no fisehoan’ny fanatrehan’Andriamanitra.
Ary izany voninahitra izany dia miseho ao anatin’ny
Baiboly, izany voninahitra izany dia miseho amin’ny
endrika maro samy hafa.
Ny famaritana amin’ny teny Hebreo sy Grika ny
voninahitra dia mitovy. Ny voninahitra dia fahatsarana,
fahazavana, na jiro mamirapiratra– lazaina hoe tara-
pahazavana lehibe (ny famirapiratana ivelany avy amina
taratra mazava).
Shekinah
Ny teny Hebreo hoe Shekinah, dia midika hoe “ilay rahon-
mazavan’ny Fanatrehan’Andriamanitra.”

8
­ Tahaka Ny Afo Mandevina
Eksodosy 24:15-17 Dia niakatra tao amin'ny tendrombohitra Mosesy,
ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra. Ary ny voninahitr'i
Jehovah nitœtra teo ambonin'ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona
nanarona azy henemana; dia niantso an'i Mosesy tamin'ny andro
fahafito teo afovoan'ny rahona Izy. Ary ny fijery ny voninahitr'i
Jehovah teo an-tampon'ny tendrombohitra dia tahaka ny afo
mandevona teo imason'ny Zanak 'Isiraely.
­ Andrirahona Tanatin’ny Andro– Andriafo Ny Alina
Eksodosy 40:34-38 Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana,
ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely. Ary Mosesy tsy
nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona
nitœtra teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny
tabernakely. Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona,
dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra; fa raha
tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro
hiakarany. Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony
andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny
taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.
Doxa
Ny teny Grika hoe doxa dia midika hoe “voninahitra.”
Doxa dia fepetra manam-boninahitra indrindra, toerana
misandratra, toerana tanteraka ny amin’ny fitahiana
nampanantenaina ny mpino an’i Kristy. Izany no
fahatsarana tanteraka an’i Kristy sy ny voninahitry ny
fiandrianany.
Ny Teny dia milaza fa isika izao dia amina vanim-potoana
avy amin’ny voninahitra mankamin’ny voninahitra na avy
amin’ny doxa mankamin’ny doxa.
2 Korintiana 3:18 Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia
mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana
hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho
amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.
Kabod
Ny teny tena matetika ampiasaina ho an’ny voninahitra ao
amin’ny Testamenta Taloha dia ilay teny Hebreo hoe
kabod, izay midika hoe “lanja,” na “mavesatra,”
tandindon’ny fahamboniana, fahamendrehana,
famirapiratana, fahatsarana, fahalebiazana, fahatanterahana
izay mahatonga an’Andriamanitra ho mendrika ny fiderana
sy ny fiankohofana ataontsika.
­ Tsy Afaka Miditra

9
2 Tantara 7:1,2 Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy
afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy
ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.
Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah, satria
feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranony.
­ Nanajanona Ny Fanompoana
2 Tantara 5:13,14 Ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny
mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an'i
Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny
trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka
nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony,
dia feno rahona ny tranon'i Jehovah; ka dia tsy nahajanona hanao
fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny
voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra.
­ Vesatry Ny Voninahitra
2 Korintiana 4:17 Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia
mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra
mavesatra maharitra mandrakariva ho anay
­ Hery Manainga
Ezekiela mpaminany dia niteny fa izy dia voainga ary
noentina tao amin’ny kianja anatiny. Ny Fanahy dia afaka
manainga antsika avy amin’ny tontolo ara-boajanahary
mankamin’ny tontolon’ny voninahitra, fa izany ihany koa
dia avy amin’ny tontolo azo tsapain-tanana iray
mankamin’ny tontolo azo tsapain-tanana hafa.
Ezekiela 43:5 Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho
ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny
trano.
­ Tsy Afaka Nijoro
Rehefa nitondra ny Fiaran’ny Fanekena izy ireo (Ny
fanatrehan’Andriamanitra ao amin’ny Tempoly) dia tsy
afaka nijoro nanao fanompoam-pivavahana teo ny
mpisorona noho ilay kabod, dia ilay voninahitra izay
nameno ny Tempoly.
­ Nahatonga Hozohozo
Daniela nanoratra hoe,
Daniel 10:10 « Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy
handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany.

­ Nahatonga Fikarapohana
Ezekiela mpaminany nanoratra hoe,

10
Ezekiela 44:4 Dia nentiny nankamin'ny vavahady avaratra ho eo
anoloan'ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr'i
Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
Matetika rehefa miseho ilay voninahitra kabod, dia
hitantsika fa sarotra ny mijoro.
Rehefa tonga hisambotra an’i Jesosy ireo mpiambina ny
tempoly, dia nanontany Izy hoe, “Iza no tadiavinareo?”
Dia namely Azy izy hoe, “Jesosy avy any Nazareta.”
Hoy Jesosy tamin’izy ireo, “Izaho no Izy,” dia voalazan’ny
Soratra Masina fa nihemotra ka nianjera izy ireo. (Jaona
18:4 – 6)
­ Afaka Ny HoTtonga Tahaka Ny Rahona
Tamin’ny fanokanana ny Tempolin’I Solomona dia tonga
tahaka ny rahona ilay voninahitra.
1 Mpanjaka 8:6 Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny
mpisorona ho ao amin'ny fitœrany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia
ny fitœrana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima,
And 10-11 Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitœrana masina ny
mpisorona, dia nameno ny tranon'i Jehovah ny rahona; ka dia tsy
nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny
rahona, satria ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tranon'i Jehovah.
­ Afaka Ny Ho Tonga tahaka Ny Afo
Tamin’ny fiafaran’ny vavaka fanokanana nataon’i
Solomona dia nilatsaka ny afon’Andriamanitra.
2 Tantara 7:1-3 Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy
afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy
ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.
Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah, satria
feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranony.
Ary nony hitan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny nilatsahan'ny afo sy ny
voninahitr'i Jehovah teo ambonin'ny trano, dia niankohoka tamin'ny
lampivato izy ka nivavaka sy nidera an'i Jehovah, fa tsara Izy, fa
mandrakizay ny famindram-pony.
Lafiny Roa Ny Amin’ny Voninahitra
­ Voninahitra Tsy Milaza Zavatra
Misy lafiny roa ny voninahitra – izay tazominy ho an’ny
Tenany (Voninahitra Tsy Milaza Zavatra) sy izay lazainy
amin’ny olombelona (voninahitra Milaza zavatra).

11
Isaia 42:8a Izaho no Jehovah; izany no Anarako, ka ny voninahitro tsy
homeko ny hafa…
Izay ny mahatonga antsika tokony hitandrina tsara amin’ny
fanomezam-boninahitra ny Anarany.
Salamo 29:2 Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany
Salamo 96:7,8 Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza
voninahitra sy hery ho an i Jehovah. Manomeza an'i Jehovah ny
voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-
kianjany.
Matio 6:13b … Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra
mandrakizay.
­ Voninahitra Milaza Zavatra
Ny Voninahitra milaza zavatra Communicative glory dia
ilay voninahitra izay noforoniny mba ho tsapan’ny
olombelona ary hiseho eto an-tany.
Ichabod
Ichabod dia mifanohitra amin’ny kabod. Midika hoe afa-
boninahitra.
Tamin’ny nanota ny Zanak’Isiraely, ka lasan-ko babon’ny
Filistina ny Fiaran’ny Fanekena izay maneho ny
Voninahitr’Andriamanitra,
Ny vinantovavin’i Ely dia nanao ny anaran’ny zanany hoe Ikaboda, f
ahoy izy “Afa-boninahitra ny Isiraely satria efa lasan-ko babo ny
fiaran’ny fanekena (1 Samoela 4:21,22).
Zavatra tena mahamenatra ilay hoe ichabod, afa-
boninahitra, ary izany dia marina amin’ny fiainan’ny
kristiana maro sy amin’ny fiangonana maro ankehitriny.
Tsy ho amin’ilay namoronana antsika mihitsy isika raha tsy
naverina amin’ny laoniny ilay voninahitra voaforona ho
antsika.

HERY SY VONINAHITRA
Araka ny Soratra Masina, dia miara-miseho ny hery sy ny
voninahitr’Andriamanitra.
Salamo 63:1,2. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady
Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny
nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano; Toy
izany no nijereko Anao tao amin'ny fitœrana masina, hahitako ny
herinao sy ny voninahitrao.
Salamo 145:11 Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady
miresaka ny herinao,

12
Matio 6:13b … Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra
mandrakizay. Amena
Marka 13:26 « Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo
amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra.
Joda and 25 ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny
alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny
fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha
indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.
Apokalypsy 5:13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-
danitra, na izay ety ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay
any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy
nanao hœ: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy
ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary
ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
Apokalypsy 15:8a Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny
voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny
Apokalypsy 19:1 Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon'ny
vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hœ: Haleloia! Ny
famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an'Andriamanitsika;
Rehefa mifindra ao amin’ny tontolon’ny voninahitra isika
dia afaka manantena ny hiasa amin-kery lehibe kokoa.
ILAY ANDRIAMANITRY NY VONINAHITRA
Ilay Ray
­ Lehibe Ny Voninahiny
Davida dia nanoratra momba ny fahalebiazan’ny
voninahiny.
Salamo 138:5b Fa lehibe ny voninahitr’i Jehovah
­ Rain’ny Voninahitra
Paoly apostoly dia niantso Azy hoe Rain’ny Voninahitra.
Efesiana 1:17 mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika,
Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny
fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,

­ Ny Voninahitr’Andriamanitra
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly, dia fantatra amin’ny hoe
Andriamanitry ny Voninahitra Izy.
Asan'ny Apostoly 7:2 fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy
ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin'i Abrahama
razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany
Harana,

13
Ny Fanahy Masina
­ Ny Fanahin’ny Voninahitra
Petera apostoly dia niantso ny Fanahy Masina ho
Fanahin’ny voninahitra.
1 Petera 4:14 fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny
Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
Ny Zanaka
Misy andinin-tSoratra Masina mihoatra ny dimy ambinifolo
izay maneho an’i Jesosy sy ny voninahitra.
­ Ilay Mpanjakan’ny Voninahitra
Davida naminany momba an’i Jesosy ho ilay Mpanjakan’ny
Voninahitra.
Salamo 24:7 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata
ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny
voninahitra.
­ Ilay Fanantenan’ny Voninahitra
Paoly apostoly dia nilaza fa Jesosy ao anatintsika no
Fanantenan’ny Voninahitra.
Kolosiana 1 :27 izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny
haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy
ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;
­ Ilay Tompon’ny Voninahitra
Jakoba apostoly dia niantso an’i Jesosy ho Tompon’ny
Voninahitra.
Jakoba 2:1 Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan'olona ny
finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny
voninahitra.
­ Afaka Ny Ho Hita Ny Voninahitra
Jaona 1 :14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary
hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana
avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
­ Voninahitra Niseho Tamina Endrika Fahagagana
Jaona apostoly dia niteny fa Jesosy dia niseho tamina
fahagagana.
Jaona 2 :11 Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho
voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny
mpianany.

14
­ Ilay Fahazavana Sy Voninahitra
Jesosy dia sady fahazavana no voninahitra.
Apokalypsy 21:23-26 Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny
volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no
nanazava ary, ary ny Zanak'ondry no fanazavana azy.
Ary ny firenena maro no handeha amin'ny fahazavany; ary ny
mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny. Ary ny
vavahadiny tsy harindrina akory amin'ny andro (fa tsy mba hisy alina
ao). Ary ny voninahitra sy ny hajan'ny firenena maro dia ho entina ao
anatiny.
­ Fahalalana Ny Voninahitra
Andriamanitra dia mampamirapiratra ny fahazavany ao
am-pontsika mba hanome antsika fahalalana ny voninahiny.
2 Korintiana 4:6 Fa Andriamanitra, izay nandidy hœ: Aoka ny mazava
hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny
fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny
tavan'i Jesosy Kristy.
­ Famirapiratan’ny Voninahitra
Jesosy no famirapiratan’ny voninahitry ny Ray
Hebreo 1:1-3 Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana
fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy
hafa; dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany
tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra
rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan'ny
voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra
rehetra amin'ny herin'ny teniny;
­ Fiovan-tarehy
Niova tarehy tamim-bonihahitra Jesosy.
Lioka 9:28-32 Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny
izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra
tany an-tendrombohitra hivavaka. Ary raha mbola nivavaka Izy, dia
niova ny tœtry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady
nanelatrelatra.
Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia, izay
niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any
Jerosalema. Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny
namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy
sy izy roa lahy izay teo aminy.

15
­ Fitsanganana Amin’ny Maty
Jesosy dia nantsangan’ny herin’ny Fanahy Masina, ary
Paoly apostoly dia niantso izany ho voninahitry ny Ray.
Romana 6:4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny
fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy
tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa
amin'ny fiainam-baovao.
­ Jesosy Ho Avy Amim-boninahitra
Lioka apotsoly dia nanoratra fa Jesosy dia hiverina amim-
boninahitra.
Lioka 21:27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy
eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
­ Voninahitra Miseho Amin’ny Fahatanterahiny
Ny voninahitr’Andriamanitra dia miseho amin’ny
fahantanterahiny rehetra: fahendrena, hery, fahalalana,
famindrampo, fitsarana sy fitiavana. Ny
voninahitr’Andriamanitra dia maneho haja, fiandrianana
ary ny lanja lehibe ny fahatsaran’ny voninahiny.
Daniela dia nahita izany.
Daniela 7:9,10 Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza
fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy
toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza
fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra. Ony afo no
nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy,
ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary
novelarina ny boky.
And. 13,14 Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany
aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra,
ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba
hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny
rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho
tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
Naneho Ny voninahitr’Andriamanitra Ny Anjely
Ny anjely dia noforonina mba haneho ny voninahiny.
Apokalipsy 18:1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely
izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny
tany nohazavain'ny voninahiny.

16
Lioka 2:9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny
voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra
indrindra izy.
VOAFORONA HO VONINAHITRA
Adama sy Eva dia voaforona ho voninahitr’Andriamanitra.
Notafiana ny voninahiny izy ireo ary natao hidera ny
fahantanterahany feno voninahitra eto an-tany.
Rehefa nanota izy ireo, dia maty ara-panahy, dia afa-
boninahitra. Tsy nitafy voninahitra intsony izy ireo; ary
menatra izy ireo ka niafina an’Andriamanitra satria
nitanjaka .
Romana 3:23 fa efa samy nanota izy rehetra ka tsy misy manana ny
voninahitr’Andriamanitra,
Tsy navelan’Andriamanitra ho amin’izay toerana izay ny
olombelona. I Paoly apostoly dia miteny amintsika fa ao
amin’ny Kristy dia novelomina daholo ny rehetra.
1 Korintiana 15:22 Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao
amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.
Mitondra Ny Zanaka Ho Amin’ny Voninahitra
Tamin’ny alalan’ny fahafatesany i Jesosy, dia nitondra
zanaka lahy sy zanaka vavy ho amin’ny voninahitra.
Amin’ny maha Mpahary antsika Azy, dia mamerina
amintsika amin’ilay tanjona namoronana antsika izy.
Hebreo 2:9-10 Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika,
dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka
voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny
olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra. Fa miendrika Izay
anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra
rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny
hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana.
Izay rehetra mpino dia noforonina haneho ny
voninahitr’Andriamanitra.
Isaia 43:7 … Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko
ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
Isika dia natao ho fiderana ny voninahiny.
Efesiana 1:11,12 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany,
rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny
zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, mba ho fiderana ny
voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.

17
Tenany Eto An-tany
Andriamanitra dia nifidy antsika mba haneho ny
voninahiny amin’ny hafa amin’ny alalantsika, ho Tenany
eto an-tany.
Isaia dia nanoratra momba izany:
Isaia 60:1,2 Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny
voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina
manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao
kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny.
2 Korintiana 4:6-7 Fa Andriamanitra, izay nandidy hœ: Aoka ny
mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho
amin'ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo
amin'ny tavan'i Jesosy Kristy. Fa manana izao rakitra izao amin'ny
vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa
tsy ho avy aminay.
Ambaratonga Telon’ny Voninahitr’Andriamanitra
Mahita Ambaratonga telon’ny voninahitra isika.
Ny voninahitra – sehatra izay hiainan’ny olona ny
voninahiny ankehitriny amin’ny hafaliana lehibe sy
fisehoana mahagaga.
Ny voninahitra izay lalina koakoa – Amin’izay toerana
misy antsika ankehitriny. Voninahitra lehibe kokoa izany
izay hiainantsika mihoatra kokoa ny fisehoana mahagaga ny
tontolon’ny voninahitra.
Ny voninahitra lehibe – izany le fotoan faran’ny
voninahitra ka ny fahalalana ny voninahiny dia hameno ny
tany tahaka ny hanaronan’ny rano ny ranomasina.
Amin’izany no hahitana taratra ny
voninahitr’Andriamanitra amintsika.
Paoly apostoly nanoratra an’izao,
2 Korintiana 3:18 Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia
mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra*, ka ovana
hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho
amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.
Ny faniriantsika dia tokony ho hita amintsika foana Jesosy
amin’ny fisehoan’ny voninahiny rehetra.
Amin’izany dia hisy faniriana hahatsapa voninahitra izay
tsy mitahy antsika fotsiny, fa voninahitra izay sy hery izay
misintona ny olona mankeo Aminy. Izay no tanjona
namoronana antsika.

18
FANONTANIANA FAMERENANA
1. Soraty ny famaritanao manokana ny atao hoe voninahitra miaraka amina Tenin’Andriamanitra
telo farafahakeliny.

2. Ahoana no fifandraisan’ny hery sy ny voninahitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?

3. Toy ny ahoana ny fomba fijery an’i Jesosy amin’ny fifandraisany amin’ny voninahitra?
Manomeza ohatra telo.

19
Lesona 2
Fisarahana Ho Amin’ny Voninahitra
Mivoaha Mba Hiditra
Paoly apostoly dia nanoratra tamin’ny Korintiana,
2 Korintiana 6:17 Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy,
hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho
handray anareo.
Satria isika maniry ny hiditra ao amin’ny
voninahitr’Andriamanitra, dia tsy maintsy misy fisarahana
amina zavatra hafa izay mitady hihazona antsika tsy ho
amin’izany.
Ny mpanoratra ny bokin’ny Hebreo dia nanoratra,
Hebreo 12:1b … dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra
mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika
Ny zavatra mampitambesatra soratan’ny mpanoratra ny
bokin’ny Hebreo dia mety ho ny fihetsitsika, namantsika,
sy/na ny fihetse-pontsika.
FANOMBOHANA FAMANTARANA VAOVAO
Rehefa niseho tamin’i Mosesy Andriamanitra tao amin’ilay
roimemy, dia fiatombohana famantarana vaovao ho an’ny
Zanak’Israely izany.
Eksodosy 3:2-3 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty
lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro,
nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana. Ary hoy Mosesy:
Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy
ahalevonan'ny roimemy.
Izany fahagagana izany dia narahina loza folo izay nahazo
ny vahoakan’ny Egypta. Dia mahita ihany koa isika ny
nampisarahan’Andriamanitra ny Ranomasina mena sy ny
nanafahany ny Zanak’Isiraely tao Egypta; ny fomba
nitarihan’ny rahona azy ireo tany an’efitra izay aloka
nandritra ny andro ary afo nanome hafanana ny alina.
Andriamanitra dia namatsy azy ireo sakafo sy rano. Ny
diany rehetra dia narahina fahagagana.
Fa rehefa nitondra an’i Mosesy tao an-tendrombohitra
Sinay Andriamanitra ba hanomezany azy lalàna, dia niteny
Andriamanitra fa hisy famantarana manokana izay naseho
mba hahatonga ny olona handre sy hino.

20
Niteny Avy Amin’ny Rahona Andriamanitra
Eksodosy 19:9 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo
aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny
aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i
Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona.
Kotroka – Tselatra –
Rahona Matevina – Feon’ny Trompetra–
Setroka – Afo– Hovitra
Rehefa nitoy ny famantarana, dia azo antoka fa tsy nisy
fisalasalana tao an-tsain’olona fa Andriamanitra dia tao an-
tendrombohitra ary niresaka tamin’i Mosesy Izy. Ary
Andriamanitra dia niteny tamin’i Mosesy fa natao izany
rehetra izany mba hinoany.
Eksodosy 19:16 Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy
kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny
tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-
kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
And 18 Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria
Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka
tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny
tendrombohitra Sinay rehetra.
Ny Navalin’ny Olona
Eritrereto anie ny zavatra rehetra hitan’ny Zanak’Isiraely e!
Ny loza nahazo ny Egyptiana. Ny fomba nizarany ny
Ranomasina Mena tamin’ny fomba tsy takatry ny saina. Ny
famatsiana rano tamin’ny fomba tsy takatry ny saina, ary
izao indray dia ny kotroka, ny tselatra, ny rahona matevina,
ny setroka, ny feona trompetra, ary ny fihozongozonan’ny
tendrombohitra. Na dia nisy ireo porofo rehetra ireo aza fa
misy Andriamanitra, na dia nisy fahagagana hatrany hatrany
izay nataony hoan’izy ireo dia mbola nifidy hanao ombilahy
volamena izy ireo ary niankohoka tamin’ny tany
tamin’izany. Tena tsy mampino!
Eksodosy 32:4 Ary izy nandray azy tamin'ny tanan'ny olona, dia
namboatra azy tamin'ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely
anidina; dia niteny ny olona ka nanao hœ: Io no andriamanitrao, ry
Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
And 7 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana midina ianao; fa
efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin'ny
tany Egypta.
And 10 Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka
haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.

21
Tsy mahagaga raha tian’Andriamanitra ho haringana izy
ireo. Afaka mamaky io andalana io isika ary manondro
mitsara azy ireo, ary manotany tena hoe fa maninona no
nahvita izany zavtra mahatsiravina izany izy. Fa andao
jerena akaiky kokoa ny zavatra niseho.
Mosesy no mpitaondra azy ireo. Izy dia nitondra azy ireo
amina lalam-baovao izay tsy tena azony tsara, amina
toerana iray izay tsy mbola fantany. Ny Zanak’Isiraely dia
tany egypta nandritra ny efa-polo taona. Tanatin’izany dia
nisy taranaka maro nifandimby. Mosesy dia nitondra azy
ireo hivavaka amin’Andriamanitra izay tsy fantany. Mosesy
dia nantsoin’Andriamanitra. Izy dia nanana fifandraisana
manokana tamin’Andriamanitra, fa izy ireo kosa tsia.
Mety ho nihevitra izy ireo hoe maty Mosesy. Nandeha
tanatin’ireo zava-matahotra rehetra ireo izy, ary efa andro
maro nifanesisesy izy no nanjavona.
Rehefa nanao ilay ombilahy volamena izy ireo, dia niverina
tamin’ny fivavahana tamin’ny andriamanitra araka izay
hitany nandritra ny andro-piainany rehetra izay hitany tao
amin’ny firenena Egypta. Ny fomba nahitan’ny ray aman-
dreniny izany. Eny hatramin’izay fomba nahitan’ny rai-
beny sy reni-beny.
Izany tsy midika hoe fahotana kely izany, fa mba
hahatakaran’ny saina tsara ny zavatra nitranga.
Mety afaka ny hitranga amin’ny maro koa izany ankehitriny
rehefa mandà ny Herin’ny Fanahy Masina izy? Te hivavaka
amin’Andriamanitra fotsiny ve izy amin’ny fomba izay
metimety aminy? Te hitoy amin’ny fomba fanaon’ny
vahoakany ve izy ireo raha tokony hifindra ao amin’ny
hetsika vaovaon’ny Fanahy Masina?
SAFIDY TOKONY ATAO
Mosesy Dia Nanapa-kevitra
Mosesy dia nahafoy be mihitsy tamin’ny fiainany. Na dia
talohan’ny nananany safidy aza, dia nesorina tamin’ny
fianakaviany izy ary natao tanaty harona mba hitsingevana
eny ambonin’ny rano eny. Lasa natsangana ho zafikelin’i
Farao izy, nefa na izany aza dia nafoiny izany hery sy
harena rehetra izany. Nanorina fiainana nety tsara tany
an’efitra izy ary nanana ankohonana tany, fa rehefa
natsoin’Andriamanitra hiala tany izy dia nankatoa.
Mosesy dia tena ohatra lehibe dia lehibe ho an’ny
mpitarika, voafidy ary nomanin’Andriamanitra. Rehefa
niteny Andriamanitra hoe handevona ny Zanak’Isiraely ary
avy amin’ny taranak’i Mosesy dia hanangana firenena
lehive vaovao, dia tsy nilavo lefona Mosesy. Nivavaka
nifona ho an’ny vahoakany izy.

22
Eksodosy 33:1,2a,3 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy hœ:
Mandehana miakatra hiala aty ianao sy ny firenena izay nentinao
niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, ho amin'ny tany izay
nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hœ: Ny taranakao
no homeko azy. Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha… nefa
tsy hiara-miakatra aminao Aho satria olona mafy hatoka ianao,
fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.
Andriamanitra niteny hoe handefa ny anjeliny miaraka
amin’izy ireo, ary izany tsy hoe anjely tsotra fotsiny fa ny
“Anjeliko” ny tiany holazaina, fa Mosesy namaly hoe
Eksodosy 33:15 Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay
hiakatra hiala aty.
Tena naniry dia naniry ny fanatrehan’Andriamanitra izy, ka
tsy nety nandeha raha tsy miaraka Aminy.
­ Nifidy Ny Fanatrehan’Andriamanitra
Noho ny amin’ny fahotan’izy ireo, dia tsy maintsy
namindra ny lay ivelan’ny toby Mosesy. Tamin’ny
alalan’ny fisarahana tamin’ny vahaoka ihany no
nahafahan’ny voninahitr’Andriamanitra nitoy nanaraka azy.
Eksodosy 33:7-11a Ary fanaon'i Mosesy ny maka ny lay ka manorina
azy eo ivelan'ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hœ Ny
trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an'i Jehovah dia nivoaka
ho eny amin'ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan'ny toby. Ary raha
nivoaka ho eo amin'ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka
samy nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy, dia nitazana an'i
Mosesy mandra-pahatongany ao amin'ny lay. Ary raha niditra tao
amin'ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo
anoloan'ny varavaran'ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin'i
Mosesy. Ary hitan'ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo
anoloan'ny varavaran'ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy
niankohoka teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy. Ary Jehovah niteny
nifanatrika tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny
sakaizany.
Eksodosy 33:17 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao zavatra
nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary
mahalala anao tokoa Aho.
­ Ny Antsoantson’ny Fony
Nefa mbola tsy faly Mosesy. Hoy izy, “Asehoy ahy ny
voninahitrao.” Mosesy dia nila an’Andriamanitra ho be
kokoa hatrany hatrany.
Eksodosy 33:18 Ary hoy izy, "Mba ampahitao ny voninahitrao aho."

23
­ Tonga Ilay Voninahitra
Teo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, dia latsaka tamin’i
Mosesy ny Voninahitra
Eksodosy 34:29,30. Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra
Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona
tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho
namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro,
namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.
And 33-35 Ary rehefa vita ny teny nataon'i Mosesy taminy, dia
nasiany fisalobonana ny tavany. Ary raha niditra teo anatrehan'i
Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy
mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely
izay efa nandidiana azy. Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i
Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i
Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy
indray.
Ny fiainan’i Mosesy dia fanamby lehibe ho antsika
ankehitriny. Mosesy dia sakaizan’Andriamanitra, fa
nangetaheta mihoatra kokoa izy. Na dia niteny azy aza
Andriamanitra hoe handefa ny anjeliny hiaraka aminy,
Mosesy dia niteny hoe izy dia mila manana ny
fanatrehan’Andriamanitra Izy Tenany. Vonona ny
hanasaraka ny tenany amin’ny zavatra rehetra izy, sy ny
olona rehetra izay mampisaraka azy amin’Andriamanitra.
Tsy nisy marimaritra iraisana taminy.
Ny Fanapahan-kevitr’i Abrahama
Ny tantara ara-baiboly ny fiainana’i Abrahama dia
nanomboka tamin’Andriamanitra niteny taminy.
Genesisy 12:1-2 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala
amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany
amin'ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena
lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho
fitahiana tokoa ianao
Nomen’Andriamanitra safidy tsara Abrama, fa ny zavatra
rehetra tsy nanomboka raha tsy efa nanao safidy ny
hankatoa an’Andriamanitra izy ary niala tamin’ny firenena
izay nisy azy.
Ny Mpaminanin’ny Testamenta Taloha
Afaka ny handalina mikasika ny mpaminany nifanesisesy
tao amin’ny Testamenta Taloha isika ary mahita ny zavatra
takian’Andriamanitra ataon’izy ireny sorona, ahoana no

24
maha-zava-dehibe ny fanokanany tena, mba hahalalany
an’Andriamanitra akaiky kokoa.
Jaona Mpanao Batisa
Tsy voalaza amintsika ny fomba nisarahan’i Jaona tamin’i
vahoakan’Isiraely fa fantantsika fa talohan’ny nahaterahany
dia nosarahiny tamin’ny zavatra mahazatra izy.
Lioka 1:15 Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro
divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-
dreniny aza.
Ao amin’ny Matio dia hitantsika,
Matio 3:1-4 Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao
batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao hœ: Mibebaha ianareo; fa efa
akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia
mpaminany hœ: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hœ:
Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany. Ary ny
fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo
hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely
remby.
Jaona dia nisaraka tamin’ny olona ary nankany an’efitra. Na
tamin’ny zavatra notafiany sy nohaniny azy dia hafa
tamin’ny olona rehetra izy .
Mety manotany tena isika hoe, “mihevitra ve ianao fa Jaona
dia nankamamy ny fitafiana volon-drameva sy ny
fihinanana valala?”
Tsia, no havalintsika, tsy mihevitra aho hoe izay. Fa izany
dia anisan’ny saran’ny zavatra nalohany mba hijanona ho
marina amin’ny antson’Andriamanitra teo amin’ny
fiainany.
Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra
Mazava ho azy, tsy misy ohatra lehibe mihoatra noho
Jesosy izay nandao ny voninahitry ny lanitra mba ho tonga
ary hivelona ety an-tany tahaka ny olombelona. Nanasaraka
ny Tenany tamin’ny zony sy nytombo-tsoany rehetra
amin’ny maha Andriamanitra Izy, ary tonga teto an-tany
tahaka ny olona.
Filipiana 2:7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny
mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona
Ny Safidintsika
Betsaka ny safidy izay tsy indray ihany no hanaovana azy,
fa safidy mitoy hatrany hatrany izay lasa fomba fiainana.
Jesosy niteny amintsika hoe,

25
Matio 6:33 … katsaho aloha ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny
fahamarinany
1 Korintiana 10:31b na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho
voninahitr’Andriamanitra.
There is a separation that is required of us to do and be to
fulfill our destiny – to be bearers of the glory to the world
around us.
Josoa dia niatrika ny Isiraelita ny amin’ny safidy izay tsy
maintsy ho ataon’izy ireo, ary Andriamanitra dia mitaky
antsika rehetra mba hanao izany safidy izany ihany koa.
Joshua 24:15 … fidionareo anio izay ho tompoinareo … Fa raha izaho
sy ny ankohonako dia hanompo an’i Jehovah izahay.
Miaina Fiainana Masina
Ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny voninahiny dia tsy
mifanaraka amin’ny fahotana. Raha hiaina ny fanatrehana
sy ny voninahitr’Andriamanitra isikadia mila misaraka ary
manadio ny tenantsika amin’ny fahalotoan’ny nofo ka
hiaina sy handeha amin’ny fahamasinan’Andriamanitra.
Paoly apostoly nanoratra,
2 Korintiana 6:17,18, 7:1 Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha
aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary
Izaho handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-
lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha. Koa raha manana ireo
teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny
tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na
amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny
fahatahorana an'Andriamanitra.
Izao no fomba nanambaran’i Petera apostoly izany,
1 Petera 1:13-16 Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona
tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo
amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; tahaka ny zanaka manoa, tsy
mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo; fa
araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina
koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hœ: "Ho
masina ianareo, satria masina Aho.
NY TARANAK’I JAKOBA
Andriamanitra dia mitady ireo izay tena hivavaka Aminy
marina. Jaona apostoly nanoratra hoe,
Jaona 4:23,24 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena
mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana;
fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.

26
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy
mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Mitady Ny Tavan’Andriamanitra
Ny safidintsika dia tokony ho anisan’ny taranaky ny
Voninahitra– ny taranak’i Jakoba – ny taranaka izay mitady
ny Tompo, mikatsaka ny Tavany.
Tahaka ny Mosesy izay te hahalala an’Andriamanitra bebe
kokoa hatrany, dia tokony hikatsaka Azy isika.
Salamo 24:6 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao,
dia Jakoba
Davida dia manohy,
Salamp 27:8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny
navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
And 4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no
hotadiaviko, dia ny hitœtra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro
rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy
mandinika ny tempoliny.
Salamo 26:8 Jehovah ô, tiako ny trano itœranao, dia ny fonenan'ny
voninahitrao.
Mpiray Fomba Amin’ny Fanahy Masina
Hebreo 6:4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa
nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny
Fanahy Masina
Filipiana 3 :12 Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka
sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy.
Tahaka an’i Mosesy, isika dia tsy vonona hiaraka amin’ny
anjely, izay tsara ihany fa mbola faharoa, tahaka ny
mahazatra ho an’ny fiangonana, fa ny
fanatrehan’Andriamanitra mahagaga ihany.
Miaina Amin’ny Fanahy
Ireo izay eo anivon’ny hetsika vaovaon’ny Fanahy dia
matetika enjehin’ireo izay tamina hetsika ny fanahy teo
aloha. Izany dia marina foana. Mora ny mijanona amina
fanambarana izay efa niorina, ary tys mandeha amin’izay
zavatra lazain’Andriamanitra ankehitriny. Ity vondrona ity
dia nanomboka niaina tao amin’ny tontolon’ny Fanahy, fa
ankehitriny izy ireo dia miaina ao amin’ny tontolon’ny ara-
nofo.
Galatiana 4:29 Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka
araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany
koa ankehitriny.

27
1 Korintiana 2:14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba
mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany
sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
Nohavaozina
Aamin’ny fanenjehana sy ny fahasarotana, Andriamanitra
dia amin’ny fiainantsika ba hitondra antsika amina
voninahitra lehibe kokoa.
2 Korintiana 4:17 Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia
mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra
mavesatra maharitra mandrakariva ho anay.
Hebreo 2:10 Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra
sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any
amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo
amin'ny fahoriana.
Manova antsika ny Voninahiny.
2 Korintiana 3:18 Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia
mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana
hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho
amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.
Nanome antsika ny Voninahiny Izy.
Jaona 17 :22 Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba
ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika
Isika no fiangonany feno Voninahitra.
Efesiana 5 :27 mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana
malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa
mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.
Mamela Ny Voninahiny Hamirapiratra
Ho hita amintsika ny Voninahiny. Betsaka no ho
voasinton’ny voninahiytra amin’ny fomba tsy takatry ny
saina. Hisy fifaliana lehibe sy harena tsy hita lany.
Isaia 60: 1-5 Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny
voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina
manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao
kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny
voninahiny. Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny
mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao. Atopazy
manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty
aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia
sakelehina. Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia
hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao
ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny
firenena.

28
Lioka apostoly ihany koa dia manambara izany fahazavana
izany.
Lioka 11:36 Ary amin'izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy
misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha
mirehitra tsara ka manazava anao.
Maniry Ny Voninahiny

­ Tahaka Ny Nataon’i Mosesy


Tadidio tsara ny nikatsahan’i Mosesy ny Voninahiny.
Eksodosy 33:18 Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao
aho.

­ Tahaka an’i Davida


Davida dia nikatsaka ny Voninahiny.
Salamo 26:8 Jehovah ô, tiako ny trano itœranao, dia ny fonenan'ny
voninahitrao.

­ Tahaka an’i Jesosy


Jesosy dia nitady ny Voninahiny.
Jaona 17:1 Rehefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra
ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hœ: Ray ô, tonga ny
fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao.
And 5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia
amin'ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary
izao tontolo izao.
And 22 Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray
izy, tahaka ny mahiray Antsika
And 24 Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itœrako ireo izay
nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia
Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.

­ Mandray Ny Voninahitra
1 Tantara 16:27 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany,
Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitœrany.
Ny Firaisan’ny Fanahy
Na dia niatrika ny fanombohana Azy teo amin’ny hazo
fijaliana aza Jesosy ho sorona ho an’ny olombelona rehetra,
dia nivavaka Izy mba hankalazan’Andriamanitra Azy, mba
hankalazainy an’Andriamanitra.

29
­ Ray Nankalazaina Tao Amin’i Jesosy
Jaona 17:1 Rehefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra
ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hœ: Ray ô, tonga ny
fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao.
And 4-5 Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin'ny tany; vitako ny asa
nomenao Ahy hataoko.
Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny
voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo
izao.
­ Jesosy Homem-boninahitra Eo Amintsika
Jesosy niteny hoe ho hankalazaina eo amintsika Izy.
And 9-10 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo
izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy. Ary izay Ahy
rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy
Aho.
­ NAnome Antsika Ny Voninahiny
And 20-22 Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay
mino Ahy koa noho ny teniny; mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka
Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika
koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. Ary
nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka
ny mahiray Antsika
Isika dia natao handany ny mandrakizay amin’ny
fibanjinana ny Voninahiny.
And 24 Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itœrako ireo izay
nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia
Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.
Mangetaheta An’Andriamanitra Sy Ny Voninahiny
Tsy tokony ho zavatra kely no fanantenantsika fa tokony
manoatra noho izany dia mangetaheta Azy. Arakaraka ny
hetahetantsika no handraisantsika.
Salamo 63:1-2 ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady
Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny
nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano; Toy
izany no nijereko Anao tao amin'ny fitœrana masina, hahitako ny
herinao sy ny voninahitrao.
Salamo 41:1-2 Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah
hamonjy azy amin'ny andro fahoriana. Jehovah hitandrina sy hiaro azy
tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba
hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony.

30
Matio 5:6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy
no hovokisana.
Miezaka
Mila“miezaka” isika ao Aminy.
Filipiana 3:12 Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka
sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy.
Davida nanoratra hoe,
Salamo 63:8 Mifikitra amiko ny fanahiko
Mivoaka Mba Hiditra
Nanomboka ity lesona ity tamin’izany teny izany ihany
isika. Mila mivoaka isika ary tafasaraka mba hidirantsika
amin’izay rehetra nomanin’Andriamanitra ho antsika.
Alohan’ny ahafahan’Andriamanitra mankeo anivontsika
amin’ny voninahiny azo tsapain-tanana, dia mila
manasaraka ny tenantsika amin’ny toe-javatra mifangaro
isika. Ny mpanoratra ny Bokin’ny Hebreo dia nampitaha
izany amin’ny hazakazaka. Hoy izy,
Hebreo 12:1 Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy
izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra
izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky
mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana
amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao
Na manao ahoana na manao ahoana ny vesatra, dia tsy
mendrika ny hijanona eo anelanelantsika sy Andriamanitra
izany. Tsy misy fifandraisana, na fandaminana, na fomba
fanao, tsisy fifamatorana amin’ny lasa, izay mendrika ny
hijanona eo anelanelantsika sy Andriamanitra sy ny tanjony
ho an’ny fiainantsika.
Ny safidintsiika dia efa natao. Afaka miara-manambara
amin’ny tenin’i Paoly isika Filipiana 3:13 sy 14,
Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra
iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka
hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika
aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao
amin'i Kristy Jesosy.
FANONTANIANA FAMERENANA

1. Inona no fanapahan-kevitr’i Mosesy? Fanapahan-kevitra nisy sarany ve izany?

2. Manomeza toetra enina mamaritra ny taranak’i Jakoba.

31
Lesona 3
Miditra Ao Amin’ny Voninahitra
Ny Tabernakelin’I Mosesy
Ny tabernakelin’i Mosesy dia manome antsika fanambarana
ny amin’ny dingana ahafahantsika miditra ao amin’ny
fanatrehan’Andriamanitra feno ankehitriny.
Ny mpanoratra ny bokin’ny Hebreo dia nilaza fa ny
tabernakelin’i Mosesy dia aloka sy dika mitovy amin’ny
“zavatra any an-danitra”. Izany dia porofo hita maso izay
maneho ny dingana arahina ahafahantsika miditra amin’ny
fanatrehan’Andriamanitra mahagaga amin’izao ankehitriny
izao.
Hebreo 8:5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika
sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra
an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo
mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-
tendrombohitra ny zavatra rehetra
NY KIANJA IVELANY
Miditra Amin’ny Vavahady
Salamo 100:4 Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, Ary
eo an-kianjany amin'ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany,
Ny fanombohantsika azy dia ny fidirana amin’ny vavahady
amin’ny alalan’ny fo feno fisaorana an’Andriamanitra no
amin’ny famonjena lehibe dia lehibe sy ny famtsiany
antsika.
Ny vavahady, na ny fidirana ao, dia amin’ny alalan’i
Jesosy.
Jaona 14:6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary
fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny
alalako.
Isika dia manomboka ny lalantsika mankamin’ny
fanatrehan’ny voninahitr’Andriamanitra mahagaga amin’ny
fidirana amin’ny vavahadin’ny famonjena amin’ny
alalan’ny mahIzy an’i Jesosy Kristy. Betsaka no nifidy ny
hiaina ao anatin’ny vavahady fotsiny raha toa ka tokony
hanohy ary misisika amina fifandraisana akaiky kokoa
amin’ny Tompo. Mpino izy ireo fa tsy mpianatra.
Nandao an’i Egypta izy ireo fa mbola tsy niditra ny Tany
Nampanantenaina. Ilay fifandraisana dia lavitra, tsy miaina
akaikin’Andriamanitra.
Tsy nisy sarona teo amin’ny kianja ivelany ka izay rehetra
feo manodidina dia heno avokoa. Ny mitohy mivelona
fotsiny amin’ny tontolon’ny fanahy dia midika fa tsy misy

32
fiarovana amin’ny zana-tsipika mirehitra alefan’i Satana
avy ivelan’ny tamboho.
Mahalala Ny Fahotana
Ireo izay nifidy ny hitoetra tsy misy fiarovana akaikin’izao
tontolo izao dia mora azon’ny fahavarianana, azon’ny
fiantraika sy ny fakam-panahy eo amin’izao tontolo izao.
Mitady hiverin-dalana izy ireo, na ho solafaka.
Alitaran’ny Fanatitra Nodorana
Ny kianja ivelany dia misy ny alitara varahina sy ny siny
lehibe. Ny varahina dia miresaka ny fitsarana ny fahotana.
Ny alitara varahina dia toerana fandoroana ny fanatitra,
fanatitra ho fiadanana ary fanatitra noho ny ota-pahotana.
Jesosy dia nitondra ny fitsarana ny otantsika teo amin’ny
Tenany.
Siny lehibe
Ny siny lehibe dia natao ho ana fotoana fanadiovana, ary
tandindon’ny fanadiovana antsika amin’ny ràn’i Jesosy.
Isika na dia mpino aza dia manota saingy Andriamanitra dia
nampanatena fa ho voavela isika ary ho voadio amin’ny ota
rehetra.
1 Jaona 1:9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy
marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka
amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
Zava-dehibe izany raha handeha ho amin’ny “Toerana
Masina” isika satria ny fahotana tsy afaka mankao amin’ny
fahamasinan’ny fanatrehan’Andriamanitra.
Na izany aza, ny mitoetra ao amin’ny kianja ivelany
amin’ny ara-panahy dia mampatsiahy antsika ny fahotana
sy ny fitsarana foana. Tian’Andriamanitra isika hiaina
mihoatra ny “kristiana ivelan’ny kianja.” Tiany isika hiditra
amina sehatra hifandraisana lalina kokoa Aminy.
Lota
Lota dia ohatra-na kristiana “Ivelan’ny Kianja” tamin’izy
nifidy ny hipetraka akaikin’ny Sodoma.
Genesisy 13 :12 Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana, fa
Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany amoron'i Jordana ka
nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
And. 13 Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady
mpanota indrindra tamin'i Jehovah.
Izy ireny dia mora akivian’ny devoly sy alain’ny fanahy.
Matetika ny fiainam-panahiny dia tsy ara-potoana, mikatso,
malemy ary tsisy hery. Matetika dia miaina fiainam-
paharesena izy.

33
Na izany aza, ao amin’ny Kianja Ivelany, Andriamanitra
dia efa nanomana ho an’ny tsirairay mba hidirany amina
fifandraisana mihamanakaiky hatrany hatrany ary fiarahana
amin’Andriamanitra.
NY TOERANA MASINA
Tamin’ny Testamenta Taloha, ny mpisorona dia niditra tao
amin’ny Toerana Masina isanandro mba hanao
fanompoam-pivavahana amin’ny Tompo. Amin’ny maha
mpino antsika, dia tokony hiditra ao amin’ny Toerana
Amsina isika ary manao fanompoam-pivavahana ho an’ny
Tompo.
Asan'ny Apostoly 13:2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho
an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina:
Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako
azy.
Ny Toerana Masina dia voasarona hoditra biby tsy nisy
tsiny izay nalatsa-drà mba ho fiarovana. Isika amin’ny
maha mpino antsika ankehitriny dia manana toerana
“fiarovana” izay nomen’ny ran’i Jesosy antsika “Ilay
Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny
fahotan’izao tontolo izao.”
Mahalala Ny Fanahy Masina
Ny mitoetra ao amin’ny Toerana Masina dia tahaka ny
amina toerana misy fiarovana sy toerana izay tafasaraka
amin’ny feon’izao tontolo izao any ivelany. Izany dia
toerana izay mora kokoa no hahenoana ny
feon’Andriamanitra
Fanaovan-jiro Volamena,
Latabatry Ny Mofo Aseho,
Alitara Fandoroana Dinti-kazo Manitra
Ao amin’ny Toerana Masina dia nisy karazana fitaovana
telo, izay natao ho araka ny liana azy avy. Ny tsirairay
amin’ireo dia manome fanambarana fahamarinana ara-
panahy.
Ny fanaovan-jiro volamena izay tokony ho feno diloilo
vaovao isa-maraina. Izany dia ohatra amin’ny famenoan’ny
Fanahy Masina ny fiainantsika isanandro amin’ny diloilony.
Eto raha tokony ho “jiro ara-boajanahary” dia nisy ny
fanazavan’ny Fanahy Masina. Ny ao amin’ny Toerana
Masina dia midika hoe ao amin’ny toerana misy
fifandraisana lalina amin’ny Fanahy Masina.
TOERANA MASINA INDRINDRA
Fiaran’ny Fanekena
Ny Fiaran’ny Fanekena dia napetraka tao amin’ny Masina
Indrindra amin’ny Masina, na “Ny Toerana Masina

34
Indrindra,” izay maneho ny seza fiandrian’Andriamanitra
any an-danitra.
Ny ao amin’ny Toerana Masina Indrindra dia ao amin’ny
efitra misy ny seza fiandrianan’ny Ray. Ny ao amin’ny
Toerana Masina Indrindra dia miaina fiainana feno
fahafenoina, izany ka tena fiainana, fiainana misy kalitao,
fiainana niharina, fiainana Zoe, ary fiainana feno
voninahitra.
Mahalala An’Andriamanitra
Ny Toerana Masina Indrindra dia ilay toerana izay tena
hahalalantsika feno an’Andriamanitra , ny amin’ny mahIzy
Azy. Amin’izany isika ilay miasa ao amin’ny Tontolon’ny
Fanahy, amin’ny alalan’ny fandrenesana ara-panahintsika
rehetra.
Hebreo 5 :14, 6 :1 Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho
an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay
manavaka ny tsara sy ny ratsy.
Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka
handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray,
dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana
an'Andriamanitra,
Ny ao amin’ny Toerana Masina Indrindra dia voarakotry ny
rahom-boninahitr’Andriamanitra. Tao aorinan’ny
fahavitana feno ny tabernakely, dia nampidirina tao ny
Fiaran’ny Fanekena.
Eksodosy 40 :34-37 Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana,
ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely. Ary Mosesy tsy
nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona
nitœtra teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny
tabernakely. Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona,
dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra; fa raha
tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro
hiakarany.
Ny mifindra mankao amin’ny Toerana Masina Indrindra,
ilay sary azo an-tsaina momba ny toerana fiandrianana any
an-danitra, dia fifindrana amin’ny tontolon’ny fifandraisana
lalina amin’Andriamanitra eo amin’ny fanatrehany
mahagaga. Izany dia fifindrana amin’ny tontolo tsy takatry
ny saina, ny tontolon’ny Fanahy, ny tontolon’ny
voninahitra, ny tontolon’ny lanitra misokatra, tontolon’ny
anjely, ary ny tontolon’ny feno fahagagana.
Ny Lalana Mankamin’ny Toerana Masina Indrindra
Indray isan-taona amin’ny andro fanaovana fanatim-
panavotana noho ny ota, ny Mpisorona Lehibe dia tokony
ho ao amin’ny Toerana Masina Indrindra. Izany dia tena

35
tombotsoa lehibe. Ny ao amin’ny Toerana Masina Indrindra
dia ao amin’ny efitra misy ny seza fiandrianan’ny Ray, ilay
fanatrehan’Andriamanitra mahagaga. Ny ota dia tsy afaka
miditra ao amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Noho izany
dia zava-dehibe ny mihitsy ny hoe tsy misy fahotana izay
tsy efa nobebahina amin’ny fiainan’ilay Mpisorona Lehibe
mba ahafahany miditra eo amin’ny fahamasinan’ny
fanatrehan’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany dia nijoro manoloana ny efitra
lamba lehibe izay mampisaraka ny Toerana Masina
amin’ny Toerana Masina Indrindra izy. Vao avy nandatsa-
drà zanak’ondry tsy nanan-tsiny izy, izay tandindon’ny
ràn’i Jesosy izay nalatsaka. Teny an-tanany ny sinin-drà, ny
hysopa, ny ditin-kazo manitra sy ny lavenona avy tamin’ny
alitara koa dia eny an-tanany. Nitsangana manoloana ny
efitra lamba izy izay mivelatra tsara amin’ny rindrina roa
ary avy eo amin’ny tany mankamin’ny tafo. Ny mpandalina
ara-tantara dia milaza amintsika fa ny hatevin’izany dia
Inch maromaro. Fotoana amin’izay ny hidirany ao nefa tsy
nisy varavarana. Ahoana no fomba nidirany tao? Ny
mpanoratra ny Bokin’ny Hebreo dia manambara
mifanandrify amin’ity fanontaniana ity:
Hebreo 9:6-9Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia
miditra mandrakariva eo amin'ny tabernakely voalohany ny mpisorona
hanefa ny fanompoam-pivavahana.
Fa ny faharoa kosa no idiran'ny mpisoronabe irery ihany indray
mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà,
izay ateriny noho ny amin'ny tenany sy ny fahadisoana nataon'ny
olona amin'ny tsi-fahalalana; koa izany no anambaran'ny Fanahy
Masina fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin'ny fitœrana
masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely
voalohany; fanoharana izany amin'izao andro ankehitriny izao, ary
araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy
mahatanteraka ny mpivavaka ny amin'ny fieritreretana
Ny “lalana mankao” dia tsy nambara raha tsy tamin’ny
Mpisorona Lehibe ihany raha mbola mitsangana koa ilay
tabernakely. “Tandindona izany tamin’izany fotoana
izany…” izany dia tandindona izay maneho amintsika ny
fomba fidirana “ao amin’ilay efitra lamba,” dia ao
amin’ilay efitra misy ny seza fiandrianan’ny
Fanatrehan’Andriamanitra mahagaga ankehitriny.
Ezekiela dia milaza fa tafafindra nakao amin’ny “kianja
anatiny.”
Ezekiela 43:5 Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho
ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny
trano.

36
Izany dia fiasan’ny Fanahy Masina amin’ny fomba
mahagaga sy fisehoany. Angamba izany ilay zavatra
niainan’i Filipo tamin’izy avy nanao batisa ilay tandapa
Etiopiana tany an’efitr’i Gaza. Tampoka teo dia nahita ny
tenany kilometatra maro amin’ny lalana mankamoin’ny
tananan’ny Azota izy.
Asan'ny Apostoly 8:38-40 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa
lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony
batisa izy. Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia
nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony;
fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly. Fa Filipo hita tany
Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay
nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
Tahaka izany ny nanaingan’ny Fanahy Masina ny
Mpisorona Lehibe manavatsava ny efitra lamba
mankamin’ny Toerana Masina Indrindra.
Ny Toerana Masina Indrindra, izay maneho ny seza
fiandrianan’Andriamanitra, dia toerana izay hanaovana
fiankohofana lalina amin’ny Ray.
Afaka Miditra Isika
Jaona 4:23 - 24 Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny
tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny
fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka
izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy
mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Dia tahaka izany ihany koa, isika amin’ny maha mpino
misorona antsika dia natao hivavaka amin’ny Ray amin’ny
fanahy sy ny fahamarinana. Izay toerana fiankohofana
lalina izany no tontolon’ny fanahy. Avy amin’ny
“Kianjan’ny Fiderana” isika rehefa nidera
an’Andriamanitra tamin’izay nataony tamintsika. Rehefa
“nanainga” antsika tampoka teo ny Fanahin’Andriamanitra
ary mitondra azy manavatsava ny efitra lamba dia
amin’izay isika no mitsaoka an’Andriamanitra amin’ny
fanahy sy ny fahamarinany ny amin’ny mahIzy Azy.
Hebreo 10:19-22 Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana
fahatokiana hiditra ao amin'ny fitœrana masina isika noho ny ran'i
Jesosy, amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady
velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony, sady manana
Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, dia aoka isika
hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny
finoana, manana fo voadio ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy
tena voasasa tamin'ny rano madio

37
Tsy natao hiditra amin’io tontolo io mandritra ny fotoana
mandalo fotsiny isika, fa ny hitoetra amin’izany toeram-
boninahitr’Andriamanitra mahagaga izany.
NY ALITARA VOLAMENA HO AN’NY DINTI-KAZO
Ny alitara volamena ho an’ny ditin-kazo dia fanambarana
ara-paminaniana ny amin’ny hetsik’Andriamanitra izay
hitondra antsika mankamin’ilay hetsik’Andriamanitra
farany – NY VONINAHITRA! Araka ny toro-làlana
nomen’Andriamanitra an’i Mosesy, ny alitara volamena dia
ho an’ny dinti-kazo dia napetraka manoloana, izany hoe
ivelan’ny ny efitra lamba saingy manakaiky ny Fiaran’ny
Fanekena. Maneho momba ny fiankohofana sy vavaka io.
Eksodosy 30:1, 6-8 Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo
manitra; hazo akasia no hanaovanao azy. Ary apetraho eo anoloan'ny
efitra izay manakona ny fiaran'ny Vavolombelona izy, dia manandrify
ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin'ny Vavolombelona, izay
hihaonako aminao. Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-
maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany
izany; ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva
no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan'i
Jehovah mandrakariva hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
Ny alitaran’ny dinti-kazo manitra dia endriky ny alitara
volamena ao amin’ny seza fiandrianana ao an-danitra.
Apokalypsy 8:3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo
ambonin'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo
manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy
mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara
volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza
fiandrianana.
Nafindra Ilay Alitaran’ny Dinti-kazo Manitra
Ny Hebreo dia manambara fa ilay alitara volamena ho
an’ny dinti-kazo dia ao amin’ny Toerana Masina Indrindra
amin’izao ankehitriny izao. Fiankohofana sy vavaka lalina
no nahatonga izany fifindrana tanteraka izany ho ao
amin’ny tena fanatrehan’Andriamanitra.
Hebreo 9 :2-4a Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany,
ilay atao hœ "ny fitœrana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny
latabatra ary ny mofo aseho. Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no
nisy ny tabernakely izay atao hœ "ny fitœrana masina indrindra, izay
nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny
fanekena
Amin’ny alalan’ny fampirimana ny fitaovana hita ao
amin’ny Toerana Masina sy Toerana Masina Indrindra , no

38
hahitantsika fanambarana ara-paminaniana ny amin’ny
hetsik’Andriamanitra amin’ny andro farany.
Ny hetsika farany dia vaoseho amin’ny alalan’ny fiaran’ny
fanekena ao amin’ny Toerana Masina Indrindra. Izany dia
hetsika fanehoam-boninahitra, hery ary fahamasinana.
Mialoha izany hetsika izany, anefa, dia misy hetsika hafa
izay mamindra antsika mankamin’ny Toerana Masina
Indrindra.
Ny fanambarana momba io hetsika io dia hita amin’ny
fitoeran’ny Alitara volamena ho an’ny dinti-kazo manitra,
(izay mipetraka ao amin’ny Toerana Masina, izay
akaikin’ny efitra lamba, akaiky dia akaikin’ny Toerana
Masina Indrindra ary akaiky be ny Fiaran’ny Fanekena).
Ny alitara volamena ho an’ny dinti-kazo manitra dia
manainga sy mamindra antsika ho amina tontolo avo kokoa
mihoatra ny efitra lamba dia ao amin’ny Toerana Masina
Indrindra.
Momba ny vavaka fifonana sy fiankohofana izany.
Apokalypsy 5:8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina
efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo
anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia
volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona
masina izany.
Ny lovia sy ny fofon’ny ditin-kazo manitra dia maneho
vavaka sy fiankohofana lalina.
Apokalypsy 8:3-4 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana
teo ambonin'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-
kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany
azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara
volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza
fiandrianana.
Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina
dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo
anatrehan'Andriamanitra.
Ny vavaka sy fiankohofana ara-paminaniana dia hanainga
sy hitondra antsika ho amin’ny tontolon’ny voninahitradia
ny Toerana Masina Indrindra – ilay
fiandrianan’Andriamanitra amin’ny fanatrehany mahagaga.
Voatondra ho amin’ny tontolon’ny fanahy isika rehefa
tafakatra any amoin’Andriamanitra ny vavaka sy
fiankohofana ataontsika ho tahaka ny fanatitra hanitra
ankasitrahan. Handre ny tenantsika mivavaka ho an’ny
zavatra izay tsy haintsika akory no nivavaka ho an’izany teo
aloha. Ao amin’ny fiankohofana ara-paminaniana, ny
hiran’ny Tompo no ho tonga dia hanainga antsika amina

39
tontolo avo kokoa ao amin’ny fanatrehan’Andriamantra sy
ny voninahiny.
Amin’ny alalan’izany dia manana fanambarana isika fa ny
alitara volamena ho an’ny dinti-kazo manitra (ny
vavakitsika sy ny fiankohofantsika) dia mitondra antsika ho
amina tontolo avo kokoa dia ny Toerana Masina Indrindra.
Izany fanompoana izany izay manomboka ao amin’ny
Toerana Masina, izay akaikin’ny Fiaran’ny Fanekena, dia
hitondra antsika mihoatra ny efitra lamba..
Tny fanahin’ny fahasoavana sy fifonana dia hilatsaka
amin’ny andro farany.
Zakaria 12:10a Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny
mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana
Ny anjely dia tafiditra tsara amin’ny vavaka sy
fiankohofantsika ary manomana ny làlana ho an’ilay hetsika
farany – ny fisehoana sy ny fandrakofan’ny
voninahitr’Andriamanitra.
MIDITRA AMIN’NY VONINAHITRA
Vavaka
2 Tantara 7:1a Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy
afo latsaka avy tany an-danitra
And 12. Ary Jehovah niseho tamin'i Solomona nony alina ka nanao
taminy hœ: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitœrana
ity ho trano fanateram-panatitra.
Ny vavaka miarakamin’ny fiankohofana no làlana
mankamin’ny voninahitra. Tsisy vavaka, tsisy voninahitra!
Lioka 9:28-29 Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny
izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra
tany an-tendrombohitra hivavaka. Ary raha mbola nivavaka Izy, dia
niova ny tœtry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady
nanelatrelatra.
Fiankohofana
2 Tantara 5:12-14 ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana
sy Jedotona mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony
fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia
nitsangana teo atsinanan'ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona
roa-polo amby zato nitsoka trompetra; ary efa toy ny feo iray no
fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy
nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady
nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-
karazany ka nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny
famindram-pony, dia feno rahona ny tranon'i Jehovah;

40
ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona
noho ny rahona; fa feno ny voninahitr'i Jehovah ny
tranon'Andriamanitra.
Ny fiankohofana dia mitondra antsika mihoatra ny efitra
lamba mankamin’ny voninahitry ny
Fanatrehan’Andriamanitra.
Vavaka Sy Fiankohofana Ara-paminaniana
Tafafindra ho amin’ny tontolon’ny fanahy isika rehefa
tafiakatra any amin’Andriamanitra ny vavaka sy
fiankohofana ataontsika ho tahaka ny fanatitra hanitra
hankasitrahana ho an’Andriamanitra. Mety handre ny
tenantsika hivavaka zavatra izay tsy ary mbola noetintsika
am-bavaka isika. Amin’ny fiankohofana ara-paminaniana,
ny hiran’ny Tompo no ho tonga ary hanainga antsika amina
tontolo avo kokoa ao amin’ny fanatrehan’Andriamantra sy
ny voninahiny.
Milomano Amin’ny Fanatrehany
Feno ny fanahintsika, nomena hery ary nohatanjahina
rehefa mandany fotoana milomano eo amin’ny fanatrehany
isika. Tokony hiditra lalina amin’ny fanatrehany isika ary
maharitra ela ao, milomano amin’ny voninahitry anatin’ny
fantrehany.
Noho izany antony izany, no nahatonga ny apostoly niteny
hoe:
Asan'ny Apostoly 6:4 Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy
ny fampianarana.
Amin’izany fotoana firaisana amin’Andriamanitra izany
amin’ny fanati-pisaorana, fiderana, famakiana Baiboly,
fisaintsainana sy fandalinana, vavaka, fitadiavana fanahy,
fibebahana, fanononana, fihainoana, fandraisana, vavaka
fifonana, ary fiankohofana maharitra dia miteny amintsika
amin’ny alalan’ny Teniny Andriamanitra. Rehefa tong any
Rhema, dia makà fotoana hisaintsainana izany, mivavaha
mikasika izany, dia ampifandraisina sy hampiharina
amin’ny fianantsika sy ny asa fanompoantsika izany.
MITOMBO HATRANY HATRANY IZANY!
Ny fifandriasantsika amin’Andriamanitra, ny diantsika
amin’ny maha mpino antsika, ny fotoana antsika miaraka
Aminy dia mitombo hatrany hatrany.
Lalana – Fahamarinana – Fiainana
Jaona 14:6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary
fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny
alalako.
­ Làlana

41
Ny kianja ivelany no làlana– fifandraisana amin'i Jesosy.
Jesosy ihany no làlana mankany amin’ny Ray. Eto isika dia
tonga eo amin’ny fifandraisana amin’i Jesosy.
­ Fahamarinana
Ny Toerana Masina dia ny Fahamarinana – fifandraisana
Amin’ny Fanahy Masina.
1 Jaona 5:6b Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no
fahamarinana.
Salamo 51:6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary
fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.
Eto isika dia tonga amin’ny fifandraisana amin’ny Fanahy
Masina.
­ Fiainana
Ny Toerana Masina Indrindra dia ny fiainana–
Fifandraisana amin’ny Ray
Hebreo 10:19 Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana
hiditra ao amin'ny fitœrana masina isika noho ny ran'i Jesosy,
Jaona 4:23-24 Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena
mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana;
fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy
mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Ny ao amin’ny Toerana Masina Indrindra dia eo amin’ny
fanatrehana sy fifandraisana lalina amin’ny Ray.
Malina Ny Amin’ny Fahotana –
Mandre Ny Fanahy Masina– Mandre An’Andriamanitra
Amin’ny maha mpino vaovao, dia afaka ny ho malina ny
amin’ny fahotana efa lasa isika. Mety misy faniriana
hiverina.
Rehefa mandray ny batisan’ny Fanahy Masina isika, dia
mbola mahafantatra tsara ny tenantsika, ny ilaintsika, ny
faniriantsika, saingy but nanampiana ho antsika ny
fatran’ny herin’Andriamanitra ao amintsika.
Fa misy toerana avo kokoa, ary ao amin’ny tena
fanatrehan’Andriamanitra izany. Eo isika ilay manadino ny
tenantsika ary mifantoka Aminy.
Fanambaran’ny Zanaka - Fanambaran’ny Fanahy
Fanambaran’ny RayRevelation of Spirit –
Rehefa mandeha miaraka amin’ny Tompo isika, dia misy
fanambarana momba an’Andriamanitra izay mitombo
hatrany.

42
Ny Tsara – Ny Tsara Kokoa – Ny Tsara Indrindra
Ny Tsara dia ny famonjena. Ny Tsara Kokoa dia ny
mandray ny batisan’ny Fanhy Masina, ary ny Tsara Indridra
dia ny miditra sy miaina eo amin’ny voninahitry ny
fanatrehany.
Mitombo avy amin’ny fifandraisana amin’i Jesosy mankany
amin’ny fifandraisana amin’ny Fanahy Masina isika. Avieo
indray isika dia mankamin’ny fitoerana eo amin’ny
voninahitry ny fanatrehan’ny Ray rehefa mivavaka
amin’ny amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.
Vatana – Aina– Fanahy
1 Tesaloniana 5:23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina
anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo
sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny
amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.
­ Vatana
Ny vatana dia ny azo tsapaina sy ny fahafantaran’ny momba
antsika an’izao tontolo izao. Fahalalana ny fandrenesana
ara-boajanahary izany, ary ny ara-nofo no fiainana manjaka
amin’izany.
1 Korintiana 3:1-3 Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo
tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola
nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy.
Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola
natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny
aza, fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy
fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha
araka ny fanaon'ny olona?
Galatiana 5:16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy
hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.
And 17. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny
nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanarœo manao izay
zavatra tianareo.
­ Ny Aina
Ny aina dia ampahany tonga saina amin’ny tenantsika
(sitrapo, saina sy fihetsem-po). Izany no fahatongavan-
tsaina, fiainana amin’ny fanjakan’ny saina. Ny aina dia
mifantoka amin’ny tena ary tsy afaka miankohoka.
Jaona 4:24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy
maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Romana 12:2a Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa
miovà amin'ny fanavaozana ny saina

43
­ Ny Fanahy
Ny ampahany amin’ny tenantsika izay mihevitra
an’Andriamanitra, malina amin’ny tontolon’ny Fanahy. Ny
fiainana fehezin’ny Fanahy dia feno fahasoavana,
fahatsarana, tanjona ary hery.
Efesiana 3:16-19 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny,
ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny tœ-
panahinareo; mba hitœran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka
hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo, mba hahaizanareo
mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy
lavany ary hahavony sy halavany.
ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana,
mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra
rehetra.
Hebreo 6:1 Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i
Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika
Matio 5:48 Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny
fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.
Ny mifindra mankamin’ny fahatanterahana (famatorana sy
fahafenoina) dia miarakamin’ny fanakekezana ny Iray
Tanteraka ao amin’ny Toerana Masina Indrindra (Toerana
Fiandrianana). Izy dia tanteraka amin’ny fahamasinany,
toetrany, làlany, fitondra-tenany, fitiavany, fahalalany,
fahendreny sy heriny. Eo amin’ny fanatrehany dia lasa
mitovy endrika Aminy isika. Misy fifindran’ny fiainany sy
toetrany rehefa mitoetra eo amin’ny Fanatrehany isika.
Ny Sitrapon’Andriamanitra Izay Tsara –
Ny Sitrapon’Andriamanitra Izay Ankasitrahana –
Ny Sitrapon’Andriamanitra Izay Tanteraka
Romana 12:2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà
amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny
sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina
­ Tsara
Ireo izay mifidy ny hiaina ao amin’ny kianja ivelany dia ao
anatin’ny famelan’Andriamanitra manao izay sitrany.
Miaina amin’ny fetran’ny zavatra eken’Andriamanitra izy,
saingy lavitry ny tena sitrapony. Fantany amin’ny maha
Mpamonjy Azy Izy fa tsy Tompo. Tiany ny
fitahian’Andriamanitra fa izy mbola maniry ny zavatr’izao
tontolo izao. Miezaka manompo tompo roa izy ireo.
­ Ankasitrahana
Ny sitrapon’Andriamanitra izay ankasitrahana dia manana
fahatanterahina lehibe kokoa saingy mbola tsy ampy noho

44
ny sitrapon’Andriamanitra tanteraka. Eo dia mbola tsy
manana ny voninahitr’Andriamanitra isika.
Romana 3:23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny
voninahitra avy amin'Andriamanitra,
­ Tanteraka
Ny sitrapon’Andriamanitra tanteraka no ivon’ny
sitrapon’Andriamanitra, tsara sy ankasitrahan’
Andriamanitra.
Lioka 11:2 Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hœ:
Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao,
Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra
Jaona 4:34 Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny
sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
Salamo 143:10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no
Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay
tany marina.
Niaina Ny Fanombohany– Niaina Ampahany – Niaina Fahafenoina
Efesiana 3:19 ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny
fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'
Andriamanitra rehetra.
Efesiana 4:13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny
finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy
lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy
Avo Telopolo Heny– Avo Enim-Polo Heny– Avo Zato Heny
Afaka tonga amina ahavo vaovao-na famokarana isika.
Matio 13:23 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay
mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany
avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy
telo-polo heny.
Efesiana 1:3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy
Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-
panahy rehetra any an-danitra,
Salamo 1:3 Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona
izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary
ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.

45
Ho Famintinana
Afaka miainga avy amin’ny…
Fifangaroan’ny asan’ny nofo – mankamin’ny Aina sy ny Fanahy
– mankamin’ny Fanahy madio isika
Avy amin’ny …
Fanazavana ara-boajanahary – mankamin’ny fanazavan’ny fanahy
– mankamin’ny voninahitr’Andriamanitra
Avy amin’ny ao anaty …
mihikiaka amina elanelana– mankamin’ny miteny amina elanelana
– mankamin’ny mibitsibitsika amina elanelana
Izany dia…
Omaly – Anio – Mandrakizay
Avy amin’ny …
Hosotry ny mpino – mankamin’ny hosotry nympisorona
– mankamin’ny hosotry ny mpanjaka
Mba ho eo amin’ny…
Fanatrehany– mankamin’ny fanatrehany mahery vaika
– mankamin’ny voninahitra
Na manao ahoana na manao ahoana ny fiarahantsika
amin’Andriamanitra ankehitriny, dia mbola misy mihoatra
foana. Ny fifandraisantsika aminy dia mitombo hatrany
hatrany. Afaka ny mihetsika hatrany hatrany avy amin’ny
voninahitra mankamin’ny voninahitra mankamin’ny
voninahitra isika.

FANONTANIANA FAMERENANA
1. Amin’ny filazanao manokana, farito ny tabernakelin’i Mosesy sy ny hifandraisan’izany
amin’ny fiderana sy ny fiankohofana.

2. Manomeza dingana efatra na telo izay mifandray amin’ny Tabernakelin’i Mosesy, indrindra fa
izay tena lehibe indrindra mifandray aminao. Hazavao ny fifandraisan’izany aminao.

46
Lesona 4
Hery Ahafahana Mankamin’ny Voninahitra
NY ALOKY NY MAIZINA
Betsaka no tsy nahatsapa ny fisehoan’ny
voninahitr’Andriamanitra satria ny fahavalo dia nanisy
aloky ny fahamaizinana manajamba ny masony mba tsy ho
tanteraka ilay hoe “ny fahazavan’ny filazantsara ny
voninahitry Kristy … hamirapiratra aminy.”
Nalefan’i Satana
2 Korintiana 4:3-4 Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina
amin'izay ho very izany,
izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy
mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i
Kristy, Izay endrik'Andriamanitra.
Ny tena natioran’i Losifera tany am-boalohany dia
manaloka.
Ezekiela 28:14 Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa
voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao;
Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.
Talohan’ny fikomian’i Losifera dia
notendren’Andriamanitra mba ho eo ankavanany, hanaloka
ny fiandrianany izay endrika kerobima amin’ny ilany
roan’ny seza fiandrianan’ny famindrampo sy izay teo
ambonin’ny Fiaran’ny Fanekena. Aloka voninahitra izany.
Tamin’ny fianjeran’i Losifera tamin’ny toerany, dia mbola
natiorany hatrany ilay manaloka. Na izany aza, ankehitriny
dia tanjona adaladalany ny hanarona amina aloka
fahamaizinana ara-panahy amin’ny asany ho fanakanana ny
fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy tsy
hanafaka ireo olona izay mandeha ao amin’ny
fahamaizinana.
Fahamaizinana Ara-panahy Lehibe
Betsaka ankehitriny ny mahatsapa fahamaizinana ara-
panahy lehibe are tahaka ny varahina mihitsy ny lanitra eo
ambony.
Isaia 60:2 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito
manarona ny firenena
Deotoronomia 28:23 Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin'ny
lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao
Betsaka no miandrandra hery manafaka dia ilay
fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy mba

47
hamirapiratra aminy. Miantsoantso mafy tahaka ny
nataon’Isaia izy ireo.
Isaia 62:1-2a Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-
miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny
fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena
azy tahaka ny fanilo mirehitra. Ny firenena hahita ny fahamarinanao,
ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-
baovao ianao, Izay hotononin'ny vavan'i Jehovah
Isaia 64:1-3 Dia tahaka ny fandevon'ny afony tapa-kazo maina sy ny
fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao
ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.
Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia
nidina, ka nihorohoro* teo anoloanao ny tendrombohitra. Fa hatrizay
hatrizay dia tsy mbola ren'ny olona, na nohenoiny, Na hitan'ny
masony, Izay Andriamanitra miasa ho an'ny miandry Azy afa-tsy
Hianao.
Fampanantenana Hery Manafaka
Andriamanitra dia nampanantena antsika hery manafaka
avy amin’ny voninahiny.
Isaia 25:7 Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona
izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny
firenena rehetra.
Isaia 60:1-5 Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny
voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina
manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao
kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny.
Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo
amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao. Atopazy manodidina ny
masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny
zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady
hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren'ny
ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny firenena.
Habakoka 2:14 Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i
Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
NY TOMPON’NY HERY MANAFAKA
Ny fanontaniana dia hoe, “Mila mipetraka ve isika ka
miandry ny hery manafaka avy amin’ny
Voninahitr’Andriamanitra ho avy, sa ve misy zavatra
tokony ho ataontsika ve amin’ny maha mpanara-dia an’i

48
Jesosy antsika mba hiainantsika hery manafaka avy
amin’ny Voninahitr’Andriamanitra mahagaga?”
Voalohany indrindra, dia tokony ho fantantsika ilay
Tompon’ny Hery manafaka.
Hery Manafaka Tao Amin’I Davida
­ Nandray Ny Hosotra Fahatelo
Rehefa nandray ny hosotra fahatelo sy avo indrindra ho azy
davida, dia tonga ny fahavalo ka nitady azy. Tamin’ny
fahatanorany i Davida dia nohosoran’i Samoela mpaminany
fa ho avy ny andro iray ho lasa mpanjaka izy. Taty aoriana
dia nohosorana ho mpanjakan’i Joda izy. Na izany aza ao
amin’ny andalana manaraka, dia vao nandray ny hosotra
hosotra fahatelo sy avo indrindra ho azy izy. Nohosorany
ho mpanjakan’ny Isiraely rehetra izy.
Ny fahavalo dia mahalala ny herin’ny hosotra ambonin’ny
vahoakan’Andriamanitra izay mandrava ny zioga mangetja
rehetra.
Isaia 10:27b (KJV) …Ho rava ny zioga noho ny hosotra.
­ Tonga Ny Fahavalo
Ny fahavalo (ny Filistina) rehetra dia niakatra mba hitady
an’i Davida. Fantatr’izy ireo fa mila sakanana izy.
2 Samoela 5:17- 20 Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny
olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny
Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny
batery fiarovana izy. Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny
amin'ny Lohasahan'ny Refaita. Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah
hœ: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va
izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-
tananao tokoa ny Filistina. Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka
namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo
anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny
anaran'izany tany izany hœ Bala-perazima.
­ Bala-perazima
Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao
tokoa ny Filistina. Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo
tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako
hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany
tany izany hœ Bala-perazima.
Bala-perazima dia midika hoe Jehovah no Tompon’ny Hery
manafaka!

49
Ary mbola Andriamnitra no “Tompon’ny Hery Manafaka.”
Fantantsika fa hanao ny anjarany Izy raha toa isika,
mankatoa, ka manao ny anjarantsika.
Betsaka ankehitriny no mijoro amin’ny finoana sy ny
fankatoavana, mino an’Andriamanitra hanome hery
amin’ny famonjena ny ankohonany sy ny namany. Betsaka
no mino an’Andriamanitra hanome Hery ara-panahy
manafaka amin’ny herin’ny maizina izay nifehy ny
tananany. Maro hafa ihany koa no mila hery manafaka ao
amin’ny fifandraisany, ny fahasalamany ary ny ara-bolany.
Noho izany dia zava-dehibe ny hahafantarantsika
an’Andriamanitra ho Tompon’ny Hery manafaka. Raha
ataontsika ny anjarantsika dia haneho, dia haneho ny
Tenany amin’ny Tompon’ny Hery manafaka Azy Izy na
inona na inona olana misy antsika.
Hery Manafaka Tao Amin’I Daniela
­ Nifady Hanina 21 Andro
Daniela nivavaka sy nifady hanina handraisana hery
manafaka nandritry ny iraika amby roapolo andro.
Daniela 10:1-3 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy,
mpanjakan'i Persia, dia nisy nambara tamin'i Daniela, izay atao hœ
Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala
ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana. Tamin'izany andro izany
izaho Daniela dia nisaona roatokom-bolana mipaka. Tsy nihinana
hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy
nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana
mipaka.
­ Tonga Ny Fahitana
Dia tong any hery manafaka an’i Daniela
Daniela 10:4-6 Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny
volana voalohany, raha teo amoron'ny ony lehibe aho (Hidekela
izany), dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy
iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no
nisikinany; tahaka ny krysolita ny tenany. ary tahaka ny helatra ny
tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-
barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy
ny feon'olona maro be;
And. 7-9 ary izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona
izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-kovitra indrindra
izy ka nandositra niery. Ary dia nilaozana ho irery aho ary nahita izany
fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona tato amiko; fa
nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony

50
tamiko. Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho,
dia renoky ny torimaso niankohoka tamin'ny tany.
­ Tonga Ny Hery Manafaka
Ny Hery manafaka an’i Daniela dia nanomboko tamin’ny
andro voalohany nifadiany hanina “noho ny amin’ny
teniny.” Na izany aza, nisy ady nitohy foana tao amin’ny
tontolon’ny fanahy noho ny amin’ny nataon’i Daniela sy
nolazainy teto an-tany. Tsy nisy zavatra niova teo amin’ny
hita maso rah any an’i Daniela nandritra izany iraika amby
roapolo andro izany. Fa, nisy zavatra mahery vaika tao
amin’ny tontolon’ny fanahy .
And 10-13 Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy
handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany. Ary hoy
izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao,
ka mijoroa; fa nirahina ho aty aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza
izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho. Dia
hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin'ilay andro
voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao
teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny
teninao dia avy aho. Fa ilay andrianan'ny fanjakan'i Persia nanohitra
ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray
amin'ireo andriana lehibe, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany
no sisa nijanona teo amin'ny mpanjakan'i Persia.
Mikaela Arikanjely sy ny anjeliny no ireo izay nandroaka
an’i Losifera sy ny mpanaraka azy hiala ny lanitra rehefa
nikomy tamin’Andriamanitra izy ireo. Tanatin’izany ny
andrianan’ny Persia. Noho ny amin’ny nataon’i Daniela sy
nolazainy teto an-tany, dia niseho Mikaela ary dia nahita
“Hery manafaka” i Daniela.
Ny Hery Manafaka An’I Josafata
­ Voadidina, Tsy Ampy Isa
Josafata mpanjaka sy ny vahokan’i Joda dia nahita fa izy
ireo dia voadidin’ny miaramilan’ny Amona, Moaba sy
Tendrombohitry Seira. Raha ny zavatra hita dia tsy ampy
isa izy ireo.
2 Tantara 20:3-4 Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady
an'i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny
Joda rehetra. Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin'i
Jehovah; eny, avy tamin'ny tanànan'ny Joda rehetra hitady an'i
Jehovah izy.
­ Nahalala Ny Fomba Fiasan’Andriamanitra Ny Vahoaka
Mariho: talohan’izay, Josafata dia nampianatra ny olona ny
fomba fiasan’Andriamanitra ary namerina azy ireo
tamin’Andriamanitra.

51
2 Tantara 19:4 ry Josafata nitœtra tany Jerosalema; ary nandeha
hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin'ny tany
havoan'i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin'i Jehovah,
Andriamanitry ny razany.
Rehefa tonga manohitra antsika ny fahavalo, dia zava-
dehibe, tahaka ny Joda, raha efa nampianarina ny Teny
isika ary “naverina tamin’ny Tompo Andriamanitra
Raintsika.”
­ Mjoiroa Amin’ny Toeranao
Nanomboka nivavaka izy ireo. Nifady hanina izy ireo aru
nikatsaka an’Andriamanitra hanome “Hery manafaka”
And. 12-13 Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay
dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely
anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain'ny
masonay. Ary ny Joda rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany koa dia
samy nitsangana teo anatrehan'i Jehovah.
Niteny tamin’ny alalan’i Jahaziel mpaminany ny Tompo:
And 15b, 17 Aza matahotra na mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka
ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an'Andriamanitra…Tsy ianareo anefa no
hiady amin'ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah
anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa
rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
­ Niankohoka Teo Anatrehan’Andriamanitra Dia Nivavaka
And. 18,19 Dia niankohoka tamin'ny tany Josafata; ary ny Joda sy
ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan'i
Jehovah koa ka nivavaka. Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny
Kehatita sy taranaky ny Koraita, mba hidera an'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny feo mahery indrindra.
Tokony hino ny Tompo sy ny mpaminaniny isika.
And. 20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i
Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao
hœ: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema:
Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatœtra ianareo; minoa
ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
Josafata dia afaka nanotany ny vahoakany satria izy ireo dia
nampianariny ny Tenin’Andriamanitra. Nomaniny ho
amin’ny toerany ireo izay tokony hihira sy hidera eo
anoloan’ny tafika.
And. 21 Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry
mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha
mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hœ:
Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.

52
­ Nifamono Ny Fahavalony
Ny fahavalony rehetra dia voatafiky ny anjely maro
tampoka.
And. 22-24 Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia
nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny
avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy
ireo. Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any
an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony
voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy
ihany. Ary nony tonga teo amin'ilay fitazanana any an-efitra ny Joda,
dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty
niampatrampatra tamin'ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra.
­ Ohatra Ho Antsika
Losifera dia voalaza fa “Kerobima voahosotra izay
manaloka.” Hoy ny Soratra Masina “Ny fampanenoana ny
ampongatapakao sy ny sodinao … (Ezekiela 28:13) Zava-
maneno velesina sy tsofina no voalaza teto. Izany dia
tahaka ny “fampanenoana ny valihanao” (Isaia 14:11).
Losifera dia noforonina hanao mozika.
Tamin’izany dia izy sy ny “anjeliny” izay voaroaka niaraka
taminy no nanao ny fiderana tao an-danitra. Ka raha misy
zavatra tsy zakany dia ny feon’ny fiderana sy fiankohofana.
Tahaka ny hoe nandatsaka ny sabany sy ny ampingany izy,
na manampina ny sofiny ary mihikiaka be. Mahatonga azy
ireo tena hikorontana be izany. Amin’izany fifanjevoana
izany dia lasa mifamely izy ireo. Ny fahavalo, rehefa
tafavory noho ny fankahalany an’Andriamanitra sy ny
tsirairay amintsika Zanak’Andriamanitra, dia tena mameno
faritany be. Nefa anatin’ny fifanjevoany dia lasa nifamono
izy.
(Mariho: Misy fandalinana tanteraka momba izany amin’ny
bokin’i Gill, Fiderana Sy Fiankohofana, Tonga mpiankohoka
amin’Andriamanitra.)
NY FIANKOHOFANA DIA MANOKATRA NY LANITRA
Tao Betela
Na aiza na aiza nalehan’ Abrahama, amin’ny maha
sakaizan’Andriamanitra azy, dia nanangana alitara izy ka
nitsaoka an’Andriamanitra. Fotoana maro taorian’ny
nananganany alitara sy nitsahoany an’Andriamanitra, dia
hitantsika fa ny anjely, na Andriamanitra, dia niseho na
niresaka tamin’i Abrahama. Anisan’izany toerana izany ilay
toerana antsoina hoe Betela. Taona maro taty aoriana
Jakoba zafikelin’i Abrahama, dia nankany Betela.
Genesisy 28:10-11 Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka
nankany Harana. Ary tonga teo amin'ny fitœrana anankiray izy ka

53
nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato
tamin'izany fitœrana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
­ Fitoerana Anankiray
Mariho tsara ilay teny, fitoerana iray. Tsy kisendrasendra
fotsiny ny nijanonan’i Jakoba teo. Fitoerana anankiray ilay
na dia tsy fantany aza. Voalaza fa Jakoba dia teo amin’ilay
toerana izay nanaganan’i Abrahama alitara sy nitsahoany
an’Andriamanitra. Angamba ireo “vato” ireo dia anisan’ilay
alitara izay natsangan’ny raibeny.

­ Nanonofy Anjely Niaka-midina

And. 12 Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny
tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy
anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
Jakoba dia nanana nofy misy heviny ara-panahy tamin’izy
nahita anjely niaka-midina teo amin’izany toerana izany.
Nisokatra teo amin’io toerana io ny lanitra. Ny anjely dia
miakatra sy midina mba handeha haka ny fitahiana ho
antsika. Ilay toerana nisy “Lanitra Nisokatra” dia toerana
izay nitenen’Andriamanitra:

And 13-15 Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hœ:
Izaho no Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama rainao sy
Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny
taranakao; ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany;
dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any
atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena
rehetra ambonin'ny tany. Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao
amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho
amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay
voalazako taminao.
Nisy zavatra naha hafa kely io toerana io izay nisy
fitsahoana marina nitranga teo. “Endrey mahafinaritra ery
izany toerana izany!”

­ Vavahadin’ny Lanitra

And 16-17 Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hœ:
Ato amin'ity fitœrana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala. Dia
raiki-tahotra izy ka nanao hœ : Endrey, mahatahotra ity fitœrana ity!
tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.
Tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana nataon’i
Abrahama teo amin’izany toerana izany taona maro lasa,
dia nisokatra ny vavahadin’ny lanitra. Toerana izay

54
“Fisokafan’ny Lanitra” izany. Toerana hafa kely izay
hitenenan’ny Mpanjakan’ny voninahitra. Nisy hery
nanafaka ho amin’ny voninahitra tamin’ilay toerana
nananganan’i Abrahama alitara sy nitsahoany
an’Andriamanitra.

Nanokatra Ny Vavahady

Manana teny fampanantenana mahafinaritra avy


amin’Andriamanitra isika izay nomena antsika tamin’ny
alalan’i Davida. Raha mandany fotoana miankohoka
amin’Andriamanitra isika, dia ho avy ny Mpanjakan’ny
Voninahitra.

Salamo 24:7-10 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata


ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny
voninahitra.Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery
tsitoha, Jehovah mpiady mahery. Asandrato ny lohanareo, ry
vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2
mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra. Iza ary izao Mpanjakan'ny
voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny
voninahitra.
Ny fiankohofana lalina sy maharitra amin’ny fanahy dia
lakile voalohany amin’ny fahazoana hery manafaka ho
amin’ny Vonihitr’Andriamanitra mahagaga.

­ Nofy Sy Fahitana,
Inbetsaka isika no mandeha amin’ireny toerana misy
Lanitra Misokatra ireny izay niankohofan’olona
tamin’Andriamanitra dia tampoka teo dia niaina ny
fanatrehan’Andriamanitra feno voninahitra izy. Matetika
amin’ireny toerana ireny dia miaina nofy ara-panahy isika
tahaka an’i Jakoba na fahitana ara-panahy tahaka an’i
Ezekiela.

Ezekiela 1:1 Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra


tamin'ny taona fahatelo-polo, raha teo amin'ny babo teo amoron'ny
ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy
tamin'Andriamanitra aho.
­ Maheno Ny Feon’Andriamanitra
Amin’ireny fotoana sy toerana misy “Lanitra Misokatra”
ireny ny fandrenesantsika ara-panahy dia misokatra ary
matetika isika mahare ny feon’Andriamanitra miantso
antsika “miakara aty…”

55
Apokalypsy 4:1,2 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy
varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa
reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hœ: Miakara aty,
dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay. Ary
niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza
fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka
teo ambonin'ny seza fiandrianana.
­ Misokatra Fandrenesana Sy Ny Masom-panahy
Rehefa miakatra mankamin’ny tontolon’ny voninahitry ny
Fanahy isika, dia misokatra ihany koa ny masom-
panahintsika dia tsy hoe mahare ny feon’Andriamanitra
fotsiny isika, fa amin’ireny fotoana ireny isika no “mahita”
amin’ny masom-panahintsika izay zavatra
nomanin’Andriamanitra ho antsika. Ary amin’izany
tontolon’ny Fanahy izany dia mahita an’Andriamanitra
mipetraka ambonin’ny seza fiandrianany isika. Amin’izay
isika ilay niditra tao amin’ny tontolon’ny voninahitra,
tontolon’ny fifandraisana lalina manoloana ny
fiandrianan’Andriamanitra.
Izany tontolon’ny voninahitra izany dia toerana fahitana,
fahatsapana na fiainana ny fanatrehan’ny anjely ihany koa.
Apokalypsy 19:10 Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba
hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa
mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay
mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny
filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana.

Aoka Hitsangana Andriamanitra – Mizarazara Ny Fahavalo


Salamo 68:1a Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Tonon-
kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony
Salamo 149:6 Aoka hisy fanandratana an'Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany
Isaia 30:32 Fa ny feon'i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana;
Hasiany amin'ny tsorakazo ireo. Ary na aiza na aiza no amelezan'ny
tsorakazo voatendry, izay amelin'i Jehovah azy, dia harahina
ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin'ny ady hamelezany mafy
no hiadiany aminy.
Paoly Sy Silasy
­ Nokapohina Sy Ny Natao Tao An-trano-maizina

Asan'ny Apostoly 16:19-24 Ary nony hitan'ireo tompony fa very ny


fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy
ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe; ary rehefa nentiny
tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hœ: Ireto lehilahy
Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra ka mampianatra

56
fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika. Ary ny
vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra
ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy. Ary nony efa
nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka
nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina. Ary rehefa
nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny
tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy
tamin'ny boloky hazo.
­ Nanomboka Nivavaka Sy Nihira
Tonga tamin’ny sasa-kalina ilay hery manafaka, ilay ora
maizina indrindra amin’ny alina.

Asan'ny Apostoly 16:25-26 Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy


nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny
mpifatotra. Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka
nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka
tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy
rehetra.
Mariho tsara ilay fitomboana – nisokatra daholo ny
varavarana – tapaka avokoa ny rojo vy ny tsirairay. Rehefa
manomboka midera an’Andriamanitra isika dia miantraika
any amin’ny hafa izany.
­ Betsaka No Nino
Asan'ny Apostoly 16:27-34 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina
ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny
sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny
mpifatotra. Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hœ: Aza
mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra. Ary izy niantso jiro, dia
nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i
Paoly sy Silasy. Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy:
Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? Dia hoy izy roa
lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny
ankohonanao. Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy
tamin'izay rehetra tao an-tranony. Ary nandray azy roa lahy izy
tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary
natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra.
Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany
hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao
an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.
­ Fanati-piderana
Ny mpanoratra ny bokin’ny Hebreo dia milaza izany ho
fanati-piderana. Ny hery manafaka azy ireo no vokatra

57
azony tamin’ny fanati-piderana nataony tanatin’ny tranga
izay tena nahaketraka azy.
Hebreo 13:15 Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny
alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra
izay manaiky ny anarany.

Lanitra Misokatra

Afaka manokatra ny lanitra amin’ny alalan’ny fitsahoana


an’Andriamanitra isika.
­ Jaona Apostoly
Jaona dia mitantara fa nahita varavarana nisokatra tany an-
danitra.
Apokalypsy 4:1-2 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy
varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa
reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hœ: Miakara aty,
dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay. Ary
niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza
fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka
teo ambonin'ny seza fiandrianana.
Jaona dia mitantara fa nahita ny lanitra nisokatra sy Jesosy
nipetraka teo amin’ny fiandrianana raha vao avy nasain’ny
anjely mba “hitsaoka an’Andriamanitra” izy.
Apokalypsy 19:11 Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba
hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa
mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay
mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny
filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana. Ary nahita ny lanitra
voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy
dia atao hœ Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no
itsarany sy iadiany.
­ Ezekiela Mpaminany
Ezekiela dia milaza fa nahita ny lanitra misokatra.
Ezekiela 1:1 Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra
tamin'ny taona fahatelo-polo, raha teo amin'ny babo teo amoron'ny
ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy
tamin'Andriamanitra aho.
­ Isaia Mpaminany
Isaia 62 :1-3 Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-
miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny
fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena
azy tahaka ny fanilo mirehitra. Ny firenena hahita ny fahamarinanao,
ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-

58
baovao ianao, Izay hotononin'ny vavan'i Jehovah; Ka dia ho tonga
satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok'andriana eo am-
pelatanan'Andriamanitrao.
And.10 Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady, amboary ny lalana
halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny
aminy; manangàna faneva ho tazan'ny firenena.
Fomba Fiasan’i Satana
Tany an-danitra, talohan’ny nidiran’ny fahotana, i Losifera
dia mpidera sy mpiankohoka amin’Andriamanitra. Ny
anjely izay nanaraka azy tamin’ny fikomiana dia mpidera sy
mpiankohoka amin’Andriamanitra daholo. Tena nanoloana
ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ireo talohan’ny
nandroahana azy.
Dia avy eo Andriamanitra namorona an’i Adama sy Eva, fa
Satana dia nahavita namitaka azy ireo sy ny taranany. Dia
Jesosy no tonga sorona ho an’ny lehilahy, vehivavy, sy ny
ankizy rehetra. Ankehitriny, noho ny amin’ny ràny latsaka,
dia asaina isika ho eo amin’ny seza
fiandrianan’Andriamanitra, fa amin’ny alalan’ny
fanomezan’ny Fanahy Masina hery ihany no ahafahana
tonga amin’izany.
Ny tanjon’i Satana dia ny handrava ny tenan’i Kristy. Ny
fomba fiasany dia ny hampiorina “fiangonana” sarisary
fotsiny, izay asa tsy misy hery – mihazona antsika tsy
hahalala ny herin’ny Fanahy Masina – mihazona antsika tsy
hahalala ny hery izay antsika rehefa miditra amin’ny
fanatrehan’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fiderana
sy ny fiankohofana.
Hery Mankamin’ny Voninahitra
Amin’ny alalan’ny fiderana sy fiankohofana lalina, dia
afaka ny hahatsapa vavahady misokatra amin’ny lanitra
isika. Afaka mandre ny feon’Andriamanitra isika manao
hoe “Miakara aty…” afaka ny ho voabata “ao amin’ny
tontolon’ny Fanahy” mankamin’ny seza
fiandrianan’Andriamanitra isika .
Amin’ny alalan’ny hery manafaka anatin’ny fitsahoana dia
nanokatra ny lanitra isika. Rava ny aloky ny maizina.
Tahaka an’i Jakoba tao Betela, dia hahatsapa isika ilay
toerana mahatalanjona izay misy vavahady misokatra, izay
misy anjely maro mivezivezy, izay
hitsanganan’Andriamanitra eo ambony eo ary hitenenany.
Afaka ny hiaina ny voninahitr’Andriamanitra mahagaga
isika!

59
Afaka miara-manambara amin’i Davida isika hoe,
Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba
Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana
fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra
Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah
mpiady mahery.
Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry
varavarana fahagola, mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.
Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no
Mpanjakan'ny voninahitra.
Psalm 24:3-10

FANONTANIANA FAMERENANA
1. Inona no aloky ny maizina?

2. Ahoana no ahafahana manila izany?

3. Manomeza ohatra telo ara-tSoratra Masina mikasika ny aloky ny maizina izay


niala.

60
Lesona 5
Fisehoan’ny Voninahitra
Tonga ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra rehefa
mifindra avy amin’ny tontolo ara-boajanahary
mankamin’ny tontolon’ny fanahy isika.
Tontolo Roa
­ Ny Ara-boajanahary
Misy tontolo roa izay tokony ho fantantsika. Misy ny
tontolo ara-boajanahary izay manodidina antsika.
► Anatin’io tontolo io dia mihetsika amin’ny
fandrenesantsika ara-boajanahary isika dia ny hita, ny
re, ny tsiro, tsapa na kasika, ary fanimboloana.
► Mandalo io tontolo io, midika fa tsy mandrakizay, fa
amina fotoana voafetra.
► Azo tsapain’ny tanana izany.
► Ao amin’ny tontolo ara-boajanahary dia afaka midera
an’Andriamanitra isika. Afaka mianatra
tenin’Andriamanitra isika. Afaka mahalala momba
an’Andriamanitra.
­ Ny Ara-panahy
Misy koa ny tontolo ara-panahy. Io tontolo io ihany koa dia
manodidina antsika.
► Saingy, fa tsy afaka mihetsika amin’io tontolo io isika
amin’ny fandrenesantsika ara-boajanahary. Tokony
hifanaraka amin’ny fandrenesantsika ara-panahy isika.
► Mandrakizay io tontolo io.
► Tsy misy fotoana na halavirana ao amin’ny tontolon’ny
fanahy.
► Ao amin’io tontolo io dia afaka mitsaoka
an’Andriamanitra isika. Ao no tonga velona sy mahery
ny Tenin’Andriamanitra. Afaka mahalala ny teny isika.
Paoly apostoly nanoratra,
2 Korintiana 4:18 raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny
hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
Fanjakana Roa

Misy tontolo roa ao amin’ny tontolon’ny fanahy. Misy ny


fanjakan’Andriamanitra sy ny fanjakan’i Satana.

61
Paoly apostoly dia milaza ireo tontolo roa ireo.
Kolosiana 1:12-14 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika
hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava,sady
nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho
amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana,
dia ny famelana ny helotsika.
Isika dia teraka tao amin’ny tontolon’i Satana, fa amin’ny
alalan’ny fahaterahana indray dia tonga ao amin’ny
fanjakan’Andriamanitra.
Lanitra Telo
1. Misy lanitra telo voalaza ao amin’ny Soratra Masina. Ny
voloahany dia ny habaky ny tany, ny masoandro, ny
volana, ary ny kintana.
2. Ny lanitra faharoa dia ny tontolon’ny fanahin’ny anjely
sy ny demoniaka.
3. Ny lanitra fahatelo dia indray voalaza ao amin’ny
Soratra Masina ao amin’ny 2 Korintiana 12:2, ary io
ilay fonenan’Andriamanitra. Amin’ny andininy faha-4
dia Paradisa no hiantsoan’i Paoly an’io. Ny toerana
misy ny fiandrianana dia ao amin’io tontolo io.
2 Korintiana 12:2-4a Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho,
tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena,
na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay
anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. Ary mahalala
ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny
tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala fa nakarina ho any
Paradisa izy
Rehefa miditra ao amin’ny voninahitra na
fanatrehan’andriamanitra isika, dia ao amin’ny tontolo
fanahy isika amin’izay. Na dia velona ao amin’ny tontolo
ara-boajanahary aza isika, dia afaka mifanaraka amin’ny
tontolon’ny fanahy.
Misy fotoana izay hidirantsika ao amin’ny tontolon’ny
fanahy izay azo lazaina ihany koa hoe tontolon’ny lanitra–
ao amin’ny fiandrianan’Andriamanitra.
Misy andininy maro mihoatra ny 750 momba ny lanitra ao
amin’ny Baiboly, fa tsy misy amin’ireo mihoatra ny lanitra
fahatelo.

MIDITRA AO AMIN’NY TONTOLON’NY FANAHY


Mandray Ny Fanahy Masina
Raha te hahatsapa tontolon’ny voninahitry ny Fanahy isika,
voalohany indrindra aloha dia tokony handray ny
Batisan’ny Fanahy Masina.

62
Lioka 3:16 dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hœ: Izaho
manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka
tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa
anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo
Asan'ny Apostoly 2:1-4 Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo
amin'ny fitœrana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy
tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay
trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay
nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. Ary samy
feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro
samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. Asan'ny
Apostoly 19:2 ka nanao taminy hœ: Efa noraisinareo va ny Fanahy
Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hœ: Tsy renay
akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.
And 6. Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy
ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady
naminany.
Miaina Amin’ny Fanahy
Planina sy tanjon’Andriamanitra ho an’ny fiainantsika ny
hivelomantsika sy handehanantsika amin’ny tontolon’ny
Fanahy isanandro amin’ny fiainantsika.
Galatiana 5:25 Raha mivelona amin’ny Fanahy isika, dia andao ihany
koa handeha amin’ny Fanahy.
And.16 Hoy aho: Mandehana amin’ny Fanahy, dia tsy ahatanteraka ny
filan’ny nofo ianareo.
Mandray Ny Fanahin’ny Fanambarana
Mba hahatsapana ny voninahitr’Andriamanitra marina, dia
tsy maintsy miditra amin’ny tontolon’ny Fanahy isika.
Manomboka izany rehefa tonga ao amintsika ny Fanahy
Masina amin’ny maha Fanahy Fahendrena sy Fanambarana.
Ao amin’ny tontolon’ny Fanahy, tsy hoe mahita ny
voninahitr’Andriamanitra ihany isika, fa isika koa dia
hahita fa tokony hankalaza Azy.
Efesiana 1:16-18 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka
mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako, mba homen'Andriamanitr'i
Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny
fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy
tsara, ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho
fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny
voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina
Ao amin’i Kristy, amin’ny maha mpandova Azy, dia
manana fahasahiana isika hiditra ao amin’ny tontolon’ny
voninahitra mba hanome voninahitra Azy.

63
Hebreo 10:19 Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana
hiditra ao amin'ny fitœrana masina isika noho ny ran'i Jesosy…
Mivavaka Amin’ny Fanahy
Rehefa mivelona sy mandeha amin’ny tontolon’ny
voninahitry ny Fanahy isika, dia hivavaka amin’ny Fanahy
ihany koa isika.
1 Korintiana 14:14-15 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra
aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy
mahavanona. Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no
hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina
koa aho.
Romana 8:26 Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny
fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa
ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
Ny vavakintsika ao amin’ny Fanahy dia
ankasitrahan’Andriamanitra ary amin’ny maha hanitra
hankasitrahina azy dia voahangona anaty lovia volamena eo
anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Apokalypsy 5:8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina
efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo
anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia
volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona
masina izany.
Apokalypsy 8:3-4 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana
teo ambonin’'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-
kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany
azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara
volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza
fiandrianana. Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny
olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo
anatrehan'Andriamanitra.

Mihira Amin’ny Fanahy


Rehefa miditra ao amin’ny tontolon’ny voninahitry ny
Fanahy isika, dia manomboka mihira amin’ny Fanahy koa.
1 Korintiana 14:15b sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa
aho.
Apokalipsy 14:3a Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza
fiandrianana…
Apokalypsy 5:8-9 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-
aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo
anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia

64
volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona
masina izany. Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hœ: Hianao no
miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono
Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy
tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona
ary ny firenena rehetra
Mivavaka Amin’ny Fanahy
Ao amin’ny tontolon’ny voninahitry ny Fanahy dia mahita
isika fa ny Fanahy dia manainga antsika ho amin’ny
fanatrehan’Andriamanitra mba hivavaka amin’ny Fanahy sy
ny fahamarinana.
Jaona 4:23-24 Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena
mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana;
fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy
mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Noentin’ny Fanahy
Na dia ny Fanahy aza dia “nitondra” an’i Filipo. Hanainga
antsika izy ary hitondra antsika mankamin’ny tontolon’ny
voninahitry ny Fanahy.
« Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny
Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha
tamin'ny nalehany izy sady nifaly. » (Asan'ny Apostoly 8:39)
Ezekiela mpaminany dia nohaingan’Andriamanitra rehefa
noentiny tao an-trano.
FISEHOAN’NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA
Voalohany Dia Fampitandremana
Alaivo sary an-tsaina hoe misy ankizy maromaro milalao
amoron-drano. Manamboamboatra trano amin’ny fasika sy
mikomehomehy am-pifaliana izy ireo aminíreo zavatra
noforoniny. Nefa, eo am-pijerena azy dia fantatsika fa afaka
fotoana fohy dia hanjavona izay noforoniny. Efa mba
tahaka ireo ankizy ireo ve isika?
Mora ery ny tsy mihevitra velively ny rano manontolo sady
milalao eny amin’ny sisiny. Ny voninahitr’Andriamanitra
dia lehibe loatra, ary sarotra alaina na dia ny ampahany kely
amoin’ny fotsiny aza.
Rehefa mivavaka isika ary misy zaza sitrana, dia mahita ny
voninahitr’Andriamanitra isika. Rehefa mijoro amin’ny
fahefana nomen’Andriamanitra antsika isika ka mitody ary
manatona tafiotra izay nalefa mba handrava, dia mahita ny
voninahitr’Andriamanitra isika. Rehefa mitsangana anatina
ala lehibe izay amorona rano mandeha amina hantsana
isika, dia mahita ny voninahitr’Andriamanitra isika.

65
Eny Rehetra Eny Ny Voninahiny
Eny rehetra eny ny Voninahiny. Manodidina antsika daholo
izany. Isaia mpaminany dia nahita be tamin’ny voninahitry
ny Tompo, ka hoy izy amintsika,
Isaia 6:2-3 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana
elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny
tongony, ary ny roa nanidinany. Ary nanandratra ny feony izy ka
nifamaly hœ: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro;
Henika ny voninahiny ny tany rehetra
Ny Tanjon’ny Famantarana
Ny famantarana ara-baiboly dia fisehoan’ny
voninahitr’Andriamanitra.
Jesosy dia naseho, na nohamarinin’Andriamanitra tamin’ny
fahagagana, asa lehibe ary famantarana izay nataony.
“Naseho” dia midika hoe fanehoana ampahibemaso ny
fahafahana manatanteraka.
Asan'ny Apostoly 2:22 Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao:
Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo
aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana
izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny
fantatrareo ihany,
Betsaka no nino ary talanjona tamin’ny fahitana
famantarana sy fahagagana.
Asan'ny Apostoly 8:13 Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao
batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny
famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
Andriamanitra dia nifidy ny hisian’ny vavolombelona
amin’ny alalan’ny famantarana, asa lehibe ary fahagagana
izay ataony.
Asan'ny Apostoly 2:19 Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra
ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary
zavon'ny setroka
Hebreo 2:4 sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy
tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy
hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny
sitrapony.
Voaloham-pahamantarana Nataon’I Jesosy
Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy dia ny fanovàna
ny rano ho tonga divay, ary ny Baiboly dia miantso izany
hoe “voaloham-pamantarana.” Ny famantarana dia miteny
na maneho zavatra.

66
Jaona 2:7-11 Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia
nofenoiny hatramin'ny molony. Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy
amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia
nentiny. Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny
fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay
nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy ka
nanao taminy hœ: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no
arosony aloha; ary rehefa nisotro be* ny olona, dia vao izay ratsiratsy
kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka
ankehitriny. Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho
voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny
mpianany.
Ny fahagagana ny amin’ny fanovàna ny rano ho tonga
divay no nampiova ny ara-boajanahary ho amin’ny tsy
takatry ny saina. Mahaliana fa izany famanatarana maneho
fiovàna avy amin’ny natoraly mankamin’ny tsy takatry ny
saina ao amin’ny Jaona toko faharoa, dia mialoha ary
manondro sahady ny fiovam-piainana ao amin’ny Jaona
toko fahatelo izay nilazan’i Jesosy fa “Tsy maintsy hateraka
indray hianareo.”
Rahom-boninahitra
Betsaka no niaina ny atao hoe “rahom-boninahitra”
nandritra ny fotoana fiankohofana lalina. Izany fisehoana
izany dia hita matetika tamina horon-tsary azo tamina
fitaovana fangalana sary mihetsika matihanina tamina
fotoana nahatsapan’ny maro ny voninahtry mahagaga ny
fanatrehan’Andriamanitra.
Eksodosy 16:10 Ary raha Arona mbola niteny tamin'ny fiangonana,
dia ny Zanak'Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka,
indro, ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny rahona.
Eksodosy 24:15 Dia niakatra tao amin'ny tendrombohitra Mosesy, ary
ny rahona nanarona ny tendrombohitra.
Eksodosy 40:34-38 Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana,
ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaona­na, satria
ny rahona nitœtra teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno
ny tabernakely. Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny
rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany
rehetra; fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-
pihavin'izay andro hiakarany. Fa ny rahon'i Jehovah dia teo
ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina,
teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany
rehetra.

67
Matio 17:5 Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava
nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao
hœ: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
Fivoahana Afo
Ny voninahitr’Andriamanitra dia indraindray miseho toy ny
lelafo. Tahaka ny tamin’ny rahom-boninahitra, dia matetika
nisy fivoahan’ny lelafo na vain’afo izay hita tamina
fitaovana fangalana horonan-tsary mihetsika matihanina.
Levitikosy 9:23-24 Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin'ny trano-lay
fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr'i
Jehovah niseho tamin'ny olona rehetra. Ary nisy afo nivoaka avy teo
anatrehan'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany
teo ambonin'ny alitara; ary nony hitan'ny olona rehetra izany, dia
nihoby izy sady niankohoka.
1 Mpanjaka 18:24 (Elia) Ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo
ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran'i Jehovah; koa Izay
Andriamanitra mamaly amin'ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra.
Ary ny olona rehetra namaly hœ: Marina izany teny izany.
And 38-39 Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra
dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny
rano tao amin'ny hady kely. Ary raha nahita izany ny olona rehetra,
dia niankohoka ka nanao hœ: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah,
Izy no Andriamanitra.
2 Tantara 7:1 Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy
afo latsaka avy tany an-danitra
Isaia 4:4-5 Rehefa voasasan'ny Tompo ho afaka amin'ny fahalotoany
ireo zanakavavin'i Ziona, Ary rehefa voadion'ny fanahy fitsarana,sy ny
fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin'ny ran'olona
nalatsany. Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro
Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin'ny
fitœrana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin'ny
fivoriany rehetra; Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy
eloelo
Helatra Sy Kotrokorana
Eksodosy 19:16 Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy
kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny
tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-
kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
Apokalypsy 4:5 Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy
tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny
seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo.

68
Fisehoana Diloilo (Hosotra)
Betsaka no niaina fisehoana diloilo mikoriana amin’ny
tanany, ny tongony ary faritra sasany amin’ny vatany. Ny
diloilo dia nampiasaina mba ho fanosorana.
Eksodosy 30:25 dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho
zavatra aharoharo, asan'ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo
fanosorana masina izany.
And. 30-31 Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hœ: Ity ho diloilo
fanosorana masina ho Ahy hatramin'ny taranakareo fara
mandimby. Aoka tsy hihosoran'ny olon-kafa izany, na hisy haka
tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masina izy ka ho masina
aminareo.
Indraindray ilay diloilo dia miseho tahaka ny lokona
volamena.
Zakaria 4:11-12 Dia namaly aho ka nanao taminy hœ: Inona moa ireo
hazo oliva roa eo an-kavanan'ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany
ireo? Ary namaly koa aho ka nanao taminy hœ: Inona moa ireo
sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona volamena izay
mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?
Fivoahana Volamena
Ny Vovo-bolamena feno voninahitra dia indraindray
mivoaka mandritra ny fotoana hiankohofana lalina eo
amin’ny fanatrehan’Andriamanitra.
Joba 28:5-6 Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia
avadika tahaka ny afo. Fitœran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-
bolamena ao aminy
Araka ny fomba Jiosy, ny zavatra farany hataon’ny
mpampankatra mialohan’ny handehanany any amin’ny
fofom-badiny dia manome fanomezana volamena. Ny
fanomezana volamena dia nomena tamini Rebeka nanaiky
ny hovadin’Isaka.
Genesisy 24:15 Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro,
tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i
Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
Genesisy 24:53 Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy
firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny
zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.
Ilay mpanompon’i Abrahama “tsy votoanona anarana” dia
karazana Fanahy Masina. Nanome fanomezana volamena
an’i Rebeka ilay fofom-bady izy taorinan’ny nanekeny
hovadin’Isaka ilay karazana Jesosy.

69
Joba 22:24-25 Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny
akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka
ny volamena avy any Ofira; Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao
sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
Salamo 68:13 Raha mandry eo amin'ny vala ianareo, dia ho tahaka ny
ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena
tsara
Hagay 2:7-9 ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy
izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity,
hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny
maro. Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny
tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitœrana
ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Apokalypsy 21:18 Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia
tena volamena, toy ny fitaratra madio.
And 21. Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia perila roa ambin'ny
folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna
dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.
Fivoahana Vatosoa
Amina fotoana maro, dia misy vatosoa maro mikoriana
mandritra ny fotoana fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra
eo ami’ny fanatrehany mahery vaika.
Tamin’ny toerany tany am-piandohàna, dia “ilay kerobima
voahosotra izay hanarona,” dia misy famakafakana ny asa
fanompoan’i Losifera teo amin’ny seza fiandrianana any
an-danitra rehefa nandehandeha teo amin’ny vato mirehitra
izy.
Ezekiela 28:11-14 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hœ: Ry
zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i
Tyro, ka lazao aminy hœ: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay
mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno
fahendrena no tena tsara tarehy. Tany Edena, sahan'Andriamanitra,
ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola,
ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny
robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny
ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao, tamin'ny andro
namoronana anao dia natao koa ireo.Hianao dia kerobima voahosotra
izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra
masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no
nitsangantsangananao.
Ny “vato mirehitra” dia maneho ireo vatosoa sarobidy izay
manodidina ny seza fiandrianan’ny lanitra izay maneho ny

70
fahazavan’ny voninahitra izay mamirapiratra avy
amin’Andriamanitra.
Apokalypsy 21:10-11 Ary nitondra ahy tamin'ny Fanahy ho any an-
tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna
masina, dia Jerosalema, midina avy tamin'Andriamanitra any an-
danitra, sady manana ny voninahitr'Andriamanitra izy; ny famirapirany
dia tahaka ny vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy,
manganohano toy ny vato krystaly
And 18-21 Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena
volamena, toy ny fitaratra madio. Ary ny fanorenan'ny màndan'ny
tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny fanorenana
voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny
fahefatra emeralda, ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola, ny
fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo
krysopraso, ny faharaika ambin'ny folo hyakinta, ny faharoa ambin'ny
folo ametysta. Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia perila roa
ambin'ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo
an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.
Isaia dia mamaritra ny “Fofom-bady” ho voaravaka
vatosoa.
Isaia 61:10 Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho
ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho,
ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka
hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny
firàvany.
Fisehoana Volon’Elatra
Nisy volon’elatra izay fantatra fa nilatsaka ihany koa teo
amin’ny tontolon’ny voninahitry ny
fanatrehan’Andriamanitra feno.
Salamo 91:4 Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny
elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny
fahamarinany.
Eksodosy 19:4 Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana
sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny
nampankanesako anareo ho aty amiko.
Malakia 3:20 Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny
Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny
tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby
mifahy
Salamo 17:8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao
ambanin'ny aloky ny elatrao

71
Matio 23:37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny
mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-
hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao
ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!
Salamo 36:7 Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra
ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.
Ny fisehoana elatra dia maneho ihany koa ny
fanatrehan’anjely.
Fivoahana Hanitra
Paoly apostoly, dia miteny amintsika hoe “Hanitr’i Kristy”
2 Korintiana 2:14-16 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra
anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy,
ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny
izahay. Fa hanitr'i Kristy ho an'Andriamanitra izahay amin'izay
hovonjena sy izay ho very: amin'ny sasany dia hanitra avy amin'ny
fahafatesana ho amin'ny fahafatesana; fa amin'ny sasany kosa dia
hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana. Koa iza moa no
antonona ho amin'izany zavatra izany?
Joba dia milaza hoe ny hanitry ny fofonain’Andriamanitra
eo am-bavorona. Izany fisehoana izany dia maneho ny ny
maha akaiky sy ny maha fifandraisana lalina
amin’Andriamanitra.
Joba 27:3 Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny
Fanahin'Andriamanitra.
Salamo 45:8-9 Miora sy hazo manitra* ary kasia ny fitafianao rehetra,
zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory no mampifaly
anao.Zanakavavin'andriamanjaka no isan'ny malalanao; eo
ankavananao no itœran'ny vadin'ny mpanjaka, miravaka volamena avy
any Ofira.
Ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona dia manana sary
mahafinaritra ny fitiavana misy amin’ny mpampakatra
(Kristy) sy isika izay fofom-badiny isika.
Tonon-kiran'i Solomona 3:6 Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-
efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin'ny
miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin'ny vovoka manitra samy
hafa entin'ny mpandranto?
Tonon-kiran'i Solomona 4:11 Mitete tantely toy ny avy amin'ny
tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao
ambanin'ny lelanao, ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i
Libanona.
And. 13-14 Hianao no saha anirian'ny ampongaben-danitra tsara voa,
sady misy kofera sy narda, » Eny, narda sy safrona, veromanitra sy

72
havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra.
Miora sy hazo manitra mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra
Ireo ary ny karazana fisehoana hafa ny
voninahitr’Andriamanitra mahagaga dia famantarana ara-
baiboly izay mampatsiahy antsika ny fitiavana mitafotafo,
ny faniriana hanana fifandraisana lalina amintsika amin’ny
maha fofom-bady amin’ny fiverenany tsy ho ela.
FANONTANIANA FAMERENANA
1. Ahoana no idirantsika ao amin’ny tontolon’ny Fanahy?

2. Milazà fisehoana telon’ny voninahitr’Andriamanitra izay efa hitanao, na izay tinao ho hita?
Manomeza fototra ara-baiboly maneho izany fisehoana izany.

73
Lesona 6
Fanambarana Ny Fiangonan’ny Voninahitra
FAHALALANA NY VONINAHITRA
Tamin’ny faminanian’i Habakoka no nanombohantsika ity
fandalinana momba ny vonihahitry ny Tompo ity. Miresaka
momba ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra izay
hameno ny tany izy. Izao no nosoratanay, “ny fandraisana
izany fahatakarana sy fahatsapana ny fahalalana ny
voninahitr’i Jehovah no nataonay niaraka tato amin’ity
fandalinana ity.”
Habakoka 2:14 Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i
Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
Teny Hebreo – Yada
Ny teny Hebreo nadika “fahalalana” ao amin’ny andinin-
tSoratra Masina etsy ambony dia yada ary izany dia midika
hoe “mahafantatra, manaiky tamin’ny alalan’ny fahitana,
na fandinihana, na fahafantarana.”
Izany fahalalana izany dia tsy ho “fahalalan’ny saina” fa
fahalalana noho ny zavatra hiainana. Izany faminaniana
izany dia midika fa ny tany rehetra dia ho feno olona
mahita, mandinika, mahafantatra ny voninahitry ny Tompo
– ny asan’ny Tompo.
Teny Grika – Gnosis
Paoly apostoly dia miresaka ny amin’ny fahalalana ny
voninahitr’Andriamanitra.
2 Korintiana 4:6 Fa Andriamanitra, izay nandidy hœ: Aoka ny mazava
hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny
fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny
tavan'i Jesosy Kristy.
Ny teny Grika nadika hoe fahalalana, gnosis, dia midika
hoe “mahalala, azo tamin’ny alalan’ny traikefa manokana.”
Ny teny Grika nadika hoe mazava, phos, dia midika hoe
“mamirapiratra na manao fisehoana, indrindra amin’ny
alalan’ny taratra.”
Ny teny Grika nadika hoe voninahitra, doxaxo, dia midika
hoe “mahatonga, na manome lanja ho feno voninahitra.”
Ny Expository Dictionary of New Testament Words,
nosoratan’i W. E. Vine, dia milaza hoe: “Ginosko (teny
fototry ny gnosis) dia midika hoe noentina ho amin’ny
fahalalana, tonga mba hahalala, mahafantatra, mahatakatra,
na mahazo tsara mihitsy. Izany koa dia matetika milaza ny
fifandraisana amin’ilay olona mahalala sy ny zavatra
fantany, izay fantatra dia misy lanja ary zava-dehibe

74
amin’izay mahalala, ary mahatonga ny fiorenan’ny
fifandraisana.”
Teny Grika – Epignosis
Poaoly dia mbola nanoratra indray momba ny fahalalana,
Efesiana 1:17 mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika,
Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny
fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara
Ny teny Grika, epignosis (fahalalana), ampiasaina eto dia
midika hoe “fahafantarana,” ihany koa “fahafantarana feno
manokana, fanekena fa… na ihany koa “lasa mifankazatra
tanteraka amin’ny, na manaiky.”
And. 18 ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho
fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny
voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina
I W.E. Vine dia nanoratra fa, “Epiginosko dia, mandinika,
mahafantatra tanteraka, mandinika tsara, manavaka,
mahalala. Mahatonga tari-dàlana, manokana kokoa, ny
amin’ny fahafantarana lalina ilay zavatra fantatra mihoatra
noho ny Ginosko.
Miaraka amin’ny fisehoan’ny voninahitra, dia hisy
vavolombelona ny amin’izay niainan’ny olona, hitany,
henony fa hameno ny tany. Izany dia ho vokatry ny Tenan’i
Kristy miasa amin’ny hery nomen’Andriamanitra mba
hahatonga ny voninahitr’Andriamanitra ho hitan’ny rehetra.
Rehefa mitady ny tavan’Andriamanitra isika, rehefa
mankeo amin’ny voninahitry ny fanatrehany isika, Daniela
mpaminany dia manome antsika teny fampanantenana
mafinaritra.
Daniela 11:32b fa ny olona izay mahalala an'Andriamaniny kosa dia
hifikitra amin'izany ka hankatò azy
Voninahitra Eo Amin’ny Toerana Fiankohofana
­ Ambanin’ny Fanekena Taloha
Teo ambanin’ny fanekena taloha tao amin’ny Testamenta
Taloha, ny fanatrehan’Andriamanitra dia mitoetra eo
amin’ny Fiankohofana. Tao amin’ny tabernakely, ny
Fanatrehany, ny Voninahiny, dia tonga rehefa noentiny tao
amin’ny Toerana Masina indrindra ny Fiaran’ny Fanekena.
Tao amin’ny tempolin’i Solomona rehefa tonga iray ny
mpisorona sy ny vahoaka, niray saina, rehefa niditra
tamin’ny fiderana sy fiankohofana izy ireo, ny
voninahitr’Andriamanitra dia nameno ny
tranon’Andriamanitra.
2 Tantara 5:12-14 ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana
sy Jedotona mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony

75
fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia
nitsangana teo atsinanan'ny alitara, ary teo aminy koa nisy mpisorona
roa-polo amby zato nitsoka trompetra; ary efa toy ny feo iray no
fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy
nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady
nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-
karazany ka nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny
famindram-pony, dia feno rahona ny tranon'i Jehovah; ka dia tsy
nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny
rahona; fa feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra.
­ Ambanin’ny Fanekena Vaovao
Tamin’ny alalan’ny ràn’i Jesosy izay latsaka, dia niditra tao
amin’ny Fanekena vaovao isika. Noho ny sorona izay
nataon’i Jesosy teo amin’ny toerantsika, dia lasa afaka
mitoetra amin’ny olombelona Andriamanitra ankehitriny.
Amintsika ny voninahiny. Mitoetra amintsika ny
voninahiny.
NY ZAVA-MIAFINA – FIANGONAN’NY VONINAHITRA
Ny mpaminanin’ny Testamenta taloha dia tsy nahita ny
vanim-potoana izay niainantsika. Tsy nahita ny
fotoanan’ny fiangonana izy. Rah any tena marina dia zava-
miafina izany.
Ny fanambarana izay nolazain’i Petera, fa Jesosy no “Kristy
(ilay voahosotra), ilay Zanak’Andriamanitra Velona” dia
fiantombohan’ny fanambarana izay zava-niafina tamin’ny
fotoana lasa.
Voalohany Dia Nolazain’I Jesosy Ny fiangonana
Voalohany nanambaran’i Jesosy ny teny hoe “fiangonana”
ny fotoana niresahany momba ny fanambarana izay
nomen’ny Ray tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ho an’i
Petera. Izany fiantombohan’ny fanambarana izay zava-
niafina tamin’ny fotoana lasa. Tamboin’izany
fanamabarana izany no nolazainy fa hananganany ny
fiangonany.
­ Fahamarinana Fototra
Matio 16:13 -15 Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-
filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hœ: Ataon'ny
olona ho iza moa ny Zanak'olona? Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona
Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia,
na anankiray amin'ny mpaminany. Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo
kosa manao Ahy ho iza?

76
­ Fanambaran’I Petera
Matio 16:16 Ary namaly Simona Petera ka nanao hœ: Hianao no
Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
Matio 16:17 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hœ: Sambatra ianao,
ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny
Raiko Izay any an-danitra.

­ Toetra Efa Mamaritra Izany


Matio 16:18-19 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary
ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny
vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. Homeko anao ny
fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto
ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona
vahanao ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
1 – And 18-19 Ho haoriko ny fiangonako,ary ny vavahadin’ny fiainan-
tsi-hita tsy haharesy azy.
2 – Ary homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra
3 – na inona na inona fehezinao ety ambonin’ny tany dia ho fehezina
any an-danitra
4 – na inona na inona vahanao ety ambonin’ny tany dia ho vahàna any
an-danitra."
Faritan’i Jesosy ny fiangonana izay haoriny. Natao ho
fiangonan’ny hery izay tsy afaka ny horesen’ny Satana sy
ny fanjakany. Natao hanana ny fanalahidin’ny fanjakana
izany. Natao hanana hery hifehy sy hamaha izany.
Fanambaran’I Paoly Ny Amin’ny Fiangonana
Amin’ny firesahana izany “zava-miafina” izany, Paoly
apostoly niteny fa,
Efesiana 5:32 Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy
ny fiangonana aho.
­ Ny Zava-miafina
Paoly apostoly dia milaza ny fiangonana ho zava-miafina
izay tsy nambara tamin’ny fotoana lasa.
Efesiana 3:1-5 Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy
Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, raha mba renareo ny fitondrana ny
fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, fa
fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny
voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo. Ary araka izany, raha mamaky
ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny
amin'i Kristy, izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona

77
tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny
amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
­ Tafiditra Ihany Koa Ny Jentilisa!
Fantany fa ny Jentilisa dia lasa mpiara-mandova.
And. 6-9 dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena
iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho
ny filazantsara, izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny
fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny
fiàsan'ny heriny. Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny
olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory
amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany, ary ny hampahazava
ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia
Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao
amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra
­ Mampahafantra Ny Mahamaro
Samy Hafa Ny Fahendren’Andriamanitra
Paoly dia nilaza fa ny tanjon’ny fiangonana dia ny
hampahafantatra ny fahefana sy ny hery ao amin’ny
tontolon’ny fanahy, ny mahamaro samy hafa ny
fahendren’Andriamanitra.
And. 10-12 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any
an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny
fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana araka ny
fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy
Tompontsika, Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny
fahatokiana noho ny finoana Azy.
Amin’ny fanafenana ny tena heviny marina ny fiangonana
izay nolazain’i Jesosy fa haoriny, Satana dia nihazona
antsika tsy hahalala ny fahafahantsika feno ho tonga mpiray
fomba amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Ao amin’ny Efesiana 5 dia mbola maneho ny fiangonana ho
zava-miafina i Paoly.
Efesiana 5:32 Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy
ny fiangonana aho.
Ny Dikan’ny Teny Hoe – Fiangonana
Tsy natsangana mba ho volon-koditra iray ihany ny
fiangonana, fa natao mba ho ao ihany koa ny Jentilisa.
(“Jentilisa” dia maneho volon-koditra hafa izay tsy Jiosy)
Ny fiangonana dia natao ho an’izay rehetra ao amin’i
Kristy. Ao Aminy, dia tsy misy lehilahy na vehivavy, Jiosy
na Grika, andevo na tsy anjely. Ny volon-koditra, ny
mahalehilahy sy mahavehivavy, na ny ara-bola ny olona dia
tsy tokony hampisy fahasamihafana.

78
Galatiana 3:28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy
andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy
Jesosy.
Nandritra ny taona maro niainana tamin’ny fombafomba,
ny teny hoe “fiangonana” anakehitriny dia lasa nanana
dikany izay tsy mifanaraka amin’ny baiboly velively. Ho
an’ny maro dia midika izany hoe trano fivavahana na
hetsika natsangan’olona.
Amin’ny fanafenana ny dikany marina momba ny
fiangonana izay lazainy fa ho hatsangany, Satana dia
nihazona antsika tsy hihetsika – amin’ny maha fiangonana.
Isika No Fiangonana!
Ny fampanantenana rehetra ho an’ny fiangonana, dia teny
fampanantenana ho antsika. Isika no fiangonana!
­ Fiangonam-boninahitra
Izany fanambarana vaovao izany, ny fiangonana izay
nolazain’i Jesosy fa ho haoriny, dia ho “voninahitsika.”
1 Korintiana 2:7 fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka
maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady
voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao
tontolo izao;
Ilay voninahitra izay verin’i Adama sy Eva rehefa nanota
izy ireo ka “tsy misy manana ny voninahitr’Andriamanitra”
dia naverina ho antsika, dia “ny olom-baovao,” ao amin’ny
fiangonany.
­ Ny Fanantenan’ny Voninahitra
Ny fanamabarana ny amin’ny mahIzy an’i Kristy,
“zanak’Andriamanitra Velona” dia midika ho “ny haren’ny
voninahiny.” Noho ny amin’ny Kristy, (Ilay Voahosotra) no
ho velona ao anatintsika amin’ny maha fiangonany antsika
no ilazàna hoe “fanantenan’ny voninahitra.”
Kolosiana 1:27 izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny
haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy
ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;
­ Fisehoan’ny Fahendren’Andriamanitra
Ankehitriny, izany “zava-miafina,” izay voafina
hatramin’ny voalohany, dia efa naseho tamin’ny
tontolon’ny fanahy dia “ny fanapahana sy ny fanjakana eny
amin’ny rivotra” amin’ny alalan’ny fiangonana. Paoly
apostoly nanoratra:
Efesiana 3:8-10 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny
olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory
amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany, ary ny hampahazava

79
ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia
Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao
amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra; mba
hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra
amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny
fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana.
­ Ireo Izay Nantsoina Handeha Any Ivelany
Ny teny Grika niandiha’ny teny hoe “fiangonana” dia
eklesia izay avy amin’ny teny hoe ek midika “out” ary ny
hoe kaleo midika “miantso.” Tsotra be ny dikany hoe ireo
izay “nantsoina handeha any ivelany.”
Isika, amin’ny maha fiangonana, dia nantsoina handeha
ivelany araka ny tanjony.
2 Timoty 1:8-10 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny
Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny
fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra Izay
namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy
araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay
nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola; fa
naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy
antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara
no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana
mandrakizay;
Romana 8:28 Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa
hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany
rahateo.
Isika izay voalaza fa nantsoina araka ny tanjony no
fiangonany. Tsy afaka “mankany am-piangonana” isika.
Isika no fiangonana! Andriamanitra dia manana tanjona
mandrakizay ary isika dia “nantsoina araka ny tanjony.”
­ Fofom-badin’I Kristy
Isika dia antsoina hoe fofom-badin’i Kristy.
Efesiana 5:25-32 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny
nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy
mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana
amin'ny teny; mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana
malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa
mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. Dia tahaka izany koa, ny
lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny
vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa
mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana fa
momba ny tenany isika. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy
sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy

80
roroa (Gen. 2. 24). Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy
sy ny fiangonana aho.
Misy mampisalasala ve fa maninona Satana no manimba ny
fomba nananganan’Andriamanitra ny fanambadiana? Ny
fanambadiana dia natao ho sarin’ny fiombonan’i Kristy sy
ny fiangonana.
­ Ny Tanjon’Andriamanitra
Efesiana 3:21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana* sy
ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra
mandrakizay mandrakizay. Amena.
Amin’ny maha nantsoin’Andriamanitra mba “ho araka ny
tanjony” isika tsirairay dia fiangonany manokana sy tenany
tafiaraka. Isika tsirairay dia anisan’izany “nantsoina
handeha any ivelany ” izany izay fivoriana na fiangonan’ny
mpino izay nofidiny ho antsoiny hoe “Ny fiangonako.” Ny
karazana Tabernakely fivoriana araka ny Testamenta
Taloha toy ny ny Tabernakelin’i Mosesy, ny tabernakelin’i
Davida ary ny Tempoly taty aoriana sy ny Tempoly
naorin’ny zanaka’ i Davida, dia Solomona, ireny rehetra
ireny dia misy tandindona ampahany amin’ny fanambarana
ny amin’ny “trano” ho avy, izay ho Ilay Fiangonana, ilay
tena fofom-badin’i Kristy.
Isaia 60:7 ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.
Salamo 26:8 Jehovah ô, tiako ny trano itœranao, dia ny fonenan'ny
voninahitrao.
Ezekiela 44:4 Dia nentiny nankamin'ny vavahady avaratra ho eo
anoloan'ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr'i
Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
Hagay 2:9 (KJV) ny voninahitry ny trano aty aoriana dia ho lehibe
lavitra noho ny teo aloha, hoy Jehovah Tompon’ny maro: ary
amin’izany toerana izany no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah
Tompon’ny maro .
ILAY TOERANA MIAFIN’NY AVO INDRINDRA
Ao amin’ny Toerana miafin’ny Avo Indrindra dia
nohaingana ho amin’ny tontolon’ny fanahy isika izay
akaiky be an’Andriamanitra ka mahita ny tenantsika
ambanin’ny aloky ny Tsitoha isika. Ho an’ny mpiankohoka
marina, tsy toerana izay lalovana tsi-ndraindray izanyt, fa
toerana izay tokony “hijanonana” na “haharetana” eo
amin’y Fanatrehany mahagaga.

81
Psalms 91:1-12
­ Ilay Toerana Miafina
And. 1a Ny mitoetra eo amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra
Ny teny Hebreo ampiasaina eto dia cether ary midika hoe
fialofana, toerana fiafenana, na toerana fiarovana.
­ Ambanin’ny Aloky Ny Tsitoha
and. 1b Dia mitoetra eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.
Raha afaka nositranina sy nohafahana tamin’ny alalan’ny
aloky Petera izay nandalo ny olona, dia mihoatra lavitra
izany no antenaintsika raha afaka “mitoetra” ambanin’ny
aloky ny Tsitoha isika.
Asan'ny Apostoly 5:15-16 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny
marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho
azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy. Ary ny olona maro
avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa,
nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana
avokoa izy rehetra.
­ Fialofako – Heriko

Izy dia hiaro antsika amin’ny hafetsen’i Satana sy ny


aretina.
­ Ambanin’ny Elany
And. 4 Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no
hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
­ Having No Fear
And. 5-7« Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-
tsipìka manidina nony andro, Na ny areti-mandringana mandeha
amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny
mitataovovonana. Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina
eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
Hiaro antsika amin’ny horohoro nony alina Izy – mpanao
herisetra, mpangalatra, mpampihorohoro, horohoron-tany,
rivo-doza, tafio-drivotra.
­ Fonenantsika
Salamo 91:8-10 Hijery maso fotsiny ianao, Ka ho hitanao ny
hamaliana ny ratsy fanahy. Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no
aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, Dia tsy hisy
loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.

82
­ Fiarovan’ny Anjely
And. 11-12 Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny
amin'izay rehetra halehanao. Eny an-tànany no hitondran'ireo anao,
Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.
Afaka manantena fiarovana tsy takatry ny saina isika.
ILAY FIANGONANA BE VONINAHITRA
Afaka mamela ny tenantsika ho kivy amin’izay hitantsika
sy hianantsika amin’ny fivoriam-piangonana amin’izao
andro izao isika, ka lasa tsy hitantsika ny zavatra
mafinaritra izay lazain’Andriamanitra momba ny
fiangonana. Tsy niresaka momba ny fiangonana araka ny
hatramin’izay izay nisy antsika izy. Fa niresaka ny amin’ny
Tenany, ny Mpinony. Isika no Fiangonana.
Kristy Tia Ny Fiangonana
Efesiana 5:25-27 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny
nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy
azy,mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano
fanasana amin'ny teny; mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho
fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy
izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.
Fahoriana Miasa Ho Antsika
2 Korintiana 4:17 Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia
mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra
mavesatra maharitra mandrakariva ho anay
Mitondra Antsika Ho Amin’ny Voninahitra
Romana 8:18-19 Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro
ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay
haseho amintsika. Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry
fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;
Fahazavana Mamirapiratra Ao Amin’ny Maizina
2 Korintiana 4:6 Fa Andriamanitra, izay nandidy hœ: Aoka ny mazava
hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny
fahazavan*'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny
tavan'i Jesosy Kristy.
Romana 8:19 Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny
maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny
fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-
lalanao

83
Efesiana 3:21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana* sy
ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra
mandrakizay mandrakizay. Amena.
Tonga Ny Fifohazam-panahy
Ny fifohazam-panahy dia ny voninahitr’Andriamanitra izay
miverina ao amin’ny fiangonana.
Isaiah 60:7 …ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro…
Hagay 2: 7 …ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro.
And. 9 Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny
tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitœrana
ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Isaia 60:1-4 Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny
voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina
manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao
kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny. Ary
ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo
amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao. Atopazy manodidina ny
masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny
zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
Mitondra Ny Haren’ny Jentilisa
Isaia 60:5 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia
hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao
ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny
firenena.
And. 7 ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.
REHEFA MAMENO NY TANY NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA
Endrey ny ho voninahitr’izany andro izany rehefa ho
fenoin’Andriamanitra ny tany! Hiaina voninahitra lehibe
isika –Voninahitra izay mihamitombo hatrany –
Voninahitra izay hameno ny tany rehetra!
Irin’Andriamanitra ho ahy sy ho anao. Rehefa manova ny
ny fisainantsika ara-boajanahary isika ary mamela ny
fanahintsika hahatakatra ary mino ny zavatra rehetra izay
nolazainy fa marina ho antsika, dia hahita ny fahagagana
hiseho na aiza na aiza halehantsika.
Hanana …
Fahasalamana sy famatsiana tsy takatry ny saina isika.
Mifototra amin’ny 3 Jaona, and. 2, dia
sitrapon’Andriamanitra ho antsika olony ny ho hambinina
sy ho salama.

84
Ry malala, mivavaka aho mba ho hambinina amin’ny zavatra rehetra
ianao sy ho salama, tahaka ny hanambinana ny fanahinao.
Famatsiana Tsy Takatry Ny Saina
Mifototra amin’ny Filipiana 4:19, dia mahalala isika fa
Andriamanitra dia hahatanteraka izay rehetra ilaintsika.
Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka
ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.
Araka ny Salamo 105:37 sy 39-41 dia mino Azy fa hamatsy
antsika volafotsy sy volamena, vatana matanjaka, ary
sakafo sy rano amin’ny fomba tsy takatry ny saina.
And. 37 Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy
volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza
tamin'ny fireneny.
Salamo 105:39-41 Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho
fanazavana nony alina. Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy,
Ary mofon-danitra no namokisany azy. Nanokatra ny vatolampy Izy,
dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin'ny tany maina ho
renirano.
Fifaliana Tsy Takatry Ny Saina
Afaka mahatsapa fifaliana mitafotafo isika eo amin’ny
Fanatrehany.
Salamo 105:43 Dia nitondra ny olony nivoaka tamin'ny fifaliana Izy
Ary ny voafidiny tamin'ny fihobiana;
Salamo 16:11b … fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary
fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
Asan'ny Apostoly 2:28 Nampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao;
Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao
Indro Ny Tavany Sy Ny Fahatsarany
Afaka ho amin’ny toerana izay handinihantsika ny tavany
sy ny fahatsarany isika.
Salamo 27:4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany
no hotadiaviko, dia ny hitœtra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro
rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy
mandinika ny tempoliny.
Salamo 27:8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny
navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
Miaina Ny Fanatrehan’Andriamanitra Mitoetra
Afaka miaina ny fanatrehany mitoetra isika, na dia
manoloana ny fahavalontsika.

85
Salamo 23:5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny
fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako
feno dia feno.
Mihaino Ny Feony
Afaka mandre ny feony isika.
Jaona 10:3-4 Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady; ary ny ondry
mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany
avy ka entiny mivoaka. Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia
mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony
ireo.
Ho Eo Ambanin’ny Aloka Fiarovany
Afaka ny ho eo ambanin’ny aloka fiarovana isika.
Salamo 105:39 Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho
fanazavana nony alina.
Mandry Eo Amin’ny Hafanan’ny voninahiny
Handefa ny afon’ny voninahiny Izy ho fiarovana ahy.
Zakaria 2:5 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy
manana kofehy famolaina eny an-tànany.
Manana Fanambarana – Famirapiratana Sy Fahazavana
Hamatsy antsika fahazavana tsy takatry ny saina Izy.
2 Korintiana 4:6 Fa Andriamanitra, izay nandidy hœ: Aoka ny mazava
hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny
fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny
tavan'i Jesosy Kristy.
Tari-dàlana Sy Toro-làlana
Hanome antsika tari-dàlana sy toro-làlana Izy.
Nehemia 9:19 kanefa noho ny haben'ny famindram-ponao dia tsy mba
nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy
teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo,
izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony
halehany.
Fiarovana Amin’ny Fahavalontsika
Handefa ny anjeliny izy hiaro antsika amin’ny
fahavalontsika.
Eksodosy 14:19-20 Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo
alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny
andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany

86
ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely:
dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny
alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.
Isaia 58:8 Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny
maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny
fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-
lalanao
Fiarovana Ny Firenentsika
Hanasitrana ny tanintsika Izy.
2 Tantara 7:14 raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy
hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy
fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary
hahasitrana ny taniny.
Hohatanjahina
Hampantanjaka ny olona anatintsika Izy.
Efesiana 3:16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny
mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny tœ-panahinareo;
Voninahitra Tsy Takatry Ny Saina
Andriamanitra no Voninahitsika!
Salamo 3:3 Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy,
Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
Isaia 60:1 Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny
voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.
And. 5-6 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona
sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren'ny
ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny firenena.Ho feno ny
rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy
Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-
pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i Jehovah no teny mahafaly
hambarany.
Ary Hoy Andriamanitra
« Manamboara lalana ho an'i Jehovah
manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika
Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra
Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra
Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba
ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka
Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah
ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany
Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny »

87
FANONTANIANA FAMERENANA
1. Inona no Toerana miafin’ny Avo Indrindra? Manomeza farafahakeliny hamaritanao ny vlin-
teninao.

2. Inona no tombon-tsoa amin’ny fahafenoina eo amin’ny fanatrehany?

88

You might also like