Download as pdf or txt
Download as pdf or txt
You are on page 1of 14

Ity boky toro-lalana ity dia natao tao anatin'ny «Centre de formation agricole»

tontosain'ny Centre Technique Horticole de Tamatave (CTHT) miaraka amin'ny


Projet AMBATOVY sy ny PGRM.
FANOROAM-PEJY

FAMPAHAFANTARANA ANKAPOBENY ................................................................... 1


1. NY TOERANA FIOMPIANA ........................................................................... 1
2. NY TRANO .................................................................................................... 2
3. NY AO ANATIN'NY TRANONY ..................................................................... 4
4. FITANTANANA NY FIOMPIANA ................................................................... 6
5. FAHASALAMANA ......................................................................................... 8
6. FITANANA AN-TSORATRA ........................................................................ 10
FAMPAHAFANTARANA ANKAPOBENY

Fiompiana atao ho fampidirambola sy ho fanatsarana sakafo ny fiompiana akoho


fakana hena. Roa karazana ny azo ompiana fa ny karazany haingam-pitombo
«Starbro», «Cobb», «Hubbard Isa» no tsara ompiana. 45 andro ny faharetan'ny
fiompiana ary milanja manodididina ny 2 kg ny akoho iray raha tanteraka antsakany sy
andavany ny fitondrana ny fiompiana voarakitra ao anatin'ity torolalana ity.

1. NY TOERANA FIOMPIANA

• Tokony ho toerana malalaka sady marin-drano.


• Maina tsara sady avoavo.
• Lavitry ny tabataba.
• Misy zavamaniry manodidina mba handrindrana
• Manamora ny asa fikarakarana rehetra ny fisian'ny
• herin'aratra (hazavana, fanafanana, fanaraha-maso)
• Misy rano madio fanome ny akoho sy hanaovana fanadiovana.
• Ny fitodiky ny trano dia kendrena mba hifanapaka
• amin'ny fiavian'ny rivotra amin'ny fotoana mafana.

1
2. NY TRANO

Kendrena mba:
• Hiaro ny akoho amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro (rivotra, orana,hafanana,
hatsiaka) sy ny fahavalony (biby mpanimba sy mpangalatra),
• Ho mora diovina,
• Hahazo rivotra tsara sy hazavana,
• Tokony 10% ny velaran'ny trano ny velaran'ny varavaran-kely.

Rindrina : tsara raha vita amin'ny fitaovana mora lokoina fotsy (chaux) ny ao anatiny;
Tafo : Aty amin'ny faritra mafana, dia atao 3 m ny haavony; azo ampiasaina ny bozaka
na ravina na satrana.

Ny filàna rivotra eo amin'ny akoho :


Tokony hitovy, tsy miovaova ny fihetsehan'ny rivotra.Tandremana mba tsy hisy
«courant d'air», indrindra ho an'ny akoho 1 - 7 andro.
Rehefa feno 15 andro ny akoho dia tokony hisy rivotra tsara ao an-tranon'akoho mba
hahamaina ny lafika. Raha mando ny lafika dia mamoaka fofona amoniaka.
Ny hazavana :

2
Tena ilaina ny hazavana satria raha tsy ampy izany dia tsy afaka mihinana sy misotro
izy ka manatara ny fitomboany.
Ny fomba fandrefesana ny hazavana : Ampitomboina ny refin'ny trano
ampiasaina ny hazavana ilaina mba ahafantarana ny tanjaky ny hazavana
ampiasaina. Ohatra : trano 20m2  3 watts / m2 = 60 watts (hazavana
ampiasaina).
Raha tsy misy herin'aratra dia mampiasa jiro pétrole ka jerena tsara ny
hazavana ahafahan'ny akoho mihinana sy misotro. Miankina amin'izay no
anampiana ny jiro pétrole ampiasaina.
Taonany Hazavana Faharetany
1 - 15 andro 3 − 5 watts / m2 24 ora
3 -4 herinandro 1 − 2 watts / m2 10 - 14 ora isan'andro
Herinandro faha 5 no mihoatra
0,3 watts / m2 24 ora

Ny hafanana :
Tena ilain'ny akoho ny hafanana. Tsara raha mampiasa fijerena maripana
(thermomètre) ary ny fihetsiky ny akoho dia ahafahana mijery ny hafanana antonony.
Hafanana manodidina ny
Herinandro Hafanana ao an-trano (°C)
fatana (jiro) (°C)
1 36° - 34°C 33°C
2 34° - 32° C 31° C
3 32° - 30° C 29° C
4 30° - 28° C 27° C
5 29° - 26° C 25° C

3
Ny fitaovana manome hafanana :
Jiro manafana mandeha amin'ny herin'aratra (lampe chauffante na ampoule) na fatana
saribao na taim-bakona no ampiasaina hanafanana ny tranon'akoho (mila
fitandremana anefa ny afo sy ny pitik'afo amin'izany).

Refin'ny tranon'akoho :
Herinandro 1 2 3 4 5 6 7 8
Isan'ny akoho/m2 40 30 20 10 10 10 10 10

Ny akohokely 1000 izany dia mila trano velarana 100m 2 izay asiana efitra azo akisaka
isan-kerinandro

3. NY AO ANATIN'NY TRANONY

3-1 Ny fanambaniny :
Vita amin'ny fitaovana mora sasàna na soloina. Vita simenitra na tany voadama, hazo
na volo.

3-2 Ny varavaran-kely :
Tsara ny manisy lamba tsy lena fotsy tantera-pahazavana (ohatra: plasitika) sy
karakara vy mba hanakanana ny rivotra mahery raha ilaina, kanefa tsy manakana ny

4
hazavana.

3-3 Ny tavy fisotroana sy fihinanana :


Atao fitaovana mora diovina isan'andro, tsy miteraka harafesina na fahalovana.
Atao mifanitsy amin'ny haavon'ny lamosin'ny akoho ny haavon'ny fitaovana. Arakaraka
ny fandanian- drano no tokony hamerana ny halehibeny sy ny isany.

Sokajy Refin'ny fisotroana Refin'ny fihinanana

Akoho madinika 5 - 10 sm isan'akoho

0 - 23 andro 2 - 3 sm (1m  0,10m  0, 03m )


Famaranana isan'akoho 5 - 10 sm isan'akoho
24 - 45 andro (1m  0,15  0, 05m )

Fisotroana rano (Abreuvoir)


Siny plastika avadika ambony lovia, na tavoahangy na volo.
Mba isakanana ny akoho tsy hitaingina eo ka mety handoto ny rano dia tokony
asiana zavatra vita avy amin’ny hazo na tanimanga apetraka eo ambony.

5
Fihinanana (Mangeoire)
Vita amin’ny volo na hazo (planche). Kendrena tsy ho mora manary hanina kanefa
tsy manahirana ny akoho. Misy fanakanana tsy ahafahan’ny akoho miditra ao
anatiny.
Tsara raha miloko marevaka ireo fitaovam-pihinana sy fisotroana mba hanintona
ireo akoho.

3-4 Ny lafika :
Taim-bakona maina tsara no ampiasaina ka 8 - 10 sm no ateviny. Mila arahi-maso sy
soloina ny lafika raha mando satria mamparary ny akoho.

4. FITANTANANA NY FIOMPIANA

4-1 Fanombohana
• Vao tonga ao amin'ny tranony ny akohokely vaovao dia tsara raha omena
fanafody mampitony na «anti-stress» mba hanalana ny havizanana, ny
fanaintainana vokatry ny lalan-davitra sy ny fiovan- toerana.
• Adiny efatra aorian'ny fahatongavany vao omena sakafo ny akoho ary atao
ambony baoritra kely tsy malama izany sakafo izany, ary soloina miandalana
amin'ny fitaovam-pihinanana ny baoritra.

6
• Lanjaina isan-kerinandro ny akoho mba ahitana ny fitombony ka raha hita fa tsy
tena ara-dalàna izany dia tokony omena vitaminina na antibiotika.
• Ny fifampitsaingohana dia tsy misy loatra amin'ny fiompiana akoho fakana hena.
Mety hisy anefa izany raha toa ka mafana loatra, na mazava loatra, na misy tsiro
tsy ampy amin'ny sakafony.

4-2 Ny sakafo
• Sakafo misy tsiro sy hery mifandanja araka ny sokajiny no omena ny akoho.
• Tokony in-4 na in-5 isan'andro no mizara sakafo.
• Tsara ny mividy provandy ho an'ny fiompiana latsaky ny 100 - 200.
• Kendrena mba ho provandy mifanentana amin'ny dingan'ny fiompiana hatrany
no ampiasaina.

Taona Fatran'ny provandy Lanjan'ny akoho


Herinandro Karazana provandy
(andro) (g) (g)
1 1-7 23 170
2 8 - 14 Provandy 47 417
3 15 - 21 «Démarrage» 74 745
4 22 - 28 106 1157
Provandy «Démarrage» +
5 29 - 35 140 1634
«Finition»
6 36 - 42 166 2140
Provandy «Finition»
7 43 – 49 187 2639

Ny lanjan'ny provandy lanin'ny akoho iray hatramin'ny faha-49 androny dia 5,2 kilao.
Fomba fanao raha manova sokajin-tsakafo:
Tsy azo ovaina tampoka ny sakafo fa atao miandalana ho an'ny sokajy rehetra. Ao
anatin'ny 5 andro ny fanovana.

Andro Sakafo taloha (%) Sakafo vaovao (%)


1 80 20

7
2 60 40
3 40 60
4 20 80
5 - 100

Marihina fa ny sakafo vita voafangaro dia tsy azo tehirizina mihoatra ny roapolo andro.
Fanamarihana hoan'ny akoho efa feno 45 andro sy mihoatra : Ajanona indray
andro mialohan'ny amonoana azy ny fanomezana sakafo fa tsy maintsy omena rano
kosa. Tsara kokoa ny henany amin'izay.
TANDREMO : Tsy tsara ny miompy ny akoho mihoatra ny 45 andro fa mivadika ho
fatiantoka hoan'ny mpiompy izany noho ny fandaniana eo lafiny ara-tsakafo sy
fikarakarana.

Rano :
Mila rano madio tsara sy tsy tapaka ny akoho. Tsara fantarina ihany ny fandaniana
rano mba ahazoana manomana ny fitaovana ilaina amin'izany.
Taonan'ny akoho (herinandro) Rano (ml/isan'andro/isan'akoho)
1 46
2 94
3 148
4 212
5 280
6 332
7 374

Ny fatran'ny rano lanin'ny akoho iray hatramin'ny faha-49 androny dia 1,76 litatra.

5. FAHASALAMANA

5-1 Fiarovana
Ireto ny fepetra amin'ny fitaizam-pahasalamana :
• Fahadiovan'ny trano (anatiny sy ivelany) ary ireo fitaovana ao anatiny,

8
• Sakafo mahavelona,
• Fifandraisan'ny samy akoho (mila arahi-maso),
• Fanaovana vaksiny fanefitra,
• Raha misy marary dia atokana ary raha maty dia dorana mba hisorohana ny
fihombon'ny fahavoazana.
Ny fahadiovana no tena fiarovana lehibe indrindra :
• Atao ny fanadiovana tanteraka rehefa mifarana ny famokarana.
• Esorina ny lafika sy ny fitaovana rehetra.
• Fafana ny jofo sy ny loto miraikitra.
• Sasana rano mahamay na misy eau de javel ny trano sy ny fitaovana rehetra.
• Asiana fanafody famonoana bibikely sy poizim-boalavo.
• Apetraka tsy ampiasaina mandritry ny 15 andro ny efitra (vide sanitaire).
Kendrena mba tsy hisy olona hafa miditra ankoatry ny mpikarakara ao amin'ny
trano mandritra ny fanadiovana.
• Tsara ny mampiasa fanafody fandomana tongotra «pédiluve» eo am-
baravarana fidirana.

5-2 Vaksiny
Omena vitaminina ny akoho mandritra ny telo andro : iray andro mialoha ny fanaovana
vaksiny, ny andron'ny fanaovana vaksiny ary iray andro aoriana ny fanaovana vaksiny.
Ny andro anomezana ny vaksiny dia esorina adiny iray mialoha ny fisotroana rano mba
hangetaheta tsara ny akoho. Adiny roa aorian'ny nanomezana ny vaksiny dia esorina
ny fisotroana rano misy vakisiny fa mivadika ho poizina ho an'ny akoho izany.
Taona Vaksiny Aretina Fanomezana azy
Andro faha 6 HB1 Pesta Rano fisotro (8 litatra)
Andro faha 12 CEVAC IBD L Gomboro Rano fisotro (12 litatra)
Andro faha 16 IBD INTER Gomboro Rano fisotro (15 litatra)
Andro faha 21 LASOTA Pesta Rano fisotro (20 litatra)

Fanamarihana: Ny rano ampiasaina afangaro amin'ny vaksiny dia rano tsy voadio na
misy fanafody fanadiovan-drano (Oh: ranon'ny Jirama) fa rano avy amin'ny lava-drano

9
na paompy tany.

5-3 Ny aretina
Maladie de marek : Aretina avy amin'ny virus . Mahavoa ny akoho kely.
Mihamahia, mandringa ary mety ho tsy hahita ny
akoho.
New castle “pseudo : Misy fanaviana ny akoho, tsy mahinan-kanina, te
peste aviaire” hisotro rano matetika ary mitsangana ny volony.
Gumboro : Aretina mamely ny akoho 3-6 herinandro. Marary kibo
ny akoho. Tsy mahinan-kanina, tsy mitombo ary mety
ho faty.
Bronchite infectieuse : Mikohaka, sahiraha ny fiainany mety hisy fivontosana
amin'ny fivavian'ny akoho. Mety ho miova ny atodiny
ary mety ho tara ny fanatodizany.
Variole aviaire : Misy fivontosana mipoitra amin'ny lohan'ny akoho, tsy
mahinan-kanina ary maty tampoka.
Choléra : Tsy miaina tsara ny akoho, mikohaka sy mievina,
mivalana ary miloko mavo, na maintso ny fivalanany.
Tsy maha hetsika ny elany sy ny tongony. Mety ho
mihamatrotra ny sangany ary mivonto ny masony.
Grippe aviaire : avy amin'ny virisy H5N 1. Vetivety dia maty ny akoho
(1 na 2 andro aoriana).
Kankana : Ny coccidies dia kankana madinika kely manakana ny
fitombon'ny akohokely na mety mitarika fahafatesana
aza. Taimbodiana ny akohokely tratran'io kankana io.
Ny akoho mbola kely no ilaina omena ny ody kankana
«anticoccidien».

6. FITANANA AN-TSORATRA

Tokony hanana kahie hiraketana ny momba akoho isan'andiany. Toy izao no hita eo
amin'izany : Anaran'ny mpiompy, adiresiny, mpamatsy, karazan'akoho, trano
fiompiana, daty nidiran'ny akoho, isa vao tonga, etc.

10
Ary eo ambany misy tabilao toy izao :
Daty Taonany Lanjany Sakafo Karazan-tsakafo Isan'ny maty Fanamarihana

Tsara ny ahaizan'ny mpiompy ny kaotim-pitantanana mba ahafahany mandalina ary


manitsy eo amin'ny lafiny ara-teknika sy toe-karena. Toy izao ny endriky ny kaontim-
pitantanana :
VIDIN'NY IRAY ISANY FITAMBARANY
A - VOLA LANY
Akohokely 500 100 50 000
Provandy 800 520 416 000
Totalin'ny vola lany
B - VOLA MIDITRA
Akoho velona (kg) 4 800 37 177 600
Akoho voakarakara (kg) 5 900 105 619 500
Totalin'ny vola miditra
TOMBOM-BAROTRA
Vola miditra - vola mivoaka (B-A)

11

You might also like