Download as pdf or txt
Download as pdf or txt
You are on page 1of 8

Fiompiana

TANTELY

1-/ FAMPIDIRANA
• Ny tantely dia bibikely manidina manana elatra karazany roa, miara-miaina
aman’andiany.
• Isaky ny andiany dia ahitana karazany telo samy hafa endrika izay samy manana ny
anjara asany.

2-/ NY ANDIAN-TANTELY
2.1-/ NY MPANJAKAVAVY

• Ny Mpanjakavavy dia iray ihany eo amin’ny andiany izay renin’ny tantely ao


amin’ny tohatra iray. Ny anjara asany dia ny manatody mampitombo taranaka.
• Izy no lehibe indrindra ( 15 mm ) . Ny kibony dia lavalava ary ny elany dia tsy
maharakotra afa-tsy ny antsasaky ny vatany.
• Manana fanjaitra miforitra izy sady tsy manaikitra matetika
• Mety mahatratra 4 ka hatramin’ny 5 taona ny fahavelomany ary manatody 2000-3000/
isan’andro.
• Somary lavalava ( 2 mm ) ny atodiny izay matroka ny lokony ary apetrany ami’ny
mason-tantely

Ny mason-tantely:

• Fitambaran’ny atody olitra sy ny sakivy,


2.2-/ NY MPIASA NA MPIREMBY:
• ireo no maro an’isa 20 000 –60 000 isaky ny tohotra
• habeany: 7-9mm
• misy borosy ny tongony, sy kitapo toy ny fitaovam-piasana
• 30-45 J ny fe-potoana iainany. Arakaraky ny taonany ny andraikiny ao amin’ny
tohotra
• Manana fanjaitra na filo izy ireo

2.3-/ NY LAHIN-TANTELY:
• voloina ny tenany, lehibe noho ny mpiremby sainy fohy noho ny mpanjaka
• Anjara asany: fitsaihina ny mpanjaka (fampanatodizana)
• Isa: 500-600 isaky ny tohotra
• Tsy manana fanjaitra na filo izy ireo

3-/ NY FIAINAN’NY ANDIAN-TANTELY ( AO ANATIN’NY TAONA IRAY)

3.1-/ Ny sakafony:
• Ny fiompiana tantely dia tsy mety raha tsy amin’ny toerana misy hazo mamony y
mamelana toy ny kininina, mimosa, raozy, hazo fihinam-boa , ati-ala….
3.2-/ Ny fivoaran’ny tantely:
• dingana 4 ny fihofon’ny tantely:
• ny atody

Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo 1


natao ny 15-16-17 Jona 2005
Fiompiana

• ny olitra
• ny sakivy
• ny tantely

• faharetan’ny fihofoina:
• 16 andro ho an’ny mpanjaka
• 21 andro ho an’ny mpiremby
• 24 andro ho an’ny lahintantely

3.3-/ Fiforonana andian-tantely:



• Amin’ny akapobeny dia miforona ara-boajanahary isaky ny andiany ny tantely iray.
Avy amin’io ihany no mamorona hafa izay misy mpanjaka vavy iray.
• Io fiforonana vaovao io no mampitombo ny taranaky ny tantely ka ahafaana manorina
trano na tohotra tantely vaovao koa

3.4-/ Ny fiainan’ny andian-tantely iray:


• Miova isaky ny faritra izany fiainana izany
• Janoary- Febroary- Martsa: fialan-tsasatra- fihinanana sy tahiry

• Febroary- Martsa – Jiona: fanatodizan’ny mpanjaka, fahafoizan’ny lahintantely sy ny
mpanjakavavy zanany kely- firaisan’ny mpanjaka sy ny lahin-tantely, fiparitahan’ny
andian-tantely vaovao.

• Jolay – Oktobra: fotoam-piasana – fanatodizana betsaka, famokarana tantely betsaka
indrindra. Fiparitahan’ny andiany vaovao.

Novambra-Desambra: Fihenan’ny asa, - fihafaran’ny fanatodizana sy ny famokarana tantely

3.5-/ Ny fiparitahan’ny andian-tantely:


• Ny fiparitahana dia toetra voajanahary ho an’ny tantely
• Miseho amin’ny fiafaran’ny maraina na fiandohan’ny tolakandro
• Ilaina izany raha vao manomboka ny fiompiana tantely( fisamborana andian-tantely
dia)
Ny antony mahatonga ny fahalasanana na fiparitahana dia :
• kely loatra ny tohotra iainan’ny tantely sy ny toerana hanatodizan’ny mpanjaka
• mafana loatra ao anaty tohotra
• be loatra ny tantely vokatra ao anaty tohotra
• antitra ny mpanjaka na maty
• toerana mitabataba no misy ny tohotra
• betsaka loatra ny isan’ny tantely ao amin’ny andiany iray

Raha mitranga ny fiparitahana matetika dia toy izao ny fisehony:


• valo andro aorian’ny voalohany ny fahalasanan’ny andiany faharoa miaraka amin’ny
mpanjaka zanany
• 4 andro aorian’ny faharoa dia lasa koa ny fahatelo
izany fahalasanan’ny andian-tantely maromaro izany dia midika fahosan’ny tohotra
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo 2
natao ny 15-16-17 Jona 2005
Fiompiana

4-/ IREO VOKATRY NY TANTELY : AZO AVY AMIN’NY FIOMPIANA


TANTELY

4.1-/ Ny Ranontantely:
• amboarin’ny mpiasa na mpiremby avy amin’ireto akora manaraka ireto
• ny nectar na mamim-bony: (ranon-javatra mamin’ny vony nadehanan’ny mpiremby
nandritra ny asa nataony
• Ny miellat: (ranon-javatra mamy avy amin’ny hazo toy ny Pin na bozaka)
• Ireo akora ireo dia hohanin’ny tantely, ateliny izay vao aloany miaraka amin’ny iviny.
Tehirizina amin’ny papin-tantely ny ranony

4.2-/ Ny Savoka:
• azo avy amin’ny ranom-paikan-tantely matavy izay avy amin’ny tsiranoky ny
mpiremby.
• Mifangaro amin’ny iviny izy io, ka manome zavatra hanaovany papin-tantely
• Ny fitambaran’ny papin-tantely no manome ny mason-tantely izay misy ny zanan-
tantely( atody sy olitra) na tantely (natokana ho an’ny iray tohotra)
4.3-/ Vokatra hafa:
NY SAVOKA
• Ny hamoka na Pollen:
• izay nangonin’ny mpiremby tamin’ny voninkazo, natao ho sakafon’ny olitry ny
mpiremby sy lahintantely ka afangaro ny rano sy ranotantely
• ny sakafom-panjakany (gelée royale):
• vokatra avy amin’ny hamoka
• natokana ho an’ny mpanjaka irery ihany (reniny na zanany)
• be vitamine, mampatanjaka ho an’ny lehilahy
• azo ampiasaina hanaovam-panafody
• Ny dity na Propolis:
• ranona dity nalain’ny tantely tamin’ny ditin-kazo toy ny kesika
• natao hanentsenana ny vaky na tataka amin’ny tohotra koa izy io, na handrakofana
izay zavatra hafa tafiditra ao.
• Ny filo na fanjaitra (aiguillon) manome venin atoa fanafody

5-/ NY FIOMPIAN-TANTELY:

5.1-/ Ny fanaovana tohotra sy fametrahana azy:

• ireo singa manambatra ny tohotra

• Ny tranon-tantely dia miaro ny tantely amin’ny hamandoana, hafanana be loatra sy ny


hatsiaka

5.2-/ Ny tranon-tantely nohavaozina dia misy faritra roa mazava tsara:

• ny fanambaniny na vatan’ny tohotra izay ahitana ny mpiremby rehetra


• ny faritra ambony izay misy ny tahirin-tantely

Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo 3


natao ny 15-16-17 Jona 2005
Fiompiana

ao amin’ny tohotra Langstroth dia mitovy habe ny fanambaniny sy ny tovana ambony


(hausse). Io no karazana tohotra hamporisihana vahoaka amin’izao fotoana izao.

5.3-/ Ny tranontantely nohatsaraina dia mahomby no manana ireto tombon-


dahiny manaraka ireto:
• habetsahan’ny vokatra dia tsara noho tohotra nentim-paharazana
ƒ potika ny andian-tantely rehefa mioty vokatra (amin’ny faritra ambony)
ƒ voaharo tsara amin’ny fahavalony
ƒ mora kokoa ny fandravana ny tantely ao aminy

Misy koa ny tohotra misy barety (barrettes)


Misy koa ny tohotra misy kadra (amboarina hifanaraka amin’ny haben’ny tohotra)
• mora kokoa ny torta misy kadra noho ny misy barety.

6-/ NY KOJAKOJA AMPIASAINA AMIN’NY FANAMBOARANA TOHOTRA

• Ny amboramanitra no hazo tsara indrindra noho izy afaka misedra orana sy fiovan’ny
toetr’andro;
• Ny Pin na kesika, dia tsy maintsy mihoatra ny 25 mm ny hateviny raha tiana ny
hisian’ny fitazonany ny hafanana
• (ny hazo ampiasaina dia arovana amin’ny alalana fanosorana na famonosana goudron)
• hazo fisaka 4 m an-kitelo no ilaina hanamboarana tohotra iray

6.1-/ Fitaovana ilaina:


• tanatanan-tandramokotra
• metatra na fitsipika
• vakona
• barre pince
• fantsika
• loko (maintso, fotsy na mavo)
6.2-/ habehan’ny tohotra:
• 0,35 X 0,35 X 0,35
• Ny fidirana amin’ny tantely dia eo amin’ny vava-tohatra 10-20 cm ny halavany ary tsy
mihoatra 1sm mba hisorohana ny fidiran’ny fahavalo;
• Ny vatan’ny tohotra sy ny tovana dia apetraka ambony hazo fisaka 45 sm ny haavony
• Atao ambony salazana ny tohotra: 30 sm ambonin’ny tany.

6.3-/ Fanamboarana barety:


• Ny barety dia hazo madinika izay miisa 10 , vatany ary 10 ny tovana. Tsy maintsy
atao ny hitazonanaazy tsara amin’ny tavan’anaty ny tohotra ( parois interne)
• 15 mn ny hateviny ary 25 mm eo ho eo ny sakany.
• Mielanelana 1 sm ny barety roa ( 2 ) mifanakaiky.
• Rakofana ny barety amin’ny zavatra manify raha mametraka tovana eo ambony
• Asiana tafo eo ambony ( fanitso )

6.4-/ Toerana hametrahana ny tohotra


• Akaiky toerana misy voninkazo

Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo 4


natao ny 15-16-17 Jona 2005
Fiompiana

• Madio tsy misy fofona


• Tsy azon’ny rivotra be loatra
• Tsy tokony ho azon’ny hafanana be loatra
• Misy alokaloka
• Tsy hivezivezena na misy tabataba lava
• Tsy amoron’ny dobo na farihy
• Elanelan’ny tohotra: 2 m
• Ataovy marindrano tsara ny fipetrahany.

6.5-/ Fitodihan’ny tohotra


• Apetraho amin’ny toerana azo antoka fa tsy hisy hanembatsembana ny tohotra
indrindra ny rivotra
• Ataovy amin’ny toerana azon’ny masoandro mba ahalava ny fotoam-piasana, tantely
mpiremby.

7-/ FITAOVANA AMPIASAINA


♦ Taforana
• Karazana zinga manana endrika matsokoloha azo asiana taim-bakona azo dorana
hamokatra setroka mba hitsohan’nyb tantely hivoaka ny tohotra ka ahafahana maka ny
vokatra andrasana eo amin’ny 30 segondra aorian’ny fanetrohana izany.
♦ Voaly
• Hiarovana ny tava, ny loha, ny tenda. Atao toy ny satroka saingy misy voaly
“moustique”.
• Kendrena mba tsy voakaikitry ny tantely ny faritra ny faritra ambony amin’ny olona
maka tantely.

♦ Fitaovana faha

• Pinces na lève-cadre
• Borosy na volomborona
• Tranom-panjakany
• Akanjo
• Dity
• Koveta
• Satroka

8-/ FITANTANANA NY FIOMPIANA


8.1-/ Famandrihana ny tantely
• Amin’ny voalohany dia ilanina ny mamandrika andian-tantely dia.
• Ny fotoana famandrihana dia miankina amin’ny vanim-potoana fandehanan’ny
andian-tantely
• Amoron’ala: 01 Fev-31 mai
• Voankazo: 01 oct- 31 déc

Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo 5


natao ny 15-16-17 Jona 2005
Fiompiana

8.2-/ Teknika fihatsian-tantely


• Mampiasa fiantsy tantely ( fanafody enti-mamandrika andian-tantely ( attire essaim)
• Atao madio tsara ny tohotra hamandrihana andian-tantely. Andorana taratasy na
gazety ao anatiny. Tsy misy lavenona na hamandoana
• Hosorana fanafody fihantsian-tanteky
8.3-/ Ny toeram-panidinan’ny tantely: vavan’ny tohatra
♦ Ny rindrina anatiny
♦ Ny saron’ireo kadra ( couvre-cadre)
♦ Ireo kadra roa avy ao antsisiny havanana sy havia

• Raha sanatria tsy mahazo ao anatin’ny 6 andro ny fandrika dia avereno diovina sy
hosorana fanafody ilay tohotra

• Raha mahazo kosa ka voatery tsy maintsy afindra toerana dia andrasana 21 andro
aloha mba hiasan’ny tantely sy hizarany ny toerana
• Amin’ny hariva ihany no fotoam-pamindrana andian-tantely.

8.4-/ Fametrahana ny andian-tantely amin’ny tohatra


• Tokony hanao saron-tava sy izay fiarovana azo atao ny mpamindra
• Manomana harona hitondrana ny andian-tantely
• Somary lemana amin’ny rano tsy ahafahana manidina
• Raha mamikotra be amin’ny misy azy ( ratsan-kazo) dia somary domina na setrohana
kely mba ialany amin’ny ratsa-kazo
• Tatazana amin’ny harona dia afindra ao amin’ny tohotra hisy azy
• Afaka mampiasa tranon’ny mpanjakavavy koa raha ilaina ( cage à reine )

8.5-/ Famindrana ny andian-tantely


• Azo atao ny mamindra andian-tantely amin’ny tohotra mankany amin’ny iray hafa

8.6-/ Famolahana ny mason-tantely


• Asiana tariby ny barety na kadra mba hanerena ny tantely hanorina ny masontantely
manaraka io tariby io.

8.7-/ Fametrahana ny tovana


• Ny faritra ambony foana no fenoin’ny tantely voalohany. Raha hita fa miasa mafy ny
andiany dia apetraka ny tovana eo ambony na ao aoriana ny tohotra
• Eo amin’ny 10 ora maraina rehefa lasa niasa ny mpiremby
• Esory moramora ny tafo sy ny saron’ny barety na kadra
• Jereo tsara ny fitombon’ny andian-tantely: tokony 8/10 dia efa misy mason-tantely.
• Apetraho am-pahatoniana ny tovana eo ambony
• Avereno apetraka ny sarona barety na kadra
• Azo atao ny manisy barety iray na kadra efa misy mason-tantely amin’ny tovana

8.8-/ Ny famokarana mason-tantely


Avela sy arahi-maso mandritra ny 2-3 volana vao azo hotazana ny vokatra

Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo 6


natao ny 15-16-17 Jona 2005
Fiompiana

9-/ FIKOJAKOJANA SY FANARAHA-MASO NY TOERAM-PIOMPIANA


• tsy azo atao ny manembatsembana ny tantely miasa na mikitikitika na mitsidika azy
matetika
• esory ny bozaka manodidina ny tohatra
• Tilio sao misy fahavalo: samoina, vitsika …
• Diniho raha efa tokony hoity vokatra
• Raha efa mainty be ilay mason-tantely amin’ny barety na kadra dia esory izany ka
soloy.
• Omeo rano ny tantely ka apetraho eo akaikin’ny tohotra eo ( tsy atao ranobe)

9.1-/ Ahoana no atao tsy isintahan’ny andian-tantely

Ny filefahana na fisintahana andian-tantely dia olana ho an’ny mpiompy. Toy izao no marika
ahafantarana fa hisy ny fisintahana:
• manamboatra toeram-panatodizan’ny mpanjaka ny tantely
• betsaka ny mason-tantely
• mingonongonona ny lahintantely
• tsy misy mpiasa eo amin’ny fidirana sy fihaviaana
• Koa jereo matetika ny tohotra mandritra ny fotoana mampisy vony ny hazo
• Poteho ny toeram-panatodizan’ny mpanjaka
• Ampio rivotra miditra ao anaty tohotra
• Apetraho ny tovana
• Afindrao amin’ny tohotra hafa haingana

9.2-/ Famindrana andian-tantely arahin-tanana


• atao izany amin’ny tohotra efa misy andian-tantely izay tokony hozaraina
• Ny fizarana dia tsy tokony hamorona fisintahana intsony fa hametraka andiany vaovao
mahaleotena amin’ny mpanjakany ao amin’ny tohatra hafa.
• Ny andian-tantely nafindra dia tokony hisy atody sy olitra ny kadra iray, ny iray hafa
feno mason-tantely ary kadra roa misy sakafon’ny olitra( hamoaka pollen) sy ranon-
tantely ( mile). Tokony ho maro ny tantely mipetraka amin’ny kadra
• Ny fizarana dia mety ahitana:
♦ andiany A tsisy mpanjaka
♦ andiany B manana mpankaja

•Ny fomba atao:


♦ ny fanilahana dia atao eo anelanelan’ny amin’ny 10 ora maraina sy 2 ora
hariva : tsy eo amin’izay ny mpiremby
♦ Apetraho amin’io toerana voalohany ny andiany A tsisy mpanjaka fa
hiverina amin’io ihany ireo mpiremby
♦ Ny andiany B misy mpanjaka izay tsy lavitra ny toerana misy ny andiany A
kosa dia hamorona mpiasa vaovao;
♦ Tsara raha ampiana ranon-tantely mandritra ny andro vitsivitsy io andiany
io
Ny fahavalon’ny Tantely

Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo 7


natao ny 15-16-17 Jona 2005
Fiompiana

Tsy dia misy aretina ny tantely eto Madagaskara fa ny fahavalony no maro ary ireto avy
izany:
• Bambava na lolo lehibe sy madinika (grande et petite fausse-teigne)
• Ny vitsika
• Vorona
• Bibymamaroratra (arraignée)

Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo 8


natao ny 15-16-17 Jona 2005

You might also like