Download as pdf or txt
Download as pdf or txt
You are on page 1of 72

Manomboka

24 Volana
Lasopy akoho sy vermicelle

1 isa

Ireo zavatra ilaina

 50 g nofon’akoho
 250ml rano
 2 tongotr’akoho
 50 g vermicelle
 1 tahona persil
 1tongolo be
 1 voatabia
 3 sotro kely menaka olive

Fikarakarana :

1. Andrahoina amin’ny rano mangotraka ny vermicelle. Sihifina ny ranony rehefa


masaka
2. Alona amin’ny rano mangotraka ny voatabia.
3. Esorina ny hodiny sy ny voany. Tetehana
4. Voasana, tetehana ny tongolo be
5. Hafanaina ny vilany misy menaka. Hendahendasina ny tongolo.
6. Arotsaka ny akoho, hendahendasina.
7. Arotsaka ny voatabia. Andrahoina mandritra 10 minitra. Asiana rano kely raha
ilaina
8. Esorina ny nofon’akoho, arotsaka ny tongotr’akoho.
9. Asiana rano 50ml.
10. Asiana sira kely
11. Andrahoina mandritra 15 minitra. Avela ritra
12. Rehefa ritra, asiana rano indray mandeha fa kosa 200ml
13. Andrahoina mandritra 35 minitra.
14. Rehefa masaka, esorina ny tongotr’akoho
15. Arotsaka ao ny vermicelle
16. Rarahana persil voatetika

Mazotoa zaza o !
Vary- saosy voatabia- toton-kena

Isa 1

Ireo zavatra ilaina :


 50g vary
 50g toton-kena
 20g fromazy voakiky
 1voatabia
 ½ poivron (maintso na mena)
 1/2 tongolo be
 Persil, kotomila, thym
 Menaka colza

Fikarakarana
1. Andrahoina ny vary
2. Alona anaty rano mangotraka ny voatabia sy ny poivron
3. Esorina ny hodiny sy ny voany ary tetehana
4. Voasana, tetehana ny tongolo be
5. Hafanaina ny lapoaly misy menaka
6. Arotsaka ny tongolo
7. Arotsaka ny poivron. Andrahoina 5 minitra
8. Arotsaka ny voatabia sy ny thym. Andrahoina mandritra 10 minitra
9. Esorina ny thym rehefa masaka
10. Alaina ny toton-kena, asiana persil sy kotomila voatetika.
11. Atao bolety. Arotsaka anaty menaka mafana
12. Rehefa masaka ny vary, afangaro saosy sy boulety.
13. Rarahana fromazy voakiky

Mazotoa zaza o !
Vary-korzety- nofon-kena

Isa 1

 ½ korzety
 2 hasiny tongolo gasy
 50g nofon-kena
 1 Voatabia
 Fromazy voakiky
 1 sotro kely menaka colza

Fikarakarana

1. Andrahoina ny vary
2. Alona amin’ny rano mangotraka mandritra 5 minitra ny voatabia
3. Hesorina ny hodiny ny voany ary tetehana
4. Sasana, tetehana ny korzety sy ny hena
5. Voasana, tetehana ny tongolo
6. Hafanaina ny vilany misy menaka
7. Hendahendasina ny tongolo gasy, Arotsaka ny vaotabia
8. Arotsaka ny hena.
9. Andrahoina mandritra 40 minitra. Asiana rano kely
10. Arotsaka ny korzety
11. Andrahoina 15 minitra
12. Atao eo ambonin’ny vary masaka (afaka tsiatsiahina ny hena raha mbola tsy
mahalany)
13. Rarahana fromazy voakiky

Mazotoa zaza o !
Vary atao salady

Ireo zavatra ilaina

Isa 1

 50 g vary
 50 g toton-kena
 1voatabia
 ¼ poivron maintso
 1 poivron mena
 ½ tongolo be
 ½ sotro kely ranom-boasary makirana
 1 sotro kely menaka colza

Fikarakarana :

1. Andrahoina ny vary
2. Andrahoina amin’ny rano kely ny toton-kena.
3. Alona anaty rano mangotraka mandritra 5 minitra ny voatabia
4. Esorina ny hodiny sy voany ary tetehana
5. Voasana, tetehana ny tongolo be
6. Sasana, tetehana ny poivron
7. Afangaro ny voasary makirana sy ny menaka colza ary ny tongolo be. Asiana
sira kely
8. Afangaro amin’ireo ny vary masaka sy poivron voatetika

Mazotoa zaza o!
Nofon’akoho- rononom-boanio-curry

Isa 1

 100g nofon’akoho
 1/2 voatabia
 1 tsongo tamotamo
 ½ vera rononom-boanio
 1 tongolo be
 1 sotro kely menaka olive

Fikarakarana
1. Andrahoina ny vary
2. Sasana, esorina ny voany ary tetehana ny voatabia
3. Sasana, tetehana ny nofon’akoho. Afangaro curry. Alona mandritra adiny iray
4. Voasana, tetehana ny tongolo
5. Hafanaina ny lapoaly misy menaka. Hendahendasina ny tongolo be
6. Arotsaka ny akoho. Aroharona.
7. Arotsaka ny voatabia. Rehefa masaka ny voatabia, arotsaka ny rononom-
boanio. Asiana sira kely
8. Andrahoina mandritra 30 minitra. Tokony ridritra ny saosy
9. Hoanina miaraka vary

Mazotoa zaza o !
Vary- nofon-kena -ovy -karaoty-petit
pois-curry

Isa 1

Ireo zavatra ilaina

 80 g hena
 80 g vary
 40 g karaoty
 40 g ovy
 20 g petit pois
 1/2tongolo be
 1hasiny tongolo gasy
 2tsongo curry
 1tsongo tamotamo
 2 sotro kely menaka olive

Fikarakarana

1. Andrahoina ny vary
2. Andrahoina amin’ny rano mangotraka ny petit pois. Sihifina ny ranony rehefa masaka
3. Voasana, sasana ary tetehana ny ovy sy ny karaoty
4. Voasana, tetehana ny tongolo be sy ny tongolo gasy
5. Hafanaina ny lapoaly misy menaka.
6. Arotsaka ireo tongolo
7. Arotsaka ny hena efa voatetika madinika
8. Hendahendasina moramora. Asiana rano kely.Asiana sira kely
9. Arotsaka ny ovy, ny karaoty, ny tamotamo ary ny curry
10. Asiana rano mahamasaka ireo legioma. Avela ritra
11. Rehefa masaka, afangaro petit pois efa masaka
12. Tsiatsiahina ny hena raha mbola tsy mahalany tsara ny zaza
13. Apetraka eo ambonin’ny vary.

Mazotoa zaza o !
Vary aminin’anana

Isa 1
Ireo zavatra ilaina
 90 g vary
 750 ml rano
 2 hasiny tongolo gasy
 130g sosety
 80g nofon-kena
 1 + ½ Voatabia
 1 tahona tongolo raviny

Fikarakarana
1. Sasana, tetehana madinika ny hena
2. Andrahoina amin’ny rano kely aloha ny hena.
3. Rehefa ritra ny rano. Ampiana rano betsaka. Aisana sira kely
4. Andrahoina mandritra 1ora.
5. Arotsaka ny voatabia, ny tongolo raviny. Andrahoina mandritra 10 minitra
6. Andrahoina ny vary. Andrahoina mandritra 15- 20 minitra
7. Arotsaka ny anana 5 minitra alohan’ny ahamasahan’ny vary

Mazotoa zaza o !
(Vary sy lentille)

Ireo zavatra ilaina

Isa 1

 100g lentille
 90g vary
 1 tsongo tamotamo
 1 sotro kely menaka colza

Fikarakarana

1. Sasana, andrahoina ny lentille. Asiana tamotamo. Asiana sira kely.


2. Avela ritra
3. Andrahoina ny vary
4. Rehefa masaka ireo, afangaro.
5. Rarahana menaka colza. Afangaro

Mazotoa zaza o !
Varin’ny chou fleur

Ireo zavatra ilaina

Isa 2

 1/3 chou-fleur
 ½ tongolo be
 ½ karaoty
 1 sotro kely menaka olive
 2 hasiny tongolo gasy
 1 tahona kotomila
 1 tahona persil

Fikarakarana

1. Voasana, sasana ny karaoty. Rapena


2. Sasana, tetehana ny chou fleur, ny kotomila, ny persil
3. Voasana, tetehana ny tongolo be sy ny tongolo gasy
4. Andrahoina amin’ny entona ny chou fleur sy ny karaoty
5. Hafananaina ny lapoaly misy menaka
6. Hendahedasina moramora ny tongolo gasy sy rongolo be
7. Tsiatsiahina ny chou fleur rehefa masaka
8. Afangaro amin’ny karaoty, persil kotomila sy tongolo nendasina teo
9. Rarahana menaka colza kely

Mazotoa zaza o !
Romazava sy hena

Isa 1
Ireo zavatra ilaina
 100g nofon-kena
 2 hasiny tongolo gasy
 ½ Voatabia
 ½ tongolo be
 ½ fihina anamalao
 Menaka olive

Fikarakarana
1. Sasana, tetehana madinika ny nofon-kena
2. Sasana, esorina ny voany ary tetehana ny voatabia
3. Voasana, tetehana ny tongolo gasy sy ny tongolo be
4. Hendahendasina amin’ny menaka ny hena
5. Arotsaka ny tongolo gasy sy ny tongolo be ary ny voatabia
6. Anfangaro.
7. Asiana rano.
8. Andrahoina mandritra 50 minitra
9. 5 minitra alohan’ny ahamasahany arotsaka ny anamalao
10. Afangaro tsara. Hoanina miaraka amin’ny vary

Mazotoa zaza o !
« Riz cantonais »

Isa1

Ireo zavatra ilaina


 50 g vary
 ½ tongolo be
 ½ atody
 1 sotro kely menaka olive
 20 g toton-kena
 2 sotrokely petit pois

Fikarakarana
1. Andrahoina ny vary
2. Andrahoina amin’ny rano mangotraka ny petit pois. Sihifina ny ranony rehefa masaka
3. Atao omelety ny atody. Tetehana
4. Voasana ny tongolo be, tetehana
5. Hendahendasina amin’ny menaka ny tongolo be
6. Arotsaka ny toton-kena. Asiana rano kely. Avela eo amin’ny afo mandritra 15
minitra.Aroharohana matetika
7. Rehefa masaka, afangaro amin’ny vary masaka ny toton-kena sy ny petit pois

Mazotoa o !
Lasopy akoho sy vermicelle (2)

Ireo zavatra ilaina

2 isa

 250 ml rano
 1tongolo be

 2 tongotr’akoho
 80g nofon’akoho
 ½ karaoty
 30 g paty vermicelle
 ½ sotro kely ranom-boasary makirana
 1 tahona kotomila
 1sotro kely menaka olive

Fikarakarana

1. Andrahoina amin’ny rano mangotraka ny vermicelle. Sihifina ny ranony rehefa


masaka. Atokana
2. Voasana, sasana, ary rapena ny karaoty. Tetehana fohy
3. Hafanaina ny vilany misy menaka.
4. Arotsaka ny tongolo be sy ny tongolo gasy. Hendahendasina
5. Arotsaka ny nofon’akoho efa voatetitka. Hendahendasina
6. Asiana rano
7. Arotsaka ny tongotr’akoho sy ny karaoty
8. Andrahoina mandritra 40 minitra.
9. Arotsaka ny kotomila voatetika
10. Arotsaka ny paty vermicelle

Mazotoa zaza o !
Nofon’akoho amin’ny ronono

Ireo zavatra ilaina

Isa 1

 80g
 30 ml ronono
 30 ml crème fraiche
 1 tahona kotomila

Fikarakarana

1. Sasana, tetehana ary andrahoina amin’ny rano ny nofon’akoho. Atao malemy tsara.
Atao ritra
2. Rehefa masaka, rarahana ronono, avela eo amin’ny afo mandritra 15minitra
3. Arotsaka ny crème fraiche. Afangaro tsara
4. Avela eo amin’ny afo mandritra 5 minitra. Asiana sira kely
5. Rarahana kotomila
6. Hoanina miaraka amin’ny vary

Mazotoa zaza o !
Vary- karaoty, voatabia sy petits pois

Isa 1

Ireo zavatra ilaina :

 70g vary
 1 voatabia
 1/8 karaoty
 1 hasiny tongolo gasy
 1/ 2 tongolo be
 10 g petits pois
 1sotro kely menaka olive

Fikarakarana :
1. Sasana, andrahoina amin’ny rano mangotraka ny petit pois. Sihifina ny ranony rehefa
masaka
2. Andrahoina ny vary
3. Alona anaty rano mangotraka mandritra 5 minitra ny voatabia
4. Esorina ny hodiny sy ny voany ary tetehana
5. Voasana, sasana ary tetehana ny karaoty
6. Voasana, tetehana ny tongolo be sy ny tongolo gasy
7. Hendahendasina amin’ny menaka ny tongolo gasy sy tongolo be
8. Arotsaka ny voatabia sy ny karaoty. Asiana rano kely raha ilaina izany.
9. Rehefa masaka, arotsaka amin’ny vary masaka .Afangaro
10. Arotsaka ny petit pois. Anfangaro tsara

Mazotoa zaza o !
Vary sy toton-kena

Ireo zavatra ilaina

Isa 1

 50 g vary
 50g toton-kena
 1 Voatabia
 ½ poivron
 2 hasiny tongolo gasy
 1sotro kely menaka olive
 1 tahona persil

Fikarakarana

1. Andrahoina ny vary
2. Alona anaty rano mangotraka amandritra 5 minitra ny votabia
3. Esorina ny hodiny sy ny voany ary tetehana
4. Voasana, tetehana ny tongolo gasy
5. Sasana, esorina ny voan’ny poivron ary tetehana
6. Hafanaina ny lapoaly. Asiana menaka.
7. Hendahendasina ny tongolo gasy.
8. Arotsaka ny voatabia sy poivron. Afangaro
9. Arotsaka ny toton-kena.
10. Andrahoina mandritra 15 minitra. Afangaro matetika. Asiana rano kely raha ilaina

izany
11. Anfangaro vary rehefa masaka

Mazotoa zaza o !
Vary- brocoli-karaoty- nofon-kena

Ireo zavatra ilaina


Isa 1

 90 g vary
 70 g nofon-kena
 1 /8 brocoli
 1/2 karaoty
 1/2 tongolo be
 1 hasiny tongolo gasy
 1 sotro kely menaka olive

Fikarakarana
1. Sasana, tetehana ny nofon-kena
2. Andrahoina ny vary. Andrahoina miraka à vary ny nofon-kena
3. Rehefa masaka ny vary esorina ny nofon-kena. Tsiatsiahina. Afangaro vary
4. Sasana, tetehana ny brocoli
5. Voasana, sasana ny karaoty ary tetehana
6. Voasana, tetehana ny tongolo gasy sy ny tongolo be.
7. Hendahendasina amin’ny menaka ireo. Arotsaka ny karaoty sy ny brocoli. Asiana
rano kely. Asiana sira kely
8. Andrahoina mandritra 20 minitra. Atao ritra
9. Rehefa masaka ireo afangaro amin’ny vary teo

Mazotoa zaza o !
Voamanga-voatavo- nofon’akoho

Ireo zavatra ilaina


1 isa

 30 g nofon’akoho
 150 g voatavo
 70 g voamanga
 1 tsongo vovoka canelle
 1 sotro kely menaka colza
 1 sotro kely menaka olive

Fikarakarana
1. Voasana, sasana ny voamanga sy ny voatavo. Tetehana ireo
2. Andrahoina amin’ny rano kely miaraka amin’ny canelle ireo. Asiana sira kely
3. Rehefa masaka potserina amin’ny sotro rovitra na koa totoina amin’ny « mixer ».ny
voamanga.Rarahana menaka colza. Afangaro
4. Ny voatavo kosa avela amizao
5. Hendahendasina amin’ny menaka olive ny akoho. Asiana rano kely raha ilaina izany.
6. Tsiatsiahina rehefa masaka

Mazotoa zaza o !
Vary-karaoty- nofon’akoho-Thym

Isa 1

Ireo zavatra ilaina


 80 vary
 1/2 tongolo be
 1 karaoty
 80 g nofon’akoho
 1/2 tahona thym
 1sotro kely menaka olive

Fikarakarana
1. Voasana, sasana ny karaoty ary tetehana
2. Voasana ny tongolo be. Tetehana
3. Hendahendasina amin’ny menaka ny tongolo be.
4. Arotsaka ny vary. Asiana rano. Asiana sira kely
5. Hendahendasina amin’ny lapoaly ny nofon’ahoho sy ny karaoty sy ny thym. Asiana
rano kely raha ilaina izany.
6. Afangaro vary ny nofon’akoho sy ny karaoty rehefa masaka. Esorina ny thym

Mazotoa zaza o !
Vary-korzety-nofon’akoho-fromazy

Ireo zavatra ilaina


Isa 1

 80 g nofon’akoho
 80 g korzety
 1 hasiny tongolo gasy
 ½ tongolo be
 70 g vary
 15 g fromazy vaokiky
 1 sotro kely menaka olive

Fikarakarana
1. Sasana, tetehana ny nofon’akoho sy ny korzety
2. Voasana, tetehana ny tongolo gasy sy ny tongolo be
3. Hendahendasina amin’ny menaka ny tongolo gasy sy tongolo be
4. Arotsaka ny nofon’akoho
5. Asiana rano. Asiana sira kely
6. Arotsaka ny vary.
7. Rehefa masaka, rarahana fromazy voakiky. Afangaro tsara

Mazotoa zaza o !
Vary-poivron-voatabia-korzety-thym

Ireo zavatra ilaina

Isa 1

 ½ tongolo be
 1/2 korzety
 1 poivron mena
 1 poivron maintso
 ½ vera vary
 2 voatabia
 125 ml rano
 1 tahona thym
 2 sotro kely menaka olive

Fikarakarana

1. Alona anaty rano mangotraka mandritra 5 minitra ny voatabia sy ireo poivron


2. Esorina ny hodiny sy ny voany. Tetehana
3. Andrahoina ny vary
4. Sasana, tetehana ny korzety
5. Voasana, tetehana ny tongolo
6. Hafanaina miaraka amin’ny menaka ny vilany
7. Arotsaka ny tongolo
8. Arotsaka ny voatabia sy ny poivron. Andrahoina mandritra 10 minitra. Asiana rano
kely raha ilaina izany
9. Arotsaka ny thym sy ny korzety.Asiana sira kely
10. Rehefa masaka ny korzety, esorina ny thym

11. Arotsaka ny vary masaka. Afangaro tsara.

Mazotoa zaza o !
Vary-atody sy voatabia

Ireo zavatra ilaina


1 isa

 50g vary
 5 voatabia madinika kely
 1 atody
 1 sotro kely menaka olive

Fikarakarana :

1. Andrahoina ny vary
2. Sasana ny voatabia, zaraina roa
3. Kapohina ny atody. Atao omelety. Tetehana
4. Rehefa masaka ny vary arotsaka anaty vilany miaraka amin’ireo voatabia sy omelety.
Asiana sira kely
5. Aroharohana

Mazotoa zaza o !
Romazavan’akoho

Ireo zavatra ilaina


Isa 1

 2 hasiny tongolo gasy


 ½ tongolo be
 1 Voatabia
 1 tongontr’akoho
 50 g nofon’akoho
 ¼ tokon’anamalao

Fikarakarana :

1. Sasana ny anamalao. Esorina ny voany sy ny tahony


2. Sasana, tetehana ny nofon’akoho
3. Alona anaty rano mangotraka mandritra 5 minitra ny voatabia
4. Esorina ny hodiny ny voany ary tetehana
5. Voasana ny tongolo be sy ny tongolo gasy. Tetehana
6. Hafanaina ny lapoaly misy menaka.
7. Hendahendasina ireo tongolo
8. Asiana rano 1 vera. Asiana sira kely.
9. Arotsaka ny tongotr’akoho, ny voatabia ary ny nofon’akoho
10. Andrahoina mandritra 35 minitra
11. Arotsaka ny anamalao.Andrahoina mandritra 15 minitra
12. Afangaro vary

Mazotoa zaza o !
Vary- baranjely-nofon’akoho- petit pois.

Isa 1

Ireo zavatra ilaina

 90 g vary
 80g nofon’akofo
 1/3 vera petit pois
 1/3 baranjely
 ½ tongolo be
 1 hasiny tongolo gasy
 1/8 voasary makirana
 1 voatabia
 1 sotro kely menaka olive

Fikarakarana

1. Andrahoina ny vary
2. Andrahoina amin’ny rano mangotraka nasiana sira kely ny petits pois. Sihifina ny
ranony rehefa masaka
3. Alona amin’ny rano mangotraka mandritra 5 minitra ny voatabia
4. Esorina ny hodiny sy ny voany ary tetehana
5. Sasana, tetehana ny nofon’akoho sy baranjely
6. Andrahoina amin’ny entona ny baranjely
7. Voasana ny tongolo gasy sy ny tongolo be. Tetehana
8. Hendahendasina amin’ny menaka ny tongolo gasy.Arotsaka ny voatabia. Asiana sira
kely
9. Arotsaka ny nofon’akoho. Afaka manampy rano kely raha ilaina izany
10. Rarahana ranom-boasary makirana. Afangaro
11. Rehafa masaka ny akoho, ny vary, ny baranjely ary ny petits pois, afangaro ireo

Mazotoa zaza o !
Atody sy voatavo

Ireo zavatra ilaina :

1 isa

 1 atody
 100 g voatavo
 1 sotrokely crème fraîche liquide

Fikarakarana :

1. Voasana, sasana ary tetehana ny voatavo


2. Andrahoina amin’ny entona
3. Potehina amin’ny sotro rovitra rehefa masaka.Asiana sira kely
4. Hafanaina 170°C ny lafaoro
5. Hosorana menaka ny « ramequin »
6. Arotsaka anaty « ramequin » ilay voatavo nopotserina teo.
7. Vakiana ny atody, apetraka eo ambony.
8. Maka « moule à gratin ». Asiana rano kely. Apetraka eo ilay ramequin
9. Ampidirina anaty lafaoro mandritra 15 minitra

Mazotoa zaza o !
Ovy- nofon-trondro - voatabia

Ireo zavatra ilaina


Isa 1

 100g ovy

 100g nofon-trondro

 150 ml rano

 1 + ½ voatabia

 1/2 tongolo be

 1 tahona kotomila

 1sotro kely menaka colza

Fikarakarana
1. Alona anaty rano mangotraka ny voatabia

2. Esorina ny hodiny sy ny voany. Tetehana

3. Voasana, tetehana ary sasana ny ovy

4. Hafanaina ny lapoaly misy menaka.


5. Arotsaka ny tongolo be

6. Arotsaka ny ovy. Asiana rano 150 ml. Asiana sira kely

7. Arotsaka ny voatabia

8. Andrahoina mandritra 15 minitra

9. Arotsaka ny nofon-trondro

10. Andrahoina 10 minitra

11. Rarahana ny kotomila voatetika sy fromazy voakiky

12. Afaka hoanina miaraka amin’ny vary

Mazotoa zaza o !
Atody - toton-kena –voatabia-basilic

Ireo zavatra ilaina :

1 isa

 1 atody
 1 oatabia
 75g toton-kena
 1 sotrokely crème fraîche liquide
 2 ravina basilic
 Fromazy voakiky

Fikarakarana :

1. Hafanaina 180°C ny lafaoro


2. Alona anaty rano mangotraka mandritra 5 minitra ny voatabia
3. Esorina ny hodiny sy ny voany. Tetehana
4. Andrahoina amin’ny rano kely ny toton-kena. Asiana sira kely. Avela ritra
5. Hosorana menaka ny « ramequin »
6. Arotsaka ao ny voatabia voatetika madinika
7. Arotsaka ny toton-kena
8. Vakiana ny atody, apetraka eo ambony
9. Rarahana fromazy voakiky
10. Maka « moule à gratin » asiana rano kely
11. Apetraka ao ilay « ramequin »
12. Ampidirina anaty lafaoro mandritra 15minitra
13. Rarahana basilic voatetika rehefa masaka
14. Afaka ampiarahana amin’ny vary na amin’ny paty

Mazotoa zaza o !

.
Spaghetti sy bolety

Ireo zavatra ilaina

Isa 2

Boulety

 250g toton-kena
 1/8 mofo dipaina
 2 sotro lehibe ronono
 1tahona persil
 Sira
 1 sotro kely menaka olive

Saosy Voatabia :

 1 sotro lehibe menaka olive


 2 hasiny tongolo gasy
 250 g Voatabia
 2 ravina basilic
 150 ml rano
 180 g spaghetti
 Fromazy voakiky
Fikarakarana

1. Alona anaty ronono ny mofo


2. Afangaro ny toton-kena, ny persil voatetika, ny mofo nalona teo ary ny sira
3. Afangaro tsara ireo.
4. Rarahana menaka olive. Afangaro
5. Volavolaina boribory ireo
6. Arotsaka anaty menaka mafana. Vita ny bolety
7. Andrahoina amin’ny rano mangotraka ny paty. Sihifina ny ranony rehefa masaka
8. Alona anaty rano mangotraka mandritra 5 minitra ny voatabia
9. Hesorina ny hodiny sy ny voany. Tetehana
10. Voasana, tetehana ny tongolo gasy
11. Sasana, tetehana ny basilic
12. Hafanaina ny lapoaly misy menaka
13. Arotsaka ny tongolo gasy. Hendahendasina moramora
14. Arotsaka ny voatabia. Anfrahoina 10 minitra
15. Arotsaka ny basilic. Andrahoina 10 minitra. Aroharohana matetika
16. Afangaro saosy ny paty. Apetraka eo ambony ireo bolety
17. Rarahana fromazy voakiky

Mazotoa zaza o !
Paty-basilic-tongolo gasy

Ireo zavatra ilaina

Isa 1

 90 g paty gasy
 8 ravina fihina basilic
 2 hasiny tongolo gasy
 1 sotro kely menaka colza

Fikarakarana

1. Andrahoina amin’ny rano mangotraka nasiana sira kely ny paty gasy. Sihifina ny
ranony rehefa masaka
2. Sasana, totoina ny basilic (amin’ny laona kely)
3. Voasana ny tongolo gasy. Totoina miaraka amin’ny basilic sy sira kely.
4. Rarahana menaka. Afangaro tsara
5. Afangaro an’ilay paty io fangaro io

Mazotoa zaza o !
Spaghetti sy voatabia

Ireo zavatra ilaina


Isa 1

 1 Voatabia
 2 hasiny tongolo gasy
 2 ravina basilic
 80 g Spaghettis
 1sotro kely menaka colza

Fikarakarana
1. Andrahoina amin’ny rano mangotrakana nasiana sira kely ny Spaghettis. Sihifina ny
ranony rehefa masaka
2. Alona anaty rano mangotraka mandritra 5 minitra ny voatabia.
3. Esorina ny hodiny sy ny voany. Tetehana
4. Voasana, tetehana ny tongolo be sy ny tongolo gasy
5. Sasana ary tetehana ny basilic
6. Endahendasina amin’ny menaka colza ny tongolo be sy tongolo gasy ary ny voatabia.
Asiana sira kely. Tsy atao masaka be
7. Anfangaro ilay spaghettis ireo sy ny basilic

Mazotoa zaza o !
Vary- voanjobory- petits pois-karaoty
korzety-poireau

Ireo zavatra ilaina

Isa 2

 100 g vary mena


 1/2 vera petits pois
 1/2 vera voanjobory
 1 korzety
 1 karaoty
 1 poireau
 2 voatabia
 3 ravina basilic
 2 sotro kely menaka olive

Fikarakarana

1. Andrahoina ny vary
2. Alona anaty rano mangotraka ny voatabia
3. Esorina ny hodiny ny sy voany. Tetehana
4. Andrahoina tsy mila menaka
5. Sasana, tetehana ny korzety sy ny poireau (ilay tapany fotsy)
6. Voasana, sasana ary tetehana ny karaoty
7. Andrahoina amin’ny entona ireo
8. Arotsaka anaty vilany ny vary masaka, ny voatabia efa nandrahoina sy ireo legioma
masaka ary ny menaka. Asiana sira kely. Afangaro tsara ireo
9. Andrahoina mandritra 5 minitra ireo. Aroharohana matetika
10. Atao ambony lovia, rarahana basilic voatetika eo ambony

Mazotoa zaza o !
Vary- epinard-nofon’akoho

Ireo zavatra ilaina

Isa 2

 125g vary
 100g nofon’akoho
 1 fihina epinard
 1 karaoty
 1 tongolo be
 2 hasiny tongolo gasy
 1 voatabia
 1 sotrokely tamotamo
 1 tahona kotomila
 2 sotro kely menaka olive

Fikarakarana

1. Voasana, sasana ary tetehana ny karaoty.


2. Sasana, esorina ny voan’ny voatabia. Tetehana
3. Sasana ny epinard sy ny kotomila ary ny nofon’akoho. Tetehana
4. Voasana ny tongolo be sy ny tongolo gasy tetehana
5. Afangaro anaty bakoly lehibe iray ireo.
6. Arotsaka ao ny tamotamo. Rarahana menaka, asiana sira kely. Afangaro tsara
7. Arotsaka anaty vilany. Asiana rano
8. Andrahoina mandritra 1 ora. Afangaro matetiteka mba tsy hipetaka ny vary

Mazotoa zaza o !
Vary-lentille-karaoty-korzety-
poireau

Isa 1
Ireo zavatra ilaina
 30 g lentille
 50 g poireau
 50 g karaoty
 50 g korzety
 1 tahona kotomila
 25 g vary
 1 sotro lehibe rononom-boanio
 1 sotro kely menaka colza

Fikarakarana

1. Andrahoina amin’ny rano nasiana mangotraka nasiana sira kely ny lentille


2. Mandritra izay, sasana, tetehana ny poireau (ilay tapany fotsy), ny karaoty ary ny
korzety
3. 15 minitra alohan’ny ahamasahan’ny lentille, arotsaka ao ireo legioma sy vary
4. Rehefa masaka ireo, rarahana rononom-boanio, menaka ary kotomila voatetika
5. Afangaro tsara

Mazotoa zaza o !
Voamanga-nofon’akoho-
rononom-boanio

Ireo zavatra ilaina :


Isa 2

 300 g voamanga
 60 g nofon’akoho
 15 cl rononom-boanio
 Kotomila
 2 sotro kely menaka olive

Fikarakarana :
1. Voasana, sasana ary tetehana ny voamanga
2. Andrahoina amin’ny entona
3. Sasana, tetehana ny nofon’akoho
4. Hendahendasina amin’ny menaka kely ny nofon’akoho
5. Asiana rano. Avela ritra
6. Rehefa masaka ny voatavo, potserina amin’ny sotro rovitra
7. Rarahana rononom-boanio. Asiana sira kely. Afangaro tsara
8. Apetraka eo ambony ny nofon’akoho
9. Rarahana kotomila eo ambony

Mazotoa zaza o !
Karaoty sy rononom-boanio atao Flan

Ireo zavatra ilaina :

Isa 4

 3 karaoty
 1 atody + 1 tamenak’atody
 125 ml rononom-boanio
 4 ravina kotomila

Fikarakarana :

1. Voasana, saana ary tetehana boribory manify ny karaoty


2. Andrahoina amin’ny entona
3. Rehefa masaka totoina « mixer ».Anamelana karaoty voatetika folo atao
haingo
4. Hafanaina 160°C ny lafaoro
5. Maka « ramequin » madinika 4.
6. Hosorana menaka
7. Afangaro ny atody sy ny tamenak’atody ary ny ronono
8. Arotsaka ao ny karaoty voatoto. Afangaro tsara
9. Arotsaka anaty « ramequin » ireo
10. Maka « moule à gratin », asiana rano kely. Apetraka ao ireo « ramequin »
11. Ampidirina anaty lafaoro mandritra 35 minitra
12. Avela hangatsiaka
13. Afaka haingoana amin’ny saosy voatabia sy karaoty masaka, voatetika
boribory izay natokana teo

Mazotoa zaza o !
Vary- Saosy voatabia - nofon-trondro

Ireo zavatra ilaina


1 isa

 50 g vary
 30g nofon-trondro
 2 voatabia
 1tongolo be
 1 hasiny tongolo gasy
 ½ atody
 Kotomila
 1 sotro kely menaka olive
 Siramamy 1sotro kely

Fikarakarana
1. Andrahoina ny vary
2. Tetehana madininika ny nofon-trondro
3. Sasana, alona anaty rano mangotraka mandritra 5 minitra ny ny voatabia
4. Esorina ny voany ary tetehana
5. Voasana ny tongolo gasy sy ny tongolo be. Tetehana
6. Hafanaina ny menaka. Arotsaka ny tongolo be sy tongolo gasy
7. Arotsaka ny voatabia. Rarahana siramamy kely
8. Andrahoina mandritra 5-10 minitra
9. Arotsaka ny nofon-trondro
10. Avela eo amin’ny afo mandritra 5 minitra.Aroharohana matetika raha toa ka ilaina
izany
11. Andrahoina amin’ny karaokany ny atody
12. Rehefa ny saosy sy ny trondro, afangaro amin’ny vary masaka.
13. Voasana ny atody, Tetehana afangaro amin’ny vary

Mazotoa zaza o !
Vary- karaoty- petit pois-nofon-trondro

Ireo zavatra ilaina


1 isa

 20 g vary
 30 g nofon-trondro
 60 g Voatabia
 10 g petits pois
 60 g karaoty
 1 sotro kely menaka colza

Fikarakarana
1. Andrahoina amin’ny rano mangotraka petits pois. Sihifina ny ranony rehefa masaka
2. Andrahoina ny vary
3. Sasana, alona anaty rano mangotraka mandritra 5 minitra ny voatabia
4. Esorina ny hodiny sy ny voany. Tetehana
5. Voasana, sasana ary tetehana ireo karaoty.
6. Andrahoina amin’ny entona ny karaoty
7. Arotsaka anaty vilany iray ny vary sy karaoty efa masaka, ny voatabia ary ny nofon-
trondro
8. Atao eo ambonin’ny afo mandritra 15 minitra ary aroharohana matetika
9. Rehefa masaka, rarahana menaka colza. Afangaro tsara

Mazotoa zaza o !
Vary-brocoli- nofon’akoho- fromazy

Ireo zavatra ilaina


1 isa

 60 g brocoli
 60 g Voatabia
 20 g vary
 20 g nofon’akoho
 10 g Fromazy voakiky
 1 sotro kely menaka colza

Fikarakarana
1. Andrahoina ny vary
2. Sasana, alona anaty rano mangotraka mandritra 5 minitra ny voatabia
3. Esorina ny hodiny sy ny voany. Tetehana
4. Sasana ny brocoli ary tetehana.
5. Andrahoina amin’ny rano ireo legioma sy brocoli ary nofon’akoho. Avela ritra
6. Rehefa masaka, tsiatsiahina ny nofon’akoho
7. Rarahana menaka colza ireo legioma sy nofon’akoho. Afangaro tsara
8. Atao ambonin’ny lovia ny vary masaka, atao eo ambony ny legioma sy nofon’akoho
9. Rarahana fromazy voakiky kely eo ambony

Mazotoa zaza o !
Tsindrin-tsakafo/ Mamy

« Cake à l'orange »

Isa : hoan’ny olona 6

Ireo zavatra ilaina :


 3 atody
 150 g siramamy
 150 g farine
 150 g dobera
 1 sotro lehibe levure chimique
 1 Voasary

Fikarakarana :
1. Hafanaina 180°C ny lafaoro
2. Maka bakoly iray lehibe
3. Afangaro ny atody sy siramamy. Kapohana moramora mandrapa ravan’ny siramamy
4. Arotsaka ny farine sy levure chimique. Afangaro tsara
5. Atsonika ny dobera. Arotsaka ao. Afangaro tsara
6. Rarahana ranom-boasary
7. Hosorana menaka ny lasitra (moule à cake)
8. Atao anatin’ilay lasitrany fangaro
9. Ampidirina anaty lafaoro mandritra 30 minitra

Mazotoa zaza o !
« Pancakes » amin’ny voatavo

Ireo zavatra ilaina :

Isa : 24 pancakes

 100 g voatavo
 1 atody
 125 g farine
 1 sotrokely levure chimique
 150 ml ronono
 25 g siramamy

Fikarakarana

1. Voasana, esorina ny voan’ny voatavo, sasana ary tetehana


2. Andrahoina amin’ny entona
3. Rehefa masaka potserina miaraka ronono amin’ny sotro rovitra
4. Anaty bakoly lehibe, kapohana ny siramamy sy ny atody
5. Arotsaka ny farine sy ny levure chimique
6. Anfangaro amin’ny voatavo nopotserina teo
7. Havela mandritra 30 minitra
8. Hafanaina miaraka amin’ny menaka kely ny lapoaly
9. Maka sotro lehibe iray amin’ny fangaro, atao eo ambonin’ny lapoaly
10. Avadika rehefa masaka ny ilany
11. De ohatran’izany foana

Mazotoa zaza o !
« Crumble aux poires et Nutella »

Ireo zavatra ilaina


Isa : hoan’ny olona 6

 5 sotro lehibe Nutella


 5 poara
 80 g dobera
 60 g siramamy
 50 g farine

Fikarakarana

1. Hafanaina 180 °C ny lafaoro


2. Sasana, voasana, esorina ny voan’ny poara ary tetehana
3. Atao anaty « ramequin » enina (6) na « moule à gratin » iray lehibe
4. Rakofana nutella
5. Ao anaty bakoly lehibe, afangaro amin’ny tendron-tondro ny siramamy, ny dobera ary
ny farine mandrapaha azahoana fangaro mamasipasika
6. Rarahana eo ambonin’ny Nutella iay fangaro teo
7. Ampidirina anaty lafaoro mandritra 25 minitra

Mazotoa zaza o !
Godrogodro

1 isa

Ireo zavatra ilaina


 500g kobambary
 400g siramamy
 500ml ronono voanio
 8 sotro lehibe menaka
 3 vera rano

Fikarakarana
1. Maka 100g amin’ilay siramamy atao anaty casserole. Avela hiempo dia ajanona rehefa
azo ny loko tadiavina
2. Alefa ny menaka. Ampina rano 1vera mba ho levona tsara ny caramel
3. Arotsaka ao anaty caramel ny koba sy ambina siramamy
4. Alefa anaty vilany ihany koa ny rononom-boanio atao afo malefaka ary tsy mijanona
aroharohana
5. Arotsaka tsikelikely ihany koa ny rano.
6. Aroharohana tsy mijanona mandrampahazo koba tsy miranoka be intsony.
7. Vita izay dia afaka alefa anaty lasitra (moule) efa voahosotra menaka
8. Ampidirina anaty lafaoro mandritra 1 ora (180°C)
9. Raha toa ka atao amin’ny vilany dia afindra anaty vilany avy nosorana menaka,
somary lalorina tampony dia osorana menaka
10. Avy eo, apetraka eo ambony afo malefaka, avadika sarombilany dia asiana vain’afo
11. Avela mangatsiaka vao hesorina avy anaty vilany na lasitra (moule)

Mazotoa o !
« Gâteau bananes »

Isa : Hoan’ny olona 6

Ireo zavatra ilaina

 500 g akondro
 150 g farine
 120 g siramamy
 5 g levure chimique
 3 atody
 1 voasary makirana

 130 g dobera

Fikarakarana

1. Hafanaina 180°C ny lafaoro


2. Hosorana dobera ny lasitra (moule).
3. Rarahana siramamy kely ny faran’ny lasitra
4. Ampidirina anaty lafaoro mandritra 5 minitra.
5. Rehefa mivadika « caramel » ny siramamy, esorina avy ao anaty lafaoro
6. Mandritra izay voasana sy tetehana manaraka ny halavany ny akondro
7. Rakofana ireo ankondro ireo ny faran’ny lasitra. Asiana elanelana rehefa
mametraka azy. Atokana ny ambiny
8. Kikisana ny hodin’ny voasary makirana. Atokana
9. Atsonika ny dobera
10. Kapohina ny atody sy ny siramamy
11. Arotsaka ny dobera, ny levure chimique, ny farine ary ny hodin’ny voasary
makirana voakiky
12. Afangaro tsara
13. Arotsaka anaty lasitra
14. Ampidirina anaty lafaoro mandritra 25 minitra
15. Avela mangatsiatsiaka vao hesorina avy anaty lasitra

Mazotoa zaza o !
Salady akondro sy frezy

Ireo zavatra ilaina


Isa : 2 bakoly

 1 Akondro
 250 g frezy
 ½ voasary makirana
 1 voasary
 Ravina solila

Fikarakarana :

1. Sasana, voasana ary tetehana ny akondro


2. Sasana, esorina ny lohan’ny frezy. Zaraina roa
3. Rarahana ranom-boasary makirana sy ranom-boasary
4. Asiana solila kely (3 ravina)
5. Afangaro tsara

Mazotoa zaza o !
Salady voasary, manga, akondro

Ireo zavatra ilaina

Isa : 4 bakoly

 2 voasary
 1 manga
 1 paoma
 1 akondro
 2 tsongo cannelle

Fikarakarana

1. Sasana, voasana ary tetehana ny paoma ny manga ary ny ankondro


2. Rarahana ranom-boasary sy vovoka canelle. Afaka asiana siramamy
3. Afangaro tsara

Mazotoa zaza o !
Yaourt, manga, frezy, kiwi

Ireo zavatra ilaina:

Isa 2

 yaourt 2 pot
 ½ manga
 5 frezy
 ½ kiwi
 1 sotrokely tantely

Fikarakarana :

1. Sasana, voasana ary tetehana ny manga sy ny kiwi


2. Esorina ny lohan’ireo frezy ary zaraina 2
3. Apetraka eo ambonin’ny yaourt ireo voankazo
4. Rarahana tantely.

Mazotoa zaza o !
Yaourt – manga sy mananasy

Isa : 4 vera

Ireo zavatra ilaina

 yaourt 4 pot
 1 manga
 1/2 mananasy
 1 voasary makirana

Fikarakarana

1. Voasana ary tetehana ny manga sy ny mananasy.


2. Arotsaka ao anaty vilany ireo voankazo miaraka amin’ ny ranon’ny voasary
makirana.
3. Andrahoina amin’ny afo malefaka mandritry ny 20 minitra.
4. Havela hangatsiaka
5. Arotsaka ao anati’ny pot ny yaourt ireo kompoty araka izay mety aminao.

Mazotoa o !
Kompoty akondro, mananasy, amin’ny
rononom-boanio

Isa : 3 pot kely

 1 akondro
 300 g mananasy
 50 ml rononom-boanio (lait de coco)
 1 sotrokely siramamy

Fikarakarana

1. Sasana, voasana ary tetehana ny mananasy sy ny akondro.


2. Andrahoina amin’ny hentona
3. Ao anaty bakoly afangaro ny rononom-boanio sy siramamy.
4. Rehefa masaka ireo voankazo, totoina amin’ny « mixer » miaraka amin’ilay
rononom-boanio.
5. Atao anatin’ny pot kely, ary atao anaty vata-fampangatsiahana raha mbola tsy ohanina
eo no eo. Afaka tahirizana mandrity ny 48 ora

Mazotoa zaza o !

You might also like