Download as pdf or txt
Download as pdf or txt
You are on page 1of 5

Teny mamy

-1 Jao 2 :17 « Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany ; fa izay manao ny sitrapon’
Andriamanitra no maharitra mandrakizay. » 18 « Rankizy izao no ora farany… »
-1 Jao 3 :18 « Anaka, aoka tsy ho tia amin’ ny teny na amin’ ny lela isika, fa amin’ ny asa sy
amin’ ny marina. »
-1 Jao 3 :22-24 «…23 Ary izao ny didiny, dia ny honoantsika ny anaran’ I Jesosy Kristy Zanany
sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika…»
-Isa 43 :18,19 « Aza mahatsiaro ny lasa na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava-
baovao, Koa ankehitriny dia efa miposaka izany. »
-1 Kor 10 :12 « Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina fandrao ho
lavo. »
-Sal 119 :11 « Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao. »
-II Kor 9 :6 «Fa izao no lazaiko : Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany ; fa izay mamafy be,
dia be kosa no hojinjany. »
-Lio 9 :23 « Ary hoy koa Jesoa tamin’ izy rehetra : raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà
ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan’ andro ka hanaraka Ahy. »
-Jao 13 :34,35 « Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo ; eny, aoka ho
tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ ny olona
rehetra fa mpianatro hianareo raha mifankatia. »
-Oha 24 :6 « Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, ary raha maro ny
mpanolo-tsaina dia misy famonjena. »
-Nom 6 :24-26 « Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao ; hampamirapiratra ny tavany
aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao ; Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah
ka hanome anao fiadanana. »
-Gal 2 :20 « …ary tsy izaho intsiny no velona, fa Kristy no velona ato anatiko…
-Fil 1 :21 « Fa Kristy antony hahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. »
-Eks 14 :14 « Jehovah no hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina. »
-Rom 12 :2 « Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao ; fa miovà @ fanavaozana ny
saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izay tsara sady hankasitahina no
marina. »
-III Jao 2,4 « Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama @ zavatra rehetra anie
hianao, tahaka izay hanambinana ny fanahinao ihany. »
I Tim 3 :1 « Mahatoky izao teny izao : Raha misy olona maniry ny asan’ ny mpitandrina, dia
maniry asa tsara izy. »
-II Tim 3 :16 « Izay soratra rehetra nomen’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra, dia mahasoa
koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana @
fahamarinana. »
- Heb 10 :39 « Fa isika tsy naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay
mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy. »
-Apo 3 :11 « Ho avy faingana Aho ; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-
boninahitrao. »
-Jak 2 :10 « Fa na iza na iza no mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso @ iray loha, dia
meloka @ zavatra rehetra. »
-Jak 2 :1-13 (Ny tsy mahamety ny fizahan-tavan’ olona) 14-26(Ny faahafoanan’ ny finoana tsy
misy : asa)
-Jao 8 :12 « Ary Jesoa niteny tamin’ ny olona indray ka nanao hoe : Izaho no fahazavan’ izao
tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’
aina. »
-I Kor 6 :19,20 « Ahoana ary ? Moa tsy fantatrareo fa ny tenenanreo dia tempolin’ ny Fanahy
Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra ? ka tsy tompon’ ny
tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hiananareo, koa mankalazà an’ Andriamanitra @
tenanareo. »
-Oha 19 :17 « Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’ I Jehovah, Ary izay nomeny
dia honerany kosa. »
-Rom 12 :1 « Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’
Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’
Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety ataonareo izany. »
-Mat 7 :1 « Aza mitsara mba tsy hotsaraina hianareo. »
-Mat 26 :41 «
-Mat 7 :11 « Koa hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo,
tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’ izay mangataka
aminy. »
-Mat 7 :13 « Midira @ vavahady ety hianareo ;fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana
izay mankany @ fahaverezana, ka maro ny miditra any. »
-Isa 59 :1 « Indro, ny tanan’ I Jehovah tsy fohy, fa Mahavonjy, »

-Fit 3 :22-23 « Ny famindram-pon’ I Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra
ny fihantrany. Vaovao isa-maraina izany ; lehibe ny fahamarinanao. »
-Rom 12 :12 « Mifalia amin’ ny fanantenana ; miareta amin’ ny fahoriana ; mahareta amin’
ny fivavahana. »
-Sal 121 :5 « Jehovah no Mpiaro anao ; Jehovah no fialofana eo an-kavananao. »
-II Kor 12 :9 « Ampy ho anao ny fahasoavako fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny
fahalemena. »
-Jer 5 :25 « Ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo. »
-Mat 6 :33 « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo
izany rehetra izany. »
-Lio 14 :33 « Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia
tsy azo ekena ho mpianatro. »
-Jao 3 :18 « Izay mino Azy dia tsy helohina ; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo,
satria tsy nino ny anaran, ny Zanaka-lahy Tokan’ Andriamanitra izy. »
-I Jao 2 :4 « Izay mano hoe fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary
ny marina tsy ao anatiny. »
-Mat 26 :41 « Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo @ fakam-panahy ;
mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy mana-kery. »
-Isa 59 :1 « Indro ny tanan’i Jehovah tsy fohy fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa
mahare ; »
-Oha 27 :1 « Aza mirehareha ny amin’ ny ho ampitso ianao ; Fa na dia ny havoaky ny anio aza
tsy fantatrao. »
-I Pet 4 :7 « Fa antomotra ny faran’ ny zavatra rehetra ; koa hendre ka mahonona tena ho
amin’ ny fivavahana. »
-I Pet 2 :9 « Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy ,fanjaka-pisorona, firenena masina, olona
nalain’ Andriamanitra ho an’ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran’ Ilay niantso anareo
hiala tamin’ ny maizina ho amin’ ny fahazavany mahagaga. »
-Isa 53 :5 « Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny
helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka
taminy no nahasitranana antsika. »
-Lio 6 :33 « Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na
amin’ inona na amin’ inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo
Indrindra ianareo ; fa Izy mora fanahy amin’ izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy. »
-Rom 3 :10 « Tsy misy marina na dia iray akory aza. »
-Lio 11 :1
-I Jao 4 :20

-Rota 3 :11a « Anaka, aza matahotra ; fa hataoko aminao izay rehetra angatahinao. »
-Oha 23 :25a « Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao »
-I Jao 2 :13 « Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin’ ny voalohany
ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra
taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo. »
-Oha 3 :5 « Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny
fahalalanao ; »
-Jer 23 :1 « Lozan’ ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy
Jehovah. »
-Mat 5 :36 « Aza mianiana amin’ ny lohanao ; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia
singam-bolo iray akory aza ianao. »*
-Oha 19 :4 « Ny harena mahamaro sakaiza ; Fa ny malahelo afoin’ ny sakaizany. »
-Heb 13 :5 « Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory. »
-Jao 15 :13 « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy
ny sakaizany. »
-I Jao 1 :9 « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny
fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsy fahamarinana rehetrea. »
-Oha 6 :20 « Anaka, Tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalan-dreninao. »
-I Tim 6 :20 « Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-
pitady… »
-Lev 19 :2b « Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovha Andriamanitrareo »
-Isa 41 :11,12 « Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona
izy ; Eny, ho levona izay miady aminao. Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho
hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. »
-Lio 19 :9 « Anio no tonga eto amin’ ity trano ity ny famonjena. »
-Lio 1 :37 « Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra. »
-Jer 31 :3 « Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako
famindram-po ho anao. »
-Mar 13 :32,33 « Fa ny amin’ izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely
any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Mitandrema, miambena, ka
mivavaha ; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ ny fotoana. »
-Oha 16 :9 « Ny fon’ ny olona mihevitra tsara ny alehanhy ; Fa Jehovah ihany no
mahalavorary ny diany. »
-Lio 11 :28 « Heureux plutôt ceux qui écoutent la parole de Dieu et qui la garde. »
-Joba 8 :7 « Ka na dia kely aza no niandohana, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao. »
-Oha 31 :30 « fitaka ny fahatsara-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy ; Fa ny vehivavy
matahotra an’i Jehovaha ihany no hoderaina. »

You might also like