Download as pdf or txt
Download as pdf or txt
You are on page 1of 76

LESONA

MALAGASY

ème
Classe de 3
FIZAHAN-TAKILA
NY LITERATIORA MANDRESY LAHATRA .............................................................. 1
I. Hevi-teny .............................................................................................................. 1
II. Fanadihadiana ny literatiora mandresy lahatra .................................................. 1
III. Fampiharana ...................................................................................................... 2
IV. Fampitahana ireo karazana literatiora............................................................... 3
NY FAMINTINAN-DAHATSORATRA ......................................................................... 3
I. Famaritana ........................................................................................................... 3
II. Fanontaniana ...................................................................................................... 4
III. Fomba fiasa sady fampiharana ......................................................................... 4
NY FAMORONAN-DAHATSORATRA ....................................................................... 4
I. Famaritana ........................................................................................................... 4
II. Fomba fiasa......................................................................................................... 5
NY SARIN-TENY ........................................................................................................... 6
I. Famaritana ........................................................................................................... 6
II. Ny karazana sarin-teny ....................................................................................... 6
NY ANJARA ASAN’NY LITERATIORA ...................................................................... 7
I. Ny literatiora fanabeazana ................................................................................... 7
II. Ny literatiora fialam-boly ..................................................................................... 7
NY MPANORATRA SY NY ASA SORANY ............................................................... 7
Esther RANDRIAMAMONJY .................................................................................. 7
Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA ..................................................................... 8
NY FIFANDRAISAN’NY MALAGASY EO AMIN'NY LAFA-PAMOKARANA........ 9
I. Lahatsoratra ......................................................................................................... 9
II. Fanoritsoritana ankapobeny ............................................................................. 10
NY VALIN-TANANA..................................................................................................... 11
I. Famaritana ......................................................................................................... 11
II. Ny endrika isehoany.......................................................................................... 11
III. Ny tombotsoa azo avy aminy........................................................................... 11
IV. Ny soatoavina fonosin’ny valin-tanana............................................................ 11
V. Ohabolana momba ny fiaraha-miasa ............................................................... 12
NY LAFA-PAMOKARANA MIFOTOTRA AMIN’NY FAHALEOVANTENA ......... 12
I. Famaritana ......................................................................................................... 12
II. Tombotsoa azo avy aminy ................................................................................ 12
NY FEPETRA MAMPAHOMBY NY FIHARIAN-KARENA..................................... 12
NY FIFANDRAISAN’NY MALAGASY EO AMIN'NY TONTOLON’NY VELONA SY
NY RAZAHA ................................................................................................................. 13
Lesona 1 : NY FAHAFATESANA ......................................................................... 13
Lesona 2 : NY FAMADIHANA............................................................................... 15
NY TSIRIN-TENY AO AMIN’NY MATOANTENY ................................................... 18
I. Ny tovona ........................................................................................................... 18
II. Ny tovana .......................................................................................................... 19
III. Ny tsirin-teny sara-droa.................................................................................... 19
IV. Ny filazam-potoana .......................................................................................... 19
V. Ny mpisolo tena tampisaka .............................................................................. 20
NY FIFANDRAISAN’NY FEHEZAN-KEVITRA AO ANATIN'NY FEHEZANTENY
........................................................................................................................................ 21
I. Fanafohizan-teny ............................................................................................... 21
II. Famaritana ........................................................................................................ 21
III. Ny mampifandray fehezan-kevitra ................................................................... 22
IV. Ny karazana fehezan-kevitra sy ny fifandraisany ........................................... 23
NY FITODIKY NY FEHEZANTENY MANANA EM MATOANTENY .................... 25
A. Fanafohizan-teny .............................................................................................. 25
B. Famaritana ........................................................................................................ 25
D. Fanamarihana................................................................................................... 25
E. Ny HAD ny L manana EM matoanteny ............................................................ 26
NY FITODIKY NY FEHEZANTENY MANANA EM TSY MATOANTENY ........... 34
I. Ny endrika isehoan’ny EM ................................................................................. 34
II. Ny karazana andian-teny .................................................................................. 35
III. Fanamarihana .................................................................................................. 35
NY LITERATIORA MANDRESY LAHATRA
Lahatsoratra :
Ny toe-tsaina malagasy ankehitriny izay isan'ny mampandroso ny vazaha dia
izao : kirina izy fa tsy mora kivy. Na inona na inona mafy, na inona na inona sarotra
tsy maintsy ilofosana, na firy taona ahavitana azy. Hevero ange ny fiaramanidina!
Firy taona no nikarohan'ny vazaha hitety habakabaka ? Tsy tambo isaina ny vola
lany sy ny olona maty tamin'ny fanandramana azy ary mandraka izao, mbola firy no
maty amin'ny loza ateraky ny fiaramanidina kanefa moa kivy na resy ny vazaha ?
Sanatria izany! Kiry toy izany no ilaintsika indrindra ankehitriny. Matetika mba
misikina ihany isika amin'ny voalohany ka mivonona handresy ny sarotra nefa nony
mikatroka kelikely ka tojon'ny mafy dia tsy mikiry intsony fa dia ketraka sady kivy.
Na any am-pianarana aza dia hita izany toetra mora kivy izany satria raha sendra
fanontaniana misy olana be dia be dia tsy mikaroka hatramin'ny farany fa mitanaka
sy mihaotra loha fotsiny... Raha sendra ny sarotra ny vazaha dia mamoron -kevitra
ho entimandresy izany izy fa tsy kivy. Ny fahaporetana no miteraka famoronana ;
ny famoronana anefa dia mila fikarohana ela sy fikirizana hatrany. Noho izany, raha
tian'ny Malagasy ny handroso dia tokony ataony an -doha lalandava izao
tarigetran'ny tily izao : « Mihira sy mitsiky na dia sendran'ny sarotra aza ». Ny
firaisan-kina, ny fiaraha- miasa no mampandroso ny olombelona. Ny tsy fahaizana
miray hina no vato misakana ny fandrosoan'ny Malagasy.

Ny orimbaton'ny Fiadanana, tak 137

I. Hevi-teny
• Kirina : olona tsy mety kivy.
• Tsy tambo isaina : tsy hita isa, tsy voaisa, tsy hita pesipesenina.
• Misikina : miezaka.
• Ketraka : valaka, reraka.
• Fahaporetana : fahamaizana.
• Tarigetra : tanjona, filamatra.

II. Fanadihadiana ny literatiora mandresy lahatra

1. Ny hevitra fonosiny
Ny literatiora mandresy lahatra dia mitaona ny mpamaky hiandany amin'ny
hevitra anankiray, lahatsoratra entina mampanaiky ny mpamaky ny hevitry ny
mpanoratra amina lohahevitra iray. Noho izany dia manome porofo enti-manohana
ny heviny ny mpanoratra mba hampiova hevitra ny mpamaky.

2. Ny firafiny
Ao amin'ny lahatsoratra mandresy lahatra dia misy ampahany manazava
hevitra, ny tapany sisa kosa dia ahitana fiandaniana na fandresen-dahatra.

1
Rehefa manohana ny heviny ny mpanoratra dia mampiasa :
➢ Fitanilàna : Raha ny lafin-tsarany ohatra no jerena dia tsy aseho loatra ny lafy
ratsiny.
Ohatra : ny lahatsoratra dia manasongadina ny fahombiazan'ny
vazaha tamin'ny nahavitany fiaramanidina.
➢ Fitanisàna : fampiasana ohabolana, ... sns
Ohatra : tsy tambo isaina ny vola lany, ny olona maty tamin'ny
fanandramana, ny olona maty ankehitriny noho ny loza miseho, .
➢ Fanoharana : fampitahana amin’ny zavatra hafa ahafahana manohana hevitra.
Ohatra : ny lahatsoratra dia mampitaha ny malagasy amin’ny vazaha.

3. Ny sokajin-teny fampiasa ao amin’ny lahatsoratra mandresy lahatra


Ireto avy ny fanamarinana ny sokajin -dahatsoratra mandresy lahatra :
− Misy hevitra aroso (hazavaina) ary manao fampitahana anazavana azy.
− Mampiasa teny miverimberina.
− Mampiasa teny savily : ka, raha, fa, satria, noho izany, koa, anie, ...
− Manao teny filaza mandidy : mba, tokony, tsy maintsy, ...
− Ahitana fehezanteny lava, miendrika fanontaniana.

4. Ny fehezanteny fampiasa
Amin’ny ankapobeny, ireto ny fehezanteny fampiasa ao amin’ny lahatsoratra
mandresy lahatra :

− Fehezanteny lava.
− Fehezanteny miendrika fanontaniana.
− Fehezanteny mivadi-drafitra (no, dia).

III. Fampiharana

1. Laza adina
Sokajin-dahatsoratra inona no hita eto ? Omeo daholo ny fanamarinana.

2. Valiny
Sokajin-dahatsoratra mandresy lahatra no hita eto. Porofo :

− Ny hevitra aroso : ny fikirizana.


− Mampiasa teny miverimberina : fiaramanidina, vazaha, …
− Mampiasa teny savily : ka, raha, fa, satria, noho izany.
− Manao teny filaza mandidy : Hevero.
− Fametrahana fanontaniana : firy taona … habakabaka ?
− Fehezanteny lava : tsy tambo isaina … sanatria izany.

2
IV. Fampitahana ireo karazana literatiora

1. Lahatsoratra manoritsoritra
− Ahitana filazana na fandokoana amin’ny antsipirihany momba ny toetra
na bika na endrika izay hitafian’ny mpandray anjara na toe-javatra
fototra ao.
− Ahitana mpamari-toetra, mpisolo tena, filazam-potoana ankehitriny.
− Mety hisy filaza masaka ihany koa.

2. Lahatsoratra mitantara
− Tsy maintsy ahitana mpandray anjara.
− Ahitana toe-javatra iaingana, vontoatiny ary fiafarany.
− Misy olana, ny fivoarany ary ny fiafarany.
− Ahitana voambolam-pitantarana : raha, hoy, hono, …

3. Lahatsoratra manazava hevitra


− Manazava hevitra nefa tsy miantso ny mpamaky hitovy hevitra amin’ny
mpanoratra (tsy misy fiandaniana).
− Lava ny fehezanteny satria misy ohatra manazava io hevitra io.
− Ahitana teny savily : raha, satria, …
− Rafitry ny lahatsoratra :
▪ Fampidirana : ahitana petran-kevitra, olana hovahana.
▪ Famelabelarana : ady hevitra na famahana olana.
▪ Famaranana : hanaovana tsoan-kevitra na
fandravonana.

4. Lahatsoratra mandresy lahatra :


− Misy hevitra aroso (hazavaina) ary manao fampitahana anazavana azy.
− Mampiasa teny miverimberina.
− Mampiasa teny savily : ka, raha, fa, satria, noho izany, koa, anie, ...
− Manao teny filaza mandidy : mba, tokony, tsy maintsy, .
− Ahitana fehezanteny lava, miendrika fanontaniana.

NY FAMINTINAN-DAHATSORATRA
Lahatsoratra iaingana : Ny toe-tsaina malagasy ankehitriny

I. Famaritana
Ny famitinan-dahatsoratra dia fanafohezana ny lahatsoratra iray ho lasa
fehezanteny efatra eo ho eo ary koa milaza ny hevitra feno tian’ny mpanoratra
ampitaina ao amin’ilay lahatsoratra.

3
II. Fanontaniana
Fintino amina fehezanteny tsy mioatra ny efatra ny lahatsoratra « Ny toe-tsaina
malagasy ankehitriny ».

III. Fomba fiasa sady fampiharana

1. Fitadiavana ny hevi-dehibe
➢ Ny atao hoe hevi-dehibe dia izay mamaly ny fanontaniana hoe : inona no
resahina ao ?
➢ Fintinina amina fehezanteny iray ny andininy tsirairay amin’ny alalan’ny
fitadiavana ny hevidehibe isan’andininy.
➢ Atambatra ho fehezanteny iray ny famintinana ny andininy roa na maro izay
milaza hevitra mitovitovy na mifameno.

2. Famintinana isan’andininy
➢ Andininy voalohany : Mandroso tokoa ny vazaha satria kirina izy fa tsy mora
kivy.
➢ Andininy faharoa : Ny malagasy kosa anefa dia tsy mba toy izany fa mora
ketraka.
➢ Andininy fahatelo : Na dia izany aza dia azo amboarina io toe-tsaintsika io
ka ny firaisan-kina no takina amin’izany.

3. Ny fandravonana
➢ Eto dia tsy misy andininy samihafa izay mifameno na mitovitovy, noho izany
dia tsy atambatra ny fehezanteny isan’andininy.
➢ Tokony ho soloina rehefa misy teny na andian -teny miverimberina ao anaty
famintinana.

4. Endriky ny asa vita


Mandroso tokoa ny vazaha satria kirina izy fa tsy mora kivy. Ny malagasy kosa
anefa dia tsy mba toy izany fa mora ketraka. Na dia izany aza dia azo amboarina io
toe-tsaintsika io ka ny firaisankina no takina amin’izany.

NY FAMORONAN-DAHATSORATRA

I. Famaritana
Ny famoronan-dahatsoratra dia famoronana andalan -tsoratra ahitana
fehezanteny dimy amby folo eo ho eo. Anehoana hevitra izany, handresena lahatra
ny mpitsara mba hiandany amin’ny hevitry ny mpanoratra. Ny mpitsara no manome
ny laza adina ka tsy azo atao ny mivaona amin’izany.

4
II. Fomba fiasa
Laza adina iaingana : Voalaza fa mety hampandroso ny famokarana ny valin-
tanana. Fanontaniana : Mitadiava ohatra manamarina izany (fehezanteny 15 eo
ho eo).

1. Firafitry ny famoronan-dahatsoratra
Tsy maintsy ahitana fizarana telo miavaka tsara ny asa :
• Teny fampidirana (fehezanteny 3).
• Famelabelarana (fehezanteny 8 na 9).
• Teny famaranana (fehezanteny 2 na 3

a. Teny fampidirana

▪ Fehezanteny voalohany : io no miresaka ankapobeny momba ny laza adina.


Fehezanteny mamaly ny fanontaniana hoe « resaka momba ny inona no atao ? ».

Ohatra : zava-dehibe teo amin’ny fihavanan’ny Ntaolo ny valin -tanana.


▪ Fehezanteny faharoa : io no manolotra ny vontoatin’ny laza adina (mampiditra ny
laza adina).

Ohatra : isan’ny mety hampandroso ny toe-karena ny valin-tanana.


▪ Fehezanteny fahatelo : ao no anolorana ny drafitra (tetika arahana ao amin’ny
famelabelarana).

Ohatra : ny tombotsoa azo avy aminy no ndeha hanamarinantsika azy.

b. Ny famelabelarana

➢ Eto no hanomezana ny hevitry ny tena, hanohanana azy amin’ny ohatra izay tsy maintsy
hazavaina. Toy izao ny fitsinjarana ireo fehezanteny 9 :
• Fehezanteny 1 na 2 : manazava ny mahamarina ny laza adina.
• Fehezanteny 2 : manolotra ny ohatra hanazavana azy.
• Fehezanteny 2 na 3 : manazava ireo ohatra nomena.
• Fehezanteny 1 na 2 : mandresy lahatra.
➢ Eto no ahitana ny teny savily manazava sy mandresy lahatra (satria, ka, rehefa,
mbola, ..).
➢ Ny ohatra na ohabolana dia tsy mihoatra ny roa. Ny ohabolana dia tsy maintsy atao
anaty («») ary azo raisina ho ohatra izany ka tsy maintsy hazavaina.
➢ Ny fehezanteny rehetra dia kendrena hazava tsara.

c. Teny famaranana

➢ Fehezanteny 1 : mandravona izay voalaza tao amin’ny famelabelarana.


➢ Fehezanteny 1 : manitatra io fandravonana io.
➢ Fehezanteny 1 : mendrika fanontaniana mampifandray ny laza adina amin’ny
zava-misy.

5
Tsy valiana intsony io fanontaniana io.

2. Ny endriky ny asa vita


Zava-dehibe teo amin’ny fihavanan’ny Ntaolo ny valin-tanana. Ary isan’ny mety
hampandroso ny toe-karena izany. Ny tombotsoa azo avy aminy no ndeha
hanamarinantsika azy. Ny fototry ny toe-karena eto amintsika dia ny fambolena sy ny
fiompiana. Raha raisina manokana anefa ny fambolena dia hita fa tsy mbola
mandroso ara-teknika. Koa vahaolana tsara dia ny valin -tanana! Satria raha asa
tokony ho vita amin’ny fitaovam-pamokarana indray andro ohatra, dia mety ho
vitan’ny iray tanàna koa. Ankoatra izany, ara-toe-karena dia ho be ny vokatra ka ho
resy ny mosary. Tsy mila vola be koa ny valin -tanana fa firaisan-kina dia ampy. Ara-
piaraha-monina kosa dia mihamafy ny fihavanana. Noho izany, raha miray hina
amin’ny valin-tanana ny tantsaha dia ho mora ny fampandrosoana ara-toe-karena.
Raha aravona izay voalaza izay dia vahaolana akaiky antsika ny valin -tanana.
Fomban drazana mbola tsy hita koa izay maharatsy azy io! Nefa ho mora ho an’ny
Malagasy ankehitriny ve ny hamerina izany ?

NY SARIN-TENY

I. Famaritana
Ny atao hoe sarin-teny dia teny na andian-teny na fehezan-kevitra manana ny
heviny arabakiteny nefa ampiasaina amin’ny hevitra hafa ao anaty fehezanteny iray.
Ohatra : Milaza atsanga tsy aman’orana izy.

II. Ny karazana sarin-teny


➢ Fanoharana : mety ho hita ao ny ohabolana, ohapitenenana, fomba fiteny
mampiasa hoe « ohatra ny, sahala amin’ny, toy ny, ... ».
Ohatra : Aza manao toy ny ranon’Ikopa ka tonga namana vao
mavomavo.
➢ Tamberim-peo : feo na litera iray miverimberina ao anaty fehezanteny iray.
➢ Tamberin-teny : teny iray miverimberina ao anaty fehezanteny iray.
Ohatra : Ilaina dia ilaina ny fikirizana eo amin’ny asa.
➢ Tamberim-pototeny : fototeny iray miverimberina ao anaty fehezanteny iray.
Ohatra : Ny tsipohy lasa akoho, ny akoho lasa ondry.
➢ Filaza masaka : manitatra, mampitombo filaza, matavy resaka, mandainga,
...
Ohatra : Ny haingon’ny tompon-draharaha dia tsy manam-paharoa.
➢ Fanovana endri-javatra : teny manana hevitra manokana mihitsy no
iantsoana olona na biby na zavatra iray.
Ohatra : Ny Ray aman-dReny no sinibe manga soa.
➢ Fehezan-kevitra mitovy rafitra, mitovy vahana : samy tso-drafitra na samy
mivadi- drafitra ary mitovy ny isan’ny fehezan-kevitra tsirairay.
Ohatra : Ny tsipohy lasa akoho, ny akoho lasa ondry, ny ondry lasa
omby.

6
➢ Filazan-javatra manao an-tanan-tohatra : zavatra kely mihalehibe na lehibe
miakely, avy any ambony no midina na avy any ambany no miakatra.
Ohatra : Ny tsipohy lasa akoho, ny akoho lasa ondry, ny ondry lasa omby.

NY ANJARA ASAN’NY LITERATIORA


I. Ny literatiora fanabeazana
− Amin’ny lafiny ara-tsaina dia afaka mampita fahalalana ny literatiora amin’ny alalan’ny
boky, gazety, ohabolana, kabary, lahatsoratra, ... sns
− Manome fahalalana ara-tsiansa, ara-tantara, isan-karazany koa ny literatiora. Ny
baiboly dia anisan’ny literatiora ampitana ny fitaizana ara-panahy.

II. Ny literatiora fialam-boly

1. Inona no atao hoe fialam-boly ?


− Fialana amin’ny asa fanao andavanandro izay mahavizana ny vatana sy
saina.
Ohatra : Reraka amin’ny asa ny mpianakavy dia mitantara angano i Dadabe sy i
Nenibe ny hariva. Ahazoana lesona ihany koa mantsy ny angano.
− Ny soa azo avy amin’ny fialam-boly dia manome hery vaovao entina miatrika ny olana
vaovao.

2. Inona no mety hampiala voly ao amin’ny literatiora ?


− Literatiora an-tsoratra : tantara, sombin-tantara, gazety, ... sns
− Literatiora am-bava : angano, sôva, tononkalo, ankamantatra, .sns

NY MPANORATRA SY NY ASA SORANY


Esther RANDRIAMAMONJY

A. Ny momba azy
− Esther Rasoloarimalala RANDRIAMAMONJY no tena anarany.
− Teraka tamin’ny 11 Aprily 1933 tao Ambohimahasoa Fianarantsoa izy.
− Ny vadiny dia ANDRIAMAMONJY Fréderic izay masoivohon’i Madagasikara
tany ivelany (indrindra tany URSS).
− Ny asany : mpampianatra malagasy, frantsay, anglisy.
− Ny mari-pahaizana nananany : Baccalaureat ès Philo.
− Mpikambana tao amin’ny « Académie National des arts, des lettres et des
sciences ».
− Efa nisahana ny fanontana sy fandrafetana boky izy.
− Filoha lefitry ny fikambanan’ny Poeta mpanoratra Malagasy (UPEM).

7
− Betsaka ny mari-boninahitra azony noho ny asa vitany manodidina ny kanto
na teto antoerana na tany ivelany. Efa nitety firenena maro izy ary tsy
nitsahatra nampahalala an’i Madagasikara tany ivelany (Afrique, Europe, Asie,
...)
− Mpanoratra ho an’ny ankizy no tena ahalalan’ny maro azy, n efa ankoatra ny
angano maro be nosoratany tamin’ny tenim-pirenena samy hafa dia nanoratra
tantara ihany koa izy.
− Fitaovan-tserasera samy hafa no nanehoany ny asa sorany toy ny : onjam-
peo, an-tsary, antsekoly, ankalamanjana, an -gazety, ...sns
− Tsy voatanisa ireo asa sorany fa ny tantara foronina anisany nanasongadina
azy dia ny « Ho avy ny maraina ».
− Toy izao no tarigetrany : « Ny tarigetrako, hoy izy dia ny hampitsimoka ny voa
efa àry, mamoha izay mila hatory, mandrisika ny mitady hihemotra,
manondraka izay efa mitsiry, manandratra ireo mamololona ary hioty ireo
salohy efa masaka ».

B. Famintinana ny asa sorany

a. Ny toe-tsaina Malagasy ankehitriny

Tsy mora kivy ny vazaha satria mikarokaroka sy milofo izy mba hampandroso azy.
Ny malagasy kosa raha tojo ny sarotra dia mora kivy. Ary ny mampandroso antsika koa dia
ny firaisan-kina.

b. Kely mihary

Nomen’ingahy vola ilay zaza mba hividianany izay tiany. Zavatra hitsinjovany
ny ho aviny anefa no novidiany. Faly ery ingahy noho ny fahaizany mampiasa ilay
vola.

Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA

A. Ny tantaram-piainany
− Clarisse Hortense Andriamampandry RATSIFANDRIHAMANANA no tena
anarany.
− Teraka tamin’ny 05 desambra 1926 tao Fenoarivo Atsinanana Toamasina izy.
− Mpitsabo no asan’ny Rainy.
− Taranak’andriana izy : mpikabary malaza, mpamoron-kira, mpanoratra no
niaviany.
− Mpianatr’i Jean NARIVONY izy. Niditra teo amin’ny sehatra politika ary ireto
ny fikambanana nisy azy :
▪ Comité de solidarité Malgache.
▪ Parti du congrès de l’Indépendance de Madagascar.
▪ AKFM, KDRSM, filohan’ny FIMAMIRE.
▪ 1962 - 1969 : filan-kevitry ny tanànan’Antananarivo.

8

1969 - 1972 : filan-kevi-bahoakan’ny
tananan’Antananarivo.
▪ 1977 : komitin’ny fandriampahalemana.
▪ Iraka tany Angola (fikaonan-doha fahaenina momba ny
mpanoratra).
− Maty ny 27 Jona 1987.

B. Ny asa sorany
Tamin’ny taona 1960 izy no nanomboka nanoratra tao amin’ny fikambanan’ny
Poeta (UPEM) izay fikambanana nisy azy. Tononkalo no tena nanavanana azy,
nefa nanoratra angano, tantara antsehatra, tantara foronina ihany koa izy.
Anisan’izany :

− 1960 : Sarindra (Tononnkalo nahazoany loka faharoa)


− 1961 : Salohy (Amboaran-tononkalo)
− 1964 : Fahavaratra (Tantara foronina)
− 1966 : Lavakombarika (Sombin-tantara)
− 1966 : Tamberin-tany (Tantara foronina)
− 1970 : Ny zanako (Tantara foronina)
− 1979 : Velan’Angano (Tantara an-dapihazo)
− 1979 : Ari-tory (Amboaran-tononkalo)
− Tantara an-tsehatra : Don-tokana, Ratompokovavy, Ainga sy antso.
− Angano maro be.

D. Ny tara-kevitra novohiziny
− Fanoherana ny tsy rariny.
− Ny fanjanahantany.
− Ny fanavakavaham-bolon-koditra.
− Ny fanehoana ny faniriam-bahoaka.
− Ny fitakiana ny zo maha olona.

NY FIFANDRAISAN’NY MALAGASY EO AMIN'NY LAFA-


PAMOKARANA

I. Lahatsoratra
Ny kitay telo an-dalana
Tany ambadik'i Manareza hono, dia tsy nanan-trano hitoerana ny olombelona
fa tany an- davabato no nitoetra, ary ity Rafotsibe kosa mba hieritreritra izay
hitoerany ka nandrary tsihy vitrana hataony tataro. Dia tamy ity rangahy iray
nitomany teo ala-trano ka nitaraina hoe : « Ô rafotry ô! Aoka lahy aho mba hitoetra
ato hitaizataiza anao sy hiara-mihary aminao ». Fa nandà izy tamin'ny voalohany
ka nanao hoe : « izaho manana trano hitoerana ; ka raha tsy ho ahy ny
androtokompananana dia tsy hanaiky aho », dia neken-dRalehilahy izany.

9
Fa nony taty aoriana kosa dia rovitra ny tranon-dRafotsibe, satria tsihy ihany
moa, fa rangahy kosa efa nahavita trano bongo ; ka nisaorany rafotsibe ; dia mba
nifona kosa ny vavy ka nanao hoe : « mifon-jato, mifon'arivo aho rangahy, fa tsy
mahafoy anao », nefa tsy nety lahy raha tsy ho azy koa ny androtokom-pananana
dia nanaiky tsy satry rafotsibe, satria efa osa ka tsy mba hahavita trano tahaka azy.
Izany, hono, no niandohan'ilay fiteny hoe : « kitay telo an- dalana ka ny roa
alanon'ny lahy ; ny ray alanon'ny vavy »

Anganon'ny Ntaolo

1. Hevi-teny
• Tataro : rindrina.
• Ala-trano : an-tokontany.
• Nanaiky tsy satry : nanaiky tsy fidiny.
• Mihary : mitady, mivelona, mikarama.

2. Fahazoana ny lahatsoratra
Hita eto ny fanjakam-behivavy sy ny fanjakan-dehilahy. Fony mbola tsihy ny
trano dia ny vehivavy no masi-mandidy ; fa nony trano bongo kosa dia ny lehilahy.
Amin'ny ankapobeny ny endri-pamokarana Malagasy teo amin'ny vanim-
potoana nifandimby dia mitaky fikoloana ny fihavanana sy fahombiazana amin'ny
famokarana.

II. Fanoritsoritana ankapobeny


Lafa-pamokarana = lafatra + famokarana. Izany hoe, tetika na fomba arahina mba
hamokarana ara-toe-karena ny lafa-pamokarana. Ireto ny endrika nisehoan'izany
nandritra ny vanim-potoana samihafa niainan'ny Malagasy :
➢ Faha vazimba : tsy mbola nisy ny lafa-pamokarana satria tsy namboly ary tsy
niompy ny vazimba fa nioty sy nihaza.

➢ Faha foko : Efa nahay namboly sy niompy ny malagasy ary nanana firaisan-
kina. Teto no nampiroborobo ny valin-tanana.

➢ Faha mpanjaka : Nisy lalàna nifehy ny fanjakana izay nanery ny olona hanome
hanimpamokarana ho an'ny mpanjaka antsoina hoe : « vidin'aina, santa-
bokatra, vola tsy vaky ». Noho izany, vao maika niroborobo ny valin -tanana.

➢ Faha zanatany : Ankoatra ny famelomana ny fianakaviana dia tsy maintsy


manao asam-panompoana ho an'ny mpanjanaka. Toe-tsaina « samy maka ho
azy » no nanazaran'ny mpanjanatany ny Malagasy. Noho izany dia rava ny
firaisan-kina, foana ihany koa ny valin-tanana.

➢ Fahaleovantena : lafa-pamokarana mifototra amin'ny fahaleovantena no nisy


satria mbola nanjaka ilay toe-tsaina samy maka ho azy. Efa nisy ny fandrosoana

10
kely teo amin’ny fitaovam-pamokarana. Na izany aza dia nisy namerina ny
valin-tanana ny any ambanivohitra saingy isam-pianakaviana sisa no nahitana
azy.

FEHINY : Nandritra ny vanim-potoana faha mpanjaka sy faha foko, ny lafa-


pamokarana malagasy dia nifototra tamin’ny fihavanana sy firaisan -kina, izany hoe,
ny mpiara-monina mihitsy no mamelona ny tsirairay, ny asa fambolena no
hampiarana ny valin-tanana. Ny fanjanahantany no nandrava azy. Ankehitriny,
samy manao izay ahavelomany ny ankohonana tsirairay. Ireto ny voambolana
ilazana ny valin-tanana : Farimbona, fanandro, Indrana, Kifanomba, Tambirô.

NY VALIN-TANANA
I. Famaritana
Ny atao hoe valin-tanana dia lafa-pamokarana mifototra amin’ny fihavanana
sy firaisan-kina izay atao eny ambanivohitra amin’ny seha-pamokarana vaventy toy
ny fambolena, tao-trano, taopasana.

II. Ny endrika isehoany


Tsy misy fampiasana vola fa fiaraha-miasa no ifanakalozana.
Ohatra : Androany fia manao ny asan-dRabe ny iray tanàna, rahampitso koa dia ny
an-dRakoto koa no atao.

III. Ny tombotsoa azo avy aminy

1. Tombosoa ara-toe-karena
− Tsy mampiasa vola.
− Betsaka ny asa vita.
− Vetivety dia vita daholo ny asa eo an-tanAna.
− Betsaka ny vokatra azo.

2. Tombotsoa ara-piaraha-monina
− Voatandro ny fihavanana sy ny firaisan -kina.
− Misy ny fandriampahalemana.
− Tsy dia hita loatra ny tsy fitovian -tsaranga.

IV. Ny soatoavina fonosin’ny valin-tanana


Ny atao hoe soatoavina dia soa eken’ny be sy ny maro mba hampirindra ny
fiaraha-monina. Ohatra : fihavanana, fifanampiana, ...
Ny soatoavina fonosin’ny valin -tanana dia fifankatiavana, fifanampiana,
fihavanana, fanasoavana, firaisan-kina, fifampitsimbinana.

11
V. Ohabolana momba ny fiaraha-miasa
✓ « Asa vadi-drano tsy vita raha tsy hifanakonana ».
✓ « Tao-trano tsy efan’irery ».
✓ « Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika ».
✓ « Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy ». «
✓ Ny firaisan-kina no hery ».
✓ « Soroka miara-milanja, tongotra miara-mamindra ».
✓ «Akanga maro tsy vakin’amboa ».
✓ « Mita be tsy lanin’ny mamba ».

NY LAFA-PAMOKARANA MIFOTOTRA AMIN’NY


FAHALEOVANTENA

I. Famaritana
Ny lafa-pamokarana mifototra amin’ny fahaleovantena dia lafa-pamokarana
samy maka ho azy satria tsy ahitana taratra fiaraha-miasa intsony fa fampiasana
vola hanakaramana olona no miseho.

II. Tombotsoa azo avy aminy

1. Tombotsoa ara-toe-karena
− Tsy misy tombotsoa ho an’ny rehetra ny lafa-pamokarana samy maka ho azy
raha tsy eo amin’ny fandrosoana ara-pitaovana sy ara-teknika. Noho izany dia
ny mpanambola ihany no mahazo tombony be dia be.

2. Tombotsoa ara-piaraha-monina
− Ny fifaninanana eo amin’ny samy mpamokatra no tombotsoa azo avy aminy.

3. Lafy ratsiny
− Rava ny firaisan-kina.
− Misongadina ny tsy fitovian-tsaranga : ny manana mihamanana, ny mahantra
mihamahantra.

NY FEPETRA MAMPAHOMBY NY FIHARIAN-KARENA


Ireo avy ny toe-tsaina ilaina hapahomby ny fiharian-karena :

− Ny finoana : ilaina ny mino fa ho tratra ny tanjona hokendrena.


− Ny fikirizana : betsaka ny olana hosedraina ka mila toe-tsaina tsy mety kivy.
− Ny faharetana : tsy vita vetivety ny fiharian-karena satria zavatra kely na vitsy no
ampitomboina ho lasa lehibe na maro.
− Ny fahaizana : mba ialana amin’ny fanambakana.

12
NY FIFANDRAISAN’NY MALAGASY EO AMIN'NY
TONTOLON’NY VELONA SY NY RAZAHA

Lesona 1 : NY FAHAFATESANA
Lahatsoratra iaingana :

Ankehitriny, raha misy fahoriana...


Nanana ny zava-ninoany sy nosaininy ny malagasy raha misy maty. Betsaka
amin’ireny fomba amam-panao ireny no mbola tazomina hatramin’ny ankehitriny.
Araka izany, ny teny entiny entina hampiononana sy hanome hery ny mana-manjo
dia mitohy. Arahina vola izany, antsoina hoe : « rambon-damba, solon-kofehy, solon-
dranombary tsy masaka, faho-dranomaso, ... » Ny fiandrasam-paty dia efa vitsy no manao
izany mba ahakely ny fandaniana. Nofadiana ny mandevina andro talata sy ny alakamisy
ary na hitsapa alahelo aza dia ny takariva efa mody masoandro vao tontosaina izany. Tsy
mba miady amam-paty ny Malagasy hany ka na misy aza izay f ifamaliana sy tsy
nifanarahana faha-velona dia tsy mba natao mihitsy ny « tsy mifandevi-maty ». Ankehitriny
dia efa nilaozana ilay fomba taloha hoe « tsy miraotra » rehefa maty havana akaiky toy ny
vady andefimandry. Mbola misy ihany ny manokana andro hiarahana misasa eny amin’ny
renirano andro vitsy aorian’ny fandevenana. Efa vitsy kosa ny misaona maharitra ela
be. Ny sasany aza manova izany ho akanjo fotsy satria kristianina. Ny hafa moa dia
tsy misaona mihitsy. Ny zavamaneno toy ny radio sy fahitalavitra dia azo henoina
rehefa vita ny fandevenana.

A. Hevi-teny
• Mana-manjo : ny fianakavian’ny maty.
• Mitsapa alahelo : mamangy fahoriana.
• Tsy miraotra : tsy mibango, tsy mihogo volo.
• Misasa (aorian’ny fandevenana) : midio tanteraka ny fianakaviana
mana-manjo.

B. Fanadihadiana

1. Famaritana

− Atao hoe maty ny zava-maniry rehefa maina ny raviny, ny vatany ary ny


fakany.
− Atao hoe maty ny biby na ny olona rehefa tsy mitempo intsony ny fony ary tsy
mikoriana itsony ny rà ao anatiny.

2. Ny fisehon’ny riba

a) Ny miala aina

Adidin’ny velona ny manamora ny ady ataon’ny miala aina :

− Atao avo ny ondany na tohanana avy ao an -damosiny izy.


13
− Raha vao tapitra ny ainy dia ahirina ny masony, akombona ny vavany
ary atsotra ny rantsambatany rehetra.
− Diovina tanteraka ny razana, tampenana ny lavaka rehetra ao aminy
ary soloina ny fitafiany. Izany rehetra izany dia atao alohan’ny
hahatongavan’ny mpamangy.

b) Ny fizaran’asan’ny fianakaviana

Raha vao maty ny olona iray dia :


− Misy mijanona mikarakara ny razana.
− Misy mikarakara ny taratasy ilaina sy miantso mpitsabo.
− Misy koa mampandre ny havana aman-tsakaiza.

d) Ireo fomba fiteny manodidina ny fahafatesana


− Miala aina : miady aina, manary aina, efa eo ambava-haonan’ny
fahafatesana.
− Maty : nodimandry, nindaosin’ny fahafatesana, lasa any amin’ny varo-tsy
mifody, lasa any ambany rangolahy (efa voalevina), nantsoin’ny Ray hody any
aminy, lasan’Andriamanitra, miamboho (andriana).
− Alevina : asitrika, afenina (andriana), aterina na apetraka ao amin’ny fasan-
drazany.
− Manary ratsy : mamoaka ny maloto rehetra ao amin’ny miala aina.
− Manirina : manakimpy ny mason’ny maty.
− Hamama : tantin-tsaoka, tapa-damba hamatorana ny vavan’ny maty
hikombona.
− Henan-dofo (hena ratsy) : ny hen’omby atao sakafo mandritra ny fahoriana.
− Mamonjy taitra : ny manodidina dia tonga avy hatrany manampy ny mana-
manjo raha vao mandre ilay fahoriana.
− Fao-dranomaso : solon-drambon-damba, solon-dranombary tsy masaka.

3. Hevitra fonosin’ny riba

➢ Ny fikarakarana ny faty dia midika fitiavana sy fanajana azy. Henatra ho an’ny


mana- manjo ny razana tsy voakarakara.
➢ Ny fampiakanjoana tsara ny razana dia midika fanomanana azy hiditra amin’ny
fiainambaovao.
➢ Ny vonjy taitra dia midika firaisan-kina sy fihavanana.
➢ Ny famangiana manjo dia midika fiaraha-miory, firaisan-kina ary indrindra
fihavanana.
➢ Ny sakafo tsizarizary amin’ny fahoriana dia fanehoana ny alahelo ety ivelany
noho ny hafenoan-drano be loatra.
➢ Fandikana razana ho an’ny zaza madinika dia mba tsy arahin-dolo.
➢ Ny fandoroana zavatra eo an-tokonana raha avy mandevina dia midika
fidiovana sy fandroahana ny lolo mba tsy hiditra an -trano.

14
4. Ny lanjan’ny fandevenana eo amin’ny fiaraha-monina

Zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny fanatrehana ny fandevenana noho ireto antony


ireto :

− Tsy mitovy amin’ny biby ny olombelona fa omena hasina rehefa alevina.


− Eo no fanatanterahana ny hafatry ny maty.
− Eo no fanandratana ilay maty ho Tompokolahy na Tompokovavy.
− Fanomezam-boninahitra ny velona sy fara-veloma.

D. Ohabolana manodidina ny fahafatesana


− « Ambany fandry fa ambony fijery ».
− « Raha maty aho matsa rahavana, ... ».
− « Fahoriana tsy vitan-tsetsetra ».
− « Velona tsy raharahiana koa maty vao iaraha-malala ».
− « Singam-bolo tsy mahafehy faty ».
− « Ny anongotsongona ny maty tahotra ny handevim-belona ».
− « Raha razam-be tsy hitahy, fohazy hiady vomanga ».
− « Arakaraka ny zaza maty no isan’ny lamba mena ».
− « I Kiala momba tsy tian-drainy maty vao iaraha-malala ».

Lesona 2 : NY FAMADIHANA
Lahatsoratra iaingana : Diso fanantenana
Someboseby fatratra ny tao an-tanànan’i Malazabe tamin’io andro lehibe
amin-dry Rabeharana io. Hofonosin -damba Itompokolahy Rainibeharana sy
Itompokovavy Ralandisoa. Omby efatra no novonoina. Mpanao hira gasy roa tonta
no hikatroka. Vory ny olona, tsy ny tao an-tanàna ihany fa hatrany amin’ireo tanàna
manodidina. Lanonana makadiry ity anio ity. Faly volony ramatoa Ratompo fa
sambany izao ireo havany maro be no handia ny tanànan’i Malazabe. Seriny ery izy
manao ny fitafiany sy ny firavaka tsara indrindra mba tsy haharesy tondro-maso
an’Ingahy Rabeharana vadiny. Nony nifarana iny andro iny dia niarahaba tena tokoa
izy mivady satria hita fa tena nety tokoa ny natao rehetra. Afa-po ny mpihinan-
kanina ary tsy diso anjara nenti-nody no sady nankasitraka avokoa ny vary be
menaka. Nifampitana tsara zareo mpihira gasy. Tena « sakamalao sy havozo ka
samy manana ny hanitra ho azy ». Nikoizana ny kabary nataon’ny Ray aman -
dRenin’ny tanàna, heni- pisaorana ny fokonolona, fatratra ny hatsaran’ireo
lambamena izay naseho ny vahoaka fa tena nanome voninahitra ny velona mihitsy.
Feno tokoa ny fotoana ary ny ambonin’izany, dia akory ny hafalim-pon- dRatompo
nony naharombaka ny tsihy avy namonosana vetivety ny razana, ary feno
fanantenana ko aizy raha nametraka iny teo ambany kidorony !... Lasa ny andro,
nihodina ny volana, nikorintsana ny amberivatry, tampi-kintsana ny ravimangahazo.
lasa koa tsy hitahita ny herin -taona manaraka anefa tsy nitoe-jaza Ratompo.
Latsaka tanaty famoizam-po izy raha niteny tamin’Ingahy Rabeharana hoe : « Eny,

15
hoya ho, Rabeharana, nitalaho aho fa tsy nahazo, nanantena aho anefa nangaina,
inona intsony no azoko atao ?... Tsia, aoka izay fa afa-po aho! ».

Clarisse RATSIFANDRIAHAMANANA

I. Hevi-teny
• Makadiry : goavana
• Haharesy tondro-maso : hampitsanga menatra
• Miarahaba tena : midoka tena
• Tsy diso anjara : nahazo anjara
• Nikoizana : nampihaiky
• Amberivatry : zava-maniry misy voany mitovy amin’ny soja
• Havozo : zava-maniry mitovy endrika amin’ny sakamalao nefa hafa dia
hafa ny fofony
• Heni-pisaorana : Nahazo fisaorana sahaza azy.
• Fatratra : lafatra
• Mitoe-jaza : mitsaika

II. Fanadihadiana lahatsoratra

1. Fahazoan-dahatsoratra

a) Manomeza teny tokana ao anaty lahatsoratra mitovy hevitra amin’ny hoe


« somokotra » :
Valiny : Seriny.

b) Manomeza teny tokana ao anaty lahatsoratra mifanohitra hevitra amin’ny


hoe « Makadiry » :
Valiny : Bitika.

2. Hevitra ao amin’ny lahatsoratra

a) Nahoana no lazaina fa feno ny fotoana nandritra ity famadihana ity ?


Valiny : satria tao ny kabary, ny mpihira gasy, ny vary be menaka,
famonosam-damba ny razana.

b) Fintino amin’ny fehezanteny tsy mihoatra ny efatra ny hevi-dehibe


raiketin’ny lahatsoratra :
Valiny : Nanao famadihana makotrokotroka Rabeharana mivady.
Tamin’izany dia nahazo ny tsihy nifonosan’ny razana Ratompo ka faly
aok’izany. Kanjo herin-taona taty aoriana dia tsy nitoe-jaza akory izy ka
naomy fo.

3. Sokajin-dahatsoratra inona no hita eto ?

Valiny : Sokajin-dahatsoratra mitantara no hita eto.


16
4) Manomeza fanamarinana efatra

Valiny : ahitana toerana : mangabe, fotoana : tamin’io andro lehibe io,


mpandray anjara : ratompo sy rabeharana, teny savily : hoy, hoe.

III. Fanadihadiana momba ny Riba

1. Famaritana

a) Hevitra ara-bakiteny :

− Famadihana : avadika ny razana.


− Famonosan-damba : fonosina lamba vaovao ny razana.
− Famolavolana taolam-balo : angonina ireo taolam-balo miparitaka ary
averina fonosina ny vonon-tany.
− Sao-drazana : fiaraha-mifaly amin’ny tompon-draharaha, fanajana sy
fanomezamboninahitra azy, fandraisana anjara amin’ny fikarakarana.
− Omby saotra : sorona fangataham-pitahiana, nofon-kena mitam-
pihavanana.

b) Foto-kevitry ny famadihana

Ny famadihana dia midika :

− Fahatsiarovana ireo razambe niaviana.


− Fangataham-pitahiana amin’ny razana.
− Fanajana sy fikarakarana ny razana ho setrin’ny fangataham-pitahiana.
− Fihaonan’ny fianakaviana iray razana niaviana.
− Fanamafisana ny fihavanan’ny fianakaviana sy fifankahalalana bebe
kokoa.

2. Ny endrika isehoan’ny riba

− Mivory herin-taona mialoha ny tompon-draharaha mandinika ny holaniana sy


mizara ny loloha.
− Ny vanin’andro sy ny fombafomba rehetra kosa dia ny mpanandro no tompo-
marika.
− Alohan’ny famahanana no anoloran’ny havana aman -tsakaiza ny sao-drazana
ho an’ny tompon-draharaha.
− Rehefa vita ny famahanana vao makeny amin’ny fasana mitondra tsihy vaovao,
lamba, toaka.
− Apetraka eo ambonin’ny tsihy ny razana, atao mahazo andro tsara, ampofoin’ny
zana-drazana avy eo vao fonosina.
− Rehefa vita ny famonosan-damba dia asitrika indray.
− Matetika dia hifandrombahan’ny olona ireo tsihy ipetrahan’ny razana.

17
3. Ny hevitra fonosin’ny riba

− Tsihy ifandrombahana : Heverina fa hitondra fahasoavana sy fitahiana ho


an’izay mahazo azy.
− Toaka : hafaliana, hafanana, fahasahiana, fanaiovana.
− Valala fiandry fasana : fianakaviana mijanona eo amin’ny tanindrazana
mikarakara ny lova navelan’ny razana.

4. Ireo fomba fiteny manodidina ny famadihana

− Ny tantana : famahanana ny olona manotrona ny lanonana.


− Ny loloha : adidy.
− Zana-drazana : tompon-draharaha, taranaka, tompon’anaran-dray, mason-
dranony, tompo mason-ketra.
− Sao-drazana : tsodrano, kao-drazana, atero ka alao, solon-dravin-tsara.
− Famongarana : famoahana ny razana ho fonosin-damba avy ao am-pasana.

5. Ohabolana mikasika ny razana

− « Ny razana dia ambany fandry fa ambony fijery ».


− « Raha razambe tsy hitahy, fohazy hiady vomanga ».
− « Aza manalokaloka ohatra ny razana tsy hitahy ».
− « Lambo soso-nify, nentim-paharazana ».

NY TSIRIN-TENY AO AMIN’NY MATOANTENY

I. Ny tovona
Karazany Vokatry ny fampiasana azy Ohatra

1. Tovona tsy mivaky


a ; voa ; tafa

2. Tovona mivaky
mφ ; ma ; manaha ; mana
− Mety tsy hisy vokany.
− Mety hilatsaka ny zana-peo hiafaran’ny tovona.
− Mety hiova ny renifeo iafaran’ny tovona.
− Mety hiova ny renifeo iandohan’ny fototeny.
− Mety hilatsaka ny renifeo iandohan’ny fototeny.
− Mety hiasa ny zana-peo iafaran’ny tovona sy iandohan’ny fototeny.

Alamina : a - lamina
Tafody : taf(a) – ody

18
Nindrana : n – φ – indrana

Namboly : n - an - voly

Namaly : n - an - (v)aly

Hahazo : h - aha - azo a

II. Ny tovana
Karazany Vokatry ny fampiasana azy Ohatra

1. Tovana mandidy
:a;o;y

2. Tovana tsotra
ina ; ana

− Mety hilatsaka ny zana-peo iafaran’ny fototeny.


− Mety hisokatra ny zana-peo iray ao amin’ny fototeny.
− Tsy maintsy mikisaka ny vanim-peo iray miankavanana ny tsindrimpeo.
− Mety hiova ny renifeo iafaran’ny fototeny.
− Mety hiravina ny zana-peo iafaran’ny fototeny sy iandohan’ny tovana.
− Mety hitaky fanatsarampeo « v, s, z, n » na fanitapotototeny « av, as,
az, an » ny tovana. Hevero : hevi tr(a) - o e r

Sasana : sasa - ana a

Raisina : rai - s - ina

III. Ny tsirin-teny sara-droa


Karazany Vokatry ny fampiasana azy Ohatra

… - - ana

… - - ina
Mihatra ao amin’ny fototeny avokoa ny vokatry ny fampiasana tovona sy
tovana.

Ahazoana : ah(a) - azo - ana

Indramina : φ - indran(a) -

IV. Ny filazam-potoana

1. Fifamaliana telo lafy


n / m / h (lasa / ankehitriny / ho avy)

Ohatra : N - φ - indrana (nindrana)

no /.... / ho (lasa / ankehitriny / ho avy)


19
Ohatra : φ - indran(a) - ina (indramina)

2. Fifamaliana roa lafy


a) φ / ho (ho avy / tsy ho avy)
Ohatra : ............- avy ny orana / Ho avy ny orana.

b) t / φ (lasa / tsy lasa)

Ohatra : φ - amin’ny herinandro ny fanadinana. (tsy lasa)

Tamin’ny herinandro ny fanadinana. (lasa)

V. Ny mpisolo tena tampisaka


− ko
− nao
− ny
− ntsika
− nay
− nareo
− ny
φ - lasa - ko
φ - lasa - nao
φ - lasa - ny
φ - lasa - ntsika
φ - lasa - nay φ
- lasa - nareo φ
- lasa - ny
− o
− ao
− ny
− tsika
− ay
− areo
− ny
φ - a - lahatr(a) - o φ
- a - lahatr(a) - ao - φ -
- a - laha(tra) - ny φ - a
- laha(tra) - tsika φ -
- a - lahatr(a) - ay φ - a
- lahatr(a) - areo φ - a
- laha(tra) - ny

20
NY FIFANDRAISAN’NY FEHEZAN-KEVITRA AO
ANATIN'NY FEHEZANTENY

I. Fanafohizan-teny
• EM : enti-milaza.
• L : lazaina.
• RF : reny fameno.
• F : fameno.

II. Famaritana

1. Ny fehezanteny
− Ny fehezanteny dia andian-teny :
− Mahalaza hevitra feno.
− Fehezin’ny sora-baventy eo am-piandohana ary teboka (.) eo am-pamaranana.
− Manaraka ny lantom-peo miaka-midina.
− Ahitana anjara asa fototra iray na mihoatra.

Ohatra :
Andro firavoravoana lehibe ny famadihana ka mihaingo fatratra ny tompon-
draharaha. EMLEML

2. Ny fehezanteny kely indrindra


Ny atao hoe fehezanteny kely indrindra dia fehezanteny tsy manana afa-tsy
vaniny roa (EM sy L) na telo (EM, L ary RF) nefa mahalaza hevitra feno.

Ohatra :
Novorina ny vahoaka.

EM L

FANAMARIHANA
Ny mpisolo tena tampisaka rehefa miaraka amin'ny EM matoanteny dia RF no
anjara asany.

Ohatra :

Hovelesi-ko amin'ny firitsoka ianao.

EMRFL

3. Ny fehezan-kevitra
Ny fehezan-kevitra dia andian-teny :

− Tsy afa-misaraka amin’ny anjara fototra iray.


− Voafaritra ao anaty fehezanteny iray.
21
FANAMARIHANA

Ny fehezan-kevitra dia tsy ahitana afa-tsy anjara asa fototra iray.


Afaka miaraka tsiroaroa na mihoatra ao anaty fehezanteny iray ny fehezan-
kevitra. Ny fehezan-kevitra maromaro ao anaty fehezanteny iray dia tsy maintsy
manana mpampifandray tsiroaroa.

III. Ny mampifandray fehezan-kevitra


Ohatra
Rehefa tonga ny mpanotrona. dia manolotra tsodrano (ny mpanotrona). ka
notolorana sakafo (ny mpanotrona).
EMLEMLEML

Misy karazany roa ny mpampifandray.

1. Ny mpampitohy fehezan-kevitra
Ny mpampitohy fehezan-kevitra dia teny :
− Tsy matoanteny.
− Tsy azo atao EM, L ary RF.
− Mampitohy fehezan-kevitra roa mitovy karazana.
− Ireto avy ny mpampitohy fehezan-kevitra fampiasa matetika : ka, ary,
sy, dia, na, sa, saingy, nefa, sady ... no, faingo, ...
Ohatra : « ka » dia mpampitohy ny fehezan-kevitra faharoa sy fahatelo eo amin'ny
ohatra ambony.

− Mba hahafantarana fa mpampitohy ny mampifandray fehezan-kevitra


roa dia azo zaraina ho fehezanteny roa ireo fehezan -kevitra roa ireo.

2. Ny mpampiankina fehezan-kevitra
Ny mpampiankina fehezan-kevitra dia teny :

− Tsy matoanteny.
− Tsy azo atao EM, L ary F.
− Mampiankina fehezan-kevitra iray (na mihoatra) amina fehezan-kevitra
hafa.
− Ireto avy ny mpampiankina fehezan -kevitra fampiasa matetika : fa,
raha, satria, rehefa, nony, na dia ... aza, kanjo, noho izany, izy koa.
Ohatra : « rehefa » dia mampiankina ny fehezan-kevitra voalohany amin'ny fehezan
kevitra faharoa sy fahatelo.

22
IV. Ny karazana fehezan-kevitra sy ny fifandraisany

1. Ny fehezan-kevitra mahaleo tena


Atao hoe mahaleo tena ny fehezan -kevitra ao anaty fehezanteny iray raha toa ka :

− Fehezan-kevitra iray ao anaty fehezanteny iray.


− Fehezan-kevitra maromaro ao anaty fehezanteny iray nefa tsy misy
mpampiankina mampifandray azy ireo.

Ohatra : Vahavahao ny fehezan-kevitra ary lazao ny fifandraisany. (BEPC)


Andro firavoravoana ny famadihana ary tena mahafaly ny zana-drazana (ny
famadihana). « EMLEML »

Valiny :

− Misy fehezan-kevitra roa ny fehezanteny.


− Fehezan-kevitra voalohany : « Andro ... famadihana », mahaleo tena.
− Fehezan-kevitra faharoa : « ary ... (famadihana) », mahaleo tena.
− ary : mpampitohy
− Noho izany, ny fifandraisany dia fehezan-kevitra roa mahaleo tena
mifampitohy.

2. Ny fehezan-kevitra mifampiankina
Ny fehezan-kevitra mifampiankina dia ahitana :

− Fehezan-kevitra miankina izay ampidirin’ny mpampiankina.


− Fehezan-kevitra iankinana izay tsy misy mpampiankina.

Ohatra : Vahavahao ny fehezan-kevitra ary lazao ny fifandraisany. (BEPC)

Raha naharombaka ilay tsihy Ratompo dia faly tokoa (Ratompo).

EMLEML

Valiny :

− Misy fehezan-kevitra roa ny fehezanteny.


− Fehezan-kevitra voalohany : « Raha ... Ratompo », miankina.
− Fehezan-kevitra faharoa : « dia ... (Ratompo) », iankinana.
− Rehefa : mpampiankina.
− Noho izany, ny fifandraisany dia fehezan-kevitra roa mifampiankina.

FANAMARIHANA 1 :
Ny fehezan-kevitra miankina dia mety mifampitohy.

Ohatra : Vahavahao ny fehezan-kevitra ary lazao ny fifandraisany. (BEPC)


Rehefa tonga ny mpanotrona ka vonona ny mason -dranony dia manomboka
ny lanonana. EMLEMLEML

23
Valiny :

− Misy fehezan-kevitra telo ny fehezanteny.


− Fehezan-kevitra voalohany : « Rehefa tonga ny mpanotrona »,
miankina.
− Fehezan-kevitra faharoa : « ka vonona ny mason-dranony », miankina.
− Fehezan-kevitra fahatelo : « dia manomboka ny lanonana », iankinana.
− Rehefa : mpampiankina.
− ka : mpampitohy.
− FIFANDRAISANY :
o Fehezan-kevitra I sy II : miankina mifampitohy.
o Fehezan-kevitra I sy III : mifampiankina.
o Fehezan-kevitra II sy III : mifampiankina.

FANAMARIHANA 2 :

Ny fehezan-kevitra iankinana dia mety mifampitohy.

Ohatra : Vahavahao ny fehezan-kevitra ary lazao ny fifandraisany. (BEPC)


Diso fanantenana izy sady velon -taraina (izy) fa tsy nitoe-jaza akory (izy)
EMLEMLEML
Valiny :

− Misy fehezan-kevitra telo ny fehezanteny.


− Fehezan-kevitra voalohany : « Diso fanantenana izy », iankinana.
− Fehezan-kevitra faharoa : « sady velon-taraina (izy) », iankinana.
− Fehezan-kevitra fahatelo : « fa tsy nitoe-jaza akory (izy)», miankina.
− fa : mpampiankina.
− sady : mpampitohy.

− FIFANDRAISANY :
o Fehezan-kevitra I sy II : iankinana mifampitohy.
o Fehezan-kevitra I sy III : mifampiankina.
o Fehezan-kevitra II sy III : mifampiankina.

o R.EM : reny enti-milaza.


o R.L : reny lazaina.
o R.F : reny fameno.
o Z.EM : zanaka enti-milaza.
o Z.L : zanaka lazaina.
➢ Ireto mpampiankinaireto dia afaka mampiditra fehezan -kevitra iray mitsofoka ao
anaty fehezan-kevitra hafa.
➢ Ireny fehezan-kevitra mitsofoka ireny dia mety ahitana anjara asa tokana : RL
na RF. « Raha, fa, ho, sao »

Ohatra 1 : Marina fa tokony handray anjara ny tsirairay. R.EM Z.EM RF Z.L R.L
24
Ohatra 2 : Nilaza izy fa ho tonga ny lehibe. R.EM R.L Z.EM Z.L RF
➢ Ny anjara asa Z.L sy Z.EM dia natokana ho an’ny teny ao anaty fehezan -kevitra
mitsofoka.
➢ Ny anjara asa R.EM sy R.L kosa dia natokana ho an’ireo ivelan’ny fehezan-
kevitra mitsofoka.

NY FITODIKY NY FEHEZANTENY MANANA EM


MATOANTENY
A. Fanafohizan-teny
− HAD : Hevitra ara-drafitra.
− EM : enti-milaza.
− L : lazaina
− RF : reny fameno.
− FKI : fehezanteny kely indrindra.

B. Famaritana

1. Ny fitodika
Raha vao voatonona ny fehezanteny iray dia ny teny mitana ny anjara asa
lazaina no itodihan’ny maso sy ny saina. Noho izany dia ambara fa : mitodika
amin’ny L ny fehezanteny.

Ohatra :
Nahafaty baolina i Carolus. L

2. Ny hevitra ara-drafitra : (HAD)


Tsy mitovy ny fitodiky ny fehezanteny tsirairay satria miankina amin’ny hevitra
(H) fonosin’ny lazaina (L) ao anaty fehezanteny izay tsy maintsy hamarinina ara-
drafitra (A.D).

Ohatra 1 : Nomen’ny mpitsara karatra mavo i Bolida. « L iharana »


Ohatra 2 : Ny mpitsara no nanome karatra mavo an’i Bolida. « L mpanao »

D. Fanamarihana
− Mba ahitana ny fitodiky ny fehezanteny dia maintsy tadiavina ny HAD ny L.
− Mba ahitana ny HAD ny L dia fepetra roa no tsy maintsy fenoina :
o Ny fehezanteny kely indrindra. (FKI)
o Ny tsirin-teny ao amin’ny EM matoanteny.

25
E. Ny HAD ny L manana EM matoanteny

I. Ny HAD ATAO

1. Ny L atao

Ny lazaina atao dia mahafeno ireto fepetra ireto :


− Fehezanteny kely indrindra : mivany roa.
− EM matoanteny : ahitana « a- ».
− Fehezanteny kely indrindra : Nalavo ilay omby. (mivany roa)
− EM L
− EM matoanteny « nalavo » : N(o) - a - lavo.
− Noho izany dia atao ny HAD ny L.

2. Ny RF atao

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « atao » dia ambara fa RF atao io


RF io.

Ohatra : Tadiavo ny HAD ny RF.

Nandroso ny heviny ny andriana.

RF atao

• Avadika ho L ny RF : Ny heviny no naroson'ny andriana.


• Fehezanteny kely indrindra : Ny heviny no naroso. (mivany roa)
L EM
• EM matoanteny « naroso » : N(o) - a - roso.
• Noho izany dia atao ny HAD ny RF.

3. Fanamarihana

Raha ATAO no HAD ny L dia ambara fa :

− Mitodika amin'ny L atao ny fehezanteny.


− Matoatenin’ny atao ny EM.

II. Ny HAD FITAOVANA

1. Ny L fitaovana

Ny lazaina fitaovana dia mahafeno ireto fepetra ireto :

− Fehezanteny kely indrindra : mivany telo.


− EM matoanteny : ahitana « a- ».

RF iharana.
26
Ohatra : Tadiavo ny fitodiky ny fehezanteny.

Tady no nasingotra ilay omby vositra.

LEMRF

− Fehezanteny kely indrindra : Tady no nasingotra ilay omby. (mivany telo)

L EMRF
− EM matoanteny « nasingotra » : N(o) - a - singotra.
− Fitaovana ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L fitaovana ny
fehezanteny.

2. Ny RF fitaovana

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « fitaovana » dia ambara fa


RF fitaovana io RF io.

Ohatra : Tadiavo ny HAD ny RF.


Nototofana vato ny arabe simba.

RF fitaovana

− Avadika ho L ny RF : Vato no natototra ny arabe simba.


− Fehezanteny kely indrindra : Vato no natototra ny arabe. (mivany telo)
LEMRF
− EM matoanteny « natototra » : N(o) - a - tototra.
− Noho izany, fitaovana ny HAD ny RF.

3. Fanamarihana

Raha FITAOVANA no HAD ny L dia ambara fa :


− Mitodika amin’ny L fitaovana ny fehezanteny.
− Matoatenin’ny fitaovana ny EM.

III. Ny HAD IHARANA

1. Ny L iharana

Ny lazaina iharana dia mahafeno ireto fepetra ireto :


− Fehezanteny kely indrindra : mivany roa.
− EM matoanteny : ahitana « -ina ; -ana ; …- ina ; φ ; -in ».

RF mpanao.
Ohatra 1 : Tadiavo ny fitodiky ny fehezanteny.

Kiry toy izany no ilaintsika.

27
L iharana EM

− Fehezanteny kely indrindra : Kiry no ilaina. (mivany roa)

L EM

− EM matoanteny « ilaina » : p - p - ila - ina.


− Iharana ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L iharana ny
fehezanteny.

Ohatra 2 : Tadiavo ny HAD ny L.

Tinendry ny talen-tsekoly vaovao.

EM L iharana

− Fehezanteny kely indrindra : Tinendry ny tale. (mivany roa)


− EM L
− EM matoanteny « tinendry » : t - in - endry.
− Iharana ny HAD ny L.

Ohatra 3 : Omeo ny fitodiky ny fehezanteny.

Lasako ny entana nafaranao.

EM L iharana

− Fehezanteny kely indrindra : Lasa ny entana. (mivany roa)


− EM matoanteny « lasa » : ............................. - lasa.
− Iharana ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L iharana ny
fehezanteny.

2. Ny RF iharana

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « iharana » dia ambara fa RF


iharana io RF io.

Ohatra 1 : Tadiavo ny HAD ny RF.

Nangalatra paiso teo izy. RF iharana

− Avadika ho L ny RF : Paiso no nangalariny teo.


− Fehezanteny kely indrindra : Paiso no nangalariny. (mivany roa)
L EM
− EM matoanteny « nangalarina » : N(o) - an - halatr(a) - ina. (an- ... -ina) g
− Noho izany, Iharana ny HAD ny RF.
− Avadika ho L ny RF : Ny asa no vitan’ny iray tanàna.
− Fehezanteny kely indrindra : Ny asa no vita. (mivany roa)
L EM
− EM matoanteny « vita » : ............................. - vita.
− Noho izany, Iharana ny HAD ny RF.

28
3. Fanamarihana

Raha IHARANA no HAD ny L dia ambara fa :


➢ Mitodika amin’ny L iharana ny fehezanteny.
➢ Matoatenin’ny iharana ny EM.

IV. Ny HAD MPANAO

1. Ny L mpanao

Ny lazaina mpanao dia mahafeno ireto fepetra ireto :

− Fehezanteny kely indrindra : mivany telo.


− EM matoanteny : ahitana « mi- ; ma- ; man- ; mφ - ; maha- ; mana- ».
− RF iharana na atao na mpamari-toe-javatra.

− Fehezanteny kely indrindra : Nanana fikirizana ny vazaha. (mivany telo)


− RF mpamari-toe-javatra.
− EM matoanteny « nanana » : N - φ - anana. (nφ-)
− Mpanao ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L mpanao ny
fehezanteny.
Ohatra 2 : Omeo ny fitodiky ny fehezanteny.

Nandefa fiaramanidina izy ireo.

EM RF atao L mpanao

− Fehezanteny kely indrindra : Nandefa fiaramanidina izy ireo. (mivany telo)


− RF atao.
− EM matoanteny « nandefa » : N - an - lefa. (nan-)
− Mpanao ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L mpanao ny
fehezanteny.

2. Ny RF mpanao

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « mpanao » dia ambara fa


RF mpanao io RF io.
Ohatra : Omeo ny HAD ny teny voatsipika.

Vitany tokoa ilay fiaramanidina.

RF mpanao

− Avadika ho L ny RF : Izy tokoa no nahavita ilay fiaramanidina.


− Fehezanteny kely indrindra : Izy no nahavita ilay fiaramanidina. (mivany telo)
LEMRF
− EM matoanteny « nahavita » : n - aha - vita. (naha-)

29
− Noho izany, mpanao ny HAD ny RF.

3. Fanamarihana

Raha MPANAO no HAD ny L dia ambara fa :

− Mitodika amin’ny L mpanao ny fehezanteny.


− Matoatenin’ny mpanao ny EM.

V. Ny HAD MPANDRAY

1. Ny L mpandray

Ny lazaina mpandray dia mahafeno ireto fepetra ireto

− Fehezanteny kely indrindra : mivany telo.


− EM matoanteny : ahitana « -ana ».
− RF atao.

− Fehezanteny kely indrindra : Notsipazana fotsimbary ny akoho. (mivany telo)


− RF atao.
− EM matoanteny « notsipazana » : No - tsipi/a - z - ana. (-ana)
− Mpandray ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L mpandray ny
fehezanteny.

2. Ny RF mpandray

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « mpandray » dia ambara fa


RF mpandray io RF io.

Ohatra : Omeo ny HAD ny teny voatsipika.

Afafy amin’ny voly ny fanafody.

RF mpandray

− Avadika ho L ny RF : Ny voly no fafazana fanafody.


− Fehezanteny kely indrindra : Ny voly no fafazana fanafody. (mivany telo)
− EM matoanteny « fafazana » : fafi/a - z - ana. (-ana)
− Noho izany, mpandray ny HAD ny RF.

3. Fanamarihana

Raha MPANDRAY no HAD ny L dia ambara fa :

− Mitodika amin’ny L mpandray ny fehezanteny.


− Matoatenin’ny mpandray ny EM.

30
VI. Ny HAD SEHATRA

1. Ny L sehatra

Ny lazaina sehatra dia mahafeno ireto fepetra ireto :

− Fehezanteny kely indrindra : mivany roa.


− EM matoanteny : ahitana « mi- ; ma- ; man- ; mφ- ; -om- ; φ- ».

Ohatra 1 : Omeo ny fitodiky ny fehezanteny.

Tonga ny ririnina.

EM L sehatra

− Fehezanteny kely indrindra : Tonga ny ririnina. (mivany roa)


− EM matoanteny « tonga » : φ- tonga. (φ-)
− Sehatra ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L sehatra ny
fehezanteny.

Ohatra 2 : Omeo ny HAD ny L.

Tomombana ny laza adina.

EM L sehatra

− Fehezanteny kely indrindra : tomombana ny laza adina. (mivany roa)


− EM matoanteny « tomombana » : φ- t - om - ombana. (-om-)
− Sehatra ny HAD ny L.

2. Ny RF sehatra

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « sehatra » dia ambara fa


RF sehatra io RF io.

Ohatra : Omeo ny HAD ny teny voatsipika.

Ny fikirizany no nampandroso ny vazaha.

RF sehatra
− Avadika ho L ny RF : Ny vazaha no nandroso noho ny fikirizany.
− Fehezanteny kely indrindra : Ny vazaha no nandroso. (mivany roa)
L EM
− EM matoanteny « mandroso » : m - an - roso. (man-)
− Noho izany, sehatra ny HAD ny teny voatsipika.

3. Fanamarihana

Raha SEHATRA no HAD ny L dia ambara fa :

− Mitodika amin’ny L sehatra ny fehezanteny.

31
− Matoatenin’ny sehatra ny EM.

VII. Ny HAD MPAMARI-TOE-JAVATRA

1. Ny L mpamari-toe-javatra

Ny lazaina mpamari-toe-javatra dia mahafeno ireto fepetra ireto :

− Fehezanteny kely indrindra : mivany roa na telo.


− EM matoanteny : ahitana « ...- -ana ».

Ohatra : Omeo ny fitodiky ny fehezanteny.

Hariva maty masoandro no amangiana ny mana-manjo.

L mpamari-toe-javatra
− Fehezanteny kely indrindra : Hariva no amangiana ny mana-manjo. (mivany
telo)
− EM matoanteny « amangiana » : φ- an/m - (v)angi - ana. (an- ... -ana)
− Mpamari-toe-javatra ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L
mpamari-toe-javatra ny fehezanteny.

2. Ny RF mpamari-toe-javatra

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « mpamari-toe-javatra » dia


ambara fa RF mpamari-toe-javatra io RF io.

Ohatra : Omeo ny HAD ny RF.

Teo an-kianja no novoriana ny vahoaka.

RF mpamari-toe-javatra.
− Avadika ho L ny RF : Teo an-kianja no namoriana ny vahoaka.
− Fehezanteny kely indrindra : Teo no namoriana. (mivany roa)
L EM
− EM matoanteny « namoriana » : n(o) - an/m - r(v)ori - ana. (an- ... -ana)
− Noho izany, mpamari-toe-javatra ny HAD ny RF.

3. Fanamarihana

Raha MPAMARI-TOE-JAVATRA no HAD ny L dia ambara fa :

− Mitodika amin’ny L mpamari-toe-javatra ny fehezanteny.


− Matoatenin’ny mpamari-toe-javatra ny EM.

32
VIII. Ny HAD MPIFANAO

1. Ny L mpifanao

Ny lazaina mpifanao dia mahafeno ireto fepetra ireto :

− EM matoanteny : ahitana vakiny miova + « -if- » (-amp ; -ank) + vakiny tsy


miova.

Ohatra : Omeo ny fitodiky ny fehezanteny.

Tsy mba nifankahala mihitsy ny malagasy.

EM L mpifanao

− EM matoanteny « nifankahala » : N - if - ank - a - hala. (nifanka-)


− Mpifanao ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L mpifanao ny
fehezanteny.

2. Ny RF mpifanao

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « mpifanao » dia ambara fa


RF mpifanao io RF io.

Ohatra : Omeo ny HAD ny RF.

Nifanarahan’izy ireo ny asa atao.


RF mpifanao.

− Avadika ho L ny RF : izy ireo no nifanaraka ny asa atao.


L EM
− EM matoanteny « nifanaraka » : n - if - an - araka. (nifan-)
− Noho izany, mpifanao ny HAD ny RF.

3. Fanamarihana

Raha MPIFANAO no HAD ny L dia ambara fa :


− Mitodika amin’ny L mpifanao ny fehezanteny.
− Matoatenin’ny mpifanao ny EM.

IX. Ny HAD MPAMPANAO

1. Ny L mpampanao

Ny lazaina mpampanao dia mahafeno ireto fepetra ireto :


− EM matoanteny : ahitana vakiny miova + « -amp- » (-if ; -ank) + vakiny tsy
miova.

33
Ohatra : Omeo ny fitodiky ny fehezanteny.

Fihavanana mafy orina no mampifandray ny mpiara-monina.

L mpampanao EM RF

− EM matoanteny « mampifandray » : M - amp - if - an - ray. (mampifan-) dr


− Mpampanao ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L mpampanao
ny fehezanteny.

2. Ny RF mpampanao

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « mpampanao » dia ambara


fa RF mpampanao io RF io.

Ohatra : Omeo ny HAD ny teny voatsipika.

Tokony hampandeferintsika ny fitiavan-tena.


RF mpampanao.

− Avadika ho L ny RF : Isika no tokony hampandefitra ny fitiavan -tena.


− EM matoanteny « hampandefitra » : H - amp - an - lefitra. (hampan-)
− Noho izany, mpampanao ny HAD ny teny voatsipika.

3. Fanamarihana

Raha MPAMPANAO no HAD ny L dia ambara fa :

− Mitodika amin’ny L mpampanao ny fehezanteny.


− Matoatenin’ny mpampanao ny EM.

NY FITODIKY NY FEHEZANTENY MANANA EM TSY


MATOANTENY
I. Ny endrika isehoan’ny EM
Mety hiseho amin’ny endrika telo samihafa ny EM tsy matoanteny.

1. Teny tokana
Ohatra : Feno tokoa ny fotoana.
EM L
Feno : EM tsy matoanteny fa teny tokana.

2. Andian-teny : (tso-drafitra)
Ohatra : Lanonana makadiry tokoa ity anio ity.
EM L
Lanonana makadiry : EM tsy matoanteny fa andian-teny tso-drafitra.

34
3. Andian-teny : (mivadi-drafitra)
Ohatra : Feno fanantenana izy.
EM L
Feno fanantenana : EM tsy matoanteny fa andian-teny mivadi-drafitra.

II. Ny karazana andian-teny

1. Ny andian-teny tso-drafitra
➢ Anarana + Anarana
Ohatra : Hevi-dravina izany. (EM L)
➢ Anarana + Mpamari-toetra
Ohatra : Andro lehibe ny 26 Jona. (EM L)
➢ Mpamari-toetra + Mpamari-toetra
Ohatra : Sahirana mafy ny malagasy. (EM L)
➢ Teny hafa + Teny hafa
Ohatra : Lamba teto aminay ireny. (EM L)

2. Ny andian-teny mivadi-drafitra
➢ Mpamari-toetra + teny hafa
Ohatra : Feno fanantenana izahay. (EM L)

III. Fanamarihana
Ireto avy no mety ho HAD ny L raha tsy matoanteny ny EM.
➢ HAD tsaraina.
➢ HAD tompon-javatra.
➢ HAD mpaman-toe-javatry ny tsaraina.
➢ HAD mpaman-toe-javatry ny tompon-javatra.

1. Ny HAD TSARAINA

a) Ny L tsaraina

Ny lazaina tsaraina dia mahafeno ireto fepetra ireto :

➢ EM tsy matoanteny fa : teny tokana na andian-teny tso-drafitra.

Ohatra 1 : Omeo ny fitodiky ny fehezanteny.

Seriny ery Ramatoa Ratompo.


EM L tsaraina

− Seriny : EM tsy matoanteny fa teny tokana.


− Tsaraina ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L tsaraina ny
fehezanteny.

Ohatra 2 : Omeo ny HAD ny L.


35
Zana-drazana daholo ireo mandihy ireo.

EM L tsaraina

− Zana-drazana : EM tsy matoanteny fa andian-teny tso-drafitra.


− Noho izany, tsaraina ny HAD ny L.

b. Ny RF tsaraina

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « tsaraina » dia ambara fa


RF tsaraina io RF io.

Ohatra : Omeo ny HAD ny RF.

Nahafaly ny fokonolona ny vary be menaka.


RF tsaraina.

− Avadika ho L ny RF : Ny fokonolona no faly noho ny vary be menaka.


L EM
− Faly : EM tsy matoanteny fa teny tokana.
− Noho izany, tsaraina ny HAD ny RF.

2. Ny HAD TOMPON-JAVATRA

a) Ny L tompon-javatra

Ny lazaina tompon-javatra dia mahafeno ireto fepetra ireto :

➢ EM tsy matoanteny fa : andian-teny mivadi-drafitra.

Ohatra : Omeo ny fitodiky ny fehezanteny.


Faly volony Ramatoa Ratompo.

EM L tompon-javatra

− Faly volony : EM tsy matoanteny fa andian-teny mivadi-drafitra.


− Tompon-javatra ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika amin’ny L
tompon-javatra ny fehezanteny.

b) Ny RF tompon-javatra

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « tompon-javatra » dia


ambara fa RF tomponjavatra io RF io.

Ohatra : Omeo ny HAD ny RF.

Ny famadihana no naha-sairan-tsaina an-dRabeharana.

RF tompon-javatra.

36
− Avadika ho L ny RF : Rabeharana no sahiran-tsaina tamin’ny
famadihana.
− Sahiran-tsaina : EM tsy matoanteny fa andian-teny mivadi-drafitra.
− Noho izany, tompon-javatra ny HAD ny RF.

3. Ny HAD MPAMARI-TOE-JAVATRY NY TSARAINA

a) Ny L mpamari-toe-javatry ny tsaraina

Ny lazaina mpamari-toe-javatry ny tsaraina dia mahafeno ireto fepetra ireto :


➢ EM tsy matoanteny fa : «maha ; manka ; mampa » + teny tokana na andian-
teny tso-drafitra.

Ohatra 1 : Omeo ny fitodiky ny fehezanteny.


Ny fihaingoany no naha-seriny an-dRatompo.

L mpamari-toe-javatry ny tsaraina

− Naha-seriny : EM tsy matoanteny fa « maha + teny tokana ».


− Mpamari-toe-javatry ny tsaraina ny HAD ny L. Noho izany dia mitodika
amin’ny L mpamaritoe-javatry ny tsaraina ny fehezanteny.
Ohatra 2 : Omeo ny HAD ny L.

Ireo mpihira gasy no naha-lanonana makadiry ny famadihana.

L mpamari-toe-javatry ny tsaraina

− Naha-lanonana makadiry : EM tsy matoanteny fa « naha + andian-teny


tso-drafitra ».
− Noho izany, mpamari-toe-javatry ny tsaraina ny HAD ny L.

b) Ny RF mpamari-toe-javatry ny tsaraina

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « mpamari-toe-javatry ny


tsaraina » dia ambara fa RF mpamari-toe-javatry ny tsaraina io RF io.

Ohatra : Omeo ny HAD ny RF.

Narary Ratompo noho ny fahadisoam-panantenany.

RF mpamari-toe-javatry tsaraina.
− Avadika ho L ny RF : Ny fahadisoam-panantenany no nankarary an-
dRatompo.
LEMRF
− Nankarary : EM tsy matoanteny fa « nanka + teny tokana ».
− Noho izany, mpamari-toe-javatry ny tsaraina ny HAD ny RF.

37
4. Ny HAD MPAMARI-TOE-JAVATRY NY TOMPON-JAVATRA

a) Ny L mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra

Ny lazaina mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra dia mahafeno ireto fepetra ireto :


➢ EM tsy matoanteny fa : « maha ; manka ; mampa » + andian-teny mivadi-
drafitra.

Ohatra : Omeo ny fitodiky ny fehezanteny.

Naha-diso fanantenana azy valim-panadinana.

EM L mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra

− Naha-diso fanantenana : EM tsy matoanteny fa « naha + andian -teny


mivadi-drafitra ».
− Mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra ny HAD ny L. Noho izany dia
mitodika amin’ny L mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra ny
fehezanteny.

b) Ny HAD mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra

Rehefa avadika L ny RF ka mahafeno ny fepetra « mpamari-toe-javatry ny tompon-


javatra » dia ambara fa RF mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra io RF io.

Ohatra : Omeo ny HAD ny RF.

Faly volony Ratompo noho ny fahitany ny havany.

RF mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra.
− Avadika ho L ny RF : Ny fahitany ny havany no nahafaly volony an-
dRatompo.
L EM
− Nahafaly volony : EM tsy matoanteny fa « naha + andian -teny mivadi-
drafitra ».
− Noho izany, mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra ny HAD ny RF.

38
FANOMANANA FANADINANA
BEPC

MALAGASY

LAZA ADINA sy VALINY


IREO MPANORATRA AO AMIN’NY FANDAHARAM-PIANARANA

I - ESTHER RASOLOARIMALALA RANDRIAMAMONJY


Ny mombamomba azy
Esther RASOLOARIMALALA RANDRIAMAMONJY no anarany.
• Teraka tamin’ny 11 Aprily 1933 tao Ambohimahasoa (Fianarantsoa).
• Niofana ho mpanabe tao amin’ny Carrey-Hall-Collège Birmingham Angleterre.
• Nahavita fianarana ambony momba ny Teny sy Haisoratra Frantsay sy Malagasy.
• Mpampianatra teny Malagasy - Frantsay - Anglisy.
• Mpikambana ao amin’ny AKADEMIA MALAGASY.
• Ny Profesora Randriamamonjy Frederic no vadiny, Ambasadaoron’i
Madagasikara tany amin’ny Firaisâna Sovietika teo aloha.

Ny fiainany teo amin’ny sehatry ny Kanto


• Nisahana ny fanontana sy ny fandrafetana boky maro, na teto an-toerana na tany
ivelany.
•Filoha lefitry ny HAVATSA-UPEM, fikambanan’ny poety sy mpanoratra
Malagasy.
• Singanina manokana amin’ireo ny efa niarahany niasa tamin’ny fanontana sy
famoaham-bokin’ny Vondrona iraisam-pirenena UNICEF, ny Fikambanana
Mikarakara ny Angano Malagasy na FIMIAMA.
• Efa nivoaka taminà haino aman-jery sy tan-gazety maro teto an-toerana sy tany
ivelany ny asa sorany.
*
• Mahahenika lafim-piainana maro ny asa sorany ary mahasahana sokajin’olona
samihafa. Ny nampiavaka an’i Esther Randriamamonjy kosa dia izy “Mpanoratra
ho an'ny ankizy” kokoa na dia nahavita asa soratra maro ho an’ny lehibe aza.

Ny asa sorany :
Miavaka indrindra amin’ny sangan’asany ilay tantara foronina hoe:
“Ho avy ny maraina". Tantara niseho tany amin’ny taona 70, maneho ny
fiaimpiainan-dRandria sy Ramavo ary i Malanto zanany; tanora nahavita fianarana
tany am-pitan-dranomasina, nieritreritra ny hanolotra ny fahaizana aman-
pahalalany hanompoana ny tanindrazana, kanjo nifanehatra tamin’ny ady
mahamay sy fahadisoam-panantenana maro...
- Tantara kely ho an ’ny ankizy:
- Ny zanaky ny biby - Namboly nave i Dadabe
- Mihaza i Bitika - Ilay akany soa indrindra
- Tao an-jaridaina - Faly kely mibolobolo
- 1Menasanga - Timor sy ny sakaizany
- Ikalamaro -T a ry ankelodrano
- Samy manao ny azy

- A ngano:
- Tovolahy Ravoay - Rakankafotra sy i Pitidrano Diamondra
- Rafaravavy nanjary lolo - Ny Akoholahy Fantaka sy Ingahibe
Masoandro
- Ranaivo - Ny sodin’i Solofo

- Tantara mahatsikaiky :
- Ry telo lahy matavy - Ranovisy hono no lasantsy
- Ny balaonin'i Besaina - Namana vaovao
- Mamorona poezia i Dedaka - Fiaraha-misakafo
- Vonjeo re !

I l - Clarisse ANDRIAMAMPANDRY RATSIFANDRIHAMANANA

Ny mombamomba azy

Clarisse HORTENSE ANDRIAMAMPANDRY RATSIFANDRIHAMANANA no


anarany.
• Teraka tamin’ny 05 Desambra 1926 tao Fenoarivo Atsinanana.
• Dokotera Ratsifandrihamanana no vadiny.
• Maty tamin’ny 28 Jona 1987 teto Antananarivo.
Ny sehatra nivelarany

• Nandray anjara tamin’ny fiainana ara-politika samihafa.


• Nitana andraikitra maro nanomboka teo amin’ny fokontany nonenany
hatramin’ireo sehatra samihafa eto amin’ny firenena.
• Tsiahivina fa tao anatin’ny Komitin’ny Fandriampahalemana izy (taona 1977).

Ny fiainany teo amin’ny sehatry ny Kanto


• Mpikambana tao amin’ny HAVATSA - UPEM, fikambanan'ny poety sy mpanoratra
malagasy izy.
• Mpikambana tao amin’ny KOMAHAA.
• Mpikambana tao amin’ny AKADEMIA MALAGASY ihany koa izy.
Ny Asa sorany
- Amboaran-tononkalo:
- Sa rind ra
- Aritory
- Salohy

- Tantara foronina:
- Fahavaratra (nahazoany ny "Loka Akbaraly” 1964)
- Ny zanako
- Tam berintany (nahazoany ny loka tam in'ny fifaninana nam panaovin’ny
AEJM )
- Lohataona sy Ririnina
- Ramose

- Tantara tsangana:

- V elan’angano
- Ratom pokovavy

- Angano:
Inosivolafotsy sy Rakotrokotrodrano - Inosivolafotsy sy Ivongambola
Ifarazoky sy Ifarazandry - Ifelam boahangy
I Rojo tsy nety afa-po - Izay nahatonga ny tany ho
Ram pandova nitady fahanginana boribory
llandivola

- Sombin-tantara:
- LAVAKOMBARIKA : izay ahitana som bintantara m iisa 16.
- Ao ny mampangorangoraka toa an'ikalomanga".
- Ny toa mahatsikaiky nefa miaro tsikera toa an-"dRamaitsoakanjo", “Tsy
matahotra mpamosavy aho” ,...
- Misy kosa ahitana tsikera mahery vaika toa ny "Vazaha loha sy vazaha taratasy”.
BEPC- MALAGASY 1
LAZA ADINA

LAHATSORATRA

Manenona "bodo” fahamborodamba Razafy, monina ao llafy. Kofehy na rofia no ampiasainy


ataony fahany. Akora hatramin'ny fahagola no ampiasainy amin'izany. Io izany no fitaovana entiny
miasa. Tsy misy afa-tsy ny herim-batana sy ny fahaizany manontolo no miasa. Andro maromaro vao
mahavita "bodo".

Ny herimpony manokana izany no entin-dRazafy mivelona. Sady tsy manambaka olon-kafa


amin'ny fanaramana izy no tsy mampisasa-bokatra amin'ny fampanofana ny enti-mamokatra. Izany
hoe : sady afaka mandidy sy manapaka amin'ny fitondrana ny asany izy no masi-mandidy koa
amin'ny fampiasana ny vokatra ny herim-pony.

Eo akaikin-dRazafy eo ihany koa anefa no iorenan'ny tranobe iray fanenomana 'bodo".


Mampiasa kofehy betsaka sy voadio tsara Rampanana tom pon'io tranobe io. Milina amam-pitaovana
vaovao marobe sy mahavariana no ampiasainy amin'ny fanenomana.

Aoka ho fantatsika fa tsy herim-pon-dRampanana samy irery no miasa amin'ny


fampandehanana izany milina marobe izany. Tompon'ny vola miasa fotsiny izy, fa mpiasa maromaro
no mampandeha sy mampihodina ireo milina ireo. Izany hoe sarangan'olona tsy manan-tsafìdy noho
ny fahantrana no mivarina ho mpikarama ao aminy.
Andry-pilier (25 Martsa 1971)
FA N O N T A N IA N A

A. MIKASIKA NY LAHATSORATRA
1. Fahazoana ny lahatsoratra
1.1. Hevi-teny
a) Omeo ny teny na andian-teny mitovy hevitra amin'ny "herim-po" (hita ao amin 'ny
lahatsoratra)
b) Omeo ny teny na andian-teny mifanohitra hevitra amin'ny "masi-mandidy" (hita ao amin'ny
lahatsoratra)
1.2. Hevitra ao amin'ny lahatsoratra,
Inona avy ireo fitaovana ampiasain-dRazafy hanenomana.
1.3. Famintinana lahatsoratra
Fintino amin’ny alalan'ny fehezan-teny telo ny lahatsoratra araka ny hevi-dehibe raketiny.
2. Fitsikerana ny lafin'ny fanehoan-kevitra
2 .1. Karazana literatiora sy mpanoratra
a. Karazana literatiora
- Milaza karazana literatiora telo 3) am-bava fanaon'ny Ntaolo.
b. Mpanoratra
- Oviana ary taiza no teraka i Clarisse R.
1.1. Fanehoana ny kanto
indreto misy fehezan-tenv
Fi: Nodimandry ny masoandro amam-bolana
F2: Ny fihavanana toy ny tantely ata-drakotra ka anjakan'ny bodo sy adala

Manomeza sarin-teny iray (I ) avy hita ao amin'ireo fehezan-teny ireo.

2.3. Sokajin-dahatsoratra
- Inona no sokajy misy ny ampahan-dahatsoratra ao amin'ny andininy faharoa.
- Manomeza porofo telo (3) hanamannana ny valintemnao

B. MIKASIKA NY RIBA
1. Riba ao amin’ny lahatsoratra
1.1- Fisehon ny riba
a) Rafi-pamokarana manao ahoana no itantanan-dRazafy ny fihariany ?
b) Rafi-pamokarana manao ahoana kosa no ataon*dRampanana hitondrany ny orin'asany ’
1.2- Hevitra fonosin'ny riba
a) inty misy fehezan-teny "lzany hoe sady afaka mandidy sy manapaka amin'ny
itondrany ny asany izy no masi-mandidy koa amin'ny fampiasana ny vokatry
ly herim-pony” .

- Inona no soatoavina hita taratra ao amin'io fehezan-teny io ?

b) Inona ny fahendrena raketin'ity fehezan-teny ity "kofehy na rofia sy lamba


"ovitra no ampiasainy ataony fahana"
2. Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana.
2 .1- Fisehon'ny riba

a) Ireto misy fomba fiteny rehefa misy maty


- Alevina
- Afenina
- Miamboho
- Tranovorona
- Asitrika
- Tsimpony ny teny mifanentana ho an’ny Mpanjaka

b) Tanisao ireofotoana ampiasaina eo amin’ny famorana.

2.2- Hevitra fonosin'ny riba

a) Lazao ny hevitra fonosin'ny saronan-karona amin'ny ivoaka itany sy ny tevika raha


vavy ny zaza.

b) Inona ny fahendrena raketin'ny famakiana “ vodintronga” amin'ny fiterahana raha lahy


voalohany ny zaza.
2.2 Fanehoana ny kanto
Indreto misy fehezan-teny :
F1 : Nodimandry ny masoandro amam-bolana
F2. Ny fihavanana toy ny tantely afa-drakotra ka anjakan'ny bodo sy adala

Manomeza sarin-teny iray ( 1 ) avy hita ao amin'ireo fehezan-teny ireo.

2.3. Sokajin-dahatsoratra
- Inona no sokajy misy ny ampahan-dahatsoratra ao amin'ny andininy faharoa
- Manomeza porofo telo (3) hanamarinana ny valintenmao

B. MIKASIKA NY RIBA

1. Riba ao amin'ny lahatsoratra


1.1- Fisehon'ny riba
a) Rafi-pamokarana manao ahoana no itantanan-dRazafy ny fihariany ?
b) Rafi-pamokarana manao ahoana kosa no ataon-dRampanana hitondrany ny orin'asany?
1.2- Hevitra fonosin'ny riba
a) Inty misy fehezan-teny: "Izany hoe sady afaka mandidy sy manapaka amin’ny
fitondrany ny asany izy no masi-mandidy koa amin'ny fampiasana ny vokatry
ny herim-pony".

- Inona no soatoavina hita taratra ao amin'io fehezan-teny io ?

b) Inona ny fahendrena raketin'ity fehezan-teny ity : "kofehy na rofia sy lamba


rovitra no ampiasainy ataony fahana"
2. Riba ao amin'ny fandaharam-piananrana.
2.1- Fisehon'ny riba

a) Ireto misy fomba fiteny rehefa misy maty :


- Alevina
- Afenina
- Miamboho
- Tranovorona
- Asitrika
- Tsimpony ny teny mifanentana ho an'ny Mpanjaka.

b) Tanisao ireo fotoana ampiasaina eo amin'ny famorana.

2.2- Hevitra fonosin'ny riba

a) Lazao ny hevitra fonosin'ny saronan-karona amin'ny ivoaka itany sy ny tevika raha


vavy ny zaza.

b) Inona ny fahendrena raketin'ny famakiana “vodintronga” amin'ny fiterahana raha lahy

voalohany ny zaza.
D. M IKASIKA NY FITSIPIK Y N Y T E N Y
I. Rafi-teny

1.1 - Endri-teny
a) Mitsimpona teny misy fanita-pototeny sy rsofoka ao amin'ity fehezan-teny ity :
"Mampiasa fanabeazana amin'ny endriny vaovao ny fanjakana”

b) Rasao ny teny misy tsipika ary lazao ny ariaran’ny hasin-ceny tsirairay :


"Tsy misy afa-tsy ny herim-batana sy ny fahaizany manontolo no miasa".

1.2 - Sokaiin-teny
Fenoy amin'ny alalan'ity fehezan-teny ity ny banga :
"lo izany no fitaovana entina miasa"

TENY SOKAJIN-TENY
lo ...............................................
............................................... Anarana
...................... n o .......................

2. Fifehezan-teny
2 .1 - Anjara asa
O m eo ny anjara asan'ny teny misy tsipika eo ambaniny.
F1 : "Aoka ho fantatsika fa tsy ny herim-pony irery no miasa"
F2: "N y lamba rovitra no ampiasainy"

2.2 - Hevitra a r a - d r a fitr a sy fito d ik a


a) Hevitra ara-drafitra
O m eo ny hevitra ara-drafitry ny teny misy tsipika ary hamarino ny valin-teninao.
F1 : "Ahodiny hanjary bodo ireo kofehy ireo"
F2: "Manenona bodo rambon-damba Razafy"
F3: " Ny vidin'ny faham-boron-damba no mahakely finoana azy"

b) Fitodiky ny fehezan-teny
Lazao ny fitodiky ny fehezan-teny. Porofoy ny valin-teninao
F4: "lo izany no fitaovana entiny miasa"
F5: "Manapaka amin'ny fitondrana ny asany izy"
F6: "Masi-mandidy koa amin'ny fampiasana ny vokatry ny herim-pony izy"
2.3- Fifehezan-kevitra
Avaho ny fehezan-kevitra ary omeo ny fifandraisany :
"Ny herim-pony manokana no antony ivelomany ary ny herin-tsandriny no ihariana
satria mamelo-tena samirery izy".

E. F A M O R O N A N -D A H A T S O R A T R A
"Herim -pony manokana no entin-dRazafy mivelona". Manomeza tom botsoa roa azony
avy amin'io fihariana io.
Arafeto anatina fehezan-teny 15 eo ho eo ny hevitrao, izay tsy ahitana diso tsipelina.
(teny fampidirana - vontoatiny- teny famaranana).
FANITSIANA
VALIM-PANONTANIANA FENO

A. MIKASIKA NY LAHATSORATRA
1. Fahazoana ny lahatsoratra
1.1- Hevi-teny
a. Andian-teny mitovy hevitra amin'ny "herim-po" = fahavononana hiotra samirery
b. Andian-teny mifanohitra hevitra amin'ny “Masi-mandidy” # atao an-kilam-bao. Miankin-doha,
tsy mahatapaka ahitra.
1.2 - Hevitra ao amin'ny lahatsoratra
Ireto avy irco fitaovana ampiasain-dRazafy hanenonana : kofehy - rofia - lamba rovitra -
herim-balana.
1.3 - Famitinana lahatsoratra

Manenona "bodo" araka ny fomban-drazana Razafy ka fitaovana tsotsotra no ampiasainy. Manana


fahafahana tanteraka amin’izay ataony izy satria ny herim-batany irery ihany no entiny manodina
ny orinasany. Misy orinasa matanjaka koa eo an-tanàna, izay mampiasa olona maro mpikarama tsy
fidiny sy fitaovana isan-karazany.
2. Fitsikerana nv lafiny fanehoan-kevitra
2.1 - Karazana literatiora sy mnanoratra
a) Karazana literatiora

Ireto avy ireo karazana literatiora telo am-bava fanaon'ny Ntaolo : ny angano. ny hain-teny, ny
ohabolana.

b) Mpanoratra
• Teraka ny 5 Desambra 1926 i Clarisse R.
• Tao Fenoarivo Atsinanana no teraka io mpanoratra io.

2.2 - Fanehoana ny kanto


F1 : Nodimandry ny masoandro amam-bolana = Fanovana anarana
F2: Ny fihavanana toy ny tantely afa-drakotra ka anjakan'ny bodo sy ny adala = Fampitahan-
javatra
2.3 - Sokajin-dahatsoratra
Ny sokajy misy an'io ampahan-dahatsoratra ao amin'ny andininy faharoa dia: manazava hevitra.
Porofo roa :
• Fampiasana fehezanteny lava sady mivadi-drafitra: Sady tsy manambaka olon-kafa amin'ny
fanaramana izy no tsy mampisasa-bokatra amin’ny fampanofana ny enti-mamokatra"
• Fampiasana ny "Izany hoe:" ho fanazavana ny hevitra teo aloha.

B. MIKASIKA NY RIBA
1. Riba ao amin'ny lahatsoratra
1.1- Fisehon'ny riba
a. Fahaleovan-tena mamelo-tena no rafi-pamokarana itantanan-dRazafy ny fihariana.
b. Mpitsetsitra sy mpanambaka madinika no rafi-pamokarana ataon-dRampanana itondrany
ny orinasany.
1.2 -Hevitra fonosin'ny riba
a. "Titantanana madio eo amin’ny asa atao" no soatoavina raketiny.
D. MIKASIKA NY FITSIPIKY NY TENY
I. Rafi-teny

l.1 - Endri-teny
a) Mitsimpona teny misy fanita-pototeny sy tsofoka ao amin'ity fehezan-teny ity :
"Mampiasa fanabeazana amin'ny endriny vaovao ny fanjakana"
b) Rasao ny teny misy tsipika ary lazao ny anaran’ny hasin-teny tsirairay :
"Tsy misy afa-tsy ny herim-batana sy ny fahaizany manontolo no miasa".

1.2- Sokajin-teny
Fenoy amin'ny alalan'ity fehezan-teny ity ny banga :
"lo izany no fitaovana entina miasa"

TENY SOKAJIN-TENY
lo ..............................................
.............................................. Anarana
..................... n o ......................

2. Fifehezan-teny
2 .1 - Anjara asa
Omeo ny anjara asan'ny teny misy tsipika eo ambaniny.
FI : "Aoka ho fantatsika fa tsy ny herim-pony irery no miasa"
F2: "Ny lamba rovitra no ampiasainy"

2.2 - Hevitra ara-drafitra sy fitodika


a) Hevitra ara-drafitra
Omeo ny hevitra ara-drafitry ny teny misy tsipika ary hamarino ny valin-teninao.
Fl: "Ahodiny hanjary bodo ireo kofehy ireo"
F2: "Manenona bodo rambon-damba Razafy"
F3: "Ny vidin'ny faham-boron-damba no mahakely finoana azy"

b) Fitodiky ny fehezan-teny
Lazao ny fitodiky ny fehezan-teny. Porofoy ny valin-teninao
F4: "lo izany no fitaovana entiny miasa"
F5: "Manapaka amin'ny fitondrana ny asany izy"
F6: "Masi-mandidy koa amin'ny fampiasana ny vokatry ny herim-pony izy"
2.3- Fifehezan-kevitra
Avaho ny fehezan-kevitra ary omeo ny fifandraisany :
"Ny herim-pony manokana no antony ivelomany ary ny herin-tsandriny no ihariana
satria mamelo-tena samirery izy".

E. FAM ORONAN-DAHATSORATRA
"Herim-pony manokana no entin-dRazafy mivelona". Manomeza tombotsoa roa azony
avy amin'io fihariana io.
Arafeto anatina fehezan-teny 15 eo ho eo ny hevitrao, izay tsy ahitana diso tsipelina.
(teny fampidirana - vontoatiny- teny famaranana).
FAN ITS I AN A
VALIM-PANONTANIANA FENO

A. MIKASIKA NY LAHATSORATRA
1. Fahazoana ny lahatsoratra
1.1- Hevi-teny
a. Andian-teny mitovy hevitra amin'ny "herim-po" = fahavononana hiotra samirery
b. Andian-teny mifanohitra hevitra amin'ny “Masi-mandidy” # atao an-kilam-bao. Miankin-doha.
tsy mahalapaka ahitra.
1.2 - Hevitra ao amin'ny lahatsoratra
Ircto avy ireo fitaovana ampiasain-dRazafy hancnonana :kofchy - rofia - lamba rovitra -
herim-batana.
1.3 - Famitinana lahatsoratra

Manenona "bodo" araka ny fomban-drazana Razafy ka fitaovana tsotsotra no ampiasainy. Manana


fahafahana tanteraka amin’izay ataony izy satria ny herim-batany irery ihany no entiny manodina
ny orinasany. Misy orinasa matanjaka koa eo an-tanàna, izay mampiasa olona maro mpikarama tsy
fidiny sy fitaovana isan-karazany.
2. Fitsikerana ny lafiny fanehoan-kevitra
2.1 - Karazana literatiora sy mpanoratra
a) Karazana literatiora

Ireto avy ireo karazana literatiora telo am-bava fanaon'ny Ntaolo : ny angano. ny hain-teny, ny
ohabolana.

b) Mpanoratra
• Teraka ny 5 Desambra 1926 i Clarisse R.
• Tao Fenoarivo Atsinanana no teraka io mpanoratra io.

2.2 - Fanehoana ny kanto


Fl : Nodimandry ny masoandro amam-bolana = Fanovana anarana
F2: Ny fihavanana toy ny tantely afa-drakotra ka anjakan’ny bodo sy ny adala = Fampitahan-
javatra
2.3 - Sokajin-dahatsoratra
Ny sokajy misy an'io ampahan-dahatsoratra ao amin'ny andininy faharoa dia: manazava hevitra.
Porofo roa :
• Fampiasana fehezanteny lava sady mivadi-drafitra: Sady tsy manambaka olon-kafa amin'ny
fanaramana izy no tsy mampisasa-bokatra amin'ny fampanofana ny enti-mamokatra"
• Fampiasana ny "Izany hoe:" ho fanazavana ny hevitra teo aloha.

B. MIKASIKA NY RIBA
1. Riba ao amin'ny lahatsoratra
1.1- Fisehon’ny riba
a. Fahaleovan-tena mamelo-tena no rafi-pamokarana itantanan-dRazafy ny fihariana.
b. Mpitsetsitra sy mpanambaka madinika no rafi-pamokarana ataon-dRampanana ilondrany
ny orinasany.
1.2 -Hevitra fonosin'ny riba
a."Fitantanana madio eo amin'ny asa atao" no soatoavina raketiny.
b. Fahatsoram-piainana eo amin'ny asa atao.
2. Riba ao amin'ny fandaharam-pianarana

2.1 - Fisehon'ny riba


a.
- Afenina
- Miamboho Fiteny ho an’ny mpanjaka
- Tranovorona
b. Ireo fotoana amin'ny famorana: “mitohy temotra - mifehy voatavo - fakana rano
mahery - famorana - lanonana”.
2.2 - Hevitra fonosin'ny riba
a)
Fomba Hevitra fonosiny
Saronan-karona Fitehirizana harena sarobidy
Tevika Famantarana sokajin'olona

b)
Fomba Fahendrena
Famakiana "voditronga" Fanamafisana ny herin'ny voalohan-janaka

D. MIKASIKA NY FITSIPIKY NY TENY

1. Rafi-teny
1.1 - Endri-teny
a.
- Fanita-pototeny: fanabeazana - Tsofoka : Mampiasa
b. Fandrasan-teny
* Fahaizany : f - h ai - z - a(na) - ny.

f-: tovona famoronana anarana / a - .......... - ana : tsirin-teny saradroa


hay : fototeny
-z-: fanatsaram-peo
-ny: mpisolo tena tampisaka feno.

* Miasa: m - - asa
m - i : tovona mivaky
asa: fototeny

1.2 Sokajin-teny

F: Io izany no fitaovana entina miasa

Teny Sokajin-teny
io Mpisolo manondro
Fnaovana Anarana
entina Matoateny
no kianteny mpampivadi-drafitra
2. Fifehezanteny
2.1 Anjara asa
Fl: Aoka ho fantatsika fa tsy ny herim pony irery no miasa
RF ZL ZEM
F2: Ny Lamba roitra no ampiasainy
ZP RF

2.2 - Hevitra ara-drafìtra sy fitodiky ny fehezanteny

bodo r a m b o n -d a m b a
Fl: Manenona Razafy
RF ih a ra n a

Porofo : bobo rambon-damba no tenonin-dRazafy


Tenonina
: tenona -ina
EM m a to a te n y a ma n - to an a - ina
FKI mivany roa

ireo k o fe h y ireo
F2: Ahodiny hanjary bodo
L atao
Porofo: ahodiny: a-hodina-ny / EM matoateny aman-tovona a-
FKI mivany roa

N y vidn'ny faham-boondamb a
F3 : no mahakely fìnoana. azy
L mpamari - toe- avat ry n y tompon- javatr a
Porofo : EM tsy matoateny, andian-teny mivadi-drafìtra, ahitana tovona maha- eo alohany.

Fitodiky ny fehezanteny
F4: io izany no fitaovana entiny miasa
Porofo EM tsy matoateny. teny tokana. tsy ahilana tovona maha- eo alohany
Mitodika amin’ny L tsaraina ny fehezanteny

F5: Manapaka amin'ny fitondrana ny asany izy.


Porofo Manapaka: m-an(t)apaka
EM matoateny aman-lovona mivaky,
FKI mivany roa

Mitodika amin 'ny L sahatra ny fehezanteny


F6: Masi-mandidy amin'ny fampiasana ny vokatry ny herim-pony izy.
Porofo: EM tsy matoateny. teny lokana, tsy ahilana maha- eo alohany.
Mitodika amin’ny L tsaraina ny fehezanteny
2.3 - Fifehezan-kevitra
F: "Ny herim-pony manokana no antony ivelomany ary ny herin-tsandriny no ihariana satria
mamelo-tena samirery izy"

Fanavahana
FZK1: "Ny herim-pony manokana no antony ivelomany
FZK2: ary ny herin-tsandriny no ihariany
FZK3: satria mamelo-tena samirery izy”
Ahitana fehezan-kevitra telo ato.

Fifandraisany
Ny FZK1 dia iankinana
Ny FZK2 dia iankinana mifampilohy "ary”

Ny FZK3 dia miankina amin'ny FZK1 ary ny FZK2 amin’ny alalan’ny mpampiankina fehen-kevitra
"satria”

Noho izany dia ahitana fehezan-kevritra telo ato, izay mifampitohy mifampiankina

E- FAMORONAN-DAHATSORATRA

Asa fameloman-iena ny fanenomana izay ao anatin'ny fananganana orinasa mahaleolena na


ifarimbonan'ny mpiasa maro. Anisan'izany ny orinasan-dRazafy ampiharany ny herim-pony
samirery hivelomany. Hohazavaina voalohany eto ny fomba fampitaovany hanodinany ny
orinasany. Ny lafiny faharoa no anehoana ny endriky ny fahaleovan-tena ateraky ny fanapahan-
keviny hanatanterahany ny fameloman-tenany.

Ny tombontsoa voalohany azon-dRazafy amin’ny fomba fameloman-tenany dia ny fampiasany


fitaovana tsotsotra sady nentim-paharazana. Ny lanjan’ireo fitaovana tsotra dia tsotra dia ny
fahamoran’ny fampiasana azy, toy ny kofehy, rofia na lamba rovitra atao fahana. Fitaovam-
panenomana tsotra dia tsotra fa azo antoka tsara fa ho tonga fahana hampiasaina ho lasa "bodo".
Dia izay ilay vokatra "bodo” hamidy ho lasa vola hiveloman-dRazafy.

Ny tombotsoa faharoa dia ny fahaleovan-tena ary ny fanapahan-kevitra samirery izay itondrany ny


orinasany. Tsy nisy koa fanambakana olona teo amin'ny fanodinana ny orinasan-dRazafy satria izy
samirery no tompony ary mpiasa ao amin’io orinasany io. Nasian'ny mpanoratra fampitahana
tamin’ny orinasan-dRampanana izany, izay mampiasa olona maro maro, milina maro sy raitra, vola
be; ka ho izy mamarana hoe “Sarangan’olona tsy manan-tsafidy noho ny fahantrana no mivarina ho
mpikarama ao aminy”.

Orinasa fanenoman’olona iray, vehivavy be herim-po no voalaza eto. Fitaovana tsotra sady nentim-
paharazana no ampiasaina hitadiavina vokatra. Io vokatra bodo io no amidy havadika ho vola
hivelomana. Herim-po manokana nahazoana tombontsoa roa dia ny fampitaovana tsy manahirana
nefa azo antoka ary fanapahan-kevitra samirery hahaleo tena tsy fatopatoran'ny fiaraha-monina no
hila hahatafavoahana amin'ny fikirizana atao.

MALAGASY 2
LAZA ADINA
LAHATSO RATRA

IN G A H Y FARA
(...) Indro eo andrefan-trano lehilahy lehibe anankiray m itanin’andro. Fotsy sasaka ny volony, efa
m iketrona ny endriny. Tsihy harefo no akanjony. Mitana tehina izy, mitanondrika, ary toa
m anoratsoratra eo amin’ny tany.
Niherika izy nony nandre ahy nanatona. Mahagaga ahy raha izany lehilahy izany no m itondra
anarana ambaniandro hoe Ingahy Fara, fa tena Tanala hiringiriny no fije riko azy.
Niarahaba azy aho, ka akory ny hagagako, fa teny ambaniandro tsy misy miambatra na kely aza no
namaliany ahy.
Ka avy aiza hianao, hoy izy, ary handeha ho aiza ? - Mpianatra maromaro izahay no tonga eto
aminareo, hoy aho, ‘ndeha hamonjy fìanarana any Antananarivo.
Hay, faran’ny taona tokoa izao, hoy Ingahy Fara, sady lasalasa ny eritreriny. Isan-taona toy izao no
ahatsinjovako tanora maromaro feno fanantenana, feno hehy, feno tsikitsiky mandalo eto ami nay. Fa
hianao kosa, anaka, nahoana no toa malahelohelo tarehy ? - Misy iky, tom poko, hoy aho, namanay
anankiray manao tsy salama loatra ao, ka sao dia misy hevitra azonao atao ? Manotika maty dia mafy
mila hanorana azy ny kibony.
N ie ritre ritra kely Ingahy Fara, toa nisalasala izy, sady nijery ahy.
- Aina vonjena re , tom poko, hoy aho, fa mba ataovy izay fantatrao.
Tsy niteny izy, fa nitsangana. N id itra tany an-trano izy, angamba naka zavatra tany. Nivoaka izy, dia
niteny tam iko hoe :
Andao ...
Lehilahy ranjanana Ingahy Fara, mbola tomady, saingy toa be e ritre ritra amin’izao famindra
m iondrikondrika, mibaby tanana, tsy miteny, tsy miresaka. (...).
Auguste RAJAONARIVELO
(Bina, tak. 27)

F A N O N T A N IA N A

A. MIKAS I KA NY LAHATSORATRA
1. Fahazoana ny lahatsoratra
I - 1. Hevi-teny
a) Manomeza teny na andian-teny iray mitovy hevitra amin’ny hoe « hiringiriny ».
b) Manomeza teny na andian-teny mifanohitra hevitra amin’ny hoe « miketrona ».
I- 2. Hevitra ao amin’ny lahatsoratra
Inona ao amin’ny voalazan’ny lahatsoratra no ahitana taratra ny toe tra n ’lngahy Fara ?
I -3. Famintinana lahatsoratra
Fintino amina fehezanteny roa ny lahatsoratra, araka ny hevi-dehibe raketiny.

2. Fitsikerana ny lafiny fanehoan-kevitra


2- 1. Karazana lite ratio ra sy m panoratra
a) Karazana literatiora
Milazà karazana literatiora telo atao am-bava.
b) Mpanoratra
Mpanoratra ho an-tokon’olona iza i Esther RR

2-2. Sokajin-dahatsoratra
a) Lazao ny sokajy misy ity lahatsoratra ity
b) Manomeza porofo 3 hanamarinanao ny valin-teninao

2-3. Fanehoana ny kanto

Am pifandraiso amin’ny tsilo ny fehezanteny sy ny sarinteny mifanandrify.

• Lehilahy ranjanana Ingahy Fara, • Tamberin-teny


mbola tomady
• Filàza masaka
• Ny famindrany miondrikondrika, • Fanalefahan-kevitra
mibaby tanana tahaka ny olona be
eritreritra. • Fampitahan-javatra

B. MIKASIKA NY RIBA
1. Riba ao amin’ny lahatsoratra
l - I . Fisehon’ny riba
Milazà fìhetsika sy fomba fiaina ataoningahy Fara ka mahatonga azy ho ankasitrahan’ny olona eo an-
tanànany.
1- 2. Hevitra fonosin’ny riba
a) Inona ny fahendrena raketin’ny olona « tsongoin’olom-bolo » ?
b) Milazà soatoavina roa azo takarina avy ao amin’ny lahatsoratra ateraky ny fifampizaram-
pahasoavana.
2. Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana
2- 1. Fisehon’ny riba
a) Inona avy ny anaran’ny vola fanolotra amin’ny famangiana fahoriana ?
b) Milazà ohabolana iray momba ny fahafatesana.
2-2. H e vitra fo n o sin ’ny riba
a) Inona ny fahendrena raketin’ny akondro eo amin’ny famorana.
b) Inona ny soatoavina raketin’ny fampiasana ity ohabolana ity : « Ny anongotsongoana ny maty,
tahotra ny handevim-belona ».

D.-MIKASIKA NY FITSIPIKY NY TENY


I . Rafi-teny
I - 1. E ndri-teny
a) Tsimpony ny teny misy tsofoka sy fanitatra amin’ity fehezanteny ity : « Nikorontana ny fivoriana
satria nifampidipiditra be ihany ny resaka, ka notenenina mafy ihany ireo mpifanandrina ».
b) Rasao ny teny misy tsipika eo ambaniny ary omeo ny anaran’ny hasin-teny tsirairay : « Ri to tsara io
laoka io mba ho tsara nahandro ».
l- 2 .Sokajin-teny
Fenoy ny banga ao amin’ny tsanganana tsirairay miainga amin’ity fehezanteny ity : Tsy be teny sy be
mora ka hajain’ny olona ».

TENY SOKAJINI-TENIY

Tsy

Mpamari-toetrà

mpampiankina

hajaina

-2 . Fifehezanteny
2 - 1. A njara asa
O m e o ny anjara asan’ ny teny misy tsipika : « Fantany fa mila fìniavana ny fahazotoana ».
2-2. H evitra a ra-drafitra sy fito d ika
a) Hevitra ara-drafitra
Lazao ny HAD ny teny misy tsipika ary omeo ny porofo.
« Mandrefotra ny basiny ny mpihaza ».
« Mahazendana ny fahaizany ».
b) Fitodiky ny fehezanteny
Lazao ny fitodiky ny fehezanteny ary omeo ny porofo
« Atafo ny tranony ny fanitso ».
2-3. Fifehezan-kevitra
Avaho ny fehezan-kevitra ary lazao ny fifandraisany : « N atory izy ary niesona be satria vizana
niasa mafy ».

E.- FAMORONAN-DAHATSORATRA
« Tsy maintsy tanterahina ny famadihana hanandratana hatrany ny hasin’ny razana ».
Hazavao ny fomba roa iandraiketan’ny taranaka hamelorriana maso izany hafatry ny manam-panahy
izany.

FANITSIANA

VALIM-PANONTANIANA

1-. Fahazoana ny lahatsoratra


1-1. Hevi-teny
a) « hiringiriny » : tsy misy fangarony.
b) « miketrona » # malama, malandilandy
l-2.Hevitra ao amin'n lahatsoratra
Taratra ny toetran'Ingahy Fara : malemy fihetsika, tsy be teny , tsotra fiaina ary lia manampy olona.
Ahitana taratra izany : « Nieritreritra kely Ingahy Fara, toa nisalasala izy, sady nijery ahy... Tsy
niteny izy, fa nitsangana. Niditra tany an-trano izy. angamba naka zavatra tany. Nivoaka izy. dia
niteny tamiko hoe : Andao ... ». - « Tsihy harefo no akanjony... » « ... fa tena Tanala hiringiriny
no fijeriko azy ».

1-3.Famintinana lahatsoratra
Lehilahy lehibe iray manam-pahaizana nisafidy ny hiaina any an’ala miaraka ainin'ireo Tanala Ingahy
Fara. Tsolra lokoa ny fomba fiainany maka volon-tany any ary dia hajain’ny olona fatratra izy
amin'izany.

2.-Fitsikerana ny lafiny fanehoan-kevitra


2-1. Karazana literatiora sy mpanoratra
a) Karazana literatiora
Literatiora lelo atao am-bava : angano, talily, tôkatôka
b) Mpanoratra
Mpanoratra ho an'ny ankizy no tena ahafantarana an'i Esther RR
2- 2. Sokajin-dahatsoratra
a) Sokajin-dahatsoratra manoritsoritra.
b) Fampiasàna ireo teny enlina manoritsontra : « Lehilahy lehibe anankirax mitanin'andro. Fotsy
sasaka ny volony, efa miketrona ny endriny. Tsihy harefo no akanjony. Milana tehina izy ». « ... fa
tena Tanala hiringiriny no fijeriko azy ». « Lehilahy ranjanana Ingahy Fara, mbola tomady, saingy
toa be eritreritra amin’izao famindra miondrikondrika, mibaby tanana, tsy miteny, tsy miresaka ».
- Ahitana mpamari-toetra : tsy miteny, tsy miresaka.
- Mampiasa mpampiankina : saingy, toa, toa, ...

2-3. Fanehoana ny kanto

• Lehilahy ranjanana Ingahy Fara, • Tamberin-teny


mbola lom ady
• Filàza masaka

Ny tamindrany miondrikondrika, • Fanalefahan-kevitra


mibaby tanana tahaka ny olona be
eritreritra. • Fampitahan-javatra
B. MIKASIKA NY RIBA
1. Riba ao amin'ny lahatsoratra
1 -l.Fisehon'ny riba
Ireo fihetsika sy fomba fiaina ataon’Ingahy Fara : « Tsihy harefo no akanjony », « Tsy niteny izy, fa
nilsangana. Nidilra lany an-trano izy, angamba naka zavatra tany. Nivoaka izy, dia niteny tamiko
hoe : Andao ».
1-2. Hevitra fonosin'ny riba
a) « tsongoin'olom-bolo » : toky sy kiady eo amin'nv fiaraha-monina
b) Ny fifampizaram-pahasoavana : fifampitsimbinana. fifankatiavana.

2. Riba ao amin'ny fandaharam-pianarana


2- 1. Fisehon’ny riba
a) Ny vola fanolotra amin’ny famangiana fahonana : fao-dranomaso, solon-dranom-bary tsy masaka.
solon-drambon-damba.
b) Ohabolana iray momba ny fahafatesana : « Raha ho faty aho, matesa Rahavana. Raha ho faty
Rahavana, matesa ny omby eny an-tsaha ».
2-2. Hevitra fonosin'ny riba
a) Akondro : fahamaroan'ny taranaka.
b) « Ny anongotsongoana ny maty, tahotra ny handevim-belona » : Fahamalinana.

D. MIKASIKA NY FITSIPIKY NY TENY


1. Rafi-t en y
1-1. Endri-teny
a) « Nikorontana ny fivoriana satria nifampidipiditra be ihany ny resaka, ka notenenma mafy ihany ireo
mpifanandrina ».
Teny misy tsofoka : nifampidipiditra, mpifanandrina.
Teny misy fanitatra : notenenina.
b) « Rito tsara io laoka io mba ho tsara nahandro ».

Rito : rir(a) - ina - o ritra : fototeny

t -ina :tovana
ritra : fototeny - o : tovan'ny filàzana mandidy

l-2 .Sokajin-teny
« Tsy be teny sy be mora ka hajain’ny olona ».

TENY SOKAJIN-TENY

Tsy mpanampy

mora Mpamari-toetra

ka mpampiankina

hajaina matoanteny

2. Fifehezanteny
2-1. Anjara asa
Fantany fa mila finiavana ny fahazotoana
RF 2EM 2L
Fanta ny fa mila finiavana ny fahazotoana
REM RF ZEM___________ 2L________
RL
2-2. Hevitra ara-drafitra sy fitodika
a) Hevitra ara-drafitra
« Mandrefotra ny basiny ny mpihaza ».
L. mpanao

FKI 3 satria misy RF « ny basiny » tsy azo esonna.


• Mandrefotra : in-an-refotra / EM maloanteny aman-tovona mivaky.
dr
• RF -> L : ny basiny no arefotra
arefotra : a- refotra : matoanteny aman-tovona a-
RF alao
• L. mpanao satria ahitana FKI 3, matoanteny aman-tovona mivaky, RF atao.

« Mahazendana ny fahaizany
L. mpamari-toe-javatry ny tsaraina
Mahazendana : EM tsy matoanteny. teny tokana, ahitana m aha-

b) Fitodiky ny fehezanteny
« Atafo ny tranony ny fanitso ».
FKI 3 (tsy azo esorina ny RF)
• Atafo : a-tafo : matoanteny aman-tovona a-
RF-> L : ny tranony no tafoina
• Tafoina : tafo-ina : maloanteny aman-tovana -ina
RF iharana
• L fitaovana
Mitodika am in’ny L fitaovana ny fehezanteny
2-3. Fifehezan-kevitra
a) Fanavahana
FZK 1 : « natory izy »
FZK 2 : « ary ni es on a be »
FZK 3 : « satria vizana niasa mafy ».
Misy FZK telo eto.
b) Fifandraisany
FZK 1 sy FZK 2 : FZK iankinana mifampitohy am in’ny alalan’ny mpampitohy « ary ».
FZK 3 : FZK miankina am in’ny FZK 1 sy FZK 2 am in’ny alàlan’ny mpampiankina « satria ».
FZK 3 mifampitohy mifampiankina.

E- FAMORONAN-DAHATSORATRA
Fomba hatry ny ela. tsy mbola hita izay maharatsy azy, ny famadihan-drazana. Nifandovan'ny
taranaka mifandimby izany mba hanajana hatrany ny hasin’ny razana niaviana. Toy izao ireo fomba
roa iandraiketany hamelomana maso izany hafatry ny razana izany : ny fanaterana ny kao-drazana
sy ny famonosan-damba vaovao azy ireo.
Mamaly ny fanasan'ny tompon-draharaha ny fianakaviam-be am in’ny alàlan’ny fanaterana ny kao-
drazana.
Io fanaterana kao-drazana io dia anchoana ny fanajana ny razana iombonana sy hiarahana misalahy
am in’ny fandaniana rehetra. Alohan’ny famonosan-damba vaovao no analontosana izany. Sandaina
am in’ny fiaraha-misakafo io fanaovana adidy io. Midika izany fa misy lîfampilohizana
mandrakariva eo am in’ny velona sy ny maty ; sady mamelona sy manamafy fatorana ny rohim-
pihavananan'ny fianakaviam-be izany. Tsy maintsy atao izany fomba izany hanandratana ny
hasin’ny razana.
Ahazoan-tsiny ny tsy fanovana ny lamba nifonosan’ny razana arakaraka ny fe-potoana
ifanarahan’ny tompon-draharaha.
Iangaliana fatratra ny dingana rehetra anatanterahana io fomba io. Ny famonosan-damba vaovao dia
midika ho fíkolokoloana ny razana mba hanantenana valisoa hanatsarana nv fiainan’ny taranaka
tavela. Matoa atao tsara fonosana izy dia hiandrandrana fiainan-tsoa sy tso-drano ho an' ny velona :
matoa ifandroritana ny isihy avy nametrahana ny razana dia hanantenana fahamaroan-taranaka.
saka ny mamadika dia kendren'ny fianakaviana hatao makotroka hatrany ízany mba hirariana
fahasoavana manokana. Tsy maints y lanterahina io fomba io mba hanadratana hatrany ny hasin'ny
razana satria « tsy tokony hodinganina ny maty amin'ny tohatoha-miakatra ». Ny fanaterana sao-
drazana sy ny famonosan-damba vaovao no anamarihana izany.

MALAGASY 3
LAZA ADINA
LAHATSORATRA

Toerana mitokatokana, tsy iavitra loatra an’i Mahatsinjo izay tanàna kely ao andrefan’i Vatomandry
no misy ny tanmay. Trano antonontonony no ipetrahanay sy Neny.
Ny maraina miaraka amin’ny mpikarama mikarakara ny voly isan-karazany. Ny hariva matetika
miaraka ny tovolahy iray mivimbina ny basin’i Dada. dia mandeha mihaza, fa toerana tsy ahitan-kena
izany toerana izany Ny siramamy aza, tamin'izany andro izany, tapak’andro maninjitra vao
tafaverina ny iraka alefa hividy azy.
Rehefa vokatra ny kafe sy ny jirofo, dia m itatitra ireny hamidy any Vatomandry amin’ny lakana no
vaindohan-draharahako. Tsy misy fiarakodia ary ny lalana tsy misy rahateo.
Mbola hipoka ihany koa anefa ny lakana reheta miverina izahay satria io fotoana fandalovana ao
Vatomandry io no tsy maintsy hararaotina hividianana ambongadmy izay ilaina rehetra.
Koa raha ny ara-bola dia tsy nihafy loatra izahay mianaka. Saingy hatao inona moa ny vola
amin’izany toerana izany ? Lalana adiny telo na efatra ... vao mahita mpivarotra handaniana azy
ED. ANDRIAMALALA (FARY MAMY T7. P.21).

F A N O N T A N IA N A
A- MIKASIKA NY LAHATSORATRA
1- FAHAZOANA NY LAHATSORATRA
I - I . Hevi-teny
a) Manomeza teny na andian-teny iray mitovy hevitra amin’ny hoe : « hipoka ».
b) Manomeza teny na andian-teny iray mifanohitra amin’ny hoe : « mitokatokana ».
I -2. Hevitra ao amin’ny lahatsoratra
Nahoana no mandeha lakana ny olona avy amin’ity tanàna ity rehefa mankany Vatomandry ?
I -3. Famintinana lahatsoratra
Fintino amina fehezanteny tsy mihoatra ny telo manaraka ny drafitry ny lahatsoratra ireo hevi-
dehibe misongadina ao.
2- FITSIKERANA NY LAFINY FANEHOAN-KEVITRA
2 -1. Sokaiin-dahatsoratra
a) Inona amin’ireto sokajy ireto no misy an’io lahatsoratra io ?
M anoritsoritra - mitantara - manazava hevitra - mandresy lahatra.
b) Manomeza porofo roa manamarina izany.
2-2. Fanehoana ny kanto
Ampifandraiso amin’ny alalan’ny tsilo ny sari-teny mifanandrify amin’ny fehezanteny tsirairay avy.
Fl : Ny maraina aho miaraka amin’ny mpikarama • Fanovana endri-javatra
mikarakara ny voly isan-karazany. • Tamberim-peo
F2 : Tsy misy fiarakodia ary ny lalana tsy misy • Fanoharana
rahateo. • Tamberin-teny
B- MIKASIKA NY RIBA
I- RIBA A O A M IN ’NY LAHATSORATRA
1- 1. Fisehoan’ny riba
a) Milazà toe-tsaina roa ananan'ny dona amin’ity tanàna ity na dia tsy misy aza ny lalàna.
b) Endrim-pamokarana m ifototra amin’ny inona no hita ato amin’ny lahatsoratra ?
I -2. Hevitra fonosiny
a) Inona no hevitra fonosin’ny vola eo amin’ny fiarahamonina ? (valiny roa no andrasana).
b) Milazà ohabolana na fomba fiteny roa mifandraika amin’izany.
2- RIBA AO AMIN’NY FANDAHARAM-PIANARANA
2- 1. Fisehoan’ny riba
a) Inona avy no anaran’ny vola atolotra amin’ireto : famorana - fahaterahana - fahafatesana -
fanambadiana ?
b) Milazà fitaovana roa entina rehefa mivoaka itany amin’ny fiterahana
2-2. Hevitra fonosiny
a) Milazà hevitra roa fonosin’ny rano eo amin’ny fomba Malagasy
b) Inona no hevitra fonosin’ny valintanana ? (valiny roa no andrasana).

D.- MIKASIKA NY FITSIPIKY NY TENY


I - RAFI-TENY
I- I. Endrin-teny
a) Mitsimpona teny iray misy tovona ary teny iray misy tsirinteny sara-droa amin’ity fehezanteny ity :
« Lalana adiny telo na efatra vao mahita mpivarotra handaniana azy ».
b) Rasao ny teny misy tsipika amin’ity fehezanteny ity ary omeo ny anaran’ny hasin-teny : « Io fotoana
fandalovana ao Vatomandry io no tsy maintsy hararaotina hividianana izay ilaina ».
l- 2 .Sokaiin-teny
Fenoy ny banga amin’ny tsanganana tsirairay amin’ity fehezanteny ity
« Io fotoana fandalovana ao Vatomandry io no tsy maintsy hararaotina hividianana izay ilaina ».

TENY SOKAJIN-TENY

Matoanteny
...........................................
Tsy maintsy
...........................................
Anarana iombonana
...........................................
ao
...........................................
2- FIFEHEZAN-TENY
2 -1. Anjara asa
Omeo ny anjara asan’ny teny misy tsipika eo ambaniny : « Tsapa tokoa fa manana fikirizana ny mponina
ao ».
2-2. Hevitra ara-drafitra sy fitodika
a) Omeo ny H A D ny teny misy tsipika ary amarino ny valin-teninao
F I : Tanterin’izy ireo any Vatom andry avokoa ny vokatra.
F2 : ny maraina no iarahanay amin’ny mpikarama
b) Fitodika fehezan-teny
Lazao ny fito d iky ity fehezanteny ity : « Aondranay any Vatom andry avokoa ny entana ».
2-3. Fifehezankevitra
Avaho ny fehezankevitra amin’ity fehezanteny ity ary lazao ny fìfandraisany : « Rehefa vokatra ny kafe sy
ny jirofo dia mitatitra an’ireny no raharahako ».

E-. FAMORONAN-DAHATSORATRA
Ankoatra ny kafe sy ny jirofo, hazavao ihany koa ireo endri-pamokarana roa hita amin’io faritra io. Ataovy
anatina fehezanteny 15 eo ho eo ny valin-teninao.

FANITSIANA

VALIM-PANONTANIANA
A- MIKASIKA NY LAHATSORATRA
1-. FAHAZOANA NY LAHATSORATRA
1.1- Hevi-teny
a) « hipoka » : feno
b) « mitokatokana » # mifangaro
1.2- Hevitra ao amin’ny lahatsoratra
Mitatitra ny vokatra kafe sy jirofo hamidy any vatomandry amin’ny lakana ny olona satria sady tsy
misy lalana no tsy ahitana fiarakodia mpitatitra amin’io toerana io.
1.3- Famintinana lahatsoratra

Tanàna kely tsy misy lalana sy fiara m pitatitra ikarakarana ny tany fambolena any ambanivohitra no
fonenan’izy mianaka ary hena vokatra avy am in’ny haza no atao laoka. Enlina an-dakana hamidy
any Vatomandry ny kafe sy ny jirofo am in’ny fotoana fahavokarany sady hanaovana vatsy hoentina
mody fa fotoana fanararaotana hividianan’entana ilaina am in’ny fiainana andavanandro izany. Tsy
olana am in’izy mianaka ny fananam-bola satria ampy tsara hivelomany ny eo am-pelan-tanany.
2. FITSIKERANA NY LAFINY FANEHOAN-KE VITRA
2.1 - Sokajin-dahatsoratra
a) Sokajy : lahatsoratra manazava hevitra
b)
• Fampiasana fehezanteny lava sady mivadi-drafitra : « Rehefa vokatra ny kafe sy ny jirofo, dia
mitatitra ireny hamidy any Vatomandry amin’ny lakana no vaindohan-draharahako ».
• Fitanisana toe-javatra maro entina hanamafisan-kevitra : ny vokatra, ny toerana ipetrahana, ny fomba
fitaterana ny vokatra amin’ny lakana.
2.2-Fanehoana ny kanto
F1 : Ny maraina aho miaraka amin’ny • Fanovana endri-javatra
mpikarama mikarakara ny voly isan-karazany. • Tambcrim-pco

F2 : Tsy misy fiarakodia ary ny lalana tsy misy • Fanoharana


rahateo. • Tamberm-teny

B- MIKASIKA NY RIBA

1- RIBA AO AMIN’NY LAHATSORATRA


1- 1. Fisehoan’ny riba
a) Toe-tsaina roa ananan’ny olona amin’ity tanàna ity na dia tsy misy aza ny lalàna : Tsy fahakiviana
sy tsy fahatahorana (mitatitra ny vokatra anaty lakana mitety renirano, mitondra entana hoentina
mody hatao vatsy amin’ny lakana feno hipoka).
b) Endrirn-pamokarana : ny fambolena, ny fihazana ary ny varotra sy fividianana entana hatao vatsy.
1-2. Hevitra fonosiny
a) Ny vola no maha Rangahy hamelomam-po / Ny vola no hozatry ny fiainana hoentina hividianana
fitaovana hamokarana.
b) Ny vola no maha Rangahy / Ny vola no hozatry ny fiainana.
2- RIBA AO AMIN’NY FANDAHARAM-PIANARANA
2- 1. Fisehoan’ny riba
a) Famorana : solon-kilalao - Fahaterahana : ro-patsa - Fahafatesana : fao-dranornaso- Fanambadiana :
tso-drano.
b) Hevitra fonosin'ny valintanana : fifarimbonana sy fifampitokisana (fiarahana miombona amin'ny
lahasa sy amin'ny fisakafoanana miaraka).

D.- MIKASIKA NY FITSIPIKY NY TENY


1- RAFI-TENY
1-1. Endrin-teny
a) Teny iray misy tovona : mahita. / Teny iray misy îsirintcny sara-droa : handaniana.
b) hividianana : h(o)i-vidi-an-ana

h(o) : filazam-potoana ho avy


i ...-ana : tsirin-teny saradroa
vidy : fototeny
-an- : fanita-pototeny
1-2. Sokajin-teny

TENY SOKAJIN-TENY

hividianana Matoanteny

Tsy maintsy mpanampy

fotoana Anarana iombonana

ao Mpisolo toerana

2- FIFEHEZAN-TENY
2-1. Anjara asa
« Tsapa tokoa fa manana fikirizana ny mponina ao ».
REM
2-2. Hevitra ara-drafitra sy fitodika
a) Fl : Tantenn’izy ireo any Vatomandry avokoa ny vokatra.
L. iharana
taterina : tatitr(a)-ina,
EM matoanteny aman-tovana -ina.
FKI mivany roa
F2 : ny maraina no iarahanay am in’ny mpikarama
RF sehatra
RF L
Izahay no miaraka ny maraina
Miaraka : m-i-araka (EM matoanteny aman-tovona, FKI mivany roa).
b) Fitodika fchezan-teny
« Aondranay any Vatomandry avokoa ny entana ».
Aondrana : a-ondrana / EM matoanteny aman-tovona a-. FKI mivany roa
M itodika am in’ny L atao ny fehezanteny.

2-3. Fifehezankevitra
« Rehefa vokatra ny kafe sy ny jirofo dia mitatitra an’ireny no raharahako ».
Fanavahana :
FZK 1 : Rehefa vokatra ny kafe sy ny jirofo
FZK 2 : dia mitatitra an'ireny no raharahako
Ahitana fehezan-kevitra roa eto.
Fifandraisany : miankina amin'ny FZK2 amin'ny alalan'ny mpampiankina fehezan-kevitra «rehefa» ny
FZK1. Iankinan'ny FZK1 izany ny FZK2. Mifampiankina noho izany ny fehezan-kevitra roa.
E-. FAMORONAN-DAHATSORATRA
Samy manana ny endri-pamokarana mampiavaka azy avy ny faritra tsirairay eto amin’ny Nosy. Mando lava
iny tany atsinanana iny ka tsy manano sarotra amin’ny mponina any ny mitrandraka asa hafa fanampiana ny
efa misy. Ao ny jono an-dranomasina noho izy moron-tsiraka, eo ihany koa ny fitrandrahana ny hazo ala.
Trondro isan-karazany aman-taonina maro no azon’ny mpanjono avy amin'io ranomasim-be io. Vokatra
iveloman’ny olona isan’andro ary azo aondrana amin’ny faritra hafa manodidina. Toe-karena roa lafy no
sitrahina amin’izany, dia ny fídiram-bolan’ny isan-tokantrano ary ny famelomana ny mponina amin’ireo
faritra hafa tsy mba manana moron-tsiraka. Endri-pamokarana ahazoana tombontsoa maro io fomba
fanjonoana an-dranomasina io.
Noho io faritra io be orana mandavantaona dia maniry tsara ny ala mampalaza ny any atsinanana. Maro ny
vokatsoa azo avy amin’ny fananana sy fitrandrahana ny ala ; ny fandrahoana sakafo isanandro dia efa
tombony lehibe na dia efa miroborobo aza ny teknolojia amin’ny fatana mandeha amin’ny herinaratra na ny
entona fandrehatra. Mbola maro ireo tantsaha no miantehitra amin’io fomba fandrahoana sakafo io. Eo ihany
koa ny fampiasana ny hazo fanao trano, na fanao fanaka. Tsy maintsy manan-trano vao afaka mivelona sy
miaina am-pitoniana, ampaharitra ny taranaka sy ny fandriampahalemana entiny.
Ny tany lonaka dia tsy ilaozan’ny firoboroboan’ny famokarana isan-karazany. Tsy mifidy masom-boly izany
fa ny fikirizan’ny mponina no andrefesana ny habetsahan’nv vokatra. Maro karazana ny loharanom-
pihariana hita amin’izany.

MALAGASY 4
LAZA ADINA
LAHATSORATRA
Nikoriana tamim-pahanginana sy tamim-panajana ny ranomason-dRamavo. N itanondrika tamim-
pitiavana ny fianakaviana man onto Io. Inona no azo am bara eo anoloan’ny fandaharana tsy azo
ihodivirana ? Mahay mampihena ny fangirïfirian’ny nofony ihany ny olombelona, na misy fetra aza
izany. N om ena hery ampy hampitoniana ny fijalian’ny fanahy saingy, tsy manana fahefana na hery
handroso na hanem otra ny fe tr’andro nom ena azy na dia am pahan-tsegondra fohy indrindra aza.
Fa afa-patorana, afa-jaly Ramatoa Razay kanefa namela holatra saro-bonoina te ao amin’ny
fianakaviana ny fisarahana taminy. Rehefa hivalona ho taona kosa ny andro sy ny volana mifandimby
dia hovelomina ao anatin’ny fahatsiarovana mamy ny havana lasana ka sary feno hatsaran-tarehy
sisa hibahan-toerana sy horotsirotsiana ao am -pon’ny velona. Rehefa tra tra iny tanjona iny dia
v o ato to tra ny hantsana namitahan’ny fahafatesana ny olom belona izay saika nino ny fahavelomana
tante raka.
Arakan y hafatry Ratompokovavy dia tsy misaona ny fianakaviana. Izy reh etra koa miezaka mafy tsy
hampitakosina ny rahona eo anoloan’ny volantantelin-dRamavo sy Randria.
Amin’ilany indray, ny toe-javatra toy itony dia m iteraka aina vaovao ho an’ny fiainam-pianakaviana.
M itombo ny lafin-kavana ; izay tsy mifankatia hatry ny ela nanjary nifamato-pihavanana indray. Maro
ny mpisakaiza izay toa nifampitazatazana fotsiny no nanjary nifandray fo kokoa. Mitatra sy m itom bo
araka izany ny adidy am an-doloha raisin’ny lafin-kavana samihafa. Anisan’ireny ny nandraisan-
dRamavo sy Randria an’i Volasoa zandrin-dRamavo faravavy hipetraka any amin’izy ro a raha vao
vita ny fampakarana.
E.R.R Ho avy ny maraina, tak. 124-125

FANONTANIANA
A.- MIKASIKA NY LAHATSORATRA
I.- Fahazoana ny lahatsoratra
1.1- Hevi-teny
a) Manomeza teny na andian-teny mitovy hevitra amin’ny hoe : « ihodivirana ».
b) Manomeza teny na andian-teny mifanohi-kevitra amin’ny hoe : « mifamato-pihavanana ».
1.2- Hevitra ao amin’ny lahatsoratra
Inona no nahatonga an-dRam atoa Razay ho afa-jaly sy afa-patorana raha ny lahatsoratra no jerena ?
1.3- Fam intinan-dahatsoratra
Fintino amin’ny fehezanteny tsy m ihoatra ny efatra ireo hevi-dehibe re ke tin ’ny lahatsoratra.
2.- Fitsikerana ny lafiny fanehoan-kevitra
2 .1- Sokajin-dahatsoratra
A o amin’ ny ampahan-dahatsoratra : « inona no azo ambara eo anoloan’ny ................... na dia
ampahan-tsegondra fohy indrindra aza ».
a) Lazao ny sokajy misy io ampahan-dahatsoratra io
b) Manomeza porofo roa manamarina ny valin-teninao.
2.2- Fanehoana ny kanto
Inty misy fehezanteny : « Rehefa tra tra iny tanjona iny dia vo a to to tra ny hantsana namitahan’ny
fahafatesana ny olom belona izay saiko nino ny fahavelomana.
Milazà sarin-teny roa hita ao amin’io fehezanteny io.
2.3- Ny m panoratra sy ny asa soratra
a) O m eo ny anarana fenon’i E.R.R sy C.A.R
b) Manomeza asa soratra roa avy nosoratan’i Esther Randriamamonjy sy i Clarisse
Ratsifandrihamanana.

B.- M IK ASIKA N Y RIBA


- Riba ao amin’ny lahatsoratra
I.
1. I - Fisehon’ny riba
a) Mitadiava anarana iray ao am in’ny lahatsoratra m anaporofo fa manaja ny maty ny Malagasy
b) Araka ny lahatsoratra, milazà voka-tsoa roa ateraky ny fahafatesana.
1.2- H evitra fonosin’ny riba
a) « Horaisin-dRamavo sy Randria hipetraka any aminy ny zandrin-dRamavo faravavy ». Inona no
soatoavina fonosin’izany ?
b) « Fitomanian’ ny mpianakavy ». Lazao ny hevitra fonosin’io fomba amam-panao amin’ny
fahafatesana io.
2. - Riba ao am in’ny fandaharam-pianarana
2 .1- Fisehon’ny riba
a) Milazà andro roa ao anatin’ny herinandro tsy azo andevenana, araka ny fìheverana malagasy.
b) Manomeza fampitahana roa amin’ire to endri-pam okarana ire to :

M ifo totra amin’ny fihavanana M ifo totra amin’ny fahaleovan-tena


- -
- -

2.2- H evitra fonosin’ny riba


a) Lazao ny antony mahatonga ire o andro roa tsy ahazoan’ny Malagasy manatanteraka ny
fandevenana.
b) T oh izo ity oha-pitenenana ity : « N y kamo ihany no ............. ».

D. MIKASIKA NY FITSIPIKY NY TENY


I .- Rafi-teny
1.1- Endri-teny
a) Tsim pony ny teny ahitana fanatsaram-peo ato anatin’ny fehezanteny ity :
F1 : M itatra sy m itom b o araka izany ny adidy aman-doloha raisin’ny lafin-kavana samihafa.
b) . Rasao ity teny ity ary om eo ny anaran’ny hasin-teny tsirairay : « v o a to to tra ».
1.2- Sokaiin-teny
Fenoy ny tsanganana eo ambany miainga amin’ity fehezanteny ity :
F2 : « Mahay mampihena ny fangirifirian’ny nofony ihany ny olom belona na misy fe tra aza izany ».

Teny Sokajin-teny
mahay .............................
......................... mpisolo tena
ihany .........................
......................... mpisolo manondro

2.- Fifehezan-teny
2.1- Anjara asa
Omeo ny anjara asan’ny teny voatsipika
F3 : Voalaza fa namela holatra saro-bonoina amin’ny fianakaviana ny fisarahana taminy.
2.2- Hevitra ara-drafitra sy fitodiky ny fehezanteny
a) Hevitra ara-arafitra
Omeo ny HAD ny teny misy tsipika eo ambaniny ary porofoy ny valinteninao
F4 : Hoveiomina ao anatin’ny fahatsiarovana mamy ny havana lasana.
F5 : Maro ny mpisakaiza izay toa nifampitazatazana fotsiny.
b). Fitodiky ny fehezanteny
Lazao ny fitodik’ity fehezanteny ity ary hamarino ny valinteninao
F6 : Ny rehetra kosa dia samy nanaja ny ratram-pon’ny mpianakavy.
2.3- Fifehezan-kevitra
Avaho ny fehezan-kevitra amin’ity fehezanteny ity ary lazao ny fifandraisany
F7 : Rehefa tratra iny tanjona iny dia voatototra ny hantsana namitahan’ny fahafatesana ny
olombelona.

E. FAMORONAN-DAHATSORATRA
Inona no fiheveran’ny Malagasy ny fahafatesana ?
Arafeto ao anaty fehezanteny 15 eo ho eo ny valinteninao, ahitana zohin-kevitra mirindra ka tsy
ahitana fahadisoan-tsipelina.

FANITSIANA

VALIM-PANONTANIANA

A.- MIKASIKA NY LAHATSORATRA


1. - Fahazoana ny lahatsoratra
1.1- Hevi-teny
a. « ihodivirana » = ialana
b. « mifamato-pihavanana » # misara-bazana
1.2- Hevitra ao amin'ny lahatsoratra
Afa-jaly sy afa-patorana Ramatoa Razay satria voatototra ny hantsana manasaraka ny
tahavelomana sy ny fahafatesana.
1.3- Famintinan-dahatsoratra
Misy fotoana iatrehan-dRamavo sy ny fianakaviany ny fahamafisan’ny ngidin’ny fahafatesana.
Misy fotoana itrakana aorian’ io loza voajanahary io, ka hanajana ny hafatry ny maty. Ny
fahafatesana manlsy dia mampiray aina loka ny lafim-pianakaviana rehetra hiarahana miatrika io
loharanom-pahoriana io.
2. - Fitsikerana ny lafiny fanehoan-kevitra
2.1- Sokajin-dahatsoratra
a) Manazava hevitra io ampahan-dahatsoratra io.
b) . Manamarina izany ny fahitana fehezanteny miendrika fanontaniana, ny fehezan-kevitra
vitsivitsy ampifandraisin’ny mpampitohy « na » (miverina in-efatra) ary ahitana fehezanteny lava
ihany koa.
2.2- Fanehoana ny kanto
« Rehefa tratra iny tanjona iny dia voatototra ny hantsana namitahan’ny fahafatesana ny
olombelona izay saiko nino ny fahavelomana.
- Sarin-teny voalohany : fanovana endrin-javatra / « voatototra ny hantsana namitahan'ny
fahafatesana ny olombelona ».
- Sarin-teny laharoa : teny roa mifanohitra hevitra / « lahafatesana # fahavelomana.
2.3- Ny mpanoratra sy ny asa soratra
a) E.R.R : Esther RASOLOARIMALALA RANDRIAMAMONJY sy C.A.R : Clarisse
ANDR1AMAMPANDRY RATSIFANDRIHAMANANA.
b) . Esther Randriamamonjy : Ny sodin’i Solofo ; Trano raya / Clarisse Ratsifandrihamanana : Ny
Zanako ; Tan y vao.

B.- MIKASIKA NY RIBA


1. - Riba ao amin’ny lahatsoratra
1.1- Fisehon’ny riba
a) Manaja ny maty ny Malagasy : « hovelomina ao anatin’ny fahatsiarovana mamy ».

hatry ny ela nanjary nifamato-pihavanana indray ». / «Maro ny mpisakaiza izay toa


nifampitazatazana fotsiny no nanjary nifandray fo kokoa ».
1 2- Hevitra fonosin'ny riba
a) « Horaisin-dRamavo sy Randria hipetraka any aminy ny zandrin-dRamavo faravavy ». « Ny
fifamonjena » sy « ny fifanampiana » no soatoavina raisina eto.
b) « Fitomanian’ny mpianakavy ». / Fiombonan’alahelon’ny niharan'ny manjo.
2. - Riba ao amin'ny fandaharam-pianarana
2.1- Fisehon’ny riba
a) Ny Alatsinainy sy ny Talata no andro tsy azo andevenana.
b)

Mifototra amin'ny fihavanana Mifototra amin’ny fahaleovan-tena


- Valin-tanana - Fahamaroan’ny fitaovana sy fampiasana
mpikarama
- Tambirô - Fampiasam-bola

2.2- Hevitra fonosin'ny riba


a) Alatsinainy : andro mavesatra I Talata : andro gorobaka.
b) « Ny kamo ihany no tsy ambinina».

D. MIKASIKA NY FITSIPIKY NY TENY


- Rafi-teny
1.
1.1- Endri-teny
a) fanatsaram-peo : raisina / F1 : Milatra sy mitombo araka izany ny adidy aman-doloha raisin’ny
lafin-kavana samihafa.
b) . « voatototra » : voa-tototra.
1.2- Sokajin-teny
Fenoy ny tsanganana eo ambany miainga amin’ity fehezanteny ity :
F2 : « Mahay mampihena ny fangirifirian’ny nofony ihany ny olombelona na misy fetra aza izany ».

Teny Sokajin-teny
mahay matoanteny
-ny mpisolo tena
ihany Tambi-teny
izany mpisolo manondro

-2. Fifehezan-teny
2.1- Anjara asa
F3 : Voalaza fa namela holatra saro-bonoina amin’ny fianakaviana ny fisarahana taminy.
RF L
2.2- Hevitra ara-drafitra sy fitodiky ny fehezanteny
a) Hevitra ara-drafitra
F4 : Hovelomina ao anatin’ny fahatsiarovana mamy ny havana lasana
RF mpamari-toe-javatra
Porofo : RF → L
F4 : ao no hamelomany ny havana lasana.
Hamelomana : h(o)-an-velona-ana / matoanleny aman-tsirin-teny saradroa, FKI mivany roa.

F5 : Maro ny mpisakaiza izay toa nifampitazatazana fotsiny.


L. tsaraina
Porofo : EM tsy matoanleny, teny tokana / tsy ahitana tovona maha- eo alohany
b) . Fitodiky ny fehezanteny
F6 : Ny rehetra kosa dia samy nanaja ny ratram-pon 'ny mpianakavy. / Mitodika amin’ny L mpanao
ny fehezanteny.
Porofo : nanaja : n-an-haja / EM matoanteny aman-tovona mivaky. / FKI mivany telo.
RF→L
Ny ratram-pony nohajaina.
Nohajaina : no-haja-ina.
RF iharana.

2.3- Fifehezan-kevitra

F7 : Rehefa tratra iny tanjona iny dia voatototra ny hantsana namitahan’ny fahafatesana ny
olombelona.
Fanavahana
FZK1 : « Rehefa tratra iny tanjona iny ».
FZK2 : « dia voatototra ny hantsana namitahan’ny fahafatesana ny olombelona ».
Fifandraisany
FZK1 miankina amin’ny FZK2 amin’ny alalan’ny mpampiankina fehezanteny « rehefa » ary ny
FZK2 dia iankinanan’ny FZK1. Noho izany dia fehezan-kevitra roa mifampiankina no hita eto.

E. FAMORONAN-DAHATSORATRA
Mampifandray lafim-piainana maro ny fidonan’ny fahafatesana ao anatin’ny vatan’ny Malagasy.
Trangan-javatra voajanahary io trangam-piainana io ka zakainy ny fisehoany. Hohazavaina
voalohany eto ny fiantraikan’izany eo anivon’nyfianakaviana. Hojerena manaraka izay ny
fiheverany ny fitohizan’aina any an-koatra.

Ny vatana, eo amin’ny fîrafiny siantifika, dia mirafitra ho fanahy, saina ary ny fo. Misy fetrany io
fahavclomany io rehefa nodimandry ny olona iray. Tsy misy toe-javatra mafy mihoatra io
fahafatesana iony fiheveran’ny Malagasy momba azy. Fisarahana tsy roa aman-tany eo amin’ny
velona sy ny maty izany, araka ny voalazan’ny mpandinika iray hoe : « Rehefa mikipy ny maso dia
misokatra ny mason’ny fanahy ». Fahoriana, alahelo, ranomaso, fahaketrehana ary mety miafara
amin’ny famoizam-po aza rehefa mafy ny ratra ao am-pon’ny manamanjo. Inona indray ny fomba
hafa fiheveran’ny Malagasy ?

Voalaza tetsy aloha fa mirafitra ao anantin’ny vatana ny fanahy. Mitohy ny fiainan’ny maty
amin’ny alalan’io singa io. Velona noho izany ny fanahy any an-koatra. araka ny fiheveran’ny
Malagasy. Finoany lalina io, na dia fiainana tsy hita maso izay inoany ihany koa, rava avokoa ny
fahoriana any. Mitahy, miahy ary mpanelanelana amin'Andriamanitra aminy ireny fanahin’ny maty
ireny. Mihevitra izany koa i Dox ka nilaza fa : « tsy hodinganina ny maty amin’ny tohatoha-
miakatra ».

Eto dia miseho amin’ny endrika roa ny tomba fiheveran’ny Malagasy ny fahafatesana : dia ao ny
fisasahan’ny vatana amin’ny fanahy ka mitarika fahoriana eo amin’ny maha olombelona. Eo koa
anefa ny finoany ny fitohizan’ny aina any an-koatra izay mitarika fiononana sy tsy fanomezan-tsiny
an’Andriamanitra tompon’ny fandaharana ny fiainan’ny zanak’olombelona Mahay mampifangaro
ny fiainana hila maso sy ny tsy hila maso ny Malagasy.

MALAGASY 5 - BEPC 2018


LAZA ADINA
LAHATSORATRA
Tsy ho tafita mihitsy ny tetika raha mbola misara-bazana isika Malagasy, hoy Randria : misara-
bazana noho ny fiaviana, misara-bazana noho ny antoko pôlitika, misara-bazana noho ny harena tsy
itovizana, misara-bazana noho ny antokom-pivavahana. Tsy vita tsy ifanakonana anefa ity raharaha
ity na an’ny tena samy irery na ny an’ny tanindrazana iombonana. Be loatra no jamban’ ny vola sy
jamban’ny toerana mamirapirara. Maro loatra ny sahirana amin’ny vary iray lovia ilaina anio sy
rahampitso ka tsy mahatazan-davitra intsony.
A tom bohy hatrany amin’ny ara-batana ny fampiharana ny fampitovian-jo. Aravino ny toe-karena
samy hanana ny tandrify azy ny olonatsirairay. Aravino koa ny fampianarana hahatratra ny
sarambabem-bahoaka, hatrany amin’ny fampianarana fo to tra ka hatrany amin’ny fampianarana
ambony, hahazoan’ny olona tsirairay ny anjara masoandrony tsy misy mpanakontakona.
Azo tanterahina izany rehefa manaiky daholo ny olona rehetra. Rehefa samy mahatakatra fa
miankina amin’ny tsirairay ny hoavin’ny firenena. Raha izao mbola samy manao izay hamenoany ny
kitapony izao no m itohy dia lavitra ny fivoarana.
Esther RASO LO ARIM ALALA R A N D R IA M A M O N JY
H o avy ny maraina, Tak. 13 7 -138
FANONTANIANA

I.- M IK A S IK A N Y L A H A T S O R A T R A
I - Fahazoana ny lahatsoratra
l- l. Hevi-teny
a) Manomeza teny na andian-teny iray mitovy hevitra amin’ny teny misy tsipika eo ambaniny ao
amin’ity fehezanteny ity : « Lavitra ny fivoarana ».
b) Manomeza teny na andian-teny iray mifanohi-kevitra amin’ny teny misy tsipika eo ambaniny :
« Misara-bazana noho ny fiaviana isika ».
1-2. Hevitra ao amin’ny lahatsoratra
Araka ny voalaza ao amin’ny lahatsoratra, milazà antony roa mahatonga antsika tsy ho tafita.
I -3. Famintinana lahatsoratra
Fintino amina fehezanteny telo (3) araka ny hevi-dehibe raketiny ny lahatsoratra.

2- Fitsikerana ny lafiny fanehoan-kevitra


2- 1. Ny mpanoratra'sy ny sokajin-dahatsoratra
a) Ny mpanoratra sy ny asa soratra
Iza ilay mpanoratra ao amin’ny fandaharam-pianarana nandika angano sy tantara tamin’ny teny
rosiana ho amin’ny teny malagasy ?
Lazao ny daty nahafatesan’i Clarisse RATSIFANDRIAMANANA.
b) Sokajin-dahatsoratra
Lazao ny sokajy misy ity ampahan-dahatsoratra ity ary manomeza porofo roa manamarina izany.
« Tsy ho tafita mihitsy ny tetika raha mbola misara-bazana isika Malagasy, hoy Randria : misara-bazana
noho ny fiaviana, misara-bazana noho ny antoko pôlitika, misara-bazana noho ny harena tsy itovizana,
misara-bazana noho ny antokom-pivavahana. Tsy vita tsy ifanakonana anefa ity raharaha ity na an’ny
tena samy irery na ny an’ny tanindrazana iombonana ».
2-2. Fanehoana ny kanto
Inty misy fehezanteny : «Be loatra no jamban’ny vola sy jamban'ny toerana mamirapirara ». Milazà sarin-teny
roa hita ao amin’io fehezanteny io. Porofoy ny valin-teninao.

II.- MIKASIKA NY RIBA


I - Riba ao amin’ny lahatsoratra
1- I . Fisehon’ny riba
a) Araka ny lahatsoratra, milazà fihetsika roa (02) takiana mba hampivoarana ny firenena.
b) Tanisao ireo dingana lalovana mba hahazoan’ny tsirairay ny anjara masoandrony hita ao amin’ny
lahatsoratra.
I -2. Hevitra fonosin’ny riba
a) Milazà fahendrena roa hita taratra ao amin’ity fehezanteny ity « Tsy vita tsy ifanakonana anefa ity
raharaha ity na an’ny tena samy irery na ny an’ny tanindrazana iombonana ».
b) Lazao ireo soatoavina roa (02) tokony hohajaina nefa tsy voahaja hita taratra ato amin’ity
fehezanteny ity : « Misara-bazana noho ny fiaviana, misara-bazana noho ny antoko plitika, misara-
bazana noho ny antokom-pivavahana isika Malagasy ».
2- Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana
2-1. Fisehon’ny riba
a) Ampifandraiso amin’ny alalan’ny tsilo izay mifanandrify

Fomba am-panao Toe-javatra mitranga


Maka rano mahery • • Fanambadiana
Manala ratsiana • • Fahafatesana
Manala ondrana • • Famorana
Solon-dranom-bary tsy masaka • • fahaterahana

b) Manomeza ohabolana na oha-pitenenana iray mikasika ny « tanindrazana ».


2-2. Hevitra fonosin’ny riba
a) Inona no adidin’ny Razana araka ny fihevitry ny Malagasy ?
b) Lazao ny hevitra fonosin’ny famadihana amin’ny Malagasy.

Ill.- MIKASIKA NY FITSIPIKA


I - Rafi-teny
I-I. Endri-teny
a) Mitadiava teny ahitana tsofoka sy tsirinteny sara-droa amin’ity fehezanteny ity : «Tsy vita tsy
ifanakonana anefa ity raharaha ity ».
b) Rasao ny teny misy tsipika eo ambaniny ao anatin’ity fehezanteny ity ary omeo ny anaran’ny hasin-
teny tsirairay avy : « Samy manao izay hamenoany ny kitapony ny tsirairay ».
1-2. Sokajin-teny

Fenoy teny na sokajin-teny ny banga ao amin’ny tsanganana miainga amin’ity fehezanteny ity :
« Raha mbola samy manao izay hamenoany ny kitapony isika dia ho lavitra ny fivoarana ».
Teny Sokajin-teny

mbola
..........................
mpampiankina
...............................
-ny
...............................
anarana
............................... i
i
2- Tsipelin-teny
Ahitsio ny diso tsipelina am in’ity fehezanteny ity ary av eren o adika ny fehezanteny voahitsy :
« Hitan-tsika fa samihafa ny jambany vola sy ny jam ban’ny taolankena ».
3- Fifehezan-teny
3-1. Anjara asa
Om eo ny anjara asan’ny teny misy tsipika eo ambaniny ao amin’ity fehezanteny ity : « Ekena fa miankina
ann aa n an'n nna
3-2. Hevitra ara-drafitra sy fitodika
a) Hevitra ara-drafitra
O m e o ny hevitra ara-drafitry ny teny na andian-teny misy tsipika eo am baniny ary ham arino ny
valin-teninao.
FI : Maro loatra ny sahirana amin’ny vary iray lovia
F2 : Atomboka amin’ny aaaana ny fampitovian-jo.

b) Fitodika
Lazao ny fitodik’ity fehezanteny ity ary ham arino ny valin-teninao : « Hampivoatra ny tanindrazana
isika ».
3-3. Fifehezan-kevitra
a) Avaho ny fehezan-kevitra amin’ity fehezanteny ity ary lazao ny fifandraisany avy eo :
« Azo tanterahina izany rehefa manaiky daho/o ny olona rehetra ».

IV.- FAMORONAN-DAHATSORATRA
Hoy ity mpandinika iray : « Maro loatra ny sahirana ka lasa tsy mandry fahalemana ny tany ».
V elabelaro anaty fehezanteny dimy am bin’ny folo (15), ahitana rafitra sy drafitra mazava tsara
ary zohin-kevitra m irindra tsy ahitana tsipelina diso io fiheverana io. M anom eza o h a tra vitsivitsy
m anam arina ny valin-teninao.

FANITSIANA
VALIM-PANONTANIANA

L- MIKASIKA NY LAHATSORATRA
1- Fahazoana ny lahatsoratra
1-1. Hevi-teny
c) « fivoarana » : fandrosoana
d) « Misara-bazana » # mivondrona
1-2. Hevitra ao amin'nv lahatsoratra
Antony roa mahalonga anisika tsy ho tafita : ny fisaraham-bazana eo amin’ny lafiny maro ; ny mbola
fitadiavana ny hohanina anio sy ny rahampitso.
1-3. Famintinana lahatsoratra
Maro ireo sakana mbola tsy mahatafita anisika dia ny fitsotokotokoana samy milady ny hivoarany
samirery. Ao koa ny fitiavam-bola tafahoatra ka anaovana ny tetika rehetra hahazoana samirery izany,
Tokony hiara-mitady ny vaha olana mahomby hahazoan’ny Malagasy rehetra ny tombotsoa iombonana
na eo amin’ny fampitovian-jo, na eo amin’ny fampianarana isan’ambaratongany, izay tsy ho sarotra ny
fampiharana azy raha samy ho tonga saina ny daholobe.
2- Fitsikerana ny lafiny fanehoan-kevitra
2-1. Ny mpanoratra sy nv sokajin-dahatsoratra
a) N y mpanoratra s y ny asa soratra
Ny mpanoratra nandika angano sy tantara tamin'ny teny rosiana ho amin'ny teny malagasy : Esther
RANDRIAMAM0NJY
- Maty ny 28 jona 1987 i Clarisse RATSIFANDRIAMANANA
b) Sokajin-dahatsoratra
Ny sokajy m isy ity am pahan-dahatsoratra ity : m andresy lahatra.
Porofo :
Ilay andian-teny « misara-bazana » miverina in-efatra ho entin'ny mpanoratra hanamafisan-kevitra
handresen-dahatra.
Fampiasana tamberin-teny, izay sarinteny hanamafisana-kevitra ihany koa : ny mpampiankin-teny
« noho » dia miverina in-efatra
2-2. Fanehoana ny kanto
" Be loatra no jamban 'ny vola sy jamban 'ny toerana mamirapiratra".
Sarin-teny roa hita ao amin'io fehezanteny io :
- Tamberin-teny: « jamban'ny » miverina indroa.
- Fampiasana sarin-teny fanovana endri-javatra : jamban'ny vola, jamban'ny toerana. Izany hoe ny
maso no jamba fa tsy ny vola na ny toerana.

II.- MIKASIKA NY RIBA


1-. Riba ao amin'ny lahatsoratra
1.1 - Fisehon'ny riba
a) Mba hampivoarana ny firenena : fanarenana ny toe-karcna hisitrahan'ny vahoaka rehetra ;
fanarenana ny fampianarana hahasahana ny sokajin'olona manontolo.
b) Ireo dingana lalovana mba hahazoan'ny tsirairay ny anjara masoandrony : faneken’ny Malagasy
manontolo ny lanjan’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fampianarana ; samy mahatakatra fa
miankina amin'nv tsirairay ny hoavin'ny Firenena.
1.2-Hevitra fonosin'ny riba
a) Fahendrena roa hita taratra ao amin'ity fehezanteny ity « Tsy vita tsy ifanakonana anefa ity raharaha
ity na an ny tena samy ire ry na ny an 'ny tanindrazana iombonana » : ny firaisan-kinan'ny rehetra ;
fijery manokana mikendry ny fanandratana ny tanindrazana iraisa-monina.
c) Soatoavina roa (02) tokony hohajaina nefa tsy voahaja hita taratra ato amin'ity fehezanteny ity : «
Misara-bazana noho ny fiaviana, misara-bazana noho ny antoko pôlitika, misara-bazana noho ny
antokom-pivavahana isika Malagasy ». - Fiombonana noho ny maha iray fototra ny Malagasy. -
Fampiraisam-panahy ao anatin’ny Fiangonana.
2. Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana
2.1- Fisehon'ny riba
a) Fomba am-panao Toe-javatra mitranga
Maka rano mahery . . Fanambadiana
Manala ratsiana . . Fahafatesana
Manala ondrana . . Famorana
Solon-dranom-bary tsy masaka . . Fahaterahana

b) « Izay mandoro ala, mandoro firenena ».


2.2-Hevitra fonosin'ny riba
a) Ny adidin'ny Razana araka ny fihevitry ny Malagasy : miahy, miantoka sy mitsodrano ny velona.
b) Ny hevitra fonosin'ny famadihana amin'ny Malagasy : fanandratana ny maty ho razana.
III.- MIKASIKA NY FITSIPIKA
1- Rafi-teny
l-l.Endrin-teny
a) Teny ahitana tsofoka : «Tsy vita tsy ifanakonana anefa ity raharaha ity ». - Ahitana tsofoka :
ifanakonana
b) « Samy manao izay hamenoany ny kitapony ny tsirairay ».
Hamenoany : h(o)-an-(f)eno-a(na)-ny

m
h(o) : mariky ny filazam-potoana
a n -....................-ana : tsirin-teny saradroa
feno : fototeny
-ny : mpisolotena tampisaka feno.

1-2. Sokajin-teny
Teny Sokajin-teny

mbola mpanampy

raha mpampiankina

-ny mpisolotena tampisaka

kitapo anarana

2- Tsipelin-eny
« Hi tantsika fa samy hafa ny jam ban ’ny vola sy ny jam ban 'ny taolan-kena ».
3- Fifehezan-teny
3-1. Anjara asa
« Ekena fa miankina aniin 'ny tsirairay ny hoavin'ny firenena ».
REM ZL
3-2. Hevitra ara-drafitra sy fitodika
a) Hevitra ara-drafitra
F1 : Maro loatra ny sahirana am in 'ny vary iray lovia
L tsaraina
Porofo : EM tsy matoanteny, teny tokanæ tsy ahitana maha- eo alohany.
F2 : Atomboka amiìi 'ny ara-batana ny fampitovian-jo.
RF mpamari-toe-javatra
Porofo : RF → L
Ny ara-batana no anombohana ny fampitovian-jo
anombohana : an-(t)ombok(a)-ana

h
EM matoanteny aman-tsirinteny saradroa, FKI mivany.
b) Fitodika
« Hampivoatra ny tanindrazana isika ».
Hampivoatra : h-amp-i-voatra
EM matoanteny aman-tsirin-teny sosona h-amp-i-
FKI mivany roa
Mitodika amin’ny L mpampanao ny fehezanteny.
3-3. Fifehezan-kevitra
Fanavahana :
FZK1 : « Azo tanterahina izany »
FZK2 : « rehefa manaiky daholo ny olona rehetra ».
Ahitana fehezan-kevitra roa ato.
Fifandraisany :
Ny FZK1 dia iankinan’ny FZK2
Ny FZK2 dia miankina amin’ny FZK1 amin’ny alalan’ny mpampiankina fehezan-kevitra
« rehefa ».
Ahilana fehezan-kevitra roa mifampiankona eto.

IV.- FAMORONAN-DAHATSORATRA
Arakaraka ny fahambonian’ny toekarena no andrefesana ny haavo lenta ny lanjan'ny firenena iray.
Rehefa mareforefo ny harin-karenan'ny firenena iray dia tsy misy fandriampahalemana vanona
handrandrama. Hohazavaina voalohany eto fa sahiran-tsaina ny isan-lokantrano ka manita-kevitra hilady
fomba hahazoana fihariana. Eo amin'ny lafiny faharoa dia mampiasa ny fomba ratsy rehetra ny sasany
handrombana ny harenan'ny manodidina azy.

Marefo ny toekarenan'ny firenena iray dia mahatsapa fadiranovana ny isan-tokantrano. Sahiran-tsaina ny


olona ka manita-kevitra hitady harena amin'ny fomba maro : hangalatra, hamitaka olona, hamaky trano,
hanambaka, hisoloky. Na dia ireo toe-tsaina ratsy ireo fotsiny no miforona ao amin'ny olona iray dia efa
tsy atokisana iny olona iny. « Ny ahiahy tsy ihavanana » : ka na ny fitsaran’ny manodidina dia efa tsy
mampandry mandry ny fiaraha-monina ny fisian'ireny sokajin'olona ireny.

Mafimafy kokoa noho izany rehefa hanatanteraka ny asa ratsiny ireny olona ireny. Tsy faniriana fotsiny
fa tena ara-bakiteny. Voaporofo eny amin'ny haino aman-jery sy gazety fa maro ny vakin-trano, ny
famonoana, ny fandrombana, ny fanodikodinana vola, ny fakana an-keriny. Habibiana no famintinana
izany. Hany ka tsy misy fandriampahalemana ny tany. « Mandry tsy lavo loha ny fiaraha-monina ».

Seho roa no hita araka izany ; dia ny fanirian-dratsy ao an-tsin'ny tera-tany manana tany marefo ara-
karena. Rehefa arahana asa izany dia koroniana sy fifofoana ain'olona no vokany. Tsy mandry ny tany
ary manjaka ny ratsy.

You might also like