Fiompina Bitro

You might also like

Download as pdf or txt
Download as pdf or txt
You are on page 1of 12

Fisy teknika sy

toro-lalana

Ny fiompiana bitro
Centre de formation
agricole Toamasina
Ny fiompiana bitro

Fampahafantarana ankapobeany
Misy karazana maro ireo bitro fiompy ary samy manana ny mampiavaka azy avy. Azo kilasiana ho telo
karazany izy ireo : ny bitro vaventy izay mety mahatratra hatramin’ny 8 kg, ny bitro salantsalany izay
mahatratra 3 ka hatramin’ny 4,5 kg ary ny bitro madinika izay latsaky ny 3kg ny lanjany.
Ny bitro fiompy hita eto madagasikara dia taranaka efa nifangaro. Mety maharitra hatramin’ny 8 taona ny
fahaveloman’ny bitro iray saingy tsy tokony ompiana mihoatra ny 5 ka hatramin’ny 6 taona izy satria tsy
dia tsara loatra intsony ny henany rehefa antitra. Mora ompiana ny bitro nefa mila fitandremana ihany eo
amin’ny lafiny sakafo sy fahasalamana.

1 - Ny toerana fiompiana :
Ny toeram-piompiana bitro dia tokony ho toerana :
• Voaaro amin’ny orana, noho izany toerana mitafo.
• Voaaro amin’ny rivotra diso tafahoatra (courant d’air).
Raha talakin-drivotra ilay toerana, dia tsara raha
rindrinina tsara ny tranom-bitro.
• Arovana amin’ny hamandoana sy ny petsapetsa
ny toerana asiana ny bitro. Asiana lalandrano
hivarianan’ny rano maloto.
• Voaaro amin’ny biby samihafa : alika, voalavo...

2 - Ny trano (clapier)
Misy karazany telo ny akora azo ampiasaina amin’ny fanamboarana ny trano:
Akora Lafy tsarany Lafy ratsiny
Mihiboka, lafo ary mitana
Biriky na simenitra Mafy, mateza, mora diovina
hamandoana
Mora mason-karena, mora arafitra, tsy
Hazo Tsy maharitra sy sarotra diovina
mihiboka
Karakara vy na hazo Mateza, mora diovina, tsy mihiboka Lafo mason-karena

2
Ny fiompiana bitro

Drafitra sy fandaminana ny tranom-bitro

3
Ny fiompiana bitro

3 - Ny tranom-bitro (cages)

Atokana hiavaka tsara ny trano ho an‘ny renim-bitro, ny bitro hatavezina, ny bitro lahy, ny bitro fakana ta-
ranaka, ny bitro bevohoka. Izany no atao mba ahafahana manara-maso ny fitombon’ny bitro sy ny firoboro-
bon’ny fakana taranany.
Azo atao amin’ny hazo na karakara vy
ity tranom-bitro ity.

Tandremana tsara mba tsy hisy zava-


maranitra mety handratra ny biby ny
trano fonenany na ireo fitaovana hita
ao anatiny.

Tokony ho hita ao amin’ny tranom-bitro ireo fitaovana ireo mba ahafahany miaina ara-dàlana. Tsaratsara
kokoa raha tavy vita amin’ny vy na vato mba tsy ho kikisan’ny bitro ary kendrena mba hadio lalandava ihany
koa ireo fitaovana ireo.

4
Ny fiompiana bitro

4 - Ny fiTANTANANA ny fiompiana

4 - 1 Ny foto-tsakafo
Tsy mifidy sakafo loatra ny bitro :
• Vilona maina,
• Legioma, anana,
• Ambin-java maintso aorian’ny fiotazana eny an-tsaha,
• Ny tsorankazo (hanasany nify),
• Mangahazo, ovy andrahoina (ho an’ny bitro hatavezina),
• Voankazo masaka, etc.

Misy ihany anefa ny sakafo fady azy :


• Ahitra lena mialon’andro. Ny rano amin’ny vilo-maitso dia mitarika fahalovana (fermentation), eny
na dia fotoana kely aorian’ny fakàna azy aza izany. Noho izany omena azy avy hatrany ny vilona.
Raha voatery ho tsy maintsy tehirizina dia hamainina tsara,
• Ovy manta, mangahazo manta,
• Anamamy, voanatsindrana, ravi-paraky,
• Provandy mando (tsy mihoatra ny 2 herinandro ny fitehirizana ny sakafo voafangaro).
Akora Lanja (kg)
4 - 2 Ny fanampin-tsakafo
Katsaka 34
Afaka mivelona fotsiny amin’ny foto-tsakafo voalaza etsy ambony ny
bitro raha ara-dalàna tsara ny fanomezana izany kanefa azo atao Mangahazo 16
ihany koa, araka ny fahafahanao, ny manome fanampi-tsakafo na Apombo malemy 30
provandy ny bitro mba anafainganana ny fitombony. Faikam-boanjo 6
Vovon-trondro 12
Lahim-bitro sy Bitro Bitro
Sokajim-bitro Vovok’akorandriaka 1
renim-bitro bevohoka mampinono
Sira 1
Fatra isan’andro
25 g 25 g 25 g Fitambarany 100 kg
/ bitro

5
Ny fiompiana bitro

4-3 Ny rano

Ny rano dia mitàna anjara asa lehibe tokoa eo amin’ny sakafon’ny bitro ka tsy tokony atao ambanin-javatra
mba hisorohana ny fahataran’ny fitombon’ny bitro ohatra. Tia misotro rano mantsy ny bitro, indrindra fa ny
bitro mampinono sy ny bitro kely. Noho izany dia tsy maintsy omena rano mandrakariva izy ireo. Soloina mate-
tika ary tsy maintsy rano madio lalandava no omena azy. Tsy azo atao ny manampy rano anaty tavy fisotroana
satria mety efa misy mikraoba ny ambin-drano : soloina isan’andro ny rano.

4-4 Ny fampitomboan-taranaka ny bitro

Bitro vavy feno 8 volana no azo atao renim-bitro. Koa raha misy fandaminana hampitombo ny isan’ny renim-
bitro dia tokony hisy fanomanana mialoha.
Antony fampidirana renim-bitro vaovao :
• Fanoloana ireo efa antitra na ratsy famokatra
• Fanampiana isa ireo efa mamokatra
Azo atao araka izay ilàna azy ny maka
taranaka amin’ny bitro vavy fa mba
tsy andreraka azy kosa dia tsara raha
hajaina ny fe-potoana amin’ny kisary
etsy anilany mba hahatsara ny vokatra.
Misy ny fomba faharoa fampamokarana
haingana izany hoe telopolo andro ao
aorian’ny fiterahana dia azo saraha-nono
sy ampanarahana indray ny bitrovavy.

a) Fampanarahana ny bitro (Saillie)


Atao ny fampanarahana rehefa voahaja ireto fepetra ireto :
• 8 volana ny vavy ary 10 volana ny lahy,
• Salama tsara ny bitro ampanarahana ary bitro tsy mpihavana (mpianaka na mpianadahy).
6
Ny fiompiana bitro

b) Fomba fampanarahana
Vao maraina na hariva no fanaovana azy ary apetraka ao amin’ny tranon’ny bitrolahy ny vavy. Arahi-maso
tsara ny fisian’ny firaisana. Tsara raha averina in-droa ny fampanarahana.
Tsy voatery hisy firaisana foana anefa satria mety handà ny bitrovavy ka avoaka ety ivelany ny bitrolahy ary
ajanona adiny roa irery ao anatiny ny vavy. Averina ao an-tranony ny bitrolahy aorian’izay ka raha mbola tsy
misy firaisana dia averina an-tranony ny vavy ka atao amin’ny andro manaraka indray ny fampanarahana.

d) Ny fitsapàna ny kibon’ilay bitro vavy

Amin’ny andro faha 12 ka hatramin’ny faha 14 dia atao ny fitsapàna


mba hijerena raha toa ka bevohoka marina ilay bitro vavy.

Safoina moramora avy any aoriana mankaty aloha ny kibon’ny bitro.

Raha toa ka mahatsapa boribory malefaka fa tsy mafy dia bevohoka


ny bitro.

Raha zavatra mafy no tsapa dia tainy io tsapa io fa tsy zana-bitro.

4-5 Ny fikarakarana ny akany fiterahana


Telo andro alohan’ny hiterahan’ny bitro dia
tokony omanina ny akany hiterahana. Boaty
madio, misy mololo maina madio ary ankinina
amin’ny efitra fiterahana. Rehefa akaiky ho
teraka ny bitro vavy dia manala ny volony izy
mba hampàfana ny akany fiterahany.

7
Ny fiompiana bitro

4 - 6 Ny fiterahana
• 30 andro aorian’ny fampanarahana no teraka ny bitro. Ao amin’ny akany izy no miteraka sy mampinono
ary mivoaka izy rehefa tsy mampinono.
• Atao tsy mihoatra ny valo ny isan’ny bitro minono amin’ny renim-bitro iray. Raha misy mihoatra dia
hafindra any amin’ny renim-bitro vitsy anaka.
• Rehefa mijery ny akany dia tokony sasana tsara ny tànana satria tsy tian’ny renim-bitro ny fofon-
tànana manaraka ny zanany.
• Afaka tapa-bolana dia afaka mivoaka ny akany ny zana-bitro.
• Afaka manandrana sakafo hafa ny zana-bitro rehefa afaka 25 andro nefa tsy mbola sarahana nono izy.

a) Fanaraha-maso ny zana-bitro
Mila arahi-maso ireo zana bitro sao misy maty ka tokony esorina avy hatrany. Mila arahi-maso tsara ihany koa
ireo bitro-kely tsy minono ara-dàlana. Tokony hibontsina tsara mantsy ny kibon’ny bitro kely ampy nono.
b) Fanasaraha-nono
Afaka telo amby telopolo ka hatramin’ny dimy amby telopolo andro aorian’ny fiterahana dia afaka omena
sakafo hafa ny bitro kely. Asiana marika ny bitro rehefa saraha-nono. Ary sarahana ny lahy sy vavy.
c) Fifidianana ny zana-bitro lahy sy vavy
Sarotra ny manavaka ny bitro lahy sy vavy raha mbola kely kanefa azo atao tsara ny mahafantatra ny maha lahy
na vavy ny bitro vao teraka amin’ny alàlan’ny fanapotserana mora ny taovam-pananahana : raha miendrika
boribory io taova io dia lahy ny zana-bitro. Raha somary mididy lava kosa dia vavy. (Jereo ny kisary)

Fomba fanapotserana Taovam-pananahana Taovam-pananahana


zana-bitro Lahy zana-bitro Vavy

8
Ny fiompiana bitro

4-7 Ny fanatavezana

Apetraka mandritra ny roa na telo volana ao amin’ny efitra fanatavezana ny bitro kely. Rehefa tapitra io
fotoana io dia fidiana hakàna taranaka ny sasany.
Fidiana ny lahy mora mitombo sy ny vavy izay lehibe sy izay manana reny mahay mitaiza. Ny ambiny no
alefa ho hena. Bitro roa ambiny folo ka hatramin’ny efatra ambiny folo isaky ny m2 no tokony ho ao anatin’ny
efitra fanatavezana iray.

5 - Ny fahasalamana

Mba isorohana ny aretina dia tandrovina mandrakariva ny fahadiovana amin’ny lafiny rehetra : toerana iom-
piana, fitaovana, ny sakafo, ny biby.
• Diovina isan’andro ny tranom-bitro, atao azon-drivotra tsara, atao isan’andro ny fanalàna ireo
maloto isan-karazany,
• Asiana fanafody famonoana biby sy kantsetsitra sy mikraoba samihafa na «désinfectant» ny tranom-
bitro in-droa na in-telo isan-taona, ary sasàna amin’ny eau de javel raha toa ka nisy bitro maty tao.
• Fitaovana tsy mitana loto, mora diovina no ampiasaina.
• Sakafo ara-dàlana ary tsy mando no omena ny bitro.
• Tsy maintsy atao vaksiny ny bitro, afindra toerana ny marary, atokana ireo vao tonga.
• Ireo bitro maty dia dorana avy hatrany.

6 - Ireo aretina mpahazo ny bitro


a) Ny fisehony
• Ny areti-kibo : Io no aretina mateti-piseho indrindra. Mety ho vokatry ny mikraoba na avy amin’ny
tsy fifandanjan’ny sakafo no mahatonga azy. Tsy misy fitsaboana azo atao fa dia ny fitandremana
ny sakafon’ny bitro mba hifandanja ary ny fametrahana rano madio tsy tapaka ao an-tranony no
tokony atao.
• Ny sery mifindra : Tsy mitsahatra mievina ny bitro ary misy lelo mitsiranoka amin’ny orony.
• Ny empona : Aretin’ny làlan-drivotra, sempotra ny bitro, misy lelo madity ny orony, mivalana koa
indraindray. Mahafaty tampoka ny bitro ity aretina ity.
9
Ny fiompiana bitro

• Ny kôksidiôzy : Parazita mivelona ao amin’ny tsinay. Ny atody manaraka ny sakafom-bitro no ahazoan’ny


bitro ity aretina ity. Tsy mahinan-kanina ny bitro ary vetivety dia mahia, mizihitra ny kibony ary mivàlana,
malemy izy ary tsy afaka mitsangana.
• Kankana ao amin’ny làlan-tsakafo : Ny fitandremana atao ny fanomezana ody kankana isan-telo
volana.
• Ny lagaly : Misy tako-pery ny faritra marary, misy nana ihany koa ao amin’ny sofina.

b) Ny fitsaboana
Tsara raha manatona ny mpitsabo biby raha vantany vao hita ireo soritr’aretina ireo.

7 - NY FITANANA AN-TSORATRA

Mba hisian’ny vokatra azo antoka sy mitohy dia ilaina ny manao firaketana an-tsoratra momba ny zava-miseho eo
amin’ny fiompiana ; indrindra fa ny mikasika ny famokaran’ny renim-bitro. Ilaina koa ny mahafantatra ny maso-
karena sy ny vola miditra mba ahafahana milaza fa nahazo tombony na tsia teo amin’ny famokarana. Mampiasa
kahie iray ka toy ity hita manaraka ity ny modely arahina amin’izany:

FIRAKETANA ASA NA ZAVA-NISEHO :


Daty Asa natao/ Zava-niseho Fanamarihana
07/03/2011 Nanomboka ny asa fanamboarana ny trano Avance : 10 000 Ar (Rakoto)
15/03/2011 Vita ny trano Volan-dRakoto : 20 000 Ar
30/03/2011 Nividy tavy fisotroan-drano 02 10 000 Ar/tavy
10/04/2011 Nividy renim-bitro 05 9 000 Ar/Bitro (Brickaville)
15/04/2011 Tonga ny lahim-bitro 02 10 000 Ar/Bitro (Bazary kely)
30/04/2011 Nanolo lafika ny tranom-bitro Karama (Rakoto) : 600 Ar

10
Ny fiompiana bitro

Ohatra : FIRAKETANA NY VOLA LANY :


Daty AKORA na KARAMA Isany Vidin'ny iray (PU) Totaly
07/03/2011 Asa trano (avance) 1 10 000 10 000
15/03/2011 Karama nanao trano 1 20 000 20 000
30/03/2011 Tavy fisotroan-drano 2 10 000 20 000
10/04/2011 Renim-bitro 5 9 000 45 000
15/04/2011 Lahim-bitro 2 10 000 20 000
30/04/2011 Karama nanolo lafika 1 600 600

11
FANOROAM-PEJY

Fampahafantarana ankapobeny .................................................................................................................................2


1. Ny toerana fiompiana..................................................................................................................................................2
2. Ny trano.......................................................................................................................................................................2
3. Ny tranom-bitro...........................................................................................................................................................4
4. Ny fitantanana ny fiompiana.......................................................................................................................................5
4.1 Ny foto-tsakafo.............................................................................................................................................5
4.2 Ny fanampin-tsakafo .................................................................................................................................5
4.3 Ny rano.........................................................................................................................................................6
4.4 Ny fampitomboan-taranaka ny bitro............................................................................................................6
4.5 Ny fikarakarana ny akany fiterahana.............................................................................................................7
4.6 Ny fiterahana ...............................................................................................................................................8
4.7 Ny fanatavezana...........................................................................................................................................9
5. Ny fahasalamana..........................................................................................................................................................9
6. Ireo aretina mpahazo ny bitro .................................................................................................................................9
7. Ny fitanana an-tsoratra..............................................................................................................................................10

Ity boky toro-lalana ity dia natao tao anatin’ny «Centre de formation agricole» tontosain’ny Centre Technique Horticole de
Tamatave (CTHT) miaraka amin’ny Projet AMBATOVY sy ny PGRM.

Centre de Formation agricole - Toamasina - CTHT


Bâtiment ex-opération café - Bd Joffre - Tamatave 501 - Madagascar
Tél: 020 53 311 37 - Fax: 020 53 322 04
Mobile : 032 07 668 58 - 033 15 011 86
E-mail : ctht@moov.mg - Site web : www.ctht.org

You might also like