NY F.K.A (Filan-Kevitry Ny Antoko) : Nanangona: Foibe TEM Sampana Maitso 2006 - 2010 May 2009

You might also like

Download as pdf or txt
Download as pdf or txt
You are on page 1of 1

NY F.K.

A (Filan-Kevitry ny Antoko)
Ny F.K.A dia tsy tarazo na fomba fa rafitra itantanana ny fiainan’ny Antoko ato amin’ny
Tily Sampana Maitso . Izy dia sehetra handinihina sy hifampidinihina ny amin’ny fiainan’ny
Antoko sy ny fiainan’ny Sokajy. Sehatra ihany koa izy mba hampitana amin’ny Lohan-
tSokajy ireo traikefa tokony hananany hitantanany ny sokajiny. Ny fomba entina mampiaina
azy no mety ho tarazo, toy ny fanaovana hatrany ny hiran’ny F.K.A eo am-panombohana sy
eo am-pamaranana.

Misy lamina mazava tsara arahina amin’ny fanaovana F.K.A:

  Fandraisana ny tatitra ataon’ny L.S avy amin’ny hetsika natrehana.


  Famahana olana raha misy izany avy amin’ny tatitra ataon’ny L.S.
  Fanolorana ny vaovao tsara ho fantantry ny L.S sy ny sokajiny ary ny
fandaharana sy ny hetsika manaraka miaraka amin’ny toro-marika sy ny
fandaminana ilaina amin’ny fiatrehana izany.
  Fanofanana L.S raha hita fa ilaina izany.

Ny L.S sy ny Mpiandraikitra dia tsy maintsy manatrika ny F.K.A foana, raha tsy hoe
marary na tsy afaka izy, fa ny S.L.S no voafetra ny fotoana ahazoany manatrika izany, araka
izay lamina apetraky ny Mpiandraikitra. Afaka manasa olona hafa ihany koa anefa ny
Mpiandraikitra hiatrika ny F.K.A, kanefa dia misy antony manokana no hanaovany izany
(Ohatra: Fanofanana spesifika be omena ny L.S ka tena mila olona teknisiana amin’izany
mihitsy; Beazina ilana ifampiresahana manokana). Tsy manatrika feno ny F.K.A anefa ireny
olona ireny fa eo amin’izay fotoana ilana azy ihany izy no mahazo mijanona eo.

Ny zavatra rehetra mitranga sy voaresaka ao amin’ny F.K.A dia tsy maintsy raisina an-
tsoratra foana.

Manana andraikitra lehibe eo amin’ny fampitana sy fahalavorarian’ny fanabeazana atao


ato amin’ny Tily Sampana Maitso araka izany ny F.KA, ary azo lazaina mihitsy fa ny Antoko
tena mahomby dia ireo izay manao F.K.A ara-potoana sy ara-dalàna.

Ny fotoana fanaovana F.K.A dia tsy voafetra mihitsy. Afaka manao izany foana na any
an-tanàna na any an-dasy. Tokony ho ara-potoana kosa anefa izany fa tsy miandry zavatra
mitranga (Ohatra: isaky ny avy mivory isan-kerinandro, isaky ny hariva any amin’ny lasy sy
fivoahana an-tsaha).

Nanangona : Foibe TEM Sampana Maitso 2006 -2010


May 2009

You might also like