Download as pdf or txt
Download as pdf or txt
You are on page 1of 1

MINISTERE DE LA SANTE PUBLIQUE

SECRETARIAT GENERAL
--------
DIRECTION GENERALE DE FOURNITURE DES SOINS
---------
CENTRE HOSPITALIER UNIVERSITAIRE
DE TAMBOHOBE FIANARANTSOA
---------

FILAZANA
********
Ho fanatanterahana ny hetsika varavarana misokatra, tolotra ara-pahasalamana
maimaipoana manerana ny Nosy, izay tarihin’ny Fitondram-panjakana amin’ny
alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay hatao ny 28-29- 30
Septambra 2023, dia mandray anjara tanteraka amin’izany ihany koa ny
Hopitaly CHU Tambohobe hoantsika eto Fianarantsoa.

Toy izao ny fandaharam-potoana amin’izany:

1. Ny Alakamisy 28 Septambra 2023, manomboka amin’ny 09 Ora maraina


ny fisokafan’ny trano heva
2. Ireto avy ireo tolotra ho hita amin’izany:
Fitiliana ny areti-maso “cataracte”, diabeta, faingo sela na
“drépanocytose”, tsy fanjarian-tsakafo “malnutrition”, ny aretin’ny
vozon’ny tranon-jaza na “cancer du col”, homamiadan’ny nono na “cancer
du sein”, VIH, fandrindrana fiainam-pianankaviana “PF”.
3. Mitohy ny zoma 29 septambra ireo tolotra rehetra ireo ary miampy
fitiliana amin’ny alalan’ny fitarafana ny homamiadan’ny nono na
“mammographie”, fitiliana ny aretina sohika na “asthme”.
4. Ny sabotsy 30 septambra: Mitohy ireo tolotra rehetra voalaza etsy
ambony ireo ary miampy ny fandraisana ireo olona hanome rà sy
fanaovana didipoitra faobe

Ireo hetsika rehetra ireo dia hatao ato amin’ny Hôpitaly Tambohobe eo amin’ny
kianja filalaovam-baolina akaikin’ny Maternité RARANDRANA.

Entano ny namana sy ny manodidina ho tonga maro


Ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka eo anilanao mandrakariva.

You might also like