Download as pdf or txt
Download as pdf or txt
You are on page 1of 1

Hadith tsika androany insh’Allah

a ‫َّللا صلى هللا عليه وسلم قَا َل‬ ُ ‫ أَ َّن َر‬،َ‫ع ْن أَ ِبي ه َُري َْرة‬
ِ َّ ‫سو َل‬ َ
‫َّللا َو َم ْن يَأْبَى قَا َل‬ ُ ‫ قَالُوا يَا َر‬." ‫ إِالَّ َم ْن أَبَى‬،َ‫ون ا ْل َجنَّة‬
ِ َّ ‫سو َل‬ َ ُ‫" ُك ُّل أ ُ َّمتِي يَ ْد ُخل‬
." ‫صا ِني فَقَ ْد أَ َبى‬ َ ‫ َو َم ْن‬،َ‫ع ِني َد َخ َل ا ْل َجنَّة‬
َ ‫ع‬ َ ‫" َم ْن أَ َطا‬
Tatitra azo avy tamin’i Abou Houraira radhiyallah ‘anhou,
Niteny i Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam manao hoe:

“Ny vahoakako rehetra dia, hiditra ao amin’ny Paradisa afa tsy ireo izay mandà ihany.”
De nanontany izy ireo hoe: Iza olona handa zany? De namaly I Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam
manao hoe: “N’iza n’iza manaraka ny baiko omeko dia, hiditra ao amin’ny Paradisa ary n’iza n’iza
mandà ny tenik dia, izy ilay nandà (tsy hiditra Paradisa)”.

Référence : Sahih Boukhari, Hadith numéro 7 280,


Nb :
Ity Hadith ity dia manambara vaovao mahafaly ho antsika rehetra fa ny vahoaka mpino islam rehetra dia hiditra
ao am-paradisa. Afa tsy ireo izay nandà na koa ireo izay tsy nanaiky hiambany na hanetry tena amin’ireo
fampianana maro samihafa avy amin’ny Mpaminany Muhammad Salallah ‘anlayhi wa salam. Izay midika hoe:
Tsy mijanona amin’ny fanarahana Kour’any tsika mpino islam fa eo ihany koa ny fanarahana ny Sounnah na
fomba amam-panao ny Mpaminany izay hita sy voamarina tsara fa marina. Ireny Hadith Sahih ireny tahaka ny
Hadith omena atsika ity. Ireo izay tsy manaraka fomba fampianarany dia halefan’I Allah any amin’ny afo be
mandritran’ny fotoana maharitra araka izay itiavany azy. Ankoatr’ireo izay nanao Tawbah (fibebahana). Ry
Mpino islam! Aoka ianao mba hanaraka Sounnah ny Mpaminany Salallah ‘anlayhi wa salam de ho avotra ianao
araka ny voalazan’ny hadith ity.
Hadith N° 003
١٤٤٥ ‫األول‬ 032 04 036 92
ّ ‫ربيع‬

Hadith tsika androany insh’Allah


ُّ ‫َقَالَالنَّ ِب‬،‫عَ ْنَأن ٍس‬
ََ‫يَصلىَهللاَعليهَوسلم‬

َ ‫اس أَجْ َم ِع‬


" ‫ين‬ َّ ‫ُون أَ َح‬
ِ َّ‫ب ِإلَ ْي ِه ِم ْن َوا ِل ِد ِه َو َولَ ِد ِه َوالن‬ َ ‫" الَ يُ ْؤ ِم ُن أَ َح ُد ُك ْم َحتَّى أَك‬
Tatitra azo avy tamin’i Anas Radhiyallah ‘Anhou,
Niteny i Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi Wa salam manao hoe :

‘Tsy mba hanana finoana (feno) velively ny iray aminareo afa tsy hoe izy dia, mitia ahy mihoatra ny
(fitiavan’ny) Ray niteraka azy, zanaka naterakany sy ny olombelona rehetra (tsy ankanavaka)’
Référence : Sahih Bukhari, Hadith numéro 15,
NB:

Ny porofo ilazana fa olona iray dia, mitia Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam dia, ny
fanarahany ny teniny (Hadith na fomba amam-panaony). Nataony ny tenin’ny Mpaminany Salallah ‘Anlayhi wa
salam ho avo indrindra mihoatra ny tenin’ireo olona voatanisa ireo. Raha toa ka ampiharinao izany dia, ianao
dia, iray amin’ireo mitia Mpaminany Muhammad Salallah ‘Anlayhi wa salam. Tsy porofo ny filazana hoe: O ry
Mpaminany Muhammad, ianao dia, tiako’. Satria, mila arahin’ny asa izany fitiavana izany. Tokony hita taratra
eo amin’ny fiainanao ny fanarahanao ireo teniny na fomba amam-panaony.

Hadith N° 004
١٤٤٥ ‫األول‬
ّ ‫ربيع‬ 032 04 036 92

You might also like